"Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana, ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa".Lioka 20 : 46 - 47
Tohiny
"Moa Andriamanitra ety akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah". Jeremia 23 : 23 - 24
Tohiny
"Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo o, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao". Apokalypsy 16 : 7
Tohiny
"Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka". I Samoela 2 : 30
Tohiny