ALAHADY 31 JAN 2021

image_pdfPDF

« Ary niverina nankao amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izy mbamin’ izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ ny Isiraely ihany koa masìna hianao, raiso ny saotra aterin’ ny mpanomponao. Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa. Ary hoy Namana: Masìna hianao, moa tsy homena tany zakan’ ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra odorana na fanatitra hafa intsony ho an’ ny andriamani-kafa, fa ho an’ i Jehovah ihany. Nefa ny amin’ izao zavatra izao dia aoka havelan’ i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin’ ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’ izany zavatra izany. Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra. Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy. Ka dia lasa Gehazy nanaraka an’ i Namàna. Ary nony tazan’ i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin’ ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va? Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima; koa masìna hianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy. Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa hianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin’ ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo. Fa nony tonga tao amin’ ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy. Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan’ ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza hianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao. Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ ilay nihodina niala tamin’ ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’ oliva, na tanimboaloboka, na ondry aman’ osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao? Koa ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala ». 2 Mpanjaka 5 :15-27

« Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao. Ary niaraka tamin’ izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo. Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny ». Marka 1 :40-45

Ny andro androany dia natokantsika Fiangonana FJKM hitondrana am-bavaka ny olona izay marary hoditra. Dia rehefa nijery ny teny izay ho vakiana sy ho toriana mikasika izany ny mpiandraikitra, dia ireo teny izay novakiana tamintsika teo no nofidiany.

Misy tantara anankiroa novakiana teo. Ny iray tantara any amin’ny testamenta taloha momba ny olona marary hoditra, boka. Ary ny iray aty amin’ny testamenta vaovao momba ny olona marary hoditra ary anisan’izany moa ny olona atao hoe boka.

Momba ilay tantara ao amin’ny testamenta taloha, dia mba mahavariana re izany raha tantara. Fa ny voalaza ao dia misy ilay jeneraly anankiray, syriana atao hoe Namana. I Namana dia jeneraly, olona ambony teo amin’ny fitondrana tany Syrie, saingy boka izy. Mandrak’ity ny androany moa, Syrie sy Isiraely dia miady lava, tsy mifanaraka mihitsy ; ary tamin’izany Syrie nahery noho ny zanak’Isiraely. Ka nisy fotoana ry zareo nambabo tamin’ny zanak’Isiraely ary tamin’izany ianao rehefa resy amin’ny ady, dia alain’ilay mpandresy izay olona tiany alainy hoe dia ho entiny any aminy any hanompo azy, hanao asa samihafa na tiana na tiana. Dia ilay vadin’i Namana, ao an-tokantranon’i Namana, nanana ankizivavy kely jiosy anankiray. Dia rehefa nahita ny aretin-doza nahazo ilay jeneraly izy, dia nilaza moramora hoe : « e, raha ohatra mantsy dada Namana mandeha mankany Isiraely any, any anie misy olona mahasitrana e, mpanompon’Andriamanitra e. Raha mankany izy dia sitrana io aretina io ».

Dia lasa tokoa ary ilay rangaha nankany Isiraely ; dia rehefa tonga tany izy, dia tonga teo anoloan’i Elisa. Izany Elisa izany dia mpaminany nalaza teo amin’ny zanak’Isiraely. Ary rehefa tonga teo izy, dia hoe : mba ho sitranina amin’ny habokany. Dia hoy Elisa hoe : « mandehana mitsoboka mandro impito ao amin’ny onin’ny Jordana dia hadio ianao ». Dia teo izy aloa nisalasala ihany ary somary tezitra ary : « izany fotsiny ve dia hahasitrana ahy », sns... Fa notambatambazan’ny olona nanaraka azy ihany izy, dia hoe : « na sarotra noho izany aza ange no nasainy nataonao dia nataonao e, koa maninona raha mandeha ihany dia mitsoboka fotsiny dia ho hita eo izay fandehany ». Dia lasa tokoa izy nitsoboka impito tao amin’ny onin’ny Jordana izy dia rehefa nivoaka avy tao izy, dia ny vosoratra hoe : « ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy ».

