ALAHADY 04 JOL 2021
Ny tenin’Andriamanitra izay ho toriana amintsika dia ny filazantsara araka ny Lioka 5 :27-32, dia ibanjinantsika lohahevitra vaovao, araka izay voalazan’ny mpitarika teo : Miorena amin’ny antson’ny Tompo.
Ny ankamaroan’ny kristiana maneran-tany ry havana dia mahay tsianjery hoe iza avy ny filazantsara 4 voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Iza avy ireo izy ? Matio – Marka – Lioka – Jaona. Izany izany, tsy kristiana ianao raha izany avy dia tsy hainao an. Izany izany izao ny fitsapana tamin’ny andron’ny Kgb. Nisy fotoana nenjehina ny fivavahana kristiana tany Urss, dia nisy fotoana koa tany Corée avaratra. Dia milaza ry zareo hoe tamin’izany izany, mpitsikilom-panjakana mody manao mpitondra fivavahana ; dia anontaniana ilay mpitondra fivavahana hoe : inona kay ny filazantsara 4 voalohany ? Dia miahanahana. Dia fantatrao hoe mpitsikilo itony fa tsy mpitondra fivavahana. Matio – Marka – Lioka – Jaona. Fa ny fahadisoan-kevitry ny ankamaroan’ny olona, dia mieritreritra ny olona hoe Matio, Marka, Lioka, Jaona dia Apostoly daholo. Fa tsy Apostoly daholo izany ireo. I Lioka, izay nanoratra an’ity filazantsara ity ohatra, dia tsy Apostoly. Tsy Apostoly izy izany, izany hoe tsy ilay olona nanaraka an’i Jesoa nivantana tanatin’ny 12 lahy. Tsy vitan’ny hoe tsy Apostoly izy an, fa izy koa tsy jiosy : Syriana izy, jentilisa izy. Ary satria izy tsy jiosy an dia hafa koa ny fomba fijeriny. Fahatelo manaraka izay : Lioka koa tsy mpanarato ; fa Lioka dia dokotera. Izany olona avara-pianarana tamin’ny androny. Ary satria izy Syriana, jentilisa fa tsy jiosy ; satria izy avara-pianarana fa tsy mpanarato ohatran-dry Petera, dia hafa kokoa ny fomba fijery sy teolojia an’i Lioka raha oharina amin’ny teolojian’ny hafa. Ao anatin’izay ohatra izao an, dia i Lioka mijery kokoa ireo antsoin’ny fiaraha-monina hoe anjorom-bala.
Amin’ny fiaraha-monina jiosy izany, sy ny fiaraha-monina rehetra rehetra dia misy ny olona antsoina hoe anjorom-bala, marginal. Dia ireo an, anatin’izany ny vehivavy ohatra. Ny vehivavy izany izao, rehefa manisa ny olona dia hoe : « ary ny isan’ny olona nisakafo tao dia tsy omby olona 5000 lahy » ; fa ny vehivavy tsy misy manisa izany. Dia gaga be aho izao nijery tato anztin’ny Baiboly an : rehefa misy hoe vehivavy ho sitranina amin’ny aretina amin’ny ankapobe : tsy hitanao ao mihitsy ny anarany. Tsy hita mihitsy ny anaran’ilay vehivavy, ankoatra an’ilay hoe namoahana demonia sns… Fa rhaa vao lehilahy, dia apetaka ny anarany, hoe : « Ary Bartimeo jamba » ; fa ny vehivavy izany ahiliky ny fiaraha-monina. Ahiliky ny fiaraha-monina ihany koa ireny ilay olona mafy ady, misy aretina, boka. Ireny izany efa hoe : « boka e, boka e » : avy hatrany dia miala. Fa ahiliky ny fiaraha-monina ihany koa izay tsy mitovy hevitra politika aminy. Ny hevitry ny fiaraha-monina manontolo dia ity, ity, ity. Ny fiaraha-monina dia manao hoe : mila tia tanindrazana isika ; ny fiaraha-monina dia manao hoe : mijoro isika amin’ny maha-jiosy antsika ; dia izay heverina ho mpiara-miasa amin’ny mpanjanan-tany : voahilika any. Ary izany fomba fijery diso marobe manodidina ny fiaraha-monina jiosy izany ry havana no tian’i Lioka ahitsy amin’ny alalan’izao filazantsarany izao. Fa miorenà amin’ny antson’ny Tompo. Satria ny antson’ny Tompo dia ho an’ny olona rehetra. NY ANTSON’NY TOMPO DIA HO AN’NY OLONA REHETRA. Hitantsika izany ry havana eo amin’ny and.27-28. Izao indrindra mantsy no voalazan’ny Soratra Masina : « Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy (Matio), nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy ». Ny fanjakana romana no nitondra tamin’izany. Romana izany : any Italie an. Ary Europe ary lavitra be ary. Dia ny jiosy an : zanatany. Dia rehefa zanatany ny jiosy an, dia nozarazarain’ny Romana faritra : faritra anankiray an Galilia, faritra anankiray Samaria, faritra anankiray Jodia, faritra anankiray taty Egypte, faritra anankiray tany Frantsa, ohatra izany. Dia rehefa nozarain’ny mpanjanan-tany faritra be dia be an, ny tao anatin’ny empire romana, dia apetrany isaky ny faritra hoe : ianareo ato an : ity hetra alainareo, ohatran’io manao ny teti-bolam-panjakana amin’izao fotoana io ihany izany ; ity ny hetra alainareo amin’ity taona ity. Dia ohatra izany izao hoe ny fatra napetraka ho hetra alaina ho amin’ity taona ity dia 1tapitrisa denaria, ao amin’ny faritra iray ao Galilia ; dia miantso ny antsoina