ALAHADY 30 AOG 2020

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 21 no iaingantsika. Ao anatin’ny volana andinihantsika ny lohahevitra hoe « Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino » ; Alahady fahadimy androany ry havana andinihintsika an’izany. Ary misaotra ny Tompo ny amin’ny mbola ahazoantsika mandinika an’izany. Efa natao teto ombieny ombieny ny fanamarihana hoe rehefa misy lohahevitra tian’ny Tompo hoe omena lanja manokana, dia omena Alahady 5 ny Fiangonana handinihana an’izany ; ary zavatra tsy mandeha ho azy izany hoe « Mahatoky hatramin’ny fahafatesana » izany e : eo am-bava izany mora kely ry havana ô ; fa firy amintsika no hoe « Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ». Ary tian’ny Tompo isika, izany no mbola anomezany antsika an’izao teny izao amin’izao maraina izao.

Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : « Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino », ny atao hoe « mino » ry havana dia faran’izay tsotra ; ny atao hoe « mino » dia olona vita batisa, ary miray latabatra amin’ny Tompo, mpandray ny fanasan’ny Tompo. Izany no atao hoe « mino ». Inoako fa ny ankamaroantsika dia azo faritana hoe « mino ». Dia misy misionera LMS izay ry havana, Huckett ny anarany ; nanao toriteny izy tamin’ny taona 1916, ary ao amin’io toriteny io, manazava moomba ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo izy, miresaka ahy sy ianao mpandray ny fanasan’ny Tompo izy, dia milaza mazava izy hoe : Tsarovy e, ary saino mandrakariva fa ianao izay mpandray ny fanasan’ny Tompo io dia mifamatidrà amin’i Jesoa. Izay ilay hafatra anio, faran’izay tsotra : TSAROVY RY HAVANA O, FA FATRIDRAN’I JESOA IANAO.

Fantatsika malagasy tsara ny atao hoe fatidrà. Rehefa mijery ny raki-bolana dia hoe fomba atao amin’ny alalan’ny fatitra ; ilay fatitra moa izany hoe karazana incision, izay no maha fatidrà ; fomba atao amin’ny alalan’ny fatitra, dia hifampihinanan’ny olona 2 mba ho mari-pisakaizana mafy, ho mari-pihavanana mafy ary mari-pisakaizana tsy azo ivadihana, fa raha ivadihana dia miteraka ozona. Izany ry havana ô, vaovao mahafaly ambara amintsika amin’izao maraina izao : tsarovy fa ianao mpandray fanasan’ny Tompo e, dia fatidràn’i Jesoa.

Ahoana izany hoe fatidràn’i Jesoa izany ry havana ?

Ny fatidràn’i Jesoa, voalohany dia voalohany indrindra : rehefa fantany ny sitrapon’Andriamanitra, na inona na inona, dia tsy avelany hisy olona hanakana azy hanatanteraka an’izany.       

