ALAHADY 31 MEY 2020

Miarahaba anareo amin’izao andro Pentekosta izao ry havana, manonona ny fahasoavan’ny Tompo aminareo. Ary raha miarahaba antsika Fiangonana amin’izao Pentekosta izao dia tena lasa eritreritra ry havana ny amin’ny hafatra nomen’i Président Ammi, Filohan’ny FJKM ho antsika FJKM, fa ho an’ny kristiana rehetra eto Madagasikara sy maneran-tany. Milaza izy hoe : ny amin’ity Pentekosta 2020 ity dia Pentekosta eo ambany aloky ny fahafatesana, Pentekosta hitafian’izao tontolo izao mihitsy lamba fisaonana noho ny fandringanana mahatsiravina. Pentekosta ao ambany aloky ny fahafatesana. Izany ity Pentekosta 2020 ity ry havana ô. Ary amin’izao Pentekosta ao ambany aloky ny fahafatesana izao, dia mazava ny hafatry ny Tompo amintsika Fiangonana, hoe : TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAREO. TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAREO.

Nikodemosy azo lazaina hoe mandeha an-tsokosoko, mangala-dia mba tsy ho fantatry ny namany : manatona an’i Jesoa anatin’ny alina izy. Mety ho izany koa ianao ry havana ô : anatin’ny alina ianao, anatin’ny alin’ny baraingo isa-karazany ianao eo amin’ny fiainanao ; anatin’ny alin’ny fizahan-toetra isa-karazany ianao ; manontany tena ianao : mankaiza sy mankaiza moa ity fiainanao ity. Ny hafatry ny Tompo ao anatin’izany alin’ny baraingo izany, ny hafatry ny Tompo amin’izao Pentekosta eo ambany aloky ny fahafatesana izao dia hoe : TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAREO.  Ianao izay miteny indrindra io hoe : « izaho indray ry Pasitera tsy teriterena an, amin’ny resaka finoana » : TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAREO.

Izay ny Fahamarinana 1 ry havana : TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAREO.

Mahafinaritra amin’ny Tompo ry havana, rehefa hanazava fahamarinana fototra Izy, hanazava fahamarinana maharitra mandrakizay Izy, dia maka ohatra tsotra, ohatra fantatry ny be sy ny maro avy amin’ny fiainantsika olombelona. Eto ny ohatra alainy dia ohatry ny fahaterahana. TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAREO.  Ny firariana ho antsika ry havana dia izao : misaora an’Andriamanitra ianao raha efa manana antoka hoe : « Izaho indray Tompo ô, misaotra anao fa efa nateraka indray » ; ary raha eto am-pihainoana ny hafatra ianao dia misaora ny Tompo ianao hoe : « azoko fa tsy maintsy ateraka indray aho ». Izao manko ry havana : raha misy olona izao miresaka amiko dia mety ho gaga ihany aho raha ataony hoe : « Solofo an, Pasitera Solofo an, efa teraka ve ianao ? ». Dia hoy aho hoe : adala ve ity ranamana ity ; dia ataoko hoe : « ianao ary mahafantatra ny anniversaire-ko ko ». Azoko antoka fa mazava be amiko ilay izy, mazava be aminy. Fa raha io olona io ihany no manontany amiko hoe : « Solofo an, Pasitera Solofo an, efa nateraka indray ve ianao ? », mety hisalasala ve ny valin-teniko na ny valin-teninao hoe : « ie, normalement an », « antenaiko an », « possible an ». Tsia ry havana ô. Miala eto isika anio tsy maintsy afaka samy miteny hoe : « izaho androany Pentekosta 2020 : nateraka indray ». Satria maninona ? Hoy Jesoa hoe : « raha tsy ateraka indray ianareo dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra ». « Raha tsy ateraka indray ianareo dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra ». Izay no maha fahamarinana volamena amin’izay andro Pentekosta izao an’ity Jaona 3 ity ry havana ô. Dia manazava izy, satria mety tonga ao an-tsaintsika hoe : « dia ahoana tokoa moa izany hoe ateraka indray izany ? » ; dia efa ialohavan’i Jesoa ilay fanontaniana dia hoy Izy eo amin’ny and.5 hoe : « Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny FanahyJesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ». Ny olona ateraka indray izany dia olona tenenin’i Jesoa hoe : « ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ». Inona moa ny rano ? Hitanareo izany fa misy singa anankiroa eo : rano sy ny Fanahy. Io, ohatran’ilay fahaterahan’ny olombelona. Eo ilay lehilahy mametraka tsirin’aina ao an-kibon’ny vadiny, dia bevohoka ny vadiny. Dia eto koa, tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy. Ao amin’ny Baiboly iray manontolo ry havana dia hoe saika ilazana ny tenin’Andriamanitra ny hoe : « rano ». Sarin’ny tenin’Andriamanitra ny hoe : « rano ». Ary 1 Petera 1 :23 dia manazava tsara hoe : « Fa efa teraka indray ianareo, tsy taimn’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra ». Izay izany ilay tenin’Andriamanitra ampiasain’Andriamanitra hiteraka antsika indray. Fa tsy ampy izay. Tsy ampy izay. Hoy Jesoa hoe : « tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ». Ianao izay mety mbola tsy nateraka indray io ry havana izany, tsy dia hoe maty antoka ianao raha ohatra hoe hatramin’izay ianao mba nahavatra namaky Baiboly ihany, namaky Mana isan’andro, namaky mofon’aina. Tsy very maina izany. Fa amin’izao andro Pentekosta izao, ampahatsiahivin’ny Tompo anao hoe ilay tenin’Andriamanitra efa napetrany ao aminao, dia hoe tongavan’ny Fanahy Masina, dia ny Fanahy Masina no mamonto an’iny teny iny, dia miteraka anao indray. Tsy maintsy ateraka ohatran’izany isika ry havana ô. Tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy. Fa hoy Jesoa hoe rehefa tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika dia ateraky ny nofo. Ary raha ateraky ny nofo isika dia nofo ; ary raha nofo isika, nateraka tamin’ny nofo, dia malaky mivily manao ny ratsy. Rehefa tsy ateraky ny Fanahy isika, dia mba manompo ; fa tsy hahavita mandat ianao e ; fa malaky reraka ianao. Izay no itenenan’ny Tompo amintsika hoe : TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY – TSY MAINTSY ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY.

