Ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny Apokalypsy 2 ry havana malala no nakana ny teny faneva manokana ho an'ny jobily fisotroan-drononon'ny ray aman-dreny RAMAHOLIMIHASO Solofo Mpitandrina mivady. Ary andeha averintsika ilay and.4 amin'izany Apokalypsy 2 izany. Apokalypsy 2 :4 : Jesoa no miteny ka manao hoe : « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao ».
Rehefa mamaky ity epistily ho an'ny Efesiana ity isika ry havana, amin'ireo taratasy 7 izay nampanoratina an'i Jaona ho an’ny Fiangonana tany Asie mineure io, dia tian’ny Tompo ny hamerina antsika an’izao hafatra 3 sosona izao :
- Ny hafatra voalohany, dia izao, manao hoe : Avereno amin’ny tena toerany ny fitiavana
- Ny faharoa dia izao : Tsarovy ny hahasaropadin’ny fitiavana
- Ary ny fahatelo dia izao : ivelomy ny votoatin’ny fitiavana
Izaho moa iraka ; dia ampitaiko aminareo izany hafatra. Izay ny hafatra nanirahana ahy :
- AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA
- TSAROVY NY HAHASAROPADIN’NY FITIAVANA
- IVELOMY NY VOTOATIN’NY FITIAVANA
Nahoana moa ? Jesoa ry havana dia miteny manao hoe : « manan-teny aminao Aho ». Raha ohatra ry havana tsorina : manana zavatra anakianana anareo Aho ry Fiangonana ato Efesosy ô ». Ny antony dia izao : niala tamin’ny fitiavana voalohany ianareo. Raha mamaky amin’ny dikan-teny hafa isika, dia izao, manao hoe : ilay fitiavanao Ahy ankehitriny tsy mitovy intsony tamin’ilay fitiavanao Ahy tany amin’ny voalohany, fa rehefa nandeha ny fotoana dia nihanangatsiaka izany fitiavana izany, niova izany fitiavana izany. Ary eo ry havana ilay hafatra voalohany, hoe : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA.
Rehefa mamaky ny andininy eo aloha isika, raha ohatra ka atsitokoko 3 ny zavatra izay ambaran’i Jesoa dia izao :
- Misy toko anankiray voalohany, miresaka Izy ny amin’ny hoe : fantatro ny asanao ny ny fikelezan’aina ataonao, ny hetsika ataonao ; fa tena mihetsika mihitsy ianareo Fiangonana aty Efesosy ry havana.
- Ny vondrona faharoa, dia : fantatro ny faharetanao sy ny tsy fahazakanao ny mpanao ratsy, na manao fampianaran-diso, ny Nikolaita. Izay ny vondrona faharoa. Fijoroana tsara izany : sady miaritra no maharitra.
- Ny fahatelo, dia miresaka amin’izay Izy ny amin’ny fitiavana.
Dia ireo izany ireo zavatra 3 : ilay asa sy fikelezan’aina, ilay faharetana sy fijoroana ary ny fitiavana. Raha ohatra ireo omeko laharana ry havana malala, ny fiainan’ny Fiangonana tao Efesosy, dia izao : 1. Asa sy fikelezan’aina ; 2. Faharetana sy fijoroana ; 3. Fitiavana. Izay no zavatra hitan’i Jesoa. Dia hoy Jesoa manao hoe: « Izaho tsy miombon-kevitra amin’izany aminareo ». Raha ohatra izany ka ataoko hoe bus izany no nandehanana : ny bus nandehanan’ireo kristiana tany Efesosy, bus 123. Maharaka ahy ianareo ? Izao mantsy ilay fotoana mampiesona ihany ; ilay bus 123. Hoy Jesoa hoe « Tsia : avereno amin’ny tena toerany ny fitiavana. Ny bus tokony andehananareo dia bus 312 ». Ilay fitiavana mila mandeha voalohany ; fa tsy izy no fahatelo farany ; izay mety ho lasa 0 mihitsy aza moa, raha hoe ialanao ilay izy. Ka tsy ny asa sy ny fikelezan’aina, tsy ny faharetana sy ny fijoroana hiady amin’ny secte akory no tena maika, dia ny fitiavana aty amin’ny farany, zara raha misy. Fa ny fitiavana no tokony ho voalohany. Raha ampiasaiko ny lamasinina : ny fitiavana no tokony ho locomotive ary ireto wagons manaraka. AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA.
