ALAKAMISY 13 MAY 2021

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly, teny mahazatra, teny classique moa raha izay no ilazana azy, amin’ny andro fiakarana ; Asan’ny Apostoly 1, andeha iarahantsika mamaky sy mihaino ny and.9-11 : « Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ ny masony intsony Izy. Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ ny nandehanan’ i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe : Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo ? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra ». Amen

Raha fintinina ry havana ny hafatra androany, dia azo fintinina tahaka izao, hoe : OVAY NY FIJERINAO NY RAHONA. Inona moa ity rahona ? Ilay rahona ery an-danitra ery izany an. OVAY NY FIJERINAO NY RAHONA.

Misy tenin’i Jesoa ao amin’ny Lioka 12 :54 manao hoe : « Raha mahita rahona miposaka any andrefana hianareo, miaraka amin’ izay dia hoy hianareo : Ho avy ny ranonorana ; dia tonga izany ». Ry havana ô, raha hanova ny fomba fijerinao ny rahona ianao : vao mahita rahona ianao dia aoka ahatsiaro an’i Jesoa Mpanjakan’ny mpanjaka. Izay ilay hafatra androany. OVAY NY FIJERINAO NY RAHONA : RAHA VAO MAHITA RAHONA MIPOSAKA IANAO DIA TSAROVY JESOA MPANJAKAN’NY MPANJAKA. Satria io rahona io no nampiasain’Andriamanitra ampiakarana Azy any an-danitra, eo an-tanan’ankavanany. Mariho kely ry havana ilay texte an ; ny Asan’ny Apostoly tsy miteny hoe : Jesoa niakatra ho any an-danitra ; fa Jesoa, hoe : nampiakarina, nampiakarin’Andriamanitra ho any an-danitra Jesoa ry havana ô. Andriamanitra no nampiakatra an’i Jesoa. Ary mahafinaritra, rehefa mahita an’izany hoe Andriamanitra nampiakatra an’i Jesoa ary rahona no nampiasainy ; mahatsiaro ny tenin’ny Salamo 104 :3 hoe : « manao ny rahona matevina ho kalesiny ». Io rahona io izany no karazana kalesy nampiasain’Andriamanitra ampiakarana an’i Jesoa. Izy tsy mba nampiasa vaisseau spatial, fa nampiasa kalesy Izy, dia ny rahona. Izay ry havana ô : ovay ny fomba fijerinao ny rahona. Ary tsy tantara be izany hoe hanova ny fijerinao ny rahona izany an, dia ny rahona saika misy foana isan’andro. Ary rehefa ela ny ela e, raha tsaroanao ny fiatombohan’izao toriteny izao OVAY NY FIJERINAO NY RAHONA : hiova ny finoanao, hiova ny fanantenanao, hiova ny fitiavanao an’Andriamanitra ry havana ô. Azo antoka izany. Hoy ny and.11, ilay tenin’ilay anjely roalahy tamin’izy 11 lahy Galiliana, hoe : « iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra ». Iny Jesoa nampiakarina iny dia mbola ho avy. Ny vanim-potoana iainantsika ry havana dia manelanelana an’izany fotoana nampiakarana an’i Jesoa any an-danitra izany, sy ny vanim-potoana mbola hiaviany. Ary izany ny finoana : finoana miorina amin’izay ambaran’ny Soratra Masina. Niakatra Izy an, tahaka izay nahitanareo azy ; fa mbola ho avy indray Izy. Dia enga anie koa ny rahona ampahatsiaro anareo an’izany ry havana ô, satria ny tenin’i Jesoa Kristy dia hoe : Hatramin’izao, hoy Izy, Matio 26 :64, « Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra ». Mbola ho avy Izy e. Izany ny message-ny rahona, mpitoriteny irahin’Andriamanitra isan’andro hitory teny amintsika ry havana. OVAY, OVAY NY FIJERINAO NY RAHONA E. Dia tsy ho matimaty ohatran’io ny finoanao.

Andeha ary jerena ny Fahamarinana 1, dia izao hoe: IO JESOA NAMPIAKARINA NIALA TETY AN-TANY IO AN, HO ANY AN-DANITRA, DIA NAPETRAK’ANDRIAMANITRA EO ANKAVANANY AN, HO MPANJAKAN’NY MPANJAKA SY HO TOMPON’NY TOMPO.