hoe mpamory hetra ry zareo an, dia ireo olona mpamory hetra ireo no manome toky, na karazana garant izany milaza hoe tsy maintsy tratranay ireo hetra ireo. Dia ny fanjakana romana tsy te hahafantatra, fa mila mandray 1tapitrisa isa-taona izy. Dia ireny indray no mizara ny hetra isan’olona, hoe ianao izany an, izao no aloanao ; ianao izany an, izao no aloanao ; ianao izany an, izao no aloanao. Dia satria ry zareo no mametraka an’ilay isa, dia tokona 1tapitrisa no alainy, dia taingenany 2tapitrisa. Izany izany ny fanaon’ny mpamory hetra tamin’izany an. Raha amin’izao fotoana izany, tsy hoe ratsy akory an, fa inspecteur des impôts ny asan’i Matio. Izany izany raha tena izy. Dia tsy ilay 1tapitrisa tokony alainy no alain’iretsy, fa 2tapitrisa. Ianao izay tsy mandoa hetra rahateo moa tonga dia azon’ny fanjakana gadraina. Dia sady efa halan’ny olona izany ry Matio, satria mpiara-miasa amin’ny mpanjanan-tany, ohatran’ny ny fitiavan’ny olona ny frantsay niara-niasa tamin’ny allemand tamin’ny ady lehibe faharoa, collaborateurs no filaza azy ; tahaka ny nakahalan’ny malagasy ny malagasy mpamadika tanindrazana tamin’ny frantsay nanafika antsika. Dia halan’ny olona ry Matio satria mpiara-miasa amin’ny mpanjanan-tany. Fa tsy vitan’ny hoe miara-miasa amin’ny mpanjanan-tany izy, fa mbola mambotry vahoaka, mangarona ny any am-paosin’ny olona ary maka izay tsy tokony alaina. Izay rahateo ry havana no nahitantsika an’ilay hoe rehefa nanatona an’i Jaona mpanao batisa ny mpamory hetra hoe : « inona no tokony ataonay ? », dia izy tsy miteny hoe : « mialà amin’ny asanareo, aza manao inspecteur des impôts intsony ». Tsy nanao an’izany izy, fa izao, hoe : « aza maka mihoatra noho izay tokony ho alainareo ».
Ary dia hitantsika araka izany tenin’Andriamanitra izany ry havana fa ireo olona izay noheverina ho nalohan’ny fiaraha-monina, olona izay noheverina ho anjorom-bala aza, dia ao anatin’ny olona antsoin’ny Tompo. MIANTSO NY OLONA REHETRA NY TOMPO : NA IZA IZY NA IZA DIA MANDRAY ANTSO. Ary izay ange ry havana no mahavariana e, amin’ny Abrahama ao amin’ny Genesisy 12 e : efa lehilahy lehiba 75taona ianao, efa mipetrapetraka tsara tany Harana ; Harana izany moa izany amin’ny faritra Iraka sns iny amin’izao fotoana ; dia olona efa mipetrapetraka ny fiainana, efa tsy nanantena intsony izy mivady hoe hiteraka, dia efa nanangan-jaza, efa nanangana an’i Lota zana-drahalahiny, nentin-dry zareo niaraka taminy ; efa mipetraka tsara ny fiainanao any amin’ny faha-75 taona no tonga ny antson’Andriamanitra hoe : « mandehana ianao, mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao ». Dia tonga tany amin’ny tany Kanana izy.
Ry havako malala ao amin’ny Tompo an, NY ANTSON’I JESOA KRISTY TOMPO DIA HO AN’NY OLONA REHETRA. Ho an’ny olona rehetra io. Araka izay voalaza teo moa, androany Alahady ho anareo sampana, sampan’asa, asa, fikambanana. Misy antso nataon’ny Tompo miantefa isan’olona isan’olona, dia ekeo izay antso niantsoan’ny Tompo anao. Tsy misy an’izany hoe : « izaho tsy nantsoin’ny Tompo ». Fa misy antson’ny Tompo ho anao : fa na ianao no mafy fo sy mafy loha, na ilay izy diso : diso fandray ianao fa tsy ny Tompo no diso fiantso. Raha nantsoina ho dorkasy ianao dia ataovy ny maha-dorkasy anao. Nantsoina ho fifohazana ianao : ataovy tsara ny maha-fifohazana anao. Raha nantsoina hoe Stk zandriny ianao an : mipetraha tsara amin’ny maha-Stk zandriny anao. Raha nantsoina ho diakona ianao an : ataovy tsara ny maha-diakona anao. Fa izay. Ary io raha vao ampifamadihanao dia miteraka loza an. Teo izao, mandeha ny hira : raha ireo feo voalohany no asaina manao feo faharoa, dia efa mamalana ; na ny basse no asaina manao feo fahatelo dia efa manahirana io. Fa napetrak’Andriamanitra amin’ny toerany avy ny tsirairay. Ary raha ho an’ilay demoniaka manokana ny amin’ny filazantsara araka an’i Marka 9, rehefa nositranin’i Jesoa izy dia nafana fo ; satria iny ilay namoahana devoly 6000 an, izay ny legiona mantsy : 6000 ; ny légion romaine 6000 ny isany. 6000 ny devoly navoaka taminy dia nanolo-tena izy. Raha amin’izao fotoana izao izany tonga dia hoe « midirà mpiandry, ianao ary efa sitrana ». Fa injay nanaraka ny Tompo dia hoy ny Tompo hoe : an an an, mandeha ianao mody fa tsy manaraka ahy. « Izaho Tompoko hanao Apostoly » - « Mandehana ianao mody, lasa ianao mitory teny any an-tanananao mankany Dekapolisy dia mitoriteny hoe izaho nositranin’i Jesoa ». Ary dia nisy antso.