Ny fatidràn’i Jesoa, rehefa fantany ny sitrapon’Andriamanitra, na inona na inona, dia tsy misy olona avelany hanakana azy hanatanteraka izany. Tsotra be izany ry havana ô, tsotra be izany. Jerentsika ny Asan’ny Apostoly 21 :13-14 : « Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana hianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Tompo. Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon’ ny Tompo no hatao ». Aoka ny sitrapon’ny Tompo no hatao. Eto amin’ity perikopa ity, fantatr’i Paoly tsara amin’io fotoana io fa ny sitrapon’Andriamanitra mazava ho azy, mazava be ho an’i Paoly, ny sitrapony ho an’i Paoly, dia ny hoe : hankany Jerosalema izy. Ary dia misy mpaminany eto, mpamantatra ny ho avy mi-confirme an’izany hoe : ianao ange ry Paoly e, rehefa tonga any ianao dia hoe ho fatoran’ny jiosy e, iray izay, dia ho atolony ny jentilisa ianao e. Vonona aho, hoy Paoly. Dia maro ry havana ireo namany, sakaiza efa tranainy, sakaiza efa ela no mitalaho tamin’i Paoly :an an an, aza mankany e, aza mankany e. Maro ireo namany izay efa hoe niara-nitory filazantsara taminy, nifampihinana ny manta sy ny masaka taminy, miteny hoe : aza mankany re. Non, non, non hoy Paoly : vonona aho ny ho any Jerosalema, ny ho fatorana, ary ny ho faty ihany koa aza. Ry fatidràn’i Jesoa ô, rehefa fantatrao ny sitrapon’Andriamanitra ; aza avela hisy hanakana anao hanatanteraka an’izany sitrapon’Andriamanitra izany ry havana ô. Ary Paoly eto fatidràn’i Jesoa ry havana, Paoly eto manahaka an’i Jesoa ry havana, Jesoa izay lazaina koa amin’ilay filazantsara teo hoe nidina avy any an-danitra, nitafy nofo sy rà, nampianatra, nanao fahagagana maro ; efa zava-dehibe izany ; nandroaka fanahy ratsy ; efa zava-dehibe izany ; fa ny tena nahatongavany dia ny hazo fijaliana. Hatramin’ny farany, nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra hatramin’ny farany Izy, fa tsy hoe nidina avy any an-danitra Izy dia rehefa tonga tety Izy dia hoe : tsy efa ampy ve izay Ray Malala ô, tsy efa ampy ve izay ? Fa ny nahatongavany dia ny hazo fijaliana, ary dia lazain’i Paoly hoe : nanetry tena hatramin’ny fahafatesana Izy. Ry fatindràn’i Jesoa ô, ianao koa e, ianao koa e, aoka izay ny kristiana confortable : kristiana rehefa Alahady, manana andraikitra madinidinika ohatran’izao aty am-piangonana, fa rehefa Alatsinainy ka hatramin’ny Sabotsy jentilisa fiainana, ohatrany manadino an’i Jesoa, ohatrany tsy fatidràn’i Jesoa ry havana ô. Izany no ananarana antsika amin’izao maraina izao. Ary izany teny izany tsy azon’ny olona ry havana ô, tsy azon’ny olona izay tsy tena hoe fatidràn’i Jesoa. Ohatran’i Petra, nisy fotoana Petera nanambaran’i Jesoa ny hoe tsy maintsy ahafatesany, dia « sanatria izany » ; fanahin’ny devoly ry havana ô, fanahin’ny devoly no nampiteny an’i Petera hoe : « sanatria izany ». « Mankanesa ato ivohoko ry Satana » hoy Jesoa ao amin’ny Matio 16. Fa Paoly ry havana, Paoly tsy mba ohatran’izany. Ary ny fatidràn’i Jesoa tsy ohatran’ny olona hafa, satria ny olona hafa tsy azony ampoizina fa hoe handray zavatra avy amin’ny Tompo izy, izy manaiky ny fahafatesana io. Ary dia nolavin’i Paoly hatramin’ny farany ny fitalahoan’ireo namany ry havanaô, nolavin’i Paoly.

Izay ny hafatra voalohany, izay ny Fahamarinana 1: Rehefa fantatrao fatidràn’i Jesoa ny sitrapon’i Jesoa, aza avela hisy olona hanakana anao tsy hanatanteraka an’izany.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao : Raha fantatrao kosa fa misy zavatra tsy tian’i Jesoa dia fadio ny manao an’izany, na mandrisika anao aza ny fianakavianao manontolo, ny sakaizanao rehetra, ny ankohonanao. Rehefa misy zavatra fantatrao fa tsy tian’i Jesoa, dia fadio izany na mandrisika anao aza la terre entière.

Izany ny fisainan’ny fatidràn’i Jesoa izany ry havana ô. Izany ny fisainan’ny fatidràn’i Jesoa. Rehefa fantany ny sitrapon’ny Tompo : ataony, ty misy mahasakana azy ; rehefa fantany hoe tsy tian’ny Tompo ; tsy ataony izany na iza na iza mandrisika. Izany ny fatidràn’i Jesoa izany.