Dia avy amin’izay ary ilay jeneraly, rehefa nadio, dia lasa izy nankany amin’ilay mpanompon’Andriamanitra dia nanao hoe : tena ny Andriamanitry ny zanak’Isiraely tokoa no tena Andriamanitra, fa tsy hivavaka amin’Andriamanitra hafa intsony aho. Ary ity re mba misy fanomezana e ; volafotsy amin’ny kilao omena izany mpanompon’Andriamanitra izany. Fa tsy nety mihitsy i Elisa. Tsy nety mihitsy izy, tsy nety nandray. Dia lasa nandeha io Namana io ary rehefa nandeha teny izy dia mba fiangaviany an’i Elisa dia misaotra ary hoy izy tamin’ny fahasitranako, fa misy zavatra ohatran’izao ange hitranga any tanànanay rehefa tonga any aho e : marina fa efa nanapa-kevitra aho hoe Andriamanitry ny Isiraely no ho tompoiko, nefa mbola mpanompo sampy ny mpanjaka izay mifehy ahy. Ka ho avy ny fotoana, dia ho ao amin’ilay tranon-tsampy izy ary noho ny maha-olona feheziny ahy, dia tsy maintsy mba ho ao aminy ao koa, hanaraka an’ilay fivavahan-tsampy ao aho. Dia rehefa mba tonga any, dia mba mangataka re aho mba hamela ny heloko amin’izany zavatra izany e. Dia hoy Elisa : mandehana e, mandehana soa aman-tsara. Dia lasa ilay jeneraly. Rehefa lasa ilay jeneraly dia nisy ranagaha atao hoe Gehazy. I Gehazy indray dia mpanompon’i Elisa izy, mpiasa tao izy. Ary hafahafa amin’izay ny sainy : ahoana ary, aiza, volafotsy amina kilao ve dia avotsotra fotsiny. Lasa nenjehiny haingana Namana sy ny namany, dia nandainga izy, dia hoy izy hoe : « aiza ihany hono ilay fanomezana saika omenao ». Niova hevitra indray izany ry Elisa sy ny namany. Dia rehefa izay dia nentiny, dia tonga nandeha niverina izy. Ka aiza, mpaminany ve moa no handaingana, loza anie izany e ; tonga dia fantatr’i Elisa. Dia rehefa fantany dia hoe : « maninona ianao no manao an’izany ? Ny habokan’i Namana dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay ». Loza izany ! Mba nisy vaovao mahafaly tamin’ilay jentilisa, fa dia ito ilay jiosy tao an-trano indray no nidiran-doza satria mpanompo tsy mahatoky.

Izay ilay tantara anankiray. Mahafinaritra izany raha tantara. Ary mbola misy tantara mbola mahafinaritra be koa momba ny olona boka na marary hoditra ihany ao amin’io testamenta vaovao io. Io indray, dia nanatona an’i Jesoa ilay boka dia tsy hoe nitaraina fotsiny izy, fa nandohalika teo anatrehan’ny Tompo ka nanao hoe : « raha mety anie Ianao e, dia mahay manadio ahy e ». Dia rehefa nijery azy Jesoa dia onena. Rehefa nalahelo azy Jesoa, dia naninjitra ny tanàny dia nanendry azy taminy ka nanao hoe : « Mety Aho, madiova ianao ». Dia nadio izy. Fa rehefa nadio izy, dia namepetra azy mafy Jesoa hoe « aza miteniteny, tandremo tsara mba tsy hisy ho lazainao na amin’iza na amin’iza fa madehana any amin’izay tokony alehanao any ». « Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy ». Elisa sy Jesoa. Samy mpamaha olana ireo. Fa faran’izay samy hafa koa. Elisa anie rehefa maty e, dia nalevina. Dia rehefa nalevina tao amin’ilay fasana izy, dia efa maty tao izy izany, dia nisy fotoana nisy olona hafa handevina, dia nony antony nahatery an’ireo olona ireo, dia natsipiny tao amin’ilay fasan’i Elisa ilay faty ; fa vao nikasika tamin’ny taolan’i Elisa, dia nijoro tamin’ny tongony, tonga dia velona ilay olona. Izany zava-mahagaga tamin’izany tantaran’i Elisa izany an. Fa ny aty amin’ny tantaran’i Jesoa mbola mahagaga lavitra noho izany. Jesoa indray tsy izany ; Elisa nahatsangana olona tamin’ny fatiny. Fa Jesoa, dia Izy mihitsy no tsy voatanan’ny fahafatesana, fa nitsangana tamin’ny maty izany Jesoa izany. Ireo izany tsy mitovy an : ilay iray ry an mpamaha olana ; samy mpamaha olana ireo ; samy mpamonjy raha izay no azo ilazana azy satria ny olona mahavaha ny olantsika anie dia olona mahavonjy antsika e. Fa i Jesoa ry havana, tsy Mpamonjy fotsiny io Jesoa io ; fa Tompo. Tsy Mpamonjy fotsiny Izy fa Tompo. Tompon’ny aina. Izay varavarana hidiny : tsy misy mahavoa an’io intsony. Ary izay vohainy dia tsy misy mahidy an’iny intsony. Tsy misy maharombaka izay eo am-pelatanan’izany Jesoa izany. Izy no hitsara antsika rehefa any aoriana any. Rehefa Izy no manao hoe ito marina, dia marina iny. Rehefa Izy manao hoe ity meloka, dia meloka iny. Tompo i Jesoa ; fa tsy ra-mpamaha olana fotsiny.

