Marka 10 :21 : « Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe:
Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy ».
RESAKA ZAVATRA IRAY LOHA
Zavatra iray loha omen’ny Tompo anao, zavatra iray loha hamatsiany anao entinao hamakivaky ny fiainanao ety an-tany hatramin’ny fara-fofonainao. Ary zavatra iray loha hidiranao any an-danitra, hany ka zavatra iray loha hanova ny fiainanao.
Fahamarinana 1 : JESOA MIJERY TSARA, DIA TIA NY OLONA IZAY SINCERE
Mpino no resahina eto. Mijery an’ity lehilahy ity ny Tompo dia hoe tia azy.
Mijery anao ny Tompo amin’izao maraina izao, mijery anao ny Tompo isan’andro, tia anao ve Izy ? Mijery anao ny Tompo isan’andro, azonao antoka ve fa tia anao Izy ?
Fa maninona no hoe tena tian’i Jesoa ity lehilahy mpanan-karena ity ? Satria lehilahy « sincère », lehilahy tsy mihatsaravelatsihy ity lehilahy ity.
Tia ny olona sincère Jesoa, na iza izy na iza. Ary rehefa nifanandrina tamin’ny fariseo izy, ary ny fariseo no nanaovany teny mahery indrindra ao amin’ny filazantsara, dia teny milaza loza, loza tamin’ny mpihatsaravelatsihy. Rehefa mijery olona mihatsaravelatsihy izany Jesoa, na iza izy na iza, dia loza no ambarany aminy. Ary tsy tia azy intsony Izy. Ary na dia hoe tiany aza iny avy eo, loza aloa no ambarany aminy.
Fampieritreretana : Rehefa mijery anao ve Jesoa dia mahita lehilahy na vehivavy sincère ? Izany ny zavatra iray loha tian’i Jesoa ho fantatrao. Sincère ve ianao amin’ny finoanao ? Ahoana no nanehoan’ity lehilahy ity ilay sincérité-ny ? Hoy ny and. 17 : « Ary nony vao nivoaka nankeny an-dàlana Jesoa, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe:
Mpampianatra tsara o, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? ». Nihazakazaka izy, nampihazakazaka azy ny problemany. Ary nanatona an’i Jesoa izy ka nandohalika, nanetry tena : mpanan-karena nandohalika teo anatrehan’i Jesoa. Firy ny mpanan-karena ato zatra mandohalika ? Firy no mihazakazaka dia mandohalika ?
Dia rehefa teo amin’i Jesoa izy dia nozahan’i Jesoa toetraizy ny amin’ny didy 10. Dia hoy ilay tovolahy eo amin’ny and.20 : « Ary hoy izy taminy Mpampianatra o, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely ».Azo lazaina hoa manana obéissance absolue izy, notandremany ny didy rehetra, fa tsy toa ny mpino sasany hoe fatra-mpankatoa ny didy sasany, fa ny didy sasany tsy mety aminy dia ahiliny. Obéissance totale, fankatoavana tanteraka ; ary tsy vitan’ny hoe obéissance tanteraka fa efa hatry ny fahazazany, fony mbola kely. Ry ray aman-dreny, mandinika ny zanakao ianao, notezainao amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra ve ireo zanakao ireo ? Izany ve no zavatra kendrenao ? Ary faly ve ianao mitantara any amin’ny hafa fa ny zanakao dia mahay ny didy 10, ary miaina ny didy 10 fa tsy mihatsaravelatsihy? Izany ny zavatra iray loha ilaintsika.
Ary ankoatry ny fihazakazahana sy ny fanetren-tena, ankoatra ilay toetra moraly mahatonga an’i Jesoa hitia azy, ny zavatra fahatelo mahatonga an’i Jesoa hitia azy dia ny hetahetany handova fiainana mandrakizay : izay no mampihazakazaka azy any amin’i Jesoa. Manontany an’i Jesoa izy hoe ahoana no handovany ny fiainana mandrakizay ? Marina ity lehilahy ity, possiblement bon mari, bon père de famille ity lehilahy mpanan-karena ity : sambatra raha samy sambatra. Fa tian’i Jesoa izy satria fantany fa tsy ananany ny essentiel ao amin’ny fiainany, dia ny fiainana mandrakizay. Firy amin’izay mpanan-karena tahaka an’ity lehilahy ity, ary isika izay tsy manan-karena, firy no manana an’izany souci, manana an’izany hetahetan’ny fiainana mandrakizay izany ? Fa zavatra iray loha no ilaintsika, zavatra iray loha no itiavan’Andriamanitra antsika ka hoe atolony anao. Inona no ataonao ? Tsy misy asa ataonao, fa raha asa atao, dia ny fanatonana an’i Jesoa tahala izao, fanetren-tena tahaka izao ; ary isika mahafantatra izay tsy fantatr’ity lehilahy ity dia ny hoe mila mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy.
