Vaovao

"Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko". Hebreo 8 : 10
Tohiny

"Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay sy hekenay. Ary nalain'i Mosesy ny rà ka natopiny tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany". Eksodosy 24 : 7 - 8
Tohiny

"Tompo o, Ianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Ianao. Jehovah o, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko. Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy".Fitomaniana 3 : 58 - 60
Tohiny

"Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny Avo ho antsika. [*Na: niposahan'] Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana". Lioka 1 : 78 - 79
Tohiny