Mety misy ve amintsika eto, na mihaino amin’ny fahitalavitra, manao hoe : « Ka izaho ange tsy fantatr’i Pasitera e, izaho tsy fantatr’i Pasitera » ; dia normal izy rhaa miteny an’izany. Tsy izaho no miteny an’izany fa Jesoa ry havana. Satria rehefa mijery an’i Nikodemosy dia manohatra ny tenany amin’i Nikodemosy izy. Nikodemosy dia lazaina hoe : Fariseo. Izany Fariseo izany dia tena hoe spécialiste-ny Baiboly, spécialiste-ny tenin’Andriamanitra sy ny Testamenta taloha izany. Izany ry havana ô. Dia mety hanao ianao hoe : « an an an, izaho indray raha Baiboly, izaho ary mahazo voalohany foana amin’ireny hoe Question pour un chrétien » ireny. Izay ilay izy. An an an, tsy ampy izany ry havana ô, tsy ampy izany. Tsy maintsy ateraka indray ianao. Nikodemosy : Sinedriona, izany hoe : sady mpanapaka Fiangonana no mpanapaka firenena. Mety hiteny ianao hoe : « an an an, izaho mpiandraikitra foibe, izaho birao foibe, izaho any amin’ny sampana foibe, moa eo amin’ny fitondram-panjakana, izaho minisitra, izaho PM, izaho Président » sy ny karazany. TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAO E. TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAO. Tenenina izy hoe mpampianatra ny Isiraely ; tsy mivoaka tsara moa ilay izy amin’ny teny malagasy, fa ilay mpampianatra ny Isiraely dia hoe : « l’enseignant d’Israël » fa tsy hoe « un enseigant parmi d’autres en Israël » ; « l’enseignant d’Israël ». An an an hoy Jesoa e : tsy maintsy ateraka indray ianao. Milaza anao ho mpampianatra ianao, nefa tsy fantatro ny lalam-pamonjena. Ka inona no ampianarinao ? Milaza anao ho mpampianatra ny Isiraely ianao, tsy fantatrao ny lalana ahazoan’ny olona ny lanitra. Fa inona ihany no ampianarinao eo e ? TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAO. TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY IANAO. Miteny mazava ny Tompo, ary fitiavany antsika ry havana ô, hoe : raha ohatra ange ianareo e, ka tsy ateraka indray, dia tsy mahazo miditra ny fanjakan’Andriamanitra ; tsy mahazo miditra ny fanjakan’Andriamanitra. Ary rehefa tsy tafiditry ny fanjakan’Andriamanitra ianao ry havana, malahelo aho miteny aminao fa any amin’ny helo no idiranao.