Tsy vaovao amintsika Isotry Fitiavana izany hoe : ny Ascension dia fahatsiarovana an’izany hoe investiture-n’i Jesoa ho Mpanjakan’ny mpanjaka. Investiture-n’i Jesoa ho Mpanjakan’ny mpanjaka. Ovay ny fijerinao ny rahona : rehefa mahita ny rahona ianao izany, dia hoe : hay, io izany ny kalesy nampiasain’Andriamanitra tamin’ny investiture-n’i Jesoa ho Mpanjakan’ny mpanjaka. Ny Mpanjakan’ny mpanjaka : Mpanjakan’i Joe Biden io. Aleo isika hiresaka concret. Mpanjakan’i Xi Jinping any Chine io. Mpanjakan’i Vladimir Poutine io, na fantany na tsy fantany. Izany ange ry havana io e. Asa raha fantatr’i Andry Rajoelina fa Mpanjakany io. Izay ilay zavatra. Fa Mpanjakan’ny mpanjaka io.

Vehivavy anankiray teto amin’ny tanindrazantsika ry havana no nahafantatra hoe : Jesoa dia Mpanjakan’ny mpanjaka, Ranavalona II ; fantatsika Isotry Fitiavana tsara izany. Ny 20 Juillet 1869, raha nametraka ny vato fehizoron’ny Tempoly Anatirova izy, mamy loatra ny teny nataony ry havana ô, mamy loatra ny tenin’izany mpanjaka mahafantatra hoe: misy Mpanjakan’ny mpanjaka eo amboniny eo, hoe : « Noho ny herin’Andriamanitra sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo, izaho Ranavalomanjaka, mpanjakan’i Madagasikara, no nanorina ity tranovato fivavahana ity, tamin’ny 20 Jolay, ho trano fivavahana sy ho fiderana ary anompoana an’Andriamanitra, Mpanjakan’ny mpanjaka ary Tompon’ny tompo, araka ny teny ao amin’ny Soratra Masina, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo, Izay maty noho ny heloky ny olona rehetra ary nitsangana indray ho fahamarinana sy famonjena izay rehetra mino sy tia Azy. Koa noho izany, dia tsy azon’olombelona ravànà ity tranovato naoriko ho trano fivavahana ity, na iza na iza mpanjaka amin’ity taniko ity mandrakizay mandrakizay. Fa raha mandrava ity trano fivavahana amin’Andriamanitra naoriko ity, dia tsy manjaka amin’i Madagasikara ny taniko ». Mamy ry havana, raha ny ara-teolojia, marina ilay filazany an’i Jesoa, marina ny filaza hoe Andriamanitra na Jesoa, mitovy ihany izany e : Mpanjakan’ny mpanjaka. Ary rehefa mandinika ny fiainantsika ry havana, amin’izao fotoana izao, ny tsy fahafantaran’ny mpitondra ankehitriny fa misy izany Andriamanitra Mpanjakan’ny mpanjaka izany, no mampikorosofahana ity tanintsika ity tahaka an’io. Ary izay handimby an’io fitondrana ankehitriny, satria io hanam-pahataperana, na afaka herintaona, na afaka 20 taona, dia mbola hikorosofahana ihany ity firenena ity, raha tsy manaiky, raha tsy mahatsiaro an’izao Ascension izao, hoe : waouh, andraso aloha e, andraso aloha e, misy Mpanjakan’ny mpanjaka : andao ankinina, andao anontany ny heviny satria efa tamin’ny 1869 no efa nankinina taminy ity ry havana ô. Izany ny hafatry ny Ascension, ny Fiakarana : nasandratra ho Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo, ary napetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Jesoa Kristy Tompo ry havana ô. Ary raha mandeha amin’ny fahitana ianao, mijery ny zava-misy : kivy ianao. Raha mandeha amin’ny fahitana ianao mijery ny zava-misy : mandra-pahoviana Tompo ô ? Raha mijery amin’ny fahitana ianao : dia manontany tena hoe aiza ary ny solution ? Fa velona ny fanantenana rehefa mahatsiaro ny hafatry ny Ascension izay hafatra tokana, hoe : nampiakarin’Andriamanitra any an-danitra ho Tompon’ny tompo sy ho Mpanjakan’ny mpanjaka Jesoa. Mahafinaritra ny tenin’i Daniela ry havana : « Ny Avo indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izany tiany ». Nomeny an’Atoa Andry Rajoelina sy ny namany ny fanjakana amin’izao fotoana izao, na tianao izany na tsy tianao. Fa ny problema : tsy izany ; fa ny problema dia hoe : Mpanjakan’ny mpanjaka Izy fa manjaka ve ao amin’ny fonao ry havana ô. Izany ny problème n°1 an’i Jesoa.

