26 MARTSA 2022

Isan’ny MFT : 116

I- FANAPAHAN-KEVITRA

Fangatahana fanampiana

Synodam-paritany Vonizongo Vavolombelona / Fiangonana Antanetibe Fiorenana

Atoa RAKOTONIMANANA antsoina hoe Feno, 37 taona, manambady, manan-janaka 4, mpivavaka ao @ Fg Antanetibe Fiorenana, vita batisa. Tratran’ny homamiadan’ny taolana ka fongana tanteraka ny fananany. Taratasy efa nampandalovina tao @ Foibe FJKM nangatahana fankatoavana vao nalefa tamin’ny Fitandremana.

  • Omena 50 000 Ar

II- FAMPAHAFANTARANA

  • Alahady ny Aumônerie ny 27/03/22 : hanaovana rakitra faha-4
  • Katekomena :
    • Fanokanana Mpandray 15 eo ho eo amin’ny Pentecôte, mandritra ny culte faharoa
    • Fidirana in-1 mandeha, @ 6h 30 amin’ny ascension fa tsy misy ny fanokanana ho Mpandray ny fanasan’ny Tompo fa tontosaina ny Pentecôte avokoa
  • Pasteur stagiaire : araka ny dinika nifanaovan’ny biraon’ny Fg tarihan’i Pst Délégué dia mbola tohizana 6 volana ny stage an’i Pst Fabrice (fandaminana anatiny)

 

  • Hiditra ho mpihomana ho Mpitandrina eny @ Faculté atolotry ny Fiangonana (aseho eo amin’ny MD sy akatoka)
    • RASOARINIVO Mamijaona Eliane
    • ANDRIANJOHANY Siméon Emilien Razafindrainibe
    • RANDIMBISON Safidy Olivier

 

  • Fanazavana entin’i Pasteur Délégué ho an’ny MD :
    • Tsy hoe vacances fa misy ny rafitra eto amin’ny fitandremana, tahaka ny fiainana andavanandro
    • fanoloran-jaza : fanao eto anivon’ny FJKM
    • Tohizana ny fiarahabana tera-bao isaky ny alahady faran’ny volana
    • Raha vao misy ny fikitihana ny fiangonana dia tsy maintsy mandalo rafitra avokoa ny soso-kevitra rehetra ka atao anaty cahier
    • Hamafisina fa ireo cahier-n’ny sampana, sampan’asa, fikambanana, vaomiera rehetra dia tsy maintsy mandalo @ biraon’ny fiangonana
  • 155ème IF: efa hianarana ny hira ary masahana tsara. Jerena ny alahady iray entina hanamarihana izany.