Angatao ny Tompo e, amin’izao andro Pentekosta izao hiteraka anao indray amin’ny rano sy ny Fanahy Masina. Ary aoka mba ho vavaka ataonao indra mandeha amin’ny fo sy amin’ny finoana tanteraka izao vavaka izao hoe : « Jesoa a, mino aho fa maty nisolo heloka ahy teo amin’ny hazo fijaliana ianao. Mifona aminao aho noho ny fahotako rehetra, mifona aminao aho noho ny heloko rehetra ». Hanao an’izany vavaka izany amin’ny finoana ianao ? Eo noho eo ihany ry havana ô, dia hisy tselatry ny Fanahy hiditra ao anatin’ny fonao ary hanasitrana ny fanahinao ; ka eo noho eo ihany dia ho teraka indray ianao. TSY MAINTSY ATERAKA INDRAY ISIKA RY HAVANA O. Izay ny fahamarinana 1.        

Ny Fahamarinana 2 dia izao : IANAO IZAY NATERAKY NY RANO SY NY FANAHY IO : TSY HO VANONA ARA-PANAHY IANAO RAHA TSY FENO MANDRAKARIVA NY FANAHY MASINA

Tsy ho vanona ara-panahy ianao raha tsy feno mandrakariva ny Fanahy Masina. Hoy ny Asan’ny Apostoly 4 :8-10 : « Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, raha adinina izahay anio ny amin’ ny asa tsara natao tamin’ ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’ io lehilahy io finaritra eto imasonareo ». Petera feno ny Fanahy Masina no miteny an’izany. Anaovana demande d’explication izy ry havana ô, ny amin’ny asa tsara nataony raha nanasitrana an’ilay lehilahy nalemy hatrany an-kibon-dreniny izy. Asa tsara : convoqué izy teo amin’ny sinedriona. Hoy isika hoe mpanapaka ireo. Mivavaka isika e, mba tsy hanana mpanapaka isika eto amin’ny firenena hanapatra fahefana tahaka izany : olona manao ny tsara ve dia gadraina, dia convoqué-na. Fa Petera, convoqué-na izy sy ny namany, dia miteny hoe : « ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’ io lehilahy io finaritra eto imasonareo ». Fahasahiana ange izany ry havana e ; fahasahiana. Ary izay ilay fahasahiana omen’ny Fanahy Masina, omeny ny olona feno ny Fanahy Masina. Raha tsaroantsika tsara ny tantara, tsy ampy 2 volana akory anie izay e, raha ity perikopa ity no jerena ; tsy ampy 2 volana akory ange izay e, teo amin’io toerana io, no nandavan’i Petera an’i Jesoa in-telo ; fa tamin’ny mbola tsy nanana ny Fanahy Masina izy tamin’izany. Ary tsaroantsika ry havana, tsaroantsika fa tamin’ilay andro voalohany nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, Petera sy ny namany tena azo lazaina hoe natahotra fatratra, nihidy aman-trano, ni-se barricader tao an-trano noho izany tahotra izany. Tsy mbola nanana ny Fanahy Masina izy. Ary marina tamin’i Petera ry havana tamin’io fotoana io ny tenin’i Jesoa manao hoe : « Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary ». Tena hoe nitady an’i Petera hokororohina toy ny vary Satana tamin’izy nandà an’i Jesoa in-telo io ry havana ô. Fa efa niova tanteraka Petera ankehitriny. Ary izay fanovàna tao amin’i Petera izay no tian’ny Fanahy Masina atao amiko sy ao aminao. Niova izy. Fa maninona izy no niova ? Efa nateraka indray Petera. Ahoana moa no ilazana an’izany ? Ireo mpianatra, Petera sy ny namany ireo, tena marina mihitsy fa nandritra ny 3 taona efa nilona tao anatin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fampianarana an’i Jesoa. Efa nilona tamin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Fa tahaka ny rehetra, dia marina aminy ilay tenin’i Jesoa hoe : raha tsy ateraka indray ianareo, rhaa tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ianareo dia tsy hiditra any an-danitra. Dia teo amin’ny Pentekosta teo izy, tahaka ny rehetra rehetra, nandray ny Fanahy Masina dia nateraka indray. Fa ny ohatra omen’i Petera : tsy nateraka indray fotsiny izy, fa feno ny Fanahy Masina. Sambatra ianao ry havana raha miteny hoe : « Misaotra Tompo ô, ny amin’ny fampaherezana ahy, fa izaho izay nateraka indray voalohany, ary mandeha mandrakariva amin’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina » ; satria zavatra iray ry havana ny hoe irahin’Andriamanitra ny Fanahy Masina, dia tonga Izy, dia mitoetra ato amiko ; ary hafa izany hoe feno ny Fanahy Masina isan’andro isan’andro izany ianao. Izao mantsy : rehefa tsy mandeha amin’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina isika ry havana ô, rehefa tsy mandeha amin’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina : tsy ho vitantsika ny fiainantsika ara-panahy. Tsy ho vitanao izany e. Tsy ho vitanao izany. Hitanao, rehefa hoe manomboka fiainam-panahy ianao, manaraka an’i Jesoa ianao, dia toy ny miakatra ho azy eo amina ring de boxe, ring de boxe, na fantatrao izany, na tsy fantatrao. Ary ny olona manao boxe aminao, tsy iza fa Satana. Maro ny olona tsy mahafantatra an’izany ry havana ô. Atao batisa ianao, raisina mpandray ianao, tokanana diakona, tokanana mpiandry sy ny karazany : manomboka an’ilay fiainana kristiana ianao, mandalina ilay fiainana kristiana ianao, dia ampidirin’Andriamanitra eo amin’izany ring de boxe izany. Dia inona no ataonao ? Niova ho kristiana ianao, manomboka manokana ny Alahady marainanao aty am-piangonana ianao, manomboka mandany fotoana amin’ny vavaka ianao, manomboka miresaka an’i Kristy amin’ny hafa ianao, manomboka mandefandefa Soratra Masina amin’ny Facebook amin’ny hafa ianao etc… Fa izao : mitady moment, mitady fotoana hikororohana anao Satana ry havana ô. Ary faly izy satria maro ny kristiana mi-abandonne. Tsy mahavita mandat nefa hoe voafidy, tsy mahavita fanompoana fa hoe : « leo an’io Pasitera io aho », « tsy mety amiko ny biraon’ny Sampana misy ahy ». Ry havana ô, izay ilay eo ambony ring de boxe ianao. Ary kororohin’i Satana ianao raha tianao ho fantatra izany. Mi-abandonne ianao. Ny dikan’ny hoe mi-abandonne ? Lavinao, araka ny tenin’i Petera, lavinao ilay vato fehizoro. Ilat vato fehizoro tokony hoe fehizoron’ny fiainanao, tokony hoe fehizoron’ny tokan-tranonao sy ny ankohonanao : lavinao iny. Fa maninona no lavinao ? Lavinao satria tsy mety aminao ny bikan’ilay vato fehizoro, tsy mety aminao ny dimension an’ilay vato fehizoro, tsy mety aminao ny halavan’ilay vato fehizoro, na vato fehizoro be exigence, be conditions : lavinao ilay vato fehizoro.