Ary rehefa niteny isika teo, hoe : Andriamanitra no nampiakatra an’i Jesoa any an-danitra, tamin’ny alalan’ny rahona, kalesin’ny rahona ; iny kalesy iny, tsy nandeha tamin’izao iny, fa io herin’Andriamanitra io, ary mbola haintsika Isotry Fitiavana izany, dia hoe : hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa, araka ny fiasany mahery vaika sy tsy hay tohaina e. Izany io herin’Andriamanitra io, izay hoe anasoavan’Andriamanitra antsika mino ry havana ô. Izany ilay herin’Andriamanitra : mi-motorisé an’iny kalesy iny, raha izay no ilazana azy, anasoavany antsika. Ary izany hery izany ry havana, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay hoe irahin’Andriamanitra hampiorina antsika, izany hery izany, mbola hoe : tian’Andriamanitra hanafahana antsika koa. Io herin’Andriamanitra io an : nanafaka an’i Jesoa avy tao amin’ny fahafatesana sy tao am-pasana. Maro ny fiainan’ny Kristiana toy ny any am-pasana ry havana ô. Izany ny vaovao mahafaly amin’izao andro fiakarana izao : io hery io an, dia omen’Andriamanitra anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina hamoaka anao avy ao am-pasana ao, hamoaka anao avy ao amin’ny fatoran’ny fahafatesana. Ary io herin’Andriamanitra io hoy ny Efesiana 1 :19-20, hoe : no-prouvé-n’Andriamanitra hoe raha nampiakatra an’i Jesoa any an-danitra Izy eo an-kavanan’Andriamanitra : tsy hoe misy hery eo dia nalefany ilay kalesy an, dia hoe diso lalana ilay kalesy fa lasa any amin’ny Mars na lasa any amin’ny Jupiter izy fa tsy lasa eo an-kavanany : non, non, non ; nankeo amin’ny an-kavanan’Andriamanitra ilay kalesin’i Jesoa ry havana ô. Izany io Andriamanitra io.

Ka ilay hery io anasoavana antsika, amoahana antsika avy ao am-pasana : handresy ny fatoram-pahafatesana mamatotra ny tokantranontsika, mamatotra ny fiainantsika, ny fiainam-piasana, ny fiainam-pianakaviana ; fa io koa hanandratra antsika ry havana ô, hampitombo antsika hampitombo antsika ara-panahy. Izay ilay izy. Izany ny vaovao mahafaly. Ary aoka ho izany no ho tsaroantsika raha manova ny fomba fijerintsika ny rahona isika, hoe : waouh, Jesoa, io rahona io, rahona tahaka an’io no nitondran’Andriamanitra an’i Jesoa raha nametraka Azy ho Mpanjakan’ny mpanjaka Izy. Ary izany hery nampiakarany an’iny kalesy iny, dia mbola ampiasainy hanasoa ahy.                         

Izay ny Fahamarinana 1

Ny Fahamarinana 2 dia izao : hoy ny and.9 hoe : « nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ ny masony intsony Izy ». Ry havana ô, ny drame-ny christianisme, ny drame-ny Fiangonana, dia nanomboka tamin’io Ascension io, hoe : rehefa nentin’ilay rahona Jesoa, rehefa nampiakarin’Andriamanitra Jesoa, ka tsy hitan’ny masony intsony, hoy ny Asan’ny Apostoly 1 :9, tsy hitan’ny masontsika intsony Jesoa. Ho an’ny ankamaroan’ny kristiana tsy hitan’ny maso = tsy misy. Izay, izay. TSY HITAN’NY MASO INTSONY = TOY NY TSY MISY. IZAY NO PROBLEMANTSIKA E. Izay no problemantsika.

