"Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Ianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay". — Salamo 90 : 2
Tohiny
"Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Grika: ao amin'] amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana". — Efesiana 4 : 1 - 3
Tohiny
"Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy". — Levitikosy 14 : 9
Tohiny