Velona ry havana izany Jesoa izany an. Ary tena mahafinaritra mihitsy anie ilay ato aminareo e : fa vao manomboka ny fanompoam-pivavahana dia miteny ny mpitarika hoe : « Nitsangana i Jesoa Kristy ». Dia ahoana ilay avalintsika azy ? « Eny, nitsangana tokoa Izy ». Velona io Jesoa io. Velona Izy. Ka mifandraisa Aminy ianao. Aza tapaka mihitsy mifandray amin’izany Jesoa izany. Aza miandry ny hoe fanazavana ny teny ataonay tahaka an’izao ; fa ianao mihitsy no mifandraisa amin’io Jesoa velona io. Velona io Jesoa io.

Manana olana ianao ? Teneno Jesoa e ! Tahaka an’ilay rangaha  nitaraina nahatsiravina, dia nandohalika mihitsy. Dia Jesoa anie onena e. Tsara fanahy izany Jesoa izany. Ary mihaino vavaka Izy. Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalany isika, hafahany amin’ny olana sarotra isika. Ary raha avadika amin’ny ankehitriny anie io tantara io dia izao ilay tantaran’ilay boka raha atao amin’ny ankehitriny e : « Ary nisy olona nanana olana nanatona an’i Jesoa dia nitaraina taminy sady nandohalika ka nanao hoe : raha mety Ianao dia mahay manafaka ny olako. Ary Jesoa dia onena azy ka naninjitra ny tanàny dia nanendry azy ka nanao hoe : Mety Aho ; afaha amin’ny olanao ianao ». Dia vita izany ilay zavatra nagatahin’io rangaha io, io ilay olona mila vonjy io, tamin’i Jesoa Mpamonjy.

Fa aza adino ry havana, fa tsy isika ihany anie no mangataka zavatra amin’i Jesoa e ; fa i Jesoa koa mba mangataka zavatra amintsika. Ny an’ilay rangaha io izao, dia hoy Izy : eny ary an, voavaha ny olanao an, fa mba izao re no mba fiangaviako e. Ary eo ary tena voalaza mihitsy hoe « namepetra azy mafy ». Rehefa niteny Jesoa hoe « tandremo tsara izao » : tsy nohenoin’ilay olona io izany.

Tsy ianao ihany no mangataka zavatra amin’i Jesoa ; fa Jesoa koa anie mba mangataka zavatra aminao e. Dia mba ankatoavinao ve izany ? Mba ankatoaviko ve izany ? Sambatra ny olona izay manana fifandraisana velona amin’i Jesoa velona. Ary ny lesona voalohany azo eto ry havana dia izao : velona i Jesoa an, velona i Jesoa. Tsy Mpamonjy fotsiny Izy fa Tompo. Ka mba kendreo tsara re ry olona ny tsy ho afaka olana fotsiny ihany, fa mba mety ho karakarain’i Jesoa sy mety hatorony fa tsy sarotra hatoro, ka ho tonga olom-baovao.       

Araka ny voalaza teo, ilay olona ity tsy tena lasa olom-baovao anie ilay olona e ; satria tsy nankatoa an’i Jesoa izy. Afaka ny habokana fa dia ho faly taminy ve Jesoa ? Dia izany no hita eo. Sahala amin’izany koa ilay rangaha ilay aty amin’ny testamenta taloha aty : tena afaka izy, voavaha ny olany, fa rehefa avy eo dia nisy indro kely ihany : « rehefa mandeha manompo sampy re izahay e, dia izaho anie tsy maintsy manakny ihany e. Fa mba mamelà ny heloko rehefa midita any ahanya ho » mandray roa tony. Sady atsy aho no tsy maintsy mankatsy kely. « Ka ahoana moa fa tsy maintsy manao an’io aho satria mena ambanin’ny mena e ; manana mpifehy aho ange e ; dia taomina aho miaraka manompo sampy miarkaa aminy any ; ny vadiko anie manery ahy amin’izao e ; mbola tsy maintsy mandeha mankary aho, sns e… fa mba mamelà ny heloko amin’izany ». Aty amin’ny testamenta vaovao : tsy mety izany. Na ianao ary na aty. Na hanaraka an’i Jesoa feno ny olona manontolo tsy misy hanimbinana, na mbola hiodikodina ihany sady ary. Maika lava hahavaha ny olana amin’ny fiainana io, maika lava ; nefa anie olon-dresy e. Satria ilay olana sarotra indrindra dia ny fahafatesana : tsy voahava-tsika akory.