Izany ry havana ny hafatra voalohany. Ary zavatra lehibe izany ry havana, rehefa mahatsiaro indray ny 1 Korintiana 13 :13 isika, ny amin’izany toeran’ny fitiavan izany, rehefa miteny Paoly hoe : « Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo. Ny dikanteny DIEM moa manao hoe : « fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo ». Ny dikanteny protestanta tsy misy « indrindra » an ; fa ny dikanteny DIEM no manao hoe : « fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo ». Izy izany no voalohany raha ohatra ka omena laharana. Ary ny antson’Andriamanitra, raha manao fampiharana an’izany eo amin’ny fiainantsika ankehitriny izany isika ry havana, hoe : miverena amin’ny fitiavanao voalohany, dia tsy maintsy mieritreritra isika : tena mbola mitàna an’izany toerana voalohany amin’ny fiainantsika izany ve ny fitiavana ? Ao anatin’izao fiaraha-monina misy antsika izao, izay itaoman’ny rihan-dranon’ny fandrosoana sy ny volon-tsaina iraisam-pirenena ao anatin’ny fanatontoloana mitarika an’izao tontolo izao hanalavitra an’Andriamanitra amin’ny fomba mahery vaika sy mahatsiravina, ary hitantsika miaina eo amin’ny fiaraha-monina izay misy antsika : mbola voalohany eo amin’ny fiainantsika ve ny fitiavana ? Eo anivon’izao tontolo izao feno ady sy korontana, fankahalana hita any amin’ny sehatra maro samihafa, ka hahatonga ny mpiara-belona amintsika hamono olona ohatran’ny mamono akoho, na mamono moka akory aza, izay tsy misy vidiny mihitsy, ary zavatra tsy misy fotony no hamonoana olona, hiadiana, hifampitoriana any amin’ ny tribonaly, hifanaratsiana any amin’ny Facebook sy ny karazana ; ao anatin’izao tontolo izao feno fankahalana : mbola voalohany eo amin’ny fiainantsika ve ny fitiavana ? Izany ry havana malala no antson’Andriamanitra amintsika : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA. MBA AVELAO IZY HO VOALOHANY AO ANATIN’NY FIAINANTSIKA.
Izay ny voalohany.
Ny hafatra faharoa : TSAROVY NY HAHASAROPADIN’NY FITIAVANA
Raha miverina eto amin’ity Apokalypsy ity aho ry havana, dia izao : noho ny tsy nametrahanao ny fitiavana amin’ny toerana voalohany, hoy Jesoa, tamin’ny Fiangonana tao Efesosy, dia izao no izy an : raha mbola ajanonao amin’izao ihany ny toeran’ny fitiavana fa tsy averinao amin’ny toerana voalohany izy an, ho avy aminao Aho, hamindra ny fanaovan-jironao Aho hiala eo amin’ ny fitoerany raha tsy mibebaka ianao. Izany hoe : ny fitiavana ry havana malala dia saropady. Fa raha tsy mipetraka amin’ny tena toerany izy, dia mampidi-doza. Ary moa tsy mampahatsiahy antsika an’izany ve ny Apostoly Paoly rhaa mandray ny 1 Korintiana 13 ihany isika, rehefa milaza izy manao hoe : « na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. ». Raha miverina amin’ny Fiangonana tany Efesosy izany isika, tena niasa ireo, tena nikely aina ireo, « tena bravo ianareo, mbola tsy nahita Fiangonana mihetsika ohatran’izany aho, tena mihetsika ianareo ». Hoy Jesoa : azafady an ; na manao asa lehibe aza ianareo ka tsy amin’ny fitiavana izany dia tsinontsinona. Tsinontsinona. Izany ny hahasaropadin’ny fitiavana ry havana malala. Ary na dia sarotiny ary ianao amin’ny fampianaram-pinoana, manana faharetana, kanefa tsy manana fitiavana dia tsy mahasoa anao akory. Izany ry havana ny fampahatsiahivana ambaran’ny tenin’Andriamanitra.