Ry havana,jereo : ny tsy mahasambatra anao dia ilay teny ao amin’ny Mpitoriteny 3 :11 : « ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony ». « Le Seigneur a mis dans notre cœur la pensée de l’Eternel ».Fa ianao, ny harenanao, ny asanao no manakona izay hetaheta izay.
Izay ilay fahamarinana 1 : Jesoa tia an’ity lehilahy ity satria sincère. Diso hevitra izy ny amin’ny fiainana mandrakizay : « il était dans l’erreur, mais il était sincèrement dans l’erreur ». Possible dans l’erreur ianao, fa enga anie la sincère ianao na dans l’erreur aza ; dia mijery tsara anao ny Tompo dia miteny hoe « tiako ianao io ».
Izay ilay fahamarinana 1 : mijery anao ny Tompo ary, azonao antoka ve fa tia anao Izy ? Sa tezitra aminao Izy satria mihatsaravelatsihy ianao, tahaka ny fariseo ?
Fahamarinana 2 : JESOA MANONDRO IZAY DISO EO AMIN’NY FIAINAN’NY OLONA TIANY, REHEFA SINCERE AMINY IO OLONA IO
Amin’ny olona mihazakazaka mankany Aminy sy manetry tena, amin’ny olona izay sincère ka tian’i Jesoa, io fitiavan’i Jesoa azy io mahatonga an’i Jesoa hanondro mazava izay diso ao amin’ny fiainany.
Sarotra anarina isika amin’ny ankapobeany, noho ilay fo mararin’ny fahotana ka bokan’ny avonavom-po. Maika moa fa manam-bola kely izay, manana anarana kely izay, manana firazanana kely izay, sarotra anarina. Fa henoy ny fitiavan’i Jesoa anao, ary te hanoro izy eo amin’ny fiainanao hoe zavatra iray loha no mahadiso anao.
Misy mpanompon’Andriamanitra, malaza tamin’ny fitoriana ny filazantsara antsoina hoe GeorgeWhitefield. Dia mandeha tournée mitory filazantsara izy, dia nivahiny tany amin’ny olona manan-kaja izay, Général. Io Général io sy ny ankohonany dia malaza tao an-tanànà nisy azy amin’ny fitiavana mampiantrano vahiny, ary malaza ny amin’ny fahatsaram-panahiny. Ary fantany tsara koa ny amin’i George Whitefield dia ho azy, fifaliana tsy misy ohatr’izany ny hle hampiantrano sy hampatory an’i George Whitefield tao an-tokan-tranony. Ary mitantara i George Whitefield tamin’ny nitory teny hoe tonga tao izy dia tena fatratra ny fandraisan-dry zareo azy, fatratra ny fisahiranany, ary dia tena nahafinaritra mihitsy ny fandraisany tao.Dia mitantara i George Whitefield fa tratran’ny fakam-panahy tao. Ny fanaoko hoy izy, rehefa mivahiny any amin’olona, amin’ny fotoana hipetrapetrahana ao amin’ny salon, amin’ny fotoana fisakafoanana sy ny tahaka izany, fanaoko ny mananatra ilay olona mampiantrano ahy, na iza izy na iza. Fa tratry ny fakam-panahy aho tsy nanao an’izany ary hoy ny devoly tamiko hoe an an an, ireo anie nampiantrano anao e, ianao efa avy nitory teny tary amin’ny croisade tary, tany ireo ary teny tiany ny toriteninao, voarainy ilay toriteninao, tsy efa ampy ve izay. George Whitefield no mitantara : andeha hiakatra aho ny hariva hoy izy, ho any amin’ny efitranoko. Miakatra tohatra iny aho hoy izy, miteny amiko ny feon’ny Fanahy Masina : sûr ve ianao ry George fa afaka amin’ny ràn’ireo olona ireo raha anadinako anao ny ràn’ireo olona ireo ? Tsy nijoro vavolombelona ianao, tsy nampieritreritra ianao, fa asa inona ozzy eritreritra tao aminao. Nivarahontsana aho hoy George Whitefield tonga tao an’efitranoko. Dia inona ny zavatra nataony ? Nanana peratra misy diamant izay izy, dia nosoratany teo amin’ny varavarankelin’ny efitrano fandriany hoe : « Diso zavatra iray loha ianao ». Lasa izy ny maraina nanohy ny tournée-ny ; niakatra tao amin’ilay efitranony ilay Général, ny zavatra hitany voalohany, tsy hoe ny fandriana tsy vita sy ny karazany, fa ilay soratra hoe : « Diso zavatra iray loha ianao ». Taitra ilay rangahy, tena hoe voatsindrona tam-pony izy ary niantso ny vadiny ; nahita an’ilay izy ilay vadiny dia namaky, nitomany nigogogogo nandohalika, dia nandohalika koa ny vadiny ary dia nidera an’Andriamanitra. Tamin’io mpanompolahiny io, nampiteneniny tamin’ilay diamant nasiany soratra hoe : « Diso zavatra iray loha ianal ».
