"Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina". Jona 2 : 8
Tohiny
"Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[* Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho] Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko".[Hebreo: voako].Joba 19 : 26 - 27
Tohiny
"Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany. Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka* eo ambonin'ny seza fiandrianany, [* Na: hapetrany] koa raha nahita…
Tohiny
"Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo". Jeremia 44 : 29
Tohiny