RESAKA FO/ FO VONONA HIAINO AN’ANDRIAMANITRA
ALAHADY 18 FEBROARY 2018
Hebreo 3:7-8: "Koa araka izay lazain’ ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana, tamin’ ny andro fakam-panahy tany an-efitra"
Hebreo 3:14: "Fa efa tonga mpiombona amin’ i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan’ ny fahatokiantsika hatramin’ ny farany"
Fahamarinana 1 : NY FANAHY MASINA MITENY AMINTSIKA HOE « ANIO », FA NY DEVOLY INDRAY MITENY HOE « ALEO RAHAMPITSO »
Fahamarinana 2 : MANAMAFY NY FONTSIKA KA ZAVA-DOZA NY FITENENANA HOE ALEO RAHAMPITSO
Fahamarinana 3 : EFA TONGA MPIOMBONA AMIN’I KRISTY IANAO
ALAHADY 11 FEBROARY 2018
Josoa 3 :12 : «koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny firenen’ Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena »
Fahamarinana 1 : Maro amin’ny Fiangonana no efa navotan’Andriamanitra avy any Egypta ary nampitany ny ranomasina mena ; fa tsy nita ny onin’i Jordana
Fahamarinana 2: ny olona nita ny onin’i Jordana dia niara-nita an’izany tamin’i Jesoa izay nita izany ho antsika : tsy milomano ao anaty riakan’ny fakam-panahy, tsy mitoetra ao anaty fotaka mandrevon’ny fahotana ary koa manapotika ny fizahozahoana
Fahamarinana 3 : Ny tenin’Andriamanitra no manana ny toerana voalohany ao amin’ny fiainan’ny olona efa nita an’i Jordana
Fahamarinana 4 : Andriamanitra tsy manao fahagagana raha tsy manao dingan’ny finoana ianao, raha tsy manao premier pas de la foi ianao.