Ary raha miampita mankany amin’ny filazantsara isika, dia tsy zavatra hafa noho izany akory no ambaran’i Jesoa ry havana malala, rehefa mampahatsiaro Izy tao amin’ny toriteniny tao an-tendrombohitra ao amin’ny Matio 7 manao hoe : « Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay ? », nanao asa izahay, nanao fikelezana aina izahay ; nataonay daholo izany rehetra rehetra izany. « Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka ». Zava-doza izany ry havana malala. Rehefa tsy apetraka amin’ny tena toerany, na manao asa lehibe, kanefa tsy ataonao amin’ny fitiavana izay ilàn’i Jesoa azy, dia hoe asa mahameloka ihany izany. Saropady ange ry havana ny fitiavana amin’izany e. Tena saropady mihitsy. Ary izany no maha-maripototra ny hafatra voalohany hoe : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY RE NY FITIAVANA E ! Fa raha tsy apetraka eo dia mampidi-doza satria saropady.
Hamarana aho izao ry havana. Inona ilay fahatelo teo ? IVELOMY NY VOTOATIN’NY FITIAVANA
Ny voalohany : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA
Ny faharoa : TSAROVY NY HAHASAROPADIN’NY FITIAVANA
Ary fahatelo : IVELOMY NY VOTOATIN’NY FITIAVANA
Ivelomana ahoana moa ry havana ? Rehefa mieritreritra isika ny tontolon’ny zavatra rehetra ambaran’i Jaona eto, sy ny tontolo izay ambaran’i Paoly koa, raha ampifandraisiko ny soratr’izy ireo, dia mamerina antsika izany manao hoe : ahoana tokoa moa izany : niala tamin’ny fitiavana voalohany dia ahoana moa izany ?
Izao ry havana malala heviteny anankiray azo omena antsika : ny fanontaniana tokony atao dia izao : « izaho ve mbola afaka miara-miteny amin’i Paoly manao hoe : ny fitiavan’i Kristy no manery anay ? ». Mbola afaka miara-miteny amin’i Paoly an’izany ve hoe : ny fitiavan’i Kristy no manery anay ? Izany hoe : ny hery manentana ahy amin’ny zavatra ataoko, ny hery manentana ahy eo amin’ny fifandraisako, ny hery manentana ahy eo amin’ny teny ambarako dia ny fitiavan’i Kristy. Ary azavain’i Paoly tsara izany. Hoy izy hoe : ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray : maty ny anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra. Ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. Ao amin’ny 2 Korintiana 5 : 14 izany ry havana. Mbola afaka miteny an’izany ve isika ? Fa ny famerenana ny fitiavana amin’ny tena toerany, sy ny fahatsapana sy fitandremana satria saropady io, dia ny fivelomana an’izany hoe : « Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay ». Ny fitiavan’i Kristy no manery.
Ka raha ny fitiavan’i Kristy no manery, dia ivelomana izay ambaran’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 3 :23 : « ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ ny fo, tahaka ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’ olona ». Ka amin’izay rehetra atao, dia Kristy no banjinina. Satria ny fitiavana Azy no manery. Ka ilay hoe fitiavan’i Kristy dia mandray roa : sady fitiavana Azy, no fitiavana noraisina. Noraisina ilay fitiavan’i Kristy maty ho ahy teo amin’ny hazofijaliana ; ka io fitiavan’i Kristy noraisiko io no manesika ahy hanatanteraka ny zavatra rehetra ataoko, ho fitiavana Azy. Izay no izy ry havana malala. Dia ny zavatra rehetra atao, na inona na inona, hoy Paoly, dia ataovy toy ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olona. Na dia mety ho an’ny olona aza no anaovana aza, ny olona no mahita azy eo, dia ataovy toy ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olona. Dia hoy Paoly rehefa miaina izany raha nanoratra ho an’ny tany Galatia izy, ao amin’ny Galatiana 1 :10 ; izany izany raha naoty tena ratsy mihitsy an, 1/10, fa ny Galatiana 1 :10 tena sarobidy : « Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy ». Izany no izy. Misy anefa olona : « amboarina ny toriteny fa tafintohiny i anona ». Inona ny problemanao rehefa marina ny toriteninao ? Torio. Tsy ny hahafalifaly ny mpiangona no tadiavinao, fa ny hitory mahitsy ny tenin’Andriamanitra. Ary ny toriteny voalohany tamin’ny pentekosta, toriteny nanindrona ny fon’ny mpiangona, fa tsy nanafosafo ny mpiangona na nandrotsirotsy azy hatory teo ambony dabilio. Izao no izy ry havana : « Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy ». Torioko izay tokony ho toriako satria asain’i Kristy ataoko, ary ny fitiavana Azy no anaovako izany. Ataoko izay tokony ataoko satria ny fitiavan’i Kristy no manery ahy. Teren’ny fitiavan’i Kristy aho. Raha izaho amin’ny maha-olombelona ahy, mety matahotra anareo aho, mety mila ranondranony aminareo aho ; fa tereny aho, dia ataoko ilay izy. Ary mahafinaritra io faneren’ny fitiavan’i Kristy io an. Misaora an’Andriamanitra raha voatery ianao. Ary satria rehefa teren’ny fitiavan’i Kristy mantsy ianao, afa-tsiny ianao, afa-tsiny ianao. Izaho izany afaka miteny hoe sitrapoko io ; fa ilay fitiavan’i Kristy no nanery ahy. Eto aho satria teren’ny fitiavan’i Kristy. Afa-tsiny aho, fa miasa amin’izany fitiavan’i Kristy manery ahy izany. Fahafahana ry havana malala no ateraky ny faneren’ny fitiavan’i Kristy. Ary izay indrindra ny zavatra lehibe : mba ivelomana izany votoatin’ny fitiavana izany, ka ny fitiavan’i Kristy no manery.