Koa tandremo tsara ry havana ny fiainana tsy hiodikodin-dava, handany fotoana, vola aman-karena, hery hamahana olana tsisy farany. Nefa dia ho resy ihany any aoriana any satria tsy hahavaha olana fa maty ihany. Tena mahantra isika raha toa ka ny fiainantsika miodikodin-dava : olana-vaha olana tsisy farany. Fa sambatra izay olona manomboka eo amin’ny fiainany, eo amin’ny tsy vaha-olana intsony izany, fa efa mihoatra ny hoe vaha-olana, dia Jesoa velona izay efa nandresy ny fahafatesana. Sambatra ny olona ohatran’izany.

Rehefa miaraka amin’i Jesoa izany, tandremo tsara an, fa tsy manao izay hihinana fotsiny isika raha hanaraka an’i Jesoa, hoe mba ho tombon-tsoantsika : mba ho voavonjy aho fa tsy ho very, mba ho anisan’ny tsy ho heloina aho fa mba ho anisan’ny hohamarinina, mba ho lohany aho fa tsy  ho rambony ; tsy izany fotsiny no anarahana an’i Jesoa ; Tsy ra-mpamaha olana fotsiny io Jesoa io fa mihoatra lavitra noho izany. Dia Jesoa izay efa nandresy ilay olana tsy voavaha ; Ka ny tokony ho fiaingan’ny fiainana dia fifandraisana amin’izany Jesoa velona izany, manaraka an’io Jesoa velona io.

Ny fiainana izany izao dia tsy tokony hiodikodina intsony eo amin’ny olana – vaha-olana lava. Fa mifandray amin’i Jesoa velona isan’andro isan’andro, dia mitondra ny fiainana eo Aminy, dia mba mihaino ny feony. Fa ny tanjon’i Jesoa anie dia tsy ny hahavaha ny olana eo amin’ny fiainantsika ihany e, fa ny ahatonga antsika ho olom-baovao ka ho mendrika ny fiainana mandrakizay, olom-baovao mendrika ny lanitra vaovao sy tany vaovao. Tsy hoe mpanota afak’olana fotsiny dia voavonjy ; fa tonga zanak’Andrimaanitra. Tsy hoe sakaizan’i Jesoa fotsiny ; fa zandrin’i Jesoa satria efa noraisin’Andriamanitra ho zanany. Izany no tena tian’i Jesoa, tian’Andriamanitra ho tanteraka amin’ny fiainantsika. Koa tandremo tsara e, kendreo ny tsy hoe ho afak’olana fotsiny amin’ny fanarahana an’i Jesoa, fa irio mafy mihitsy izany hoe mba ho tonga olom-baovao.

Manaraka eto ry havana, dia izao : Jesoa dia velona Izy ; velona izany Jesoa izany ; ary anjarantsika tsirairay avy ny mifandray Aminy. Misy teny any amin’ny Galatiana any hoe fa samy hitondra ny entany avy ny olona. Isika izany tsy maintsy mifampitondra izay mavesatra. Eo amin’io Galatiana 6 io ihany dia misy teny hoe : tsy hoe mifampitondra izay mavesetra fotsiny, ilay eo aloha ; fa eo ambany eo, dia hoe : samy hitondra ny entany avy ny olona. Fiainanao io an, izay tianao ihany. Fa mifandraisa ianao amin’i Jesoa Tomponao. Dia izay fandehan’ny fiainanareo any. Izay izany an, tsy misy mahavita izany. Fa hoe tokony hahery tsara isika, tokony hahery tsara. Fa mihoatra ny mpamaha olana anie izany Jesoa izany e. Jesoa Tompo izany anie tena  mahafinaritra e. Ary tena Andriamanitra fitiavana tonga nofo tokoa izany Jesoa izany.

