ALAHADY 30 MAY 2021

Miarahaba ny Fiangonana, manonona aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. Amen

Ny Fahamarinana 1 ry havana izay ampahatsiahivina anareo reny, izay entintsika am-bavaka amin’izao Alahady izao, araka ilay vavaka teo dia mba hoe : ho reny tena hoe ampiorenin’ny Fanahy Masina ianareo an ; ny Fahamarinana 1 ho anareo dia ny hoe : AOKA IANAREO HO RENY MPANONONA NY ANARAN’NY ZANAKAREO EO ANATREHAN’I JESOA. HO RENY MPANONONA NY ANARAN’NY ZANAKAREO EO ANATREHAN’I JESOA.   

Eksodosy 31 :2-3 : « Indro (Jehovah no miteny), efa notononiko anarana Bezalila, zanak’i Ory, zank’i Hora, avy amin’ny firenen’i Joda ; ary efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa ». Miresaka lehilahy anankiray Jehovah eto amin’i Mosesy, dia hoy Izy hoe : « efa notononiko anarana Bezalila ». Tsy fantatra ry havana izay antony nisafidianan’Andriamanitra an’i Bezalila eto amin’ity Eksodosy 31 ity ; fa izao : Andriamanitra nanonona ny anarany. Ianao reny afaka manonona ny anaran’ny zanakao eo anatrehan’i Jesoa. Afaka manonona ianao ny anaran’ny zanakao eo anatrehan’i Jesoa.

Ny dikan’ny anaran’i Bezalila dia hoe : « eo ambany aloka », « à l’ombre de ». Izany hoe « eo ambany aloka » = eo ambany fiarovan’Andriamanitra. Ry havana ô, ry reny malala ô, ranabavy ô : tonony eo anatrehan’i Jesoa ny zanakao mba ho Bezalila, eo ambany alok’i Jesoa. Izany no hafatra ho anao amin’izao fête des mères 2021 izao. Dia ho fenoin’Andriamanitra ny Fanahiny izy, tahaka an’i Bezalila, ho fenoiny fahendrena izy, ho fenoiny fahiratan-tsaina izy.

Mandava-taona ry havana misy resaka momba ny ankizy kilasiana hoe « surdoué », momba ny ankizy kilasiana, na olon-dehibe hoe « HPI : Haut Potentiel Intellectuel ». Ny quotient intellectuel-n’izany hono an, supérieur à 130 ary manakaiky ny 160. Ny quotient intellectuel moyen eo amin’ny 100 eo. Ny azy izany an, supérieur à 130. Ry reny malala ô, ranabavy malala ô : tonony eo anatrehan’i Jehovah ny zanakao dia tena hoe ho « surdoué », ho « Haut Potentiel Intellectuel ». Fa ireo zaza surdoués ireo hono, ireo olona « Haut Potentiel Intellectuel » ireo rehefa manorina tokantrano dia sady manahirana no sahirana : sahirana ny fiaraha-monina ; fa ry Bezalila ry havana ô, tsy mba sahirana izany tamin’ny fiaraha-monina ; ary izy sy ny assistant-ny Oholiaba, izay notendren’i Jehovah, dia tena hoe : izy feno fahendrena, feno fahiratan-tsaina, feno fahalalana ; dia izy no nasaina nandrindra ilay ekipa nanamboatra ny tabernakely ry havana ô. Ary tena niroso tsara, niroso tsara ny fanamboarana an’izany hoe tranolay fihaonana, izany tabernakely izany. Tsy nanana problème-na fiaraha-monina izy.

Izay no firariana ho anao, hoe : tezao ny zanakao hahalala an’i Jehovah, dia ho feno ny Fanahy Masina izy. Ary ianareo zanaka : idongio neninareo, idongio dadanareo hoe : « tezao izahay e, tezao izahay mba ho tahaka an’i Bezalila ».

Izay ny Fahamarinana 1, hoe : TONONY NY ANARAN-JANAKAO, TONONY MANDRAKARIVA EO ANATREHAN’I JEHOVAH.