Ary tsy aty am-piangonana ihany io an, fa any amin’ny asanao : misy nantsoin’ny Tompo ho mpitsara, misy nantsoin’ny Tompo ho dokotera, misy nantsoin’ny Tompo ho mpamafa lalana, misy nantsoin’ny Tompo ho mpampianatra eny amin’ny Oniversite… Misy ny nantsoin’ny Tompo… Any amin’izay sehatra misy anao no hamalio ny antson’ny Tompo.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, Pasitera mivady : efa natsoina ho amin’ny fisotroan-dronono ianao ; izay indray izany izao ny antson’ny Tompo ho anao. Teo ianao nantsoina ho mpitandrina, dia afaka 5 volana ianao izao dia antsoina ho mpitandrina misotro ronono. Dia tahaka an’i Mosesy, notenenin’ny Tompo hoe : Mosesy an, Mosesy an, mijanona amin’izay izy ity e ; asaivo miakatra i Josoa, dia miakatra indray Josoa. Tahaka an’i Elia : Elia an, Elia an, tapitra izy ity e : asaivo miakatra i Elisa, dia niakatra indray Elisa. Ifandimbiasana ny toerana. Ary dia antson’ny Tompo, antso masina izany.
Eto ry havana dia hisarika kely ny saintsika aho. Misy fahadisoan-kevitra be dia ben y antsoina ho « ny antson’Andriamanitra ». Ny antson’Andriamanitra dia heverin’ny olona hoe ao anaty fahoriana foana ; fa misy fotoana ny antson’Andriamanitra dia ao anatin’ny fahasoavana. Misy fotoana moa izahay tafaresaka amin’ireny mpitondra fivavahana hafa ireny, manana namana Pasteur sy Mompera sy Masera be dia be ; marihiko tsara fa isika Fjkm manana Masera ihany koa an. Dia ny ankamaroan’ny olona hoe Masera sy Mompera an, na ny Pasteur hafa, raha vao anontaniana, dia izao : fa naninona kay ianao ity no nanao Masera ? Angaha voadona tany amin’ny resaka fitiavana ? Izany daholo ny olona. Fa maninona kay no nanao Mompera ? Angaha nataon’ny vehivavy narary fo ? Tena izany. Fa maninona kay no nanao Pasitera ? Angaha lany session teny Ankatso ? Tsia. Raha ny tantaran’io Pasitera io : fantatrareo ? Cadre ambony be tany Frantsa io. Nandray firy francs français izy tamin’izany : fantatro. Mbola tsy Euro ny vola tamin’izany. Fa nafoiny izany, tahaka an’ity Matio ity, rehefa tonga ny antson’ny Tompo. Izaho moa fantatrareo fa nisy fotoana nandalo kely teto : fantatro tsara ny tetibolan’Isotry Fitiavana : fa raha ny karama noraisiny tamin’izany sy ny karama raisiny amin’izao an : mbola ambany. Mbola ambany no omenareo azy izao noho ny noraisiny tamin’izany. Fa izay ilay antson’ny Tompo miantso anao. Ao anatin’ny fara-tampon’ny heriny, insspecteur des impôts ao anatin’ny heriny manontolo i Matio no nantsoin’Andriamanitra ary dia novaliany ny antson’ny Tompo. Nahafahany niorina ny antson’ny Tompo.
Fa ny antson’ny Tompo ry havana, izay anorenana antsika mpino, tsy vitan’ny hoe ho an’ny olona rehetra ihany ; fa ny antson’ny Tompo ihany koa dia anaovana fety.
ALAHADY 27 JON 2021
Ao amin’ny filazantsaran’i Matio ry havana, Matio 16, tenin’i Petera tamin’i Jesoa, teny izay fanta-daza ; Matio 16 :16 : « Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe : Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ». « Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ».
Tsy tena mahafa-po ry havana, rehefa tena dinihina ny dikan-teny protestanta, rehefa miteny izy hoe : « Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ». Amin’ny teny frantsay izy, hoe : « Tu es le Christ, Tu es Christ, le fils du Dieu vivant ». Ilay hoe « du » moa izany, hoe « de le » Dieu vivant. Izay no mahatonga an’ilay « du ». Le Dieu vivant.