Marina ilay fitenintsika hoe : « mamy ny aina » ; kanefa ho an’ny fatidràn’i Jesoa ry havana ô, dia misy izay mamy noho ny aina e, dia ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Misy izay mamy noho ny aina, dia ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ry havana ô. Aleon’ny fatidràn’i Jesoa ny ho faty toa izay handà an’i Jesosy Tompony ry havana ô, na hivadika ka hampalahelo Azy. Rehefa mijery isika, jerentsika ny Baibolintsika ao amin’ny Joba 2, maro ny kristiana ohatran’ny vadin’i Joba ry havana ô. Jereo tsara aloa, mora ny manenjika ny vadin’i Joba ; fa araka ilay toriteny tamin’ny farany teo, tamin’ny fampianaran’ny Baiboly, ity vadin’i Joba ity, matoa Joba lehilahy marina, matoa Joba tonga amin’izao situation sociale sy professionnelle izao : teo akaikiny teo ny vadiny Ezer/Esther ; fa misy fotoana ny vadin’i Joba tahaka an’i Petera ry havana ô, iasan’ny fanahin’ny devoly ; Joba 2 :9 : « Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an’ Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty ». Tsy tian’i Joba ny hivadika satria azo lazaina koa izy hoe fatidràn’i Jesoa amin’ny finoana ry havana ô. Tsy tian’i Joba ny hivadika. Fa na dia teo aza ny zavatra nambara momba ny vadin’i Joba, azo lazaina hoe kristiana marivo salosana ihany izy. Kristiana na mpino marivo salosana ihany izy. Ary miseho izany anaty fizahan-toetra mihoa-pampana. Mahafoy an’Andriamanitra ary mitarika ny vady aman-janaka hafoy an’Andriamanitra. Teto moa tsisy zanaka intsony, satria efa ripaka ny zanany. Inona ny zavatra nitranga eto ? Tena kivy tanteraka ny vadin’i Joba nahita an’i Joba rakotry ny vay ratsy avy any am-paladia ka hatrany an-tampin-doha ry havana ô. Ary tena ratsy mihitsy ilay aretina satria ireo namany 3 lahy tonga hamangy hampahery azy, nahita azy, marina fa hoe nitazana azy avy eny an-davitra, angamba déformé ny tarehin’i Joba, tsy nahafantatra izy hoe io Joba ry havana ô. Kivy ny vadin’i Joba nahita azy rakotry ny vay ratsy, fa talohan’io, ao amin’ny Joba 1, fantatsika ihany ilay tantara, efa hoe : ripaky ny devoly ny fananan’i Joba ary ringana ny zanany rehetra ; dia izao indray ity misy resaka vay ity, tonga amin’ilay fitenintsika hoe tena trop loatra e, tena trop loatra. Fa hoy Joba, fatidràn’i Jesoa tamin’ny vadiny izay niteny hoe mahafoiza an’Andriamanitra ianao : « Tahaka ny tenin’ ny anankiray amin’ ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa ? ». Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa ? Ianao anaty fizahan-toetra ankehitriny, sambatra ianao raha fatidrà satria marina aminao ny tenin’i Joba hoe « Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa ? ». Ary jereo tsara ny fomban’i Satana ry havana ô, jereo tsara ny fombany : hainy tsara ny manindry eo amin’izay maharary antsika, dia matetika ny vadintsika e. Zavatra 2 no fantatry ny devoly tsara, hoe tsy ho zakan’ny vadin’i Joba ilay attaque faharoa-n’ny devoly ; ny attaque voalohany ao amin’ny Joba 1, attaque faharoa eto amin’ny Joba 2. Fantatry ny devoly fa tsy zakan’ny vadiny izany, ary raha tsy zakan’ny vadiny izay, faharoa, fantatry ny devoly tsara fa io no amporisika an’i Joba hahafoy an’Andriamanitra. « Manao tenin’ny adala ianao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa ? ». Izany ny tenin’ny olona fatidràn’i Jesoa ry havana ô.

Tsy maninona raha adinonao ity toriteny ity, fa ny zavatra tenenina aminao : hatramin’ny fara-fofon’ainao, fantaro fa fatidràn’i Jesoa ianao. Ary mampalahelo, sy lozanao izay kristiana, ianao izay hoe kristiana toa misalotra anarana hoe kristiana fa baikon’ny fanahin’ny devoly ao anatin’ny herinandro ry havana ô. Izany io e, na tianao na tsy tianao : rehefa tsy miaina tahaka ny fatidràn’i Jesoa ianao, ny fanahin’ny devoly no mitondra anao ny Alatsinainy ka hatramin’ny Sabotsy ry havana ô. Meteza e, meteza ho fatidràn’i Jesoa. Ary metza hiteny tahaka an’i Paoly Apostoly hoe : « Aoka ny sitrapon’ny Tompo no atao, na hitarika fahafatesana aza izany ». Ary mitodika amintsika lehilahy :tandremo an, tandremo ny manao ohatran’i Adama : tsy mahafehy ny vadintsika : efa fantatra izao fa izy mpanao ny tsy sitrapon’Andriamanitra, izay tsy tian’Andriamanitra, mitarika antsika ary tsy sahy miteny isika ry havana ô. Ianao rahalay, ianao zoky, ianao ray aman-dreny : mijoroa amin’izay ho fatidràn’i Jesoa e, mijoroa amin’izay ho fatidràn’i Jesoa. Na raikitra aza ny guerre mondiale ao an-trano, mijoro ianao ; iny guerre mondiale iny herinandro ihany iny, avy eo miverina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra.

