ALAHADY 11 FEBROARY 2018

Josoa 3 :12 : «koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny firenen’ Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena »

Fahamarinana 1 : Maro amin’ny Fiangonana no efa navotan’Andriamanitra avy any Egypta ary nampitany ny ranomasina mena ; fa tsy nita ny onin’i Jordana

Fahamarinana 2: ny olona nita ny onin’i Jordana dia niara-nita an’izany tamin’i Jesoa izay nita izany ho antsika : tsy milomano ao anaty riakan’ny fakam-panahy, tsy mitoetra ao anaty fotaka mandrevon’ny fahotana ary koa manapotika ny fizahozahoana

Fahamarinana 3 : Ny tenin’Andriamanitra no manana ny toerana voalohany ao amin’ny fiainan’ny olona efa nita an’i Jordana

Fahamarinana 4 : Andriamanitra tsy manao fahagagana raha tsy manao dingan’ny finoana ianao, raha tsy manao premier pas de la foi ianao.