Dia rehefa mieritreritra an’izany hoe : ataovy ny zavatra rehetra toy ny ho an’ny Tompo izany, ny dikany ange izany ry havana malala dia izao, ny tena fanontaniana izay ilàn’Andriamanitra valiny tamin’ny Fiangonana tao Efesosy dia manao hoe : ry Kristiana Efesosy ô, inona marina no fanoitra manentana anareo amin’ny zavatra atao ? Nanana asa sy fikelezan’aina iaanreo, naahritra sy nanohitra ny secte ianareo ; fa inona no fanoitra ? Azonareo izany teny malagasy, « fanoitra » lazaiko izany ? Inona no « motivation » nanentana anareo nanao an’izany rehetra rehetra izany ? Izay ilay fanontaniana ataon’ny Tompo. Izany hoe raha ohatra ka tena idirantsika lalina io, ny zavatra tena tian’Andriamanitra ho fantatra dia tsy ny zavatra miseho akory, fa ny ao am-po miafina ao, araka ilay 1 Samoela 16 :7 rehefa nifidy an’ireo mpanjaka handimby an’i Saoly, maneho fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’i Jehovah ; fa ny olona mijery ny miseho ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. Ny fontsika no jeren’Andriamanitra. Ny olona mijery ny hita, dia io ihany no hitany ; dia io no hitsarany antsika : ny teny ataontsika, ny fihetsika ataontsika, ny asa ataontsika ; satria izy tsy mahita afa-tsy ny miseho. Fa Andriamanitra rehefa mijery antsika, ilay miseho, iny hitany tsara mihitsy ; fa lasa lalina kokoa ny fijerin’Andriamanitra : inona marina ny fanoitra tao am-poko tao nahatonga ahy hiteny an’izao ? Inona marina ny fanoitra tao am-poko tao nahatonga ahy nihevitra ohatran’izao ? Inona marina ny fanoitra tao am-poko tao nahatonga ahy nanao asa ohatran’izao ? Inona io fanoitra io ? Fa raha tsy fitiavana an’i Kristy io fanoitra io : mivoana ny zavatra rehetra ary hampidi-doza izay. Izany no izy ry havana. Ivelomy re ny votoatin’ny fitiavana e. Fa rehefa mieritreritra mantsy isika ry havana, hoe manao asa fikelezan’iana, miezaka mijoro sns… :tsy maintsy manaiky am-panetren-tena isika ry havana fa tsy voatery ho fitiavan’i Kristy akory ny fanoitra manentana antsika an. Tsy tokony hiatsaravelatsihy amin’izany isika. Indraindra ry havana malala ny fihetsika ataontsika, ny teny ataontsika, ny zavatra ataontsika dia atosiky ny fifaninanana : « ry anona manao an’izao dia izaho ve tsy mba hanao ». Izany no toe-tsaina eto amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Indraindray tsy ny fitiavan’i Kristy no manery antsika fa mety ho filàna sitraka amin’olona : « raha ataoko izao dia ho falifaly kokoa ry zareo ». Indraindray mety ho henatra na tahotra koa, indrindra moa rehefa misy olona lehibe : matahotra ny tanora. Izaho dia misaotra an’Andriamanitra fa filohan’ny Fjkm ary tsy mba misy olona matahotra ahy mihitsy. Izaho izany tsy mba mijoro ho biby fampitahorana mihitsy ; fa misy olona an. Izany noizy. Fa izaho izany tena mitandrina mafy mihitsy mba tsy ho tahotra na noho ny fahefana no anaovan’ny olona anankiray zavatra eo amin’ny fiainana na eo anivon’ny Fiangonana. Fa mba ho tsaroan’ny olona mandrakariva fa ny fitiavan’i Krisy ihany no tokony manery azy fa tsy ny henatra olona na ny tahotra olona, na