"Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tanan'izay rehetra mankahala antsika". Lioka 1:68;71
Tohiny
"Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tanany". Jeremia 42 : 11
Tohiny
"Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo". Jaona 8 : 36
Tohiny
"Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo". Eksodosy 6 : 7
Tohiny