Ny Fahamarinana 2 dia izao, atolotra anao reny izay hoe ampiorenin’ny Fanahy Masina, dia hoe : AMPIANARO NY ZANAKAO HIRAVORAVO AMIN’NY FANAHY MASINA. AMPIANARO NY ZANAKAO HIRAVORAVO AMIN’NY FANAHY MASINA.

Lioka 10 :21 : « Ary tamin’izany ora izany dia ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe : Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika ; eny, Raiko, fa izany no sitrakao ». Ary tamin’izany ora izany dia ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy. Eto amin’ity and.21 ity, manamarina, mi-expérimenter izany hoe asan’ny Fanahy Masina izany Jesoa. Mi-expérimenter izany hoe vokatry ny Fanahy Masina izany, izany « fruit de l’esprit » izany Jesoa, dia ny fifaliana. Fa tsy fifaliana kely na mandalo ; fa tena hoe : miravoravo amin’ny Fanahy Izy.

Ry reny malala ô, ranabavy malala ô, tena miravoravo amin’ny Fanahy ve ianao io androany maraina sa ianao isan’ilay malahelo fa tsy nahazo cadeau ? Rehefa mihaino vaovao ry havana tamin’ity herinandro ity, dia tena hoe mangiana sy maina mihitsy ny tsena. Hoy ny mpivarotra hoe : tamin’ny herintaona ohatran’izao dia tena misy ihany, misy ihany ; fa tamin’ity tena maina ilay tsena. Ianao ve izany anisan’ilay tsy nahazo cadeau dia malahelo ? Hoy ny Tompo aminao : ao fa ampianariko hiravoravo amin’ny Faanhy ianao.

Ireto mpianatra ireto an, izy 70 lahy, mpianatra, nirahan’i Jesoa, dia tafaverina avy amin’ny iraka izy, dia niverina tamin’ny fifaliana, hoy ny and.17. Niverina izy an, tamin’ny fifaliana. Ary faly izy mitantara amin’i Jesoa hoe : « Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao ». Faly izy fa mandroaka demonia, hita izy, ary spectaculaire izany hoe demonia hoe hitanao miala ao amin’ny olona izany. Dia hoy Jesoa taminy : « Kanefa aza mifaly ianareo fa manaiky anareo ny fanahy ». Jereo tsara an, faly izy izany, ataontsika hoe amin’ilay asany e. Faly izy amin’ny asany. Ianao koa angamba mety hoe mifaly amin’ny asanao ; dia hanao ahoana ianao rahatrizay tsy an’asa : tsy ho faly ianao izany ? Fa miverina eto amin’ireto mpianatra ireto an : mifaly izy satria manaiky azy ny fanahy ratsy. Tsy mifaly izy satria hoe maro ny olona niova fo noho ny toriteniny ; fa faly izy satria hoe voaroaka, voaroaka ny devoly. Tsy izany no essentiel hoy Jesoa e. Ary aza mifaly amin’izany ianareo de toute façon ; aza mifaly amin’izany ianareo. Fa maninona no ampitandreman’i Jesoa ry havana, ireto mpianatra ireto ? Ampitandreman’i Jesoa satria hoe : ianao izany mandroaka demonia ; ary maro ny mpanompon’Andriamanitra tratran’izany : lasa mirehareha ianao amin’izany succès-nao izany, lasa mihevi-tena ho zavatra ianao, dia lasa mifanohitra amin’ilay toetran’ny olona manetry tena, fa miseho azy ho hendry sy manan-tsaina ianao : ka mahavoaka demonia ka ! An an an, mahavoaka demonia ianao hoy Jesoa fa izao : sady tsy manetry tena ianao, tsy midika inona izany ny amin’ny ho avinao mandrakizay. Tsy hoe ianao namoaka demonia dia ho tafiditra any an-danitra. Aza mifaly amin’izany, aza mifaly fa manaiky anao ny demonia, fa mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. Izany hifalianareo e ! Izany hifalianareo. Ary vao nampahatsiahy izany programan’Andriamanitra izany Jesoa tamin’ireto mpianatra ireto, vao nampahatsiahy izany programan’Andriamanitra hoe : hanoratra ny anarantsika any an-danitra no programan’Andriamanitra, dia hoe : niravoravo tamin’ny Fanahy Jesoa.