Izay toe-tsaina-na fatidrà izay ry havana, ary izay ny fahamarinana farany hamaranana an’izao toriteny izao, hita teo amin’ireo maritiora voalohany. 

Tsy lany hamamiana ny mamaky ny tenin’i Pasitera Rabary, ny fitantaran’i Pasitera Rabary an’ireo maritiora ireo : Jereo ny adim-panahy, sao dia heverinareo fa hoe mora izany hoe mifatidrà dia hoe aoka atao ny sitrapon’Andriamanitra, na hitarika fahafatesana aza izany. Nanana adim-panahy ireo. Tantarain’i Pasitera ny adim-panahy an’ireo maritiora ireo taorian’ny 01 Mars 1835, kabary miezinezina tetsy Mahamasina nataon’ny mpanjaka mandrara ny fivavahana kristiana. Dia mitantara Rabary : hoy ilay maritiora anankiray ity mahare an’izany kabary izany: « na ho inona na ho inona, na ho tetehina toy ny bala aza aho, tsy hivadika amin’Andriamanitr amihitsy aho ». Izany no tao am-pon’ity maritiora ity nandre an’ilay kabary : « na misy inona na misy inona ». Izy nanatrika ; tonga ao an-tranoizy, ao amin’ny zanany kely ; manatona azy mivady ilay zanany kely izay mitady ho sakambininy miampify, ny anankiray babena, miteny madama amin’ilay rangahy : « dia hanao ahoana ireto zanatsika ireto » ; asa, tsy namaly ilay lehilahy ; fa nahare ny resak’izy mivady hoe : « isika dia hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra hatramin’ny fahafatesana, lalana idirana any an-danitra », dia hoy ny anankiray tamin’ireo zanany : « izaho koa dada sy neny an, izahay koa dada sy neny an, hanaraka anareo any amin’izay alehanareo ». Sambatra ianao raha izany no itezanao ny zanakao e. Sao dia ianao aty am-piangonana, ny zanakao jentilisa ? Na ny zanakao fatidrà fa ianao indray no jentilisa ? Sambatra ianao rhaa hoe noho ny fahafatesana dia iray Paradisa ry havana ô.

Nisy adim-panahy tao. Miverina amin’i Rasalama izao noresahina teto ry havana ô : tena hoe tao aminy izany hoe toe-po, toe-panahin’ny fatidrà izany. Nogadraina izy, 8, 10 andro, tantarain’i Pasitera Rabary : nandritra ani’zany 8 na 10 andro izany dia nolevilevena izy mba hoe hiampanga namana, hoe lazao daholo hoe iza ny mpivavaka namanao, nefa tsy azo ; nahajoro tsara izy sadi nionona tsara ; nanoratra matetika tamin’i Mme Jones izy hoe : « aza manana ahiahy ny amiko, vonona aho ho faty noho ny fitiavana an’i Jesoa raha izany no sitrapon'Andriamanitra ». « Vonona aho ho faty noho ny fitiavana an’i Jesoa raha izany no sitrapon’Andriamanitra ». Tsy voalaza fa ato amin’ny Asan’ny Apostoly 21, « vonona aho ny ho atolotra ary ny ho faty aza raha izany no voninahitry ny Tompo ». Azonao an-tsaina ve, mba miserana ao an’eritreritrao ve : raha maty ho an’ny Tompo ianao e, fankalazana ny voninahiny izany e : vonona amin’izany ve ianao ry havana ô ? Izany ry havana ny toe-po, ny toe-tsain’ny fatidràn’i Jesoa, ary izaho sy ianao izany. Izaho sy ianao izany resahina izany.