Ry havana ô, izay no maha-zava-dehibe, ianao mikomy lava io, ianao manohitra lava io ; rehefa mba manokatra vava ianao : fanoherana, fanoherana, fanoherana. Ry havana ô, tena marika hita maso izany : tsy feno ny Fanahy Masina ianao, na iza na iza eo anoloanao eo. Fa ilay vavaka ianarantsika manomboka anio ry havana dia hoe : « Aoka ny Fanahinao Ray Malala ô, aoka ny Fanahinao Masina, izay nataonao ao anatinay hitoetra ao aminay, aoka ny Fanahinao Masina e, hameno anay mandrakariva, isan’andro isan’andro ».

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : tany amin’ny voalohany moa izany isika dia niresaka hoe fidirana any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Izay ny amin’ilay ho avy mandrakizay tsy maintsy ateraka indray. Ilay fahafenoan’ny Fanahy Masina somary niompana tamin’ny fiainantsika ety an-tany. Ilay Fahamarinana 3 indray dia hoe : JESOA IRERY NO MOT DE PASSE IDIRANA ANY AN-DANITRA. JESOA NO MOT DE PASSE IDIRANA ANY AN-DANITRA

Hoy ny  Asan’ny Apostoly 4 :12 : « Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena ». Andinin-tsoratra Masina volamena ho an’izay mino azy – Andinin-tsoratra Masina faran’izay manafintohina ireo izay tsy mino na marivo salosana.