Naka toky tsara aho tamin’ny mpampianatra malagasy alohan’ny itenenako aminareo an’izao : raha tena adika ara-bakiteny ny hoe « Tu es le fils du Dieu vivant », dia tokony hoe, raha miteny hoe « le Dieu vivant » : « Ianao Ilay Andriamanitra velona ». Ilay Andriamanitra velona : tena hoe mampisongadina an’Andriamanitra ho hany Andriamanitra, ary hany Andriamanitra velona. Andao ange jerentsika ny Salamo 86 e ; Salamo 86. Maro ny andriamanitra ry havana. Salamo 86 :8, teny nataon’i Davida ity momba an’i Jehovah ; Salamo 86:8 : « Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ireo andriamanitra ». Tsy misy tahaka Anao Jehovah ô, amin’ireo andriamanitra, fa Ianao irery Ilay Andriamanitra velona, Ilay hany Andriamanitra velona. Ilay lohahevitra dinihantsika amin’ity volana ity dia hoe : ny finoana dia anorenana ny maha-kristiana. Ny fanontaniana apetraky ny Tompo aminao, hoe : FINOANA AN’IZA MOA NY FINOANAO ? Tsy ampy izany ry havana, raha hoe : Finoana an’Andriamanitra fotsiny. Io izy : be dia be ny andriamanitra. Fa mila faritana mazava tsara, hoe : FINOANA ILAY ANDRIAMANITRA VELONA. Izay ny hafatra androany : FINOANA ILAY ANDRIAMANITRA VELONA na FINOANA ILAY HANY ANDRIAMANITRA VELONA. Enga anie ka ho izany ny finoantsika mianakavy ry havana ô.
Amin’ny ampitson’ny nankalazana ny faha-61 taona niverenantsika tamin’ny fahaleovantena ; rariny raha misy fankalazana, n’inon’inona fitondrana politika eo ; fa rariny raha ankalazaina izany e. Ampitson’izany isika no mahazo an’ity perikopa ity ry havana ô. Dia tena hoe sady finoana anorenana ny maha-kristiana antsika izany finoana an’Ilay Andriamanitra velona izany, no finoana ihany koa anarenana e, ity tanintsika ity, izany finoana an’Ilay Andriamanitra velona izany. Ohatran’izao ity firenena ity nandritra ny 61 taona satria probablement isika malagasy tsy nino Ilay hany Andriamanitra velona. Izany io ry havana ô.
Andao ary jerentsika, tantaran’i Josia mpanjaka ; mpanjaka izany an. Resaka fitantanam-pirenena izany ry havana, ao amin’ny 2Mpanjaka 22 :13 ; i Josia izany maniraka an’izy 5 lahy : « Mandehana hianareo, ka manontania amin’i Jehovah ho ahy sy ho an’ny vahoaka mbamin’ny Joda rehetra ny amin’ny tenin’ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ny razantsika ny tenin’ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika ». Mampiavaka an’ity Josia mpanjakan’i Joda ity ry havana, dia tamin’ny faha-8 taonany izy, 8 taona mbola ankizy kely izany, dia nanjaka izany, nanjaka izy. Dia ny nampahalaza azy koa, dia hoe teo amin’ny faha-16 taona izy, teo amin’ny faha-16 taonany izy dia voalzan’ny Soratra Masina mazava hoe : tena hoe nitady an’Andriamanitra. Efa nanjaka izy izany. Ary ny tena nampalaza azy koa, tamin’ny faha-20 taonany, tamin’ny faha-20 taonany dia nandeha nitety an’i Joda iray manontolo izy, izy izay nitady an’Andriamanitra ka nahita an’Andriamanitra : noravany ny toeran-tsampy, ny foiben-tsampy rehetra. Alaivo sary an-tsaina hoe misy mpankaka eto, na inona na inona firehany politika ry havana, mandeha mitety an’i Madagasikara, dia hoe ravana daholo ireo doany sy ny karazany. Izany, izany, izany, izany no modely apetraka amintsika amin’izao maraina izao. Ary tao anatin’izany hoe fanatonany an’Andriamanitra izany an, dia namboariny koa ny tempoly tao Jerosalema. Ary tao anatin’izany asa fanamboarana ny tempoly tao Jerosalema izany, misy an’izay hoe Hilkia mpisorona izay, nahita tampoka tao amin’ny tempoly ny bokin’ny lalàna, izany hoe ilay Pentatioka izany. Dia nentiny tany amin’i Josia mpanjaka. Dia noraisin’i Josia mpanjaka ilay izy, dia nivarahontsana Josia mpanjaka. Tsy niteny izy hoe : « a, tsy manam-potoana amin’izany aho, tsy manam-potoana amin’izany bokin’ny lalàna izany aho ; tsy hitanareo angaha ity fahasahiranana mianjady amin’ny firenena ity, mitaraina daholo partout sy ny karazany », non. Vao nentin’i Hilkia mpisorona tao aminy ilay bokin’ny lalàna, dia hoe : fantatr’i Josia tsara fa tezitra aminy Andriamanitra, ary tezitra amin’ny vahoaka Andriamanitra ry havana ô. Izany no modely-na mpanjaka, modely-na mpanapaka omen’ny Tompo antsika amin’izao faha-61 taonantsika izao e : mpanjaka matahotra ny fahatezeran’Andriamanitra. Satria fantatr’i Josia fa Andriamanitra velona io, Andriamanitra velona io.