Ry havana ô, ny olona mahafantatra ny programan’Andriamanitra sy ny antony nanirahan’Andriamanitra an’i Jesoa, sy ny nanirahan’i Jesoa ny Fanahy Masina ; izany ihany no afaka hiravoravo anatin’izao vanim-potoana maizina sy mafy lalovantsika izao : miravoravo amin’ny Fanahy. Ary izany no vavaka, izany no vavaka atao aminao, izany ny vavaka atao aminao : mba ho reny mahafantatra marina ny essentiel, ka reny afaka hiravoravo amin’ny Fanahy n’inon’inona circonstance-piainanao, miravoravo amin’ny Fanahy. Izany no irariana ho anao. Ary ianareo zanaka izay mihaino an’izao, dia teneno dadanareo, teneno neninareo hoe : « neny an, neny an, neny an, neny ô, mba hataovy voasoratra any an-danitra ny anaranay ».

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : tiako hazava ilay resaka dia mety ho hafahafa ilay teny, mety teny tsy mahazatra ety amin’ny pilopitra nefa tonga amin’ny tenin’i Président Ammi izay, hoe : mamelà ahy fa fantatro ny ataoko.NY RENY AMPIORENIN’NY FANAHY MASINA DIA MITAIZA NY ZANANY MBA TSY HO FÔPLA. MITAIZA NY ZANANY MBA TSY HO ZANAKA FÔPLA.

1 Jaona 3 :18-19 : « Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina. Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany ». Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika. Izany no hahafantarantsika fa tsy fôpla isika. Izany no hahafantarantsika fa tsy fôpla isika ary tsy mitaiza ny zanatsika ho zanaka fôpla ry havana ô. Ahoana tsara moa izany ? Satria Alahady voalohany manaraka ny Pentekosta isika izao, dia hoe : nirahan’i Jesoa ry havana ny Fanahy Masina mba hoe hianarantsika izany atao hoe fitiavana izany. Mianatra fitiavana, mianatra ny atao hoe fitiavana izany isika. Ary ny vokatry ny Fanahy Masina dia fitiavana. Fitiavana, fifaliana, fiadanana… Fa fitiavana no resahina eto. Vokatry ny Fanahy Masina izany. Matoa ny olona mitia dia satria ny Fanahy Masina no mamoha azy io. Ary fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina ry havana izany fitiavana izany. Fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra, hoy Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 12 :31. Fanomezana io e. Tsy fahazako mitia io e, tsy herin-tsaiko io e, tsy hatsaran-toetra na hatsaram-po io e : fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra io. Ary rehefa hoe tia ianao, ka fitiavana vokatry ny Fanahy Masina, dia hoe : tsy tia amin’ny lela fotsiny ianao, araka ny tenin’i Jaona eto, fa tia amin’ny asa. Tia amin’ny asa sy amin’ny marina. Tia amin’ny asa sy amin’ny marina.