Fa inona moa ny problema amin’io andinin-tsoratra Masina io ry havana ? Hoy Petera hoe : « Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa. Izany hoe : ho an’ny sasany aloa, aoka ho fantatsika ry havana, fa tsy évident aminy hoe : mila famonjena izany izy, na mila famonjena izany ny olombelona. Ary ny olona hoe tsy mahatsiaro an’izany filàna ny famonjena izany, dia tena hoe marina ara-bakiteny aminy ilay tenin’ny Apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 4 :4 hoe : « nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ny sain’ny tsy mino ». Ny sainy nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao. Dia ahoana ny fomba hanajamban’ilay andriamanitr’izao tontolo izao ny sain’ireo tsy mino ireo ? Nampieritreritra ahy toriteny-na Pasitera amerikana izay ry havana. Dia mitoriteny izy hoe : isika kristiana amerikana hoy izy, maro amintsika no hoe ajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ny saintsika. Ahoana ? Satria hoe asainy mitoky isika amin’ny  volantsika, amin’ny harentsika, amin’ny fahaizantsika sy ny herin’ny sandrintsika. Izay hoy izy. Ary fantatry tsy maro ilay fitenen-dry zareo amerikana, tena hoe filamatra ho an’ny amerikana izany hoe : « self-made man ». Izany hoe ianao, ny tenanao, ny herin’ny sandrinao no naha-tafita anao. Fa isika malagasy tsy amerikana an. Fa isika koa ry havana, na dia tsy manana dollar aza, io vola kelintsika io, io vola be antsika io, harena kelintsika, io, harena be antsika io, io koa no itokiantsika aryn ynherin’ny sandrintsika no itokiantsika ry havana ô ; dia jamba ny saintsika ry havana ô, najambain’ilay andriamanitr’izao tontolo izao. Jamba amin’izay vrai problème, jamba amin’izay problème n°1 ny olombelona dia tsy inona izany fa ny fahotana. Ary io fahotana io, raha tsy nisy fahotana : tsy nidina avy any an-danitra Jesoa ry havana ô. Fa io fahotako sy fahotanao io no nidinan’i Jesoa avy any an-danitra. Aza lazaina fa misy karazany 2 ilay fahotana ry havana :

  • Ny fahotana voalohany dia ilay otanao manokana, ilay hoe « pêché personnel ». Ny famaritana ny ota mahazatra dia hoe : ny ota dia hoe :tsy mahatratra ilay cible, na ilay tanjona napetraka teo amin’ny fiainana. Mba mametraka tanjona ihany ianao. Isika rehetra ry havana samy mpanota. Tsisy nahatratra an’izany cible izany isika. Satria raha noforonin’Andriamanitra izaho sy ianao, ny tanjona sy ny cible napetrany dia hoe : ny hankalaza ny Voninahiny. Fa isika mianakavy e, ny mety amintsika dia ny mankalaza ny voninahitry ny tenantsika sy ny manandratra tena foana. Mila mifona amin’izany isika ry havana. Izay ilay otan’ny tsirairay.
  • Fa eo indray ilay « otan’ny firenena » : firenena malagasy, na « otan’izao tontolo izao ». Amin’izao fotoana izao, tena mahatsiravina ary mahavaky fo ohatra izany hoe fihanaky ny homosexualité, fihanaky ny LGBT ; ary isan’andro, isa-kerinandro any anaty gazety dia hoe ankalazaina ahindrahindra ilay olona manao « coming-out » manao hoe : i anona homosexuel, i anona LGBT voafidy maire tary an’anona. Izay ilay otan’ny firenena, izay ilay otan’izao tontolo izao ry havana ô hilana famonjena. Ary raha isika malagasy :ity ilay fanompoan-tsampy nentin-drazana ity : gaga ianao mahita, mijery vaovao tatoato : hay tena mbola maro ny mandàla an’izany hoe « fomban-drazana », manaja an’izany hoe « sampin-drazana », manaja an’izany hoe « fadin-drazana ». Ireo « fomban-drazana » ireo ange e, azo lazaina hoe tamin’ny fotoana nanomezana azy na nahazoana azy : nanana ny logique-ny. Fa araka ny fitenenana, hoe ireo « fomban-drazana » hoe ianao izay mandàla fomban-drazana ; ireo nomena antsika malagasy tamin’ny andron’ny tsy fahalalana. Fa amin’izao andron’ny fahalalana, rehefa tonga Jesoa Fahazavana ary Fahazavan’aina : asa maty ireo. Ary fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra ry havana ô. Ary mila vonjena amin’izany isika. Fa ny ota no problème n°1-ko ary ny ota no problème n°1-ny firenena sy izao tontolo izao. Ka rehefa miresaka ota ianao, ny dikan’izany : mila Mpamonjy, mila famonjena. Ary izay no lazain’i Petera mazava : « tsy misy anarana hafa nomena antsika aty ambanin’ny lanitra ahazoana famonjena ». Mety manitikitika ny sainao ihany ry havana ny hoe : « dia ahoana izany ny religion hafa ? », « ahoana izany ny slamo ? », « ahoana izany ny bouddhisme ? », « ahoana ny religion sy ny philosophie hafa e ? ». Ry havana, ny zavatra misy : rehefa mandinika ny religion ianao na ny philosophie : tena misy sombina fahamarinana ; fa fahamarinana sombintsombiny amina religion anankiray. Misy fahendrena sombintsombiny any amina philosophe anankiray. Fa Jesoa indray miteny :« Izaho no fahamarinana », « Je suis la vérité ». Tsy miteny Izy hoe : « Sombin’ny fahamarinana Aho » na hoe « ampahany amin’ny fahamarinana Aho », fa : « Izaho no fahamarinana ». Ary ny tena zava-doza ny amin’ilay hoe religion sy ilay hoe fahendrena manana sombina fahamarinana ; ilay sombina fahamarinana hitan’ilay mpandala an’io religion io, ilay sombina fahamarinana kely iny, ohatrany hoe mi-vacciné azy amin’ilay tena fahamarinana ry havana. Fa Jesoa, lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Ary nosoniaviny tamin’ny ràny teo amin’ny hazo fijaliana izany ary nasiany tombon-kase tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty. Azo antoka, azo antoka tanteraka izany.