Fa maninona no fantany hoe tena faran’izay tezitra aminy sy ny vahoaka ao Joda Andriamanitra ? Satria na izy, na ny vahoaka, na ny razambeny : tsy nanaraka an’ilay hafatra, ilay hoe : hany fomba hahitana fahasambarana dia ny fanarahana ny lalàn’i Jehovah. Tsy nanao an’izany izy, fa nitonatonana tany amin’ny andriamani-kafa. Fantatr’i Josia fa miteraka fahatezeran’Ilay Andriamanitra velona izany. Ary fantatr’i Josia koa fa mbola nahatezitra an’io Andriamanitra velona io, dia hoe : tsy nijoro vavolombelona tamin’ny firenena manodidina azy ny zanak’Isiraely, hoe : « o ry ireto an : ny hany fomba hahombiazana sy hahitana fahasambarana ao amin’ity fiainana ity, dia fiainana baikon’Ilay Jehovah, Ilay Andriamanitra velona. Izany, izany, izany ry havana ô.
Ary ity firenena ity, nanao fankalazana makotroka isika tamin’ny faha-50 taona, mbola tadidiko tsara, fa jobily be moa izany ; mbola mitotongana mitotongana ihany ity, na iza na iza mifandimby eo. Tant que tsy mpanjaka ohatran’i Josia, matahotra an’Ilay Andriamanitra velona ; ary dieny tsaroako ry havana, raha Josia no nanontaniana, ary tsy manao politika aho amin’izany, fa Pasitera aho mitory ny tenin’Andriamanitra ; raha Josia no nanontaniana : « mety ve ry Josia izany hoe mpanjaka manao fianinana izany, manao investiture izany ka manala Baiboly ? ». Sûr aho fa niteny Josia hoe : « non non non, aza ahilika izany ny Pentatioka. Aza ahilika izany ny tenin’Andriamanitra. Aza ahilika izany ny Baiboly ». Io ny vokany, io mianjady amintsika mianakavy io ny vokany. Fa mandray au sérieux ny tenin’Ilay Andriamanitra velona i Josia. Fantany fa tezitra io Andriamanitra io : lasa izy mampihazakazaka ny mpiara-miasa aminy akaiky sy ny mpanolotsaina azy akaiky mandeha manontany any amin’ny mpaminany : « ahoana, ahoana, ahoana fa fantatro fa tezitra Andriamanitra ? Ahoana ny amiko ? Ahoana ny amin’ny vahoaka tantanako ? ». Satria tena nanana souci ho an’ny vahoaka mihitsy izy, tena tiany ny vahoakany ary tsy tiany ho very io vahoakany io ry havana ô. Dia tonga avy any ny tenin’i Holda mpaminany ny amin’i Josia ry havana, ery amin’ilay and.19 ery : « Satria nino anatra hianao ka nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin’izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana, ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako hianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah ». Izany ny ohatry ny mpanjaka avo lenta : rehefa nanao an’izay tsy mety teo anatrehan’Andriamanitra ry havana ô, dia manetry tena, mihaino ny anatra, mihaino ny anatr’Ilay Andriamanitra velona. Finoana an’Ilay Andriamanitra velona ny resaka amin’izao maraina izao ry havana ô. Finoana an’Ilay Andriamanitra velona : nanetry tena, nino anatra. Amin’ny dikanteny segond an, misy hoe, ilay « nino anatra » : « parce que ton cœur s’est attendri ». Izay. Fa tsy nanamafy fo hoe : « ka izaho izao, izaho izao ». An an an. Mino anatra, dia manetry tena. Ary nasehony tamin’ny fomba ivelany izany : tsy hoe nitomany fotsiny : tsy hoe nitomany fotsiny i Josia fa nandriatra ny fitafiany. Indraindray ilay akanjo-na mpanjaka ireny tsara tarehy, tsara tarehy ireny ; ary alaivo sary hoe mpanjaka manana akanjo tsara tarehy, mihaingo lava, modely amin’ny akanjo : triariny. Izany, izany no tian’i Jehovah izany ry havana ô. Ary izany no nataon’i Josia, satria hoe noraisiny au sérieux Ilay Andriamanitra velona, noraisiny au sérieux ny fahatezerany, noraisiny au sérieux ny teny nampitondrain’i Holda ho azy : io vahoaka io hoy izy, dia ho atolotro ho an’ny Asyriana noho ny hamafin’ny fony, noho ny niodinany tamiko sy ny nanalavirany ahy. Ny aminao kosa, satria nino anatra ianao, dia hoe : ianao angonina any amin’ny fasanao amin’ny fiadanana. Ianao Josia, ny promesse-ko aminao, dia rehefa ho faty ianao, dia ho faty amin’ny fiadanana ; izany hoe hodimandry ao amin’ny Tompo ianao. Izany no promesse-n’ilay Andriamanitra velona tamin’i Josia ry havana. Tanteraka ny tenin’Ilay Andriamanitra velona ; tanteraka satria Joda lasa sesi-tany tany Babylona vokatr’izao tenin’i Holda izao. Ary mpaminany maro no efa nifarimbona niteny an’izao ry havana ô. Izany Ilay Andriamanitra velona.
