Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Ary Jesoa nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana* anao. Dia sitrana** ilay vehivavy tamin'izay ora izay". *Na: namonjy. [*Na: voavonjy]. Matio 9 : 22
Tohiny

"Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Habakoka 2:4)". [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]. Romana 1 : 17
Tohiny

"Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany". Titosy 1 : 15
Tohiny

"Mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika". I Tesaloniana 3 : 3
Tohiny