Nony maty Rasalama, misy maritiora anankiray izay koa malaza be, mbola ho avy ny fotoana iresahantsika azy, avy eo Anjanahary eo : Rafaralahy Andriamazoto. Sambatra I Anjahanary maritiora manana chorale hoe Rafaralahy Andriamazoto. Enga anie ka ho tezain’i Pasitera amin’izany hoe toe-po, toe-panahin’ny maritiora fatidràn’i Jesoa izany ireo chorale ao aminy ireo. Fa nony maty Rasalama, Rafaralahy Andriamazoto izay nanatrika ny fandefonana azy, nony alina hoy Pasitera Rabary ny andro, ao anaty-na atmosphère-na fanenjehana izao an ; nony alina hoy Pasitera Rabary, nony alina ny andro, dia niverina tany Ambohipotsy indray izy nanangona ny taolan’i Rasalama sisa tsy lanin’ny amboa ; nofonosiny lamba mena ireo ka naleviny tao am-pasan-drazana. Izany ny toe-po e, izany ny toe-po ry havana ô, toe-pon’ny fatidràn’i Jesoa. Ity Rafaralahy Andriamazoto ity, herintaona taorian’ny nandefonana an’i Rasalama dia mba nolefonina koa ry havana, dia maty. Ny vokatr’izany : ny mamany nitondra fahoriana noho ny nandefonana azy : antitra tonga very saina noho ny alahelony ny zanany ka maty nivadika atidoha. Ary ny vadin’i Rafaralahy Andriamazoto, vady tanora kely, nampijaliana mafy, saika novonoina aza rhaa tsy bevohoka.

Ry havana ô, ry havana ô, izany ny programan’ny Tompo ho ahy sy ho anao : ny hanaiky ho fatidrà.

Ary ny zavatra mampihetsi-po tantarain’i Pasitera Rabary ihany koa : ireo maritiora ireo, alohan’ny hamonoana azy, dia nogadraina tany an-tranon’ny manamboninahitra, nalefa ho andevon’ny manamboninahitra, nogadraina tany, ary maro ny olona izay niambina azy ry havana ô, nahita ny toetrany, vonona hiatrika fahafatesana, dia nahita ny toetran’ireo, dia niova fo ka nikambana finoana taminy. Rehefa mahita anao ny mpiara-belona aminao, ny mpiara-miasa aminao, ny mpiara-mianatra aminao, dia miteny ve izy hoe : « oay, izaho koa handeha hiova fo, handeha hanaraka ny Andriamanitr’i ra-anona, na ny Andriamanitr’i ra-anona » ?                       

Ary ireo rehetra rehetra ireo ry havana ô, dia nahafantatra fa hoe tena hoe mamy noho ny aina izany manao ny sitrapon’Andriamanitra izany na dia hitondrana fahafatesana aza izany, satria ao ambadiky ny fahafatesana dia misy zavatra sarobidy lavitra noho izao aintsika ety an-tany izao, dia ny fiainana mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra any am-paradisany.

Ny hira-na 9 mianadahy mbola nolefonina teny Ambohipotsy teny koa, hoe : « raha ho faty izahay, ka handao ity tany ity, dia ampifalio izahay, ento ho any an-danitra ; dia ho faly izahay mandrakizay ». Nahare an’izany hira izany ilay miaramila handefona dia vahotra ; vahotra nandre ilay vavaka, nandre ilay hira : handefona izy : tsy sahy : natahotra an’Andriamanitra ; tsy handefona izy an : tsy sahy : natahotra ny mpanjaka. Farany : nandefona ihany.

Mitodika amin’ny fatidràn’i Jesoa isika izao ry havana, mitodika amin’ny faridràn’i Jesoa isika izao : Meteza ho fatidrà e ! Ny fatidrà maritiora voalohany dia Stefana, ato amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ity. Stefana notoraham-bato ho faty ry havana ô, notoraham-bato ho faty. Dia rehefa akaikin’ny ho faty izy, satria notorahan’ny jiosy vato ho faty, dia hitany ny lanitra nisokatra ry havana, hitany ny lanitra nisokatra, Asan’ny Apostoly 7 ; ary io lanitra misokatra io, dia hoe : hitako hoy izy Jesoa nitsangana. Isak’Alahady isika manambara hoe : « Nitsangana tamin’ny maty Jesoa, niakatra any an-danitra ary mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ». Nitsangana Izy, nitsangana Izy ry havana ô, dia hoy ny mpitoriteny, toriteny mamy : « isaky ny misy fatidràn’i Jesoa ao ambavahoan’ny fahafatesana, dia mitsangana Jesoa any an-danitra manokatra ny tanany handray azy ». Ary ny tenin’i Stefana farany, tahaka ny tenin’ireo maritiora fatidràn’i Jesoa : « Raiso ny fanahiko ».

Enga anie ry havana ô, ho izany ny tenintsika farany rehefa tonga izay minitra ialantsika eto amin’ity tany ity, hoe : « Jesosy an, Jesosy an, inty ilay fatidrà kelinao : raiso ny fanahiko ». Amena