Josia kosa : maty izy an, nodimandry tao amin’ny Tompo izy an, nodimandry tam-piadanana izy an, vita fihavanana tamin’ny Tompo. Izay no zava-dehibe. Novonoin’ilay farao izay izy tao an’ady ; rehefa any an-danitra isika anontaniantsika Josia hoe : « fa inona no niadivanao tamin’ilay farao Neko e, fa izay no nahafaty anao ? ». Fa marina taminy ilay hoe : nodimandry tao amin’ny fiadanana izy, vita fihavanana tamin’ny Tompo.
Izay ry havana no ohatra voalohany : olona tena mampiseho hoe : matahotra Ilay hany Andriamanitra velona. Ary azontsika antoka ry havana fa raha izany no ataontsika ao an-tsaina amin’ny 2023 angamba izy izay ny fifidianana manaraka, na iza na iza milatsaka eo ka isika Fiangonana hiteny hoe : ny anay mazava be, fa manomboka izao dia mpanjaka manao ho zava-dehibe Ilay hany Andriamanitra velona sy ny teniny, ary matahotra Azy : hiova e, hiova ity firenena ity. Fa raha tsy manao an’izany isika : afaka 100 taona dia miady gisitra ity ; ary misaotra ny Tompo aho fa tsy hahita an’izany faha-100 taonan’ity izany aho.
Matio 16 ry havana, and.18, teny faran’izay malaza : « Ary Izaho milaza aminao koa : Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy ». Tenin’i Jesoa tamin’i Petera io ry havana ô. Ary PEtera indray eto izany no ohatra ho antsika.
Ilay Fahamarinana 1 : JOSIA : LEHILAHY MATAHOTRA AN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA. Eto indray : PETERA : MAHAFANTATRA AN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA. Hoe Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. 10minitra aho izay nitoriteny teny, fahefan-kadiny : EFA MINO AN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA VE IANAO E, SA MBOLA MINO AN’ANDRIAMANITRA FOTSINY IANAO ?
Petera, anisan’ireo 3 lahy tena hoe intime ; izy 12 lahy akaiky an’i Jesoa an, fa 3 lahy izy no tena hoe intime, akaiky indrindra an’i Jesoa. Ary amin’izy 3 lahy ireo indray an, mbola i Petera foana no voalaza voalohany, tena nanana priorité mihitsy izy. Izany ity Petera ity ry havana. Izy no itenenan’i Jesoa hoe : « Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy ».
Inona no nahatonga an’io Jesoa hiteny an’i Petera an’izany ? Satria ny filazan’i Petera fa hoe : « Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ». Voalaza tsara tamin’ny louange teo ny momba an’izany ry havana ô. Fantatr’i Petera tsara Andriamanitra fa Andriamanitra velona. Ary ny programan’io Andriamanitra velona io ry havana malala dia hoe : hanorina ny Fiangonany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Io Andriamanitra velona io, tahaka an’i Jesoa, dia mahafantatra tsara tahaka ahy sy ianao, fa hoe afaka mivavaka eny rehetra rehetra eny, afaka mivavaka isan’andro isan’andro ; fa teneniny aminao izay miteny an’izany, Ilay Andriamanitra velona, hoe : an an an, aoriko ny Fiangonako amin’ny alalan’i Jesoa ; ary ny Alahady ianareo mankany amin’io Fiangonana io. Atokany ho an’i Jesoa ny Alahady marainanao ry havana ô, raha mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona ianao. Atokany ho an’i Jesoa ny Alahady marainanao raha mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona ianao. Raha miasa moa ianao : akory atao. Fa ny ankoatran’izay.
Ilay Fiangonana io, manao théologie kely isika ; ilay Fiangonana aorina io, ilay Fiangonana manerana ny tany, ilay manambatra an’izay mino an’i Jesoa ho Kristy Zanak’Ilay Andriamanitra velona. Tsy hita maso izy io, tsy manana anarana izy io ; fa hoe Fiangonan’i Jesoa Kristy fotsiny ry havana, Eglise universelle, Eglise invisible ary Jesoa irery no mahalala ny mpikambana ao sy ny isan’ny mpikambana ao. Fa io Eglise universelle io, io Eglise maneran-tany io dia misy sampana local izany. Izay no mahatonga azy hoe : Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Eglise locale. Izay ilay zavatra. Dia io no hitantsika maso ; fa dia io no miteny amintsika hoe : e, rehefa Alahady ianao : ato ianao, any am-piangonana ianao, mihaona amin’Ilay Andriamanitra velona. Izay ilay izy ry havana ô. Izany ny fomban’ny olona mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona. Petera nahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona.