Inona ary no dikan’izany hoe tia amin’ny asa, tia amin’ny marina ? Ny perikopa manomboka eo amin’ny and.18, fa ny and.16 no ahitana an’izany olona tia amin’ny asa sy ny marina izany, maka tahaka an’i Jesoa. 1 Jaona 3 :16, mampahatsiahy an’ilay Jaona 3 :16 « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao… » ; fa ity hoe 1 Jaona 3 :16 hoe : « Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy ». Isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. Ity ilay fitiavana hoe mahatonga hanolotra ny aina hamonjy ny rahalahy. Ity ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe, ilay fitiavana izay vokatry ny Fanahy : « amour sacrificiel ». Amour, fitiavana mahatonga anao hanao sacrifice ho an’ilay olona tiana. Ary raha misy olona ry havana ô, hitako fa manana an’izany « amour sacrificiel » izany : ianareo reny ; itaizana anay vady, itaizana ny zanakareo. Ianareo no manana an’io « amour sacrificiel » io. Ary mahereza fa hitan’ny Fanahy Masina ny momba anareo ary Izy hampionona sy hampiorina anareo ; fa araka ilay teny teo, hoe : izany ampiorenin’ny Fanahy Masina izany, ilay lazain’i Jaona eto, hoe : tia mivavaka izany. Tia mivavaka izany. Hoy ilay and.19 hoe : « Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, tsy fôpla isika, sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany ». Rehefa inona ianao no eo anatrehany ? Rehefa inona ianao no eo anatrehany ? Rehefa mivavaka. Izany reny ampiorenin’ny Fanahy Masina izany, feno ny Fanahy Masina izany : tarihin’ny Fanahy Masina amin’ny vavaka izany. Ny Fanahy Masina dia Fanahin’ny vavaka. Ny Esprit Saint dia Esprit de prière : mitarika antsika hivavaka Izy e. Izay ny natiorany, izay ny natiorany. Ary rehefa mivavaka ianao dia mampahatoky ny fonao ny Fanahy Masina. Inona moa no dikan’ity, zavatra sarotsarotra hoe : « Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra » ? Mety miteny izao ianao, mety manameloka anao ny fonao : « ah, tena mifona aho Jesoa an » ; tonga manao dinika any amin’ ny mpitondra fivavahana ianao : « tena mifona aho fa mba miezaka ny hitia ihany aho e, miezaka ny handefitra ihany aho e amin’io vadiko io e, miezaka ny hitaiza aho amin’ilay zanako, fa izao sy izao sy izao, izao sy izao sy izao… ». Manameloka anao ny fonao satria tena zandrikelin’i Jesoa ianao. Fa inona no lazain’i Jaona aminao eto, ampaherezana anao ? Hoe : Andriamanitra lehibe noho ny fonao. Hitany ny fonao izay natolotrao ho Azy io hanjakany. Hitany io fonao izay hoe andrarahany ny Fanahy Masina isan’andro io. Miezaka mitia, miezaka manao sacrifice ; fa tsy tanteraka ilay sacrifice-nao. Ary hitan’ny devoly ny échec-nao dia iny no idiran’ny devoly ao aminao. Fa Andriamanitra lehibe noho ny fonao ary mamela ny fahadisoanao rehetra ary mampahery anao.

Mahereza ry havana malala, mahereza ranabavy malala, mahereza ry zoky malala. Mahatsiaro aho eto, dinika tamina mariazy miara-mizotra, olona efa nahazoazo taona izy roa. Dia manomboka an’ilay dinika aho, hoe hanao ilay mariazy miara-mizotra, asa efa 65, mihoatra lavitra noho izany ary ilay olona. Eo anoloako eo amin’ny biraoko eo izy roa, eo anoloako eo amin’ny birao eo izy roa, dia hoy aho hoe : fa maninona hoy aho ianareo vao mankaty mitondra ny mariazinareo eo amin’ny alitara ? Jereko izy roa, tsisy namaly. Dia hoy ilay ramatoa mantsy an’ilay vadiny eo akaikiny : « niandry azy aho ». Ilay rangaha tsy nahateny ry havana ô, latsa-dranomaso ilay rangaha. Izany ilay « amour sacrificiel » ranabavy malala ô. Izany ilay fitiavana vokatry ny Fanahy Masina. Izany ilay fitiavana ampatsiahivana antsika. Ianareo vehivavy no entina am-bavaka androany ; fa ho antsika lehilahy izany : itaizana an’ireo zanaka izay nomen’ny Tompo antsika ireo, mba hoe isika mianakavy hoe : ANKOHONANA SAMY HO TAFIDITRA ANY AN-DANITRA RAHATRIZAY MIALA ETO AMIN’ITY TANY ITY.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amen