Marina be ilay fitenin’ny vazaha hoe : « quand le chat n’est pas là, les souris dansent ». Mifona aho, fa tsy hoe fanivaivàna an’i Jesoa izany : rehefa tsy eo Jesoa, ohatrany tsy misy Izy ho antsika, dia manao izay danin’ny saintsika isika, manao izay danin’ny kibontsika isika ; dia farany isika gaga hoe maninona ny finoako no matimaty ohatran’izany, maninona ny finoako no matimaty ohatran’izany ? Fa soa fa hoe : tsy mandeha amin’ny fahitana isika ry havana ô, soa fa tsy mandeha amin’ny fahitana isika fa manana finoana miorina amin’ny tenin’Andriamanitra, manana finoana miorina amin’ny tenin’Andriamanitra. Ary io tenin’Andriamanitra io no ahafantarantsika fa tsy aiza tsy akory Jesoa, fa any an-danitra Izy e, eo anatrehan’ny Ray, araka ny tenin’ny Hebreo 8 hoe : Mpanalalana Izy. Intercesseur Izy, Intermédiaire, manalalana antsika sy Andriamanitra. Isika no tsy mahita Azy, fa Izy any mahita antsika ary mpanalalana Izy, intermédiaire, intercesseur mifona, mifona, mifona isan’andro ho ahy sy ho anao Izy, Romana 8 :34. Izany io Jesoa niakatra any an-danitra io. Izaho variana amin’ny fiainako ety, izaho boda ny lohako, izaho donto ny saiko mieritreritra an’izany ; fa Izy mahita dia mifona ho ahy, mifona ho ahy, manalalana ho ahy isan’andro ry havana ô. Ary zava-dehibe, zava-dehiba, haintsika tsianjery nefa toa adinodino e, ilay teniny ao amin’ny Jaona 14, rehefa milaza ny amin’ny hitsanganany amin’ny maty Izy : rehefa izay, hoy Izy, dia andeha aho, handao anareo Aho,hanamboatra fitoerana ho anareo ; ary rehefa izay, dia ho avy Aho haka anareo. Ry havana ô, ho anareo izay mihaino ahy ireo : raha maty aho afaka adiny iray, dia teneno hoe, teneno miaraka amin’ny vava hoe : « Ah, vita izany ilay fitoerana ho an’i Pasitera Solofo any an-danitra, dia nalain’i Jesoa izy », na matin’ny corona na matin’ny zavatra hafa ry havana ô. Fa ilay rahona manakona ny masontsika dia : ny ety an-tany ihany, ny ety an-tany ihany, mihohoka amin’ny ety an-tany, tsy misaina afa-tsy ny zavatra ety an-tany isika. Izany no mahamay antsika.

Fa manamboatra fitoerana Izy ao an-danitra ao, ary ny firariana ho antsika ry havana ô, dia izao : takona ny masontsika, noho ilay rahona, i Jesoa Kristy. Fa raha mitaraina Aminy ianao, raha mivavaka Aminy ianao : tsy voasakan’ny rahona izany vavakao izany. Enga anie ka hoe hamporisika anao hivavaka izany manomboka amin’io Ascension 2021 io ; hamporisika anao hivavaka satria io rahona io tsy manakana ny vavaka, tsy manakana ny fitarainanao ho tonga eo anatrehan’ny seza fiandrianany. Ary io rahona izay resahina io ry havana, tsy manakana ny valim-bavaka, tsy manakana ny fitahiana avy any an-danitra, tsy manakana ny famonjena izay nokasaina teo amin’ny seza fiandrianana, araka ny tenin’ny Apokalypsy 4 :1-2.       

Fa ny hafatry ny Ascension 2021 dia hoe : AOKA IZAY E, ITY FIHEVERANA ADALA BE ITY E, HOE : SATRIA TSY HITAN’NY MASONAO ARA-NOFO JESOA DIA TOY NY TSY MISY IZY. Maro ny olona tsy miaraka amintsika eto androany, tsy miaraka amintsika eto izy, fa angamba ataontsika hoe adala be ra-anona mieritreritra hoe : tsy eo i anona dia manao izay danin’ny sainy sy danin’ny kibo izy, fa rahariva hahita azy ihany. Izay ilay izy : OVAY NY FIJERINAO NY RAHONA MANOMBOKA ANIO ARY FANTARO FA IO RAHONA IO TSY MANAKANA NY VAVAKA SY NY FITARAINANA ATAONAO AMIN’I JESOA, ARY MBOLA AFAKA MAMONJY ANAO AVY ANY AN-DANITRA IZY.

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana dia izao, eo amin’ny and.11 : « iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra ». INY JESOA INY DIA MBOLA HO AVY. Ary araka ny tenin’ilay Matio 26 :64 teo ihany : « ho avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra Izy ».

Rehefa miteny isika hoe : OVAY NY FIJERINAO NY RAHONA, mijery ny rahona ianao, dia hoe : oay, aleo ihany hijery any fa sao dia hitaingina rahona Jesoa tamy, tonga indray. Izany ilay izy ry havana ô. Izany. Ary rehefa tsy hanova ny fijerinao ny rahona ianao, dia mieritrereta ry havana, mieritrereta ny amin’ny ho avinao mandrakizay.