Ilay fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika anio maraina : Ianao ko ave mba mino Ilay Andriamanitra velona ninoan’i Petera ? Ianao ve mba mahalala an’Ilay Andriamanitra velona fantatr’i Petera ? Ahoana no ahafantaran’i Petera hoe Andriamanitra velona, Kristy dia Zanak’Ilay Andriamanitra velona ? Ny Rainy no nampahafantatry Azy tamin’i Petera, fa tsy ilay Petera ara-nofo, amin’ny maha-olombelona azy sy ny fahaizany sy ny fahendreny. Ary io Raintsika io ry havana ô, io izay nanangana antsika ho zanaka io, no mbola hoe mampianatra antsika momba Ilay Andriamanitra velona. Amin’ny alalan’ny inona ? Amin’ny alalan’ny teniny, amin’ny alalan’ny Baiboliny. Misaotra ny rahalahy nampahatsiahy hoe efa 186ans izay ny traduction de la Bible. Ia, misaotra ny Tompo isika. Fa inona ny lanja omenao io Baiboly io ry havana ? Omenao lanja ve io Baiboly io itomboanao amin’ny fahalalana an’Ilay Andriamanitra velona? Mino ve ianao fa ity Baiboly ity dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, inspiration de l’Esprit ? Izany ny fampianaran’ny réforme ry havana, hoe : inspiré avy amin’ny Fanahy Masina io. Mino an’izany hoe doctrine inerrance izany : mino ve ianao miaraka amin’ny réformateurs fa hoe tsy misy diso ity Baiboly ity e ? Izany ve ny finoanao ry havana ô, fa manambara an’Ilay Andriamanitra velona ity Baiboly ity ? Ary ny fahalalana fa inspiré ity Baiboly ity, ny fahalalana fa inerrant ilay écriture, tsy misy diso ilay écriture : mahatonga anao hoe ho liana hamaky azy ve satria tsisy diso io e ? Tenin’ny Ray io, nomen’ny tsindrimandrin’ny Fanahy Masina io e : mamporisika anao hamaky ve izany ? Mamporisika anao hamaky ve izany ny Baiboly, hianatra ny Baiboly ? Ary tsy vitan’izany, fa mi-transformé anao ve ny zavatra vakianao ato ? Sa faly fotsiny hoe : an, mazana be ilay passage novakiako androany, oaoaoa oaoaoa ? Mi-transformé ana ove izany ry havana ô ? MI-transformé anao ve ny zavatra vakianao satria itomboanao amin’ny fahalalana Ilay hany Andriamanitra velona ? Izany ny hafatra androany. Izany ny hafatra androany.
Ary io Andriamanitra velona manorina Fiangonana io : lazain’ny Soratra Masina hoe : Azy, Azy ny Fiangonana. Ny Fiangonana ? Dia Ilay Fiangonan’Andriamanitra velona. Hoy ny Apostoly Paoly any amin’ny 1 Tim 3 :14 : Fiangonan’Andriamanitra velona ity. « C’est l’Eglise du Dieu vivant ». Tena nampieritreritra ahy ry havana, nampieritreritra ahy, nampieritreritra ahy ilay teny-na mpanompon’Andriamanitra ; izany angamba no hoe evanjelistra azo antoka ao anatin’ny 10 ngeza lahy indrindra velona amin’izao fotoana izao. Nitory teny momba an’ity izy indray maka, ilay 1 Tim 3 :14 io. Ity toriteny ity hoy izy, dia nataon’Andriamanitra amin’ny alalako hampihorohoro anareo ; « cette prédication va vous terrifier, va vous terrifier ». Satria maninona ? Ho fantatrareo amin’izay fa ny Fiangonana dia Fiangonan’Andriamanitra velona fa tsy Fiangonan-drazanao ka hoe : iretsy mpiavy – izahay tompom-piangonana. Fiangonan’Andriamanitra velona ity. Tsy anaovana an’izay tianao ato e, tsy anaovana an’izay tian’i Pasitera ato e, tsy anaovana izay tian’ny antokon’olona ohatran’izao ato e. Izay ilay izy. Ary tsy tompoina araka izay itiavanao azy io. Ary hoy ilay mpanompon’Andriamanitra, ilay mpitoriteny izay, Pasitera no nanaovany toriteny tamin’izay, séminaire-na Pasitera : miteny aminareo Pasitera ireo aho, hoy izy, fa raha mbola kitoatoa ohatran’ny fandrenesako ny fanompoanareo sasany, izaho milaza aminareo fa mialà ianao amin’ny maha-Pasitera, manaova zavatra hafa ; mialà ianao amin’ny maha-Pasitera fa ny fanaovanao kitoatoa an’ity tempolin’Andriamanitra ity manimba ny tempolin’Andriamanitra, ary ho levonin’Andriamanitra ianao, parce que c’est l’Eglise du Dieu vivant. Nandray aho ry havana ô. Miteny aminareo mpiandry aho : ajanony ny maha-mpiandry ; ajanony ny maha-diakona raha mbola hanao kitoatoa ohatran’izany ihany ianareo, satria fantatrareo manomboka androany hoe Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona ity Fiangonana ity.
Io Fiangonan’Andriamanitra velona io, antsoin’ny Soratra Masina koa, hoe : vadiny. Ary isika no namelany ny vadiny. Isika no hoe nametrahany andraikitra hikolokolo izany vadiny izany. Ary saro-piaro izy amin’ny vadiny. Saro-piaro izy amin’ny vadiny. Izaho ry havana mahalala lehilahy vitsivitsy maromaro, faran’izay saro-piaro amin’ny vadiny. Faran’izay saro-piaro : zavatra tsy ahoana tsy ahoana, zavatra tsy misy dikany dia mihetsika ilay hasarotam-piaro. Ny sasany moa dia midaroka vao mananona kely, ny sasany dia mamono mihitsy. Izaho mitenty amintsika ry havana : saro-piaro amin’ity Fiangonana ity Andriamanitra. Ary izay no mahatonga an’ilay mpanompon’Andriamanitra hoe : ho levoniny ianao raha manimba ny Fiangonany rehefa hiverina Izy hampakatra azy ; ho levoniny ianao. Ary izay ange no ilàna koa an’ilay discipline e, mba tsy ho baranahina ny Fiangonana e. Fa satria ny sasany tsy mahafantatra hoe Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona ity, dia vao mba miresaka discipline kely ianao ao amin’ny Fiangonana, miresaka discipline kely ianao ao amin’ny Fiangonana dia hoe : « injay ilay jadona », « miainga any ilay dictateur », oaoaoa. Tenin’ny olona tsy mahafantatra an’ilay Andriamanitra velona izany ry havana ô.