Manontany anao ny Tompo amin’izao maraina izao : sao dia faly mihaino ny toriteny fotsiny ianao ry havana ? Zavatra iray loha inona no mahadiso anao ? Enga anie ka tsy ho tahaka izay nidiranao teto no ivohahanao rehefa avy eo ; fa rehefa hivoaka eto ianao, fantatrao mazava hoe zavatra iray loha no mbola mahadiso ahy amin’izao 30/09 izao. Fa raha tsy izany, aleo ianao tsy niangona e, rehefa tsy hankatoa ny teny. Sao ianao mieritreritra fa hoe tsy ho ahy izany ?
Misy ohatra vitsivitsy ireto :
- Sao dia ianao no mieritreritra hoe tsara tarehy, tsara bika kanefa diso amin’ny zavatra iray loha ianao, rehefa jeren’ny Tompo ny fanahinao, ohatrany kilemaina ny fanahinao, tena ratsy velona ohatran’ny monstre ny fanahinao fa bogosy be ianao aty ivelany. Diso amin’ny zavatra iray loha ianao eo amin’ny fanahinao, kilemaina ianao.
- Mba manana fo malahelo, manana fo sensible ihany ianao, mba miantra ny manodidina ihany ianao, eny e, efa manana fo sensible ianao, efa tsara izany ; fa zéro sensibilité ianao amin’ny fahotana : disoa zavatra iray loha ianao. Tsianjery efa fandre izany hoe mibebaha : diso zavatra iray loha ianao.
- Sao dia ianao no lehilahy na vehivavy manan-tsaina indrindra ato am-piangonana na eo amin’ny fiaraha-monina, be diplaoma indrindra, kanefa dia tena hoe maizina ara-tsaina, donto velona ny amin’ny resaka zavatry ny fanahy, ny raharahan’Andriamanitra? Sao dia ianao izany ? Diso zavatra iray loha ianao.
- Sao dia ianao, tahaka an’ity tovolahy ity, tena hoe mazoto amin’ny lafiny ara-pivavahana, tena mahavitrika amin’izay rehetra fombam-pivavahana, kanefa tonga amin’ny tenin’ny mpitandrina iray izay hoe : fantatrao ny Baiboly, fantatrao ny fahamarinana fa izay hoy izy : « il est possible de connaitre la vérité sans l’aimer ». Est-ce que tu connais la vérité mais tu ne l’aimes pas ? Diso zavatra iray loha ianao. « Il est possible d’entendre l’évangile, de prêcher l’évangile, mais de ne pas y croire ». Diso zavatra iray loha ianao,mazoto mamaky Baiboly nefa tsy mino Azy, mahafantatra ny fahamarinana nefa tsy tia azy na mampiatra azy.
- Fampieritreretana farany : ianao no mety ilay olona mamy eo amin’ny fiaraha-monina, be namana, namana tsy fohy noho ny antony isa.-karazany, kaneda tsy minamana amin’ilay sakaiza tokana tena tia anao, nandatsaka ny ràny ho anao. Diso zavatra iray loha ianao.
Raha manetry tena ianao, tonga dia hitsian’i Jesoa hoe : Diso zavatra iray loha ianao
Fahamarinana 3 : ZAVATRA IRAY LOHA NO TIAN’NY TOMPO HIBAIKO NY FIAINANTSIKA, DIA NY FANANGONANA RAKITRA ANY AN-DANITRA
Resaka fananana rakitra any an-danitra. Io rakitra io amin’ny teny frantsay dia hoe « trésor » .