Rehefa jerena ny bokin’ny Asan’ny Apostoly 1, eo amin’ny and.14, Asa.1 :14 : « Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ ny vehivavy sy Maria, renin’ i Jesosy, ary ny rahalahiny ». Ilay and.14 io, efa nampiakarina any an-danitra izany Jesoa ; ok. Dia miandry izy an, ny fihaviany. Inona no ataony ? Niray saina naharitra nivavaka izy. Iza no tao ? Izy 11 lahy. Iza koa no niaraka taminy tao ? Rahalahin’i Jesoa. Iza koa no niaraka taminy teo ? Maria renin’i Jesoa, mbamin’ireo vehivavy izay nanohana, nanampy an’i Jesoa tamin’ny Ministère-ny. Ireo izany, groupe-n’olom-bitsy, vao niakatra Jesoa dia nankany amin’ny efitrano avo hanohy ny fomba nahazatra azy : niara-nivavaka. Izany no ataon’ny olona, raha ara-tantara, niandry ny Pentekosta ; izany no ataon’ny olona miandry ny fihavian’i Jesoa ry havana ô, eny amin’ny rahona. Vonona ve ianao, vonona ve ianao hampitombo ny vavakao ao amin’ny fiainanao sa tahaka ny olona miandry marina izany hoe fihavian’i Jesoa izany ry havana ?            

Ny fitantaran’ny Lioka 24 dia hoe : rehefa niakatra tany an-danitra Jesoa, teo imason’izy 11 lahy, nitso-drano azy Izy ary teo am-pitsofana rano azy 11 lahy Jesoa no nakarina ho any an-danitra. Dia nidera an’i Jesoa izy an, nanakalaza an’i Jesoa izy an, ary faly be niverina tany amin’ny tempoly tany Jerosalema. Ireto olona mankao amin’ny efitrno avo ireto izany an, olona tena hoe feno fifaliana ; nefa na feno fifaliana aza izy, olombelona ihany araka ilay fitenintsika, dia mahatsiaro ny fahalemeny nilaozan’i Jesoa ry havana ô, mahatsiaro fahalemena. Ny olona mahatsiaro fahalemena, zavatra tokana no ataony : mivavaka, mivavaka, mivavaka. N’inon’inona problemenao eo amin’ny fiainanao ka mahatsiaro fahalemena ianao : mivavaha e, mivavaha. Nivavaka izy, sady izany vavaka izany nampiombona azy tamin’i Jesoa Izay nandao azy. Mampiombona amin’i Jesoa ny vavaka ry havana ô ; rehefa tsy vavaka pli-vava atao tsianjery manta : mampiombona amin’i Jesoa izany vavaka izany. Ary indrindra indrindra koa, satria eto talohan’ny Pentekosta, izany vavaka izany nanadio ny fon’ireto mpianatra ireto handraisana ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Pentekosta. Anaty fahalemena izy dia mivavaka. Te hiombona amin’i Jesoa Izay nandao azy izy dia nivavaka. Tiany ho diovina ny fony andraisana ny Fanahy Masina, dia nivavaka izy. Izany ny fiainan’ny olona, izany ny fiainan’ny Fiangonana voalohany, izany ny fiainan’ny olona izay mino ary miomana ho amin’izany fihavian’i Jesoa izany. Jereo tsara ry havana ny tenin’i Lioka, Lioka Dokotera, nanoratra an’ity bokin’ny Asan’ny Apostoly ity, hoe : « niray saina naharitra nivavaka ». Rehefa taitra iny ianao, ary na tsy taitra ary ianao, tsy problema ry havana ny hoe « andao hanao zava-baovao » ; olombelona izany : tia vao. « Andao hivavaka ary e, andao hiara-hivavaka ary e ». Fa zavatra hafa izany hoe : maharitra, maharitra amin’ny fivavahana izany. Ireto niray saina naharitra amin’ny fivavahana. Ary izay maharitra tahak’izany no hahazo valim-bavaka. Izay maharitra no ho voavonjy.