Fa ampitovio tokoa anie ny tantara e : Elisa anie rehefa miaraka amin’ireo olona mpanota eo, mba miaraka eo, mahatsiravina anie ny an-dry Elisa ny fitondrany ny mpanota e : fa ilay Gehazy io rehefa nandainga ohatran’izany dia tia kely, dia lasa naka ilay zavatra efa noraran’i Elisa. Tena nozonin’i Elisa izy. Hoy Elisa : « ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala ». Mahatsiravina izany. Rehefa miaraka amin’ny mpamaha olana dia manafintohina ny mpamaha olana dia veloma ihany.

Tsy mba ohatran’izany ato amin’ilay tantara ato amin’ny testamenta vaovao. Ny ato : efa notenenina ilay rangaha hoe « aza milazalaza » ; mbola tsy nankatoa an’i Jesoa, dia nandeha ihany ; fa tsy misy tantara mihitsy miteny ato hoe : ary hitan’i Jesoa indray ilay rangaha tsy nankatoa, ka noteneniny mafy hoe Izaho efa miteny hoe aza milazalaza, mbola niteny ihany ianao. Tsy manana fifandraisana Amiko intsony. Tsy mba nanao an’izany Jesoa io ; fa malemy fanahy Izy ary nandefitra Izy. Ary izany ry havana izany Jesoa arahintsika izany an.

Ny fiainana anie tsy ilaozan’olana e. Fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka. Velona Jesoa. Mifandraisa Aminy e, mangataha Aminy fa mora onena izany Jesoa izany. Tsy mba mandatsa izany Jesoa izany. Ary na manao hadisoana aza, dia vonona Izy nanolotra ny tenany mihitsy ho maty teo ambony hazo fijaliana mba hamelany ny helotsika. Ka mangataha Aminy : eny, vahany ny olanao. Vonona ny hamaha ny olanao Izy. Fa aza mihanina amin’izany fotsiny an. Fa fitiavana izany Jesoa izany. Meteza ho atorony. Meteza ho atorony. Fa misy zavatra mba irin’ny Tompo ataonao : henoy Izy dia mba ankatoavy ny teniny ; fa ny tanjony amin’izany dia tsy ny hamaha ny olan’ny tena fotsiny, fa hahatonga ny tena mihitsy ho tena mba olom-baovao. Tsy olona mivavaka satria manantena zavatra fotsiny ; fa mivavaka satria tia an’Andriamanitra, olona izay mihaino an’i Jesoa, mankatoa Azy, ka olona tonga olom-baovao eo amin’ny fiainany. Ka rehefa mivavaka izy dia tsy mangataka fotsiny tsy misy farany ny hamahana ny olany eo amin’ny fiainana, fa mba tokony ho anisan’ny vavaka ataontsika koa, rehefa mivavaka re dia mba hangatao ihany Andriamanitra hoe : « Andriamanitra Ray ô, mba hampitomboy ato anatiko ny fitiavana Anao ». Fa rehefa tia an’Andriamanitra isika, efa tsy babon’ny fiainana, ny olana sy vaha-olan-dava. Fa fiainana feno fahatokiana satria tian’Andriamanitra. Ka maniry mafy mba ho tia an’Andriamanitra koa.

Na misy ary anie ny olana tsy voavaha e, toa mbola eo ihany ny fahafatesana. Na eo ary ny mbola mety hoe ranomaso, tsy maintsy latsaka ihany noho ny fahoriana e. Rehefa miaraka amin’i Jesoa velona ianao, ary mitombo amin’izany fitiavan’Andriamanitra izany, dia na ny olana tsy voavaha aza dia miara-miasa hahasoa anao. Fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Tian’Andriamanitra isika ary sambatra izay olona mitombo fitiavana an’Andriamanitra. Fa izay tsy mbola hitan’ny maso na ren’ny sofina no efa omanin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.

