Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana". Salamo 8 : 4 - 5
Tohiny

"Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa". I Jaona 4 : 20 - 21
Tohiny

"Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesoa taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy…
Tohiny

"Jehovah o, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?". Eksodosy 15 : 11
Tohiny