Inona ary, eto am-pamaranana, no mety hoe antom-bavak’ireto olona ireto ry havana, sady miandry ny Pentekosta, no miandry ny ho fihavian’i Jesoa ? Dia hoe : azo antoka mihitsy fa ny vavaka voalohany dia hoe : « Jesoa an, manjakà Ianao ato am-ponay ». Koa izay, izay no izy koa, vao niresaka investiture aho teo, dia any an-danitra Ianao : « Manjakà ato am-poko ». Antom-bavakao izany ry havana ô. « Manjakà Ianao ato am-poko ». Ny antom-bavaka faharoa, satria hoe miandrandra ; vao teo izy notenenin’i Jesoa, hoe : « hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy any Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany » : mipetraha tsara aloha eto e, ambara-pilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo. Dia mivavaka izy, faharoa manarak’izay, hoe : « Jesoa an, aoka izaho mba ho anisan’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina ». Isika rehetra vita batisa, nilatsahan’ny Fanahy Masina ; « fa aoka aho ho fenoina ny Fanahy Masina mandrakariva ». Izay ny antom-bavaka faharoa izay, hoe : « Manjakà Ianao ato am-poko an ; fenoy ny Fanahy Masina aho ». Ary vavaka fahatelo, vavaky ny Fiangonana voalohany, dia hoe : « Maranata, Maranata : Avia Jesoa, faingana ianao Jesoa ». Ka rehefa tonga Jesoa, raha haka anao Izy amin’ny alalan’ny fahafatesana, tsy ianao no hanoratsoratra any amin’ny réseaux sociaux any hoe : « tampoka loatra e », « vao omaly izahay no niaraka nanao enregistrement e », oaoaoa e oaoaoa… Izay ilay izy ry havana. Izay ilay izy : maranata. Izay. Izay ilay vavaka telo fototra ry havana ô :

  • « Manjakà Ianao ato am-poko »
  • « Fanahy Masina ô, fenoinao mandrakariva aho »
  • « Ary Jesoa an, avia Ianao, faingànà Ianao haka ahy »

Izay ny vavaka fototra, fa misy antom-bavaka 5 ry havana izay ampatsiahivina antsika Fiangonana, satria fantatsika tsara, fa fampatsiahivana ho anao izay te hanova ny fijerinao ny rahona ka mahafantatra hoe : Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, sy Ilay Tompon’ny tompo no Tompon’ny teny farany ao amin’ny fiainanao sy amin’ny zavatra mitranga ety ambanin’ny lanitra. Ilay vavaka 5, tsiahivina amin’ny rantsan-tanana 5 :

  1. Ny vavaka voalohany, ity moa izany ny tanana akaikin’ny foko indrindra, dia ny vavaka ho an’ny olona akaiky ahy indrindra : vady aman-janako, ny ray aman-dreniko, ny iray tampo amiko, meilleur(e) ami(e)-ko. Izay ilay vavaka voalohany.
  2. Ny vavaka faharoa, atao ho an’ilay olona manondro ahy ny lalan’ny fiainana, manondro ahy ny lalan’ny lanitra, ilay mpanabe, ilay zoky ara-taona sy ara-panahy manondro ahy hoe : e, ary ny destination finale.
  3. Ilay fahatelo, ilay lava indrindra dia hoe ho an’ny manam-pahefana, ny mpanapaka, ny mpanjakantsika. Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, mikorosofahana ity firenena ity amin’izao 13 Mai 2021 izao, satria maninona ? Eo angamba izay tsy fahaiza-mitantana, tsy haiko izany ; fa ny zavatra fantatro : tsy ampy vavaka isika, tsy ampy vavaka ho an’ny mpanapaka antsika isika. Izay azoko antoka izay.
  4. Karazam-bavaka faha-efatra, ity moa no hoe ratsan-tanana faible indrindra, hoe vavaka ho an’ny olona marefo. Hattrany amin’ny Testamenta Taloha ny olona marefa an, dia ny mpitondra tena sy ny kamboty. Fa misy olona marefo ao, isaky ny tokantrano an, eo amin’ny fianakaviana, eo amin’ny fiaraha-monina. Misy olona marefa ara-pahasalamana. Ento am-bavaka ny marefo.
  5. Fahadimy farany, ity akikely ity : ianao io kely io, ianao io kely io. Mahatsiaro ny fahakelezanao ianao, eo anatrehan’ny fahalebiazan’Andriamanitra, ary arakaraka ny isainanao an’Andriamanitra sy ny fahalebiazany, no ahatsiarovanao ny fahakelezanao. Arakaraky ny isainanao ny fahamasinan’Andriamanitra no ahatsiarovanao ny maha-tsinontsinona anao sy ny maha-mpanota anao.

Izany ny vavaka 5 ry havana ô, ataon’ny olona izay nandre ny tenin’ny anjely manao hoe : « iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra ».

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo, ary samy ho hita mibanjina, tena mibanjina izany fihavian’ny Tompo indray izany isika mianakavy. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra, ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amen.