Farany ry havana, raha izany ary io Jesoa io : velona Jesoa ; Mpamonjy ny olona rehetra Izy. Ary Tompo tia ny olona rehetra mba ho tonga zanak’Andriamanitra tahak’Azy. Manavao ny fiainan’ny olona Izy. Izany izany Jesoa izany. Dia andeha isika hihaino ny feony ka mba hihaino tsara ny iraka ampanaoviny antsika. Eto izao ny lazainy, hoe : aza miteniteny. Fa any amin’ny tantara hafa sy rehefa nitsangana tamin’ny maty anie Jesoa dia tsisy fandraharahana intsony. Jesoa tsy niteny intsony hoe : « aza miteniteny ny amin’izay zavatra tsara natao anao ». Fa vao maika ary hoy Izy hoe : « izay natao tany amin’ny miafina torio eny an-tampon-trano eny ». Mijoroa vavolombelona, sahia mijoro vavolombelona eo amin’ny fiaraha-monina amin’izay soa nataon’Andriamanitra anao. Madagasikara ange be olona, tsy hoe vizanin’ny fahantrana fotsiny e ; fa manjaka be amintsika izany hoe maha-olona tsy vanona izany. Izany anie izany firenentsika izany e. Na iza na iza isika malagasy, tsy maintsy misy olona foana any sahirana kokoa noho isika ; na mahatsiaro ary isika hoe e, sahirana aho : mbola misy sahirana lavitra noho ianao. Raha mahatsiaro isika hoe tsy mendrika : betsaka no tsy mendrika. Betsaka ange no mangetaheta ny fifaliana tena izy e ; mba hoe hampisy dikany io fiainana io. Fa tsy hiodinkodina fotsiny : olana sy vaha-olana lava. Iza ireo olona hitondr azy izany vaovao mahafaly izany ? Ny vaovao mahafaly anie dia tsy iza fa i Jesoa velona e, mety hifandray amin’ny olona tsirairay avy. Ka tsy hoe hampisy dikany ny fiainany fotsiny ; fa hahatonga azy ho olom-baovao ankasitrahan’Andriamanitra. Sady tian’Andriamanitra no tia an’Andriamanitra.

Ka izao an : tsy mety raha ohatra ka mivavaka tia an’Andriamanitra fotsiny ; dia mivavaka, mamaky ny Soratra Masina, mihangona. Nefa ny havantsika any ivelany any an tsy hita izay fandehany any. Fa tandremo fa fivavahana fitiavan-tena ihany ny antsika raha izany fotsiny. Ary farany ary dia iharan’ilay tantara mahatsiravina any amin’ny Matio 25 : « noana Aho, tsy nomenareo sakafo ; nangetaheta Aho, tsy nampisotroinareo ; nigadra Aho, tsy mba novangianareo ; narary Aho, tsy mba novangianareo » sns... Tsy miantsy mifanerasera amin’ny olona mila vonjy isika raha tiany ny hoe tena haha-mpianatry ny Tompo antsika tokoa. Mahatsiaro reraka ve ianao eo amin’ny fiainana noho ny olana ? Eny : mivavaha ; fa mba andramo koa manomboka izao : mandehana mamangy ny olona mila vonjy kokoa noho ianao. Mba miresaha ihany amin’ireny olona arian’ny fiaraha-monina, heverin’ny fiaraha-monina ho adala ka ny olona no sady matahotra no tsy hita intsony. Fa ianao aza mety voasakan’izany. Fa reehfa teren’ny fitiavan’i Kristy : ndana mba mireskaa amin’ireny olona ireny. Mba miresaka amin’ny olona mitsipi-pako ary mitondra ny vaova mahafalin’i Jesoa Kristy aminy. Ary tsy izany fotsiny ihany ; fa izay mba kely ananana dia mba tokony ho zaraina aminy izany. Indraindray tsy hita izay ifaneraserana, tsy hita izay tokony ho tenenina, tsy hita izay tokony ho atao. Tsy hitanao ? Mivavaha hoe : « Jesoa velona ô, mba omeo ahy ny olona mila vonjy izay tokony hifaneraserako an. Dia atoroy ahy ny tokony ho tenenina, dia atoroy ahy ny tokony atao ». Fa dia omeny ianao. Mety misy olona tonga avy any, dia izy no manatona anao, na ianao no mandeha any. Mahereza tsara anefa fa ireny olona ireny dia mety ilay mangalatra ny entanao ihany. Tsy maninona izany fa izay ny fomba anirahan’ny Tompo azy any aminao an ; ny anjaranao dia, ianao izay teren’ny fitiavan’i Kristy, dia tokony fa navela heloka ka mba mamela heloka koa, mizara ny kely ananana. Ary mizara ilay lehibe indrindra ananana, dia tsy izay izany fa io Jesoa velona io sy ny filazantsara.

Ho Azy anie ny voninahitra fa ho antsika kosa ny fitarihina sy ny herin’ny Fanahy Masina ka hiaina an’izany isika mba hananantsika fifaliana tena izy ary hizarantsika koa izany fifaliana izany amin’ny olona izay manodidina antsika. Amena

image_pdfPDF