Faranana ; 1 Korintiana 1 ry havana. Ny olona mahafantatra Ilay Andriamanitra velona, dia matahotra Azy, ohatran’i Josia. Ny olona mahafantatra Ilay Andriamanitra velona, dia tahaka an’i Petera sy Paoly miteny hoe : ny Fiangonana dia an’io Andriamanitra velona io. Ary ny Fahamarinana 3 ry havana : NY OLONA MAHAFANTATRA AN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA DIA MAHAFANTATRA FA MBOLA HIVERINA I JESOA. Izay ilay izy. And.8 sy 9 : « Izay hampiorina anareo koa hatrami’ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny hianareo amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika. Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ny Zanany ». Ny olona ry havana, manana fiainam-piangonana régulier, ary insisté-na izay an, insisté-na izay ; ny olona manana fiainam-piangonana régulier, dia araka ilay teny efa hita teo ihany koa, tao amin’ny louange : miandry ny fisehoan’i Jesoa. Miandry. Miandry, efa dodona amin’izany hoe fisehoan’i Jesoa izany, izany fihaviany indray izany.
Inona no ho ataony rehefa ho avy Izy ? Zavatra 2 no ho ataony :
- Ho avy Izy hitsara an’izao tontolo izao, iray izay
- Faharoa, ho avy Izy handray ny olony any Aminy
Ary izany no maha-dodona ny mpino mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona, amin’izany hoe fisehoan’i Jesoa izany.
Fa misy fampaherezana izay ataon’ny Apostoly Paoly eto, amintsika ry havana. Hoy izy hoe : « miandry ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay hampiorina anareo koa hatramin’ny farany ». Izy no niantso antsika ry havana ô, niantso antsika izay manana fiainam-piangonana régulier ; izay ihany no antsoiny. Ianao ilay mpamonjy krismasy : aza manantena hoe antsoiny : tsy mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona ianao. Fa Izy no hampiorina, Izy no hiaraka aminao hatramin’ny farany. Ary ianao tsy hiorina izany e, ianao tsy hiorina raha tsy Izy no mampiorina ry havana ô. Ianao tsy hiorina raha tsy Izy no mampiorina. Fa ianao tahaka ny zandrikeliny : raisiny an-tanana ry havana ô, dia tantanany ianao hatramin’ny farany ; izay no lazain’ny teny : « Izay hampiorina anareo koa hatramin’ny farany ». Ary iny tanany iny, tsy ohatran’ny tanan’olombelona, mety hamotsitra anao ; iny tanana iny tsy ohatran’ny tanan’olombelona ka hoe mety ho vizana : an an an : mitana anao hatramin’ny farany Izy, hoy ny Apostoly Paoly, ka dia tsy hanan-tsiny ianao, tsy hanan-tahotra ianao, tsy hihorohoro ianao hiatrika ny fitsarana ary hiditra any an-danitra rehefa avy eo ry havana ô. Izany ny olona mahafantatra an’ilay Andriamanitra velona : mahatahotra io Andriamanitra velona io ; fa izao : an an an, Izy miteny hoe : Jesoa efa nomeko an, miantso anao ; Jesoa no hampiorina anao. Ary and.9 : mahatoky io Andriamanitra io. Mahatoky io Andriamanitra io. Mahatoky io Andriamanitra io. Alaivo ny olona mahatoky indrindra ato amin’ity Fiangonana ity, na ao amin’ny FJKM ; tsy izany no zava-dehibe, tsy iny no mahatoky, fa Andriamanitra irery, Ilay Andriamanitra velona irery no mahatoky. Tsy ny finoan’io olona mahatoky io indrindra, na ny fahendreny, na ny fahavononany sy ny finiavany no zava-dehibe ; fa hoe : ny zava-dehibe dia hoe : Andriamanitra mahatoky izay nahatonga an’ilay fiantsoana. Raha misy hazo eo ry havana, maniry tsara, mandravona tsara, mamoa voa tsara, mamelana tsara : ok. Tsy iny no inona an. Fa Andriamanitra Izay manome fahazavana, Andriamanitra Izay mampirotsaka ranon’orana, Andriamanitra Izy manome hafanana : izany no zava-dehibe. Ohatran’izany isika kristiana ry havana ô : tsy hoe ny maha-Pasitera ahy no zava-dehibe, fa Ilay Andriamanitra niantso ahy ; tsy ny toetrako ny zava-dehibe, tsy ny toetranao no zava-dehibe, fa Andriamanitra niantso antsika ry havana ô, no hampaharitra antsika hatramin’ny farany, hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy. Fa ny hany fanontaniana apetrany amiko sy apetrany aminao mazava amin’izao maraina izao, dia ny hoe : FANTATRAO AMIN’IZAY VE ILAY HANY ANDRIAMANITRA VELONA, ARY HANOVA VE NY FINOANAO IZANY ?
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amen