iza na iza. Dia ohatran’izany koa : inona marina ny fanoitra mety manentana ny olona : sao dia fitiavam-boninahitra na fahefana ? Satria izany no nitaizan’ny fiaraha-monina antsika : adalam-boninahitra, adalam-pahefana ny fiaraha-monina misy antsika ry havana malala. Ohatra, ho avy izao ny fifidianana amin’ny 2023 ; ka rehefa mandeha ny fifidianana, mandeha ny fitoriana hoe misy risoriso ohatran’izao e, misy fandikan-dalàna ohatran’izao sns… inona ny antony ? Fitadiavam-pahefana sy voninahitra daholo. Matim-boninahitra sy fahefana mahatsiravina ny mpiara-belona amintsika. Ary izany ko indraindray no mety mahazo antsika. Tsy ny fitiavan’i Kristy intsony no manery antsika fa ny fitiavana voninahitra. Fanontaniana tsy maintsy atao izany. Fa indraindray koa, mety ho tena fitiavam-bola mihitsy, sy tombontsoa. Izany koa no mety manery ny olona. Fa tsy voatery ho ny fitiavan’i Kristy no manery ny olona. Ary Paoly, ao amin’ny epistiliny, dia milaza mihitsy manao hoe : izahay an, tsy manao mihitsy ho fitadiavam-bola ny fitoriana ny filazantsara tahaka ny fanaon’ny maro. Mamaky an’izany texte izany aho, dia mahatsiaro hoe : Andriamanitra ô, efa hatramin’izany no nisy olona maro manao ny fitoriana ny filazantsara ho fitadiavam-bola. Zavatra lehibe ry havana malala ny ahatsiarovantsika fa ny fitoriana ny filazantsara, ny asa izay atao : ahazoana tombontsoa ; izany ange zavatra tsy azo afenina e. Izaho izao mandeha Fortuner, tômôbile tsy nananako mihitsy hatramin’ny 30 taona. Lasa filohan’ny Fjkm aho vao nahazo Fortuner ; fa rehefa tsy filohan’ny Fjkm intsony indray aho dia mandeha bus. Fa amin’ny maha-filohan’ny Fjkm dia mandeha Fortuner. Ohatran’izany ny fandehan’ilay izy. Ka ny toerana misy tombontsoa tokoa ry havana malala ; sao dia ilay fitiavana tombontsoa na fitiavam-bola, fa tsy ny fitiavan’i Kristy intsony no manery antsika amin’ny maha-Fiangonana, ao amin’ny sehatra samihafa ? Fanontaniana tokony atao izany. Ry havana malala, rehefa mahita an’i Paoly isika : izaho an, tsy izany rehetra izany mihitsy ny ahy ; ny ahy tokana : ny fitiavan’i Kristy no manery ahy.
Izay daholo ry havana ny zavatra tian’Andriamanitra iombonantsika tamin’ity fotoana ity. Miverena re amin’ny fitiavana voalohany e ! Dia hoya ho hoe 3 no mety ho dikan’izany :
Ny voalohany : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA. Avereno amin’ny toerana voalohany.
Ny faharoa : TSAROVY NY HAHASAROPADIN’NY FITIAVANA. Fa mampidi-doza ange io e : na atao amin’ny fitiavana, na foana ny zavatra ataontsika.
Ary fahatelo : IVELOMY NY VOTOATIN’IZANY FITIAVANA IZANY. Dia ny fitiavan’i Kristy raisina, sy ny fitiavan’i Kristy enti-miaina.
Ny Fanahy Masina izay nanazava izany tamiko anie ry havana malala, hanoratra izany ao am-ponareo mba isika ireto indray, mba mivoaka avy eto, mba hanana fitiavana voaovan’izany tenin’Andriamanitra izany. Ny fiafaran’io Apokalypsy io dia manao hoe : izay rehetra miaina izany dia omena ny hazon’aina izy, hiditra amin’ny fiainana mandrakizay isika, handova ny lanita isika. Manantena hahita anareo any an-danitra aho.
Amen