Manana rakitra any an-danitra ve ianao ? Maro angamba no tsy manana, fa mety mpanaraka fombam-pivavahana. Tia antsika ny Tompo, zavatra iray loha manomboka izao no tiany hibaiko ny fiainantsika, dia ny fanangonana rakitra any an-danitra. Aza manangona harena eto amin’ity tany ity fa tsy ampiditra anao any an-danitra izany. Fa na iza ianao na iza, satria ny fonao mararin’ny fahotana, hiraikitra amin’iny vola kely na vola be iny ny fonao dia ho hadinonao ny zavatra any an-danitra. Sakana iny idirana any an-danitra, sakana iny anarahana an’i Kristy, nefa ny fanarahana an’i Kristy ihany, ny fiaraha-dalana aminy ihany, ny fankatoavana ny tari-dalany isan’andro isan’andro no hampiditra antsika any an-danitra. Ary farany androany no hitenenan’ny Tompo amintsika hoe « aoka izay io fitiavam-bola io. Firy amintsika no nanapa-kevitra izao androaby 30/09 hoe aoka izay ny fitiavam-bola fa tsy idirana any an-danitra ?
Raha raisinao ho sérieux, raha raisinao ho zava-dehibe ny fisian’ny lanitra, normal be ianao, ary automatique ianao mangorona harena hovantaninao any.
Ahoana no fialana amin’izany fitiavana harena izany ? Mora anie ny miteny hoe mialà amin’ny fitiavana harena e, misy toe-tsaina efa novelarina tero ihany fa averina farany eto indray : tokony tonga sainao ianao fa izay rehetra anananao, tsy anao fa an’i Jesoa. Toe-tsaina izay.
Inona no dikan’izany ? Ny fotoananao, manomboka izao, ampiasao amib’ny fomba manome fifaliana an’Andriamanitra ; ny volanao, tsy anao io volanao io fa azy, ampiasao amin’izay fomba ampidirana olona any an-danitra. Ho fankalazana an’Andriamanitra izany fa tsy ho fankalazana anao. Zavatra iray loha no ilainao : manangona harena any an-danitra ary mahafantatra hoe izay zavatra ataoko hoy ahy, tsy ahy. Io fahaizanao io, aza ampifilaina ny fiangonana, aza ampifilaina i Jesoa ; omena fahaizana ianao, atolory ny fiangonana izany. Izany ny olona mangorona harena any an-danitra. Io ankohonanao io, tsy maintsy atolotrao an’i Jesoa, raha ankohonana kristiana. Ary izany no antom-pisianao. Ary rehefa izany no ataonao, rehefa izany no anovanao ny lasin-tsainao dia tena hoe ny zavatra iray loha eo amin’ny fiainanao : Jesoa no manana ny fitoerana voalohany eo amin’ny fiainanao, tena ho n°1 Izy. Satria zavatra iray loha no mibaiko ny fiainanao, Izy no lalana mankany amin’ny lanitra ary mangorona harena any an-danitra ianao.
Raha mbola ety an-tany isika, manana ny asa aman-draharaha, manana ny fianarana, manana ny ankohonana, manana izay hoe fialam-boly etc… Fa rehefa hoe zavatra iray loha no mibaiko ny fiainantsika, dia Jesoa : fanangonana harena any an-danitra no ataontsika. Fa rehefa tsy manao an’izay ianao, mikorontana ny fiainanao. Rehefa tsy ataonao an’izay ilay izy dia toa ny famataran’andro maty ny fiainanao. Inona no dikan’izany ? Rehefa maty ny famataran’andro dia entina any amin’ny mpanamboatra, ary vahany. Dia jereny eo hoe inona ilay pièce tsy mampandeha azy. Dia matetika pièce anankiray, zavatra iray loha no tsy mampandeha an’ilay famataran’andro, ary iny no tsy maintsy soloina : zavatra iray loha. Sao sanatria an’izany, toa ny famataran’andro maty ianao, satria zavatra iray loha no tsy mampandeha ny famataran’andron’ny fiainanao ? Ary rehefa jerena, ohatrany mandeha ilay famataran’andro, fa manondro ora fanatanterahana ny zavatra ety an-tany : ora fandehanako miasa izao, ora fandehanako mianatra izao, ora fanaovako fialam-boly izao etc… Fa tsy ora hisaintsainanao isa-minitra hoe zavatra iray loha no ilainao dia ny mangorona harena any an-danitra, hanananao rakitra any an-danitra.