Faranana izao teny izao. Niteny isika teo hoe miavaka ity Pentekosta ity satria Pentekosta eo ambany aloky ny fahafatesana. Pentekosta eo ambany aloky ny fahafatesana. Ny tena hita moa izany dia hoe ny Corona. Asa moa ianareo, fa hoe officiellement, 6 no maty hatreto ; asa ianareo, fa izaho dia mbola milaza fa hitombo io isan’ny maty io e. Maninona aho miteny an’izany ? Izaho tsy mpaminany ; fa mijery ny any amin’nyfirenen-kafa izay niharan’io : tsy maintsy hitombo io ry havana. Ary tsy maintsy hitombo io noho ny antony vitsivitsy maromaro, raha tsy hiteny afa-tsy ny hoe faiblesse-ny moyens, fahantran’ny moyens ananantsika malagasy iatrehana an’io. Ary mahavaky fo ry havana rehefa mba mahita olona etsy sy eroa mitaraina : izahay hoy izy, izahay angamba tsy ny Corona izany no ahafaty anay e, fa ho fatin’ny fahantrana sy ny hanoanana izahay. Tsisy politika amin’izany. Réalité izany.

Fa ao anatin’izao Pentekosta eo ambany aloky ny fahafatesana izao dia tenenina ianao hoe : IANAO IO VE ANDROANY PENTEKOSTA 2020 MAHALALA ILAY MOT DE PASSE IDIRANA ANY AN-DANITRA, NA HO FATIN’NY CORONA IANAO NA TSIA ? Tsy izany ny problème, fa : FANTARAO VE IO MOT DE PASSE IDIRANA ANY AN-DANITRA IO RY HAVANA O ? Ary rehefa hoe maty ianao, rehefa matin’ny fahafatesana ianao, handalo fitsaran ianao ry havana ô, handalo fitsarana ianao. Inona ny toerana nomenao an’io Jesoa io nandritra ny fahavelonao ? Sanatria an’izany, sao dia fantatrao hoe mot de passe io nefa tsiratsirainao amin’ny teninao, tsiratsirainao amin’ny fomba fanaonao, amin’ny fomba fanompoanao. Samy hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra isika ry havana ô, amin’ny minitra ialantsika eto amin’ity tany ity. Ary sahinao ve ny hiteny amin’izay fotoana izy, rehefa hanatrika ny Rainao ianao hoe : « Inty aho Ray Malala, fa ny anaran’i Jesoa no entiko manatona anao satira Izy maty nisolo heloka ahy teo amin’ny hazo fijaliana, Izy nanolotra ny ainy hamonjy ahy, ka amin’ny anarany no ahasahiako manatona Anao amin’izao fotoana izao ». Dia hiteny anao ny Rainao Izay any an-danitra hoe : « Mandrosoa anaka, mandovà ny fanjakana izay efa voavoatra ho anao hatrizay nanorenana izao tontolo izao ».

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena.