Matio 26, tantara fanta-daza, tantaran’ilay vehivavy anankiray izay manosotra ny lohan’i Jesoa amin’ny menaka manitra. Azo adika tsotra izao izany hoe ranomanitra. Dia azo lazaina hoe ny resaka ato amin’ity toriteny ity dia RESAKA RANOMANITRA.
RESAKA RANOMANITRA
Ary rehefa miteny isika hoe : resaka ranomanitra, fantatra fa ny maro amintsika dia tia manao ranomanitra. Dia ny firariana ho antsika ry havana, rehefa mihosotra ranomanitra isika manomboka izao dia ahatsiaro an’ity toriteny izay miresaka ranomanitra ity.
Matio 26 :6-7 :« Ary nony tany Betania Jesoa, tao an-tranon'i Simona boka, dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy ».
Ilay tantara, tao amin’ny trano-na lehilahy antsoina hoe Simona boka. Izay ry havana ny fahamarinana 1 ho antsika zanak’Andriamanitra :
Fahamarinana 1 : MANOMBOKA IZAO, REHEFA MIHOSOTRA RANOMANITRA IANAO, TSAROVY NY LAVAKA NIHADIANA ANAO
Mampieritreritra ry havana ny fiantsoana an’ity lehilahy hoe Simona, Simona boka. Mandray vahiny izy ; ny dikan’izany : efa tsy boka intsony izy. Izany boka izany, voarara aminy ny hoe hifanerasera amin’ny olona, na eny an-dalam-be izany ; maika koa handray olona ao an-tranony. Fa izy, mandray an’i Jesoa sy namana hafa, dia lazaina hoe : Simona boka ry havana ô. Sitrana izy, nefa ny ahatsiarovana azy : ny habokany, dia hoe : Simona boka.
Tena zava-doza ry havana, tena sarotra ialàna ny laza ratsy. Fa izao no zava-dehibe : ny efa nahafahanao tamin’izany laza ratsy izany, tamin’izany fahabokana izany. Ny zava-dehibe dia ny efa hoe nanafahana anao tamin’izany ati-lavaka nihadiana anao izany. Efa afaka tamin’ny ati-lavaka nisy anao ve ianao ry havana ô ? Tsarovy izany, isaky ny mihosotra ranomanitra ianao e ! Tsarovy ny ati-lavaka nihadiana anao – Tsarovy ny ati-lavaka nihadiana anao.
Simona, ny ati-lavaka nihadiana azy, dia ny habokana. Fa misy ohatra hafa ry havana izay ahitana an’izany hoe ati-lavaka nihadiana azy izany. Ao amin’ny Testamenta Taloha, Rahaba dia janga. Fa raikitra ilay laza ratsy hoe Rahaba janga, izany no voarakitra ao amin’ny Baiboly, izany ny ati-lavaka nihadiana an’i Rahaba, izany fijangajangana izany. Ny zava-dehibe, na eo aza ilay anarana ratsy, dia efa afaka avy amin’izany ati-lavaka nihadiana azy izany izy. Ary ianao, ianao ry havana : efa afaka amin’izany ati-lavaka nihadiana anao izany ve ianao ?
Matio : mpamory hetra, mpianatr’i Jesoa. Matio : nanoratra an’ity filazantsara araka an’i Matio ity ; raikitra mandrakizay ny anarana hoe Matio mpamory hetra. Loza, loza ilay laza ratsy ry havana. Fa izany ny ati-lavaka nihadiana an’i Matio : fitiavam-bola. Ary io tsy misy hoe fitiavam-bola tafahoatra, rehefa tia vola dia tia vola e, izay. Ary maro no mbola any anaty ati-lavaky ny fitiavam-bola matoa tonga amintsika izao teny izao ry havana ô. Kristiana, diakona, araka ny louange teo, mpiandry, Pasitera, any anaty lavaky ny fitiavam-bola. Izany ve ianao ry havana ô ?
Maria, Maria Magdalena, ilay vehivavy, izany no ahatsiarovana azy, Maria Magdalena dia nandrohahin’i Jesoa demonia fito. Izany ny ati-lavaka nihadiana azy e. Fa ny zava-dehibe, dia afaka amin’izany demonia fito izany izy, afaka amin’izany fanandevozan’ny fanahy ratsy izany izy ; tsy manao ohatran’ny ray aman-dreny be ato amin’ity fitandremana ity hoe : « Pasitera ô, izaho tsy mino ny asan’ny devoly sy ny asan’ny fanahy maloto izany ». Afaka izy ry havana ô. Mbola eo ilay laza ratsy, fa fahininy izany, lasany izany, passé-ny izany.
Ry hava-malala ô, manomboka anio ianao, rehefa manosotra ranomanitra, n’inon’inona qualité an’ilay ranomanitra, tsy any ny problema, fa hoe : tsaroanao ve ny ati-lavaka nihadiana anao ka manetry tena ianao ? Ny olona manetry tena ihany ry havana ô, satria mahatsiaro ny ati-lavaka nihadiana azy ; izay ihany no olona manetry tena, ary izay ihany no olona afaka manompo ny Tompo amin’ny fahamasinana. Izany ve ianao ? Izany ve ianao ? Tsarovy re ny ati-lavaka nihadiana anao, na eo aza ny laza ratsinao ; possible hoe ratsy laza ianao ; fa mitenena hoe : « Misaotra Tompo ô, izaho mihitsy izany, fa efa afaka amin’izany aho. Ary ny fahatsiarovako an’izany, ny fahafantaran’ny hafa an’izany ati-lavaka izany, manetry tena aho mandrakizay ».
Mifalia ianao, misaora ny Tompo e ny amin’izany hoe ati-lavaka nihadiany anao izany. Ary fantatrao tsara koa, fa na ny mpiara-mivavaka aminao, na ny mpiara-manompo aminao, mbola misy ao anatin’izany ati-lavaka izany : aza manenjika azy, aza mifosa azy, manetre tena dia ento eo amin’ny Tompo izy. Mivavaha hoe : « Tompo ô, tahaka ny nihadianao ahy tamin’ny ati-lavaka izay nisy ahy, entiko aminao io rahalahy io, entiko aminao io anabaviko io : afaho izy, afaho izy ». Izany no fanompoana ny Tompo amin’ny fahamasinana ry havana ô.
Manomboka izao ary, isika izay mihosotra ranomanitra, ny hafa koa, dia mahatsiaro ny lavaka izay nihadiana antsika.
Matio 26 :8-10 : « Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe:
Inona no anton'izao fandaniam-poana izao? Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo. Ary fantatr'i Jesoa izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko ».
Asa soa no nataony tamiko.
Fahamarinana 2 : MANOMBOKA ANIO, REHEFA MIHOSOTRA RANOMANITRA IANAO DIA MANONTANIA TENA HOE : IZAHO MIHOSOTRA RANOMANITRA ITY VE MBA MANAO ASA SOA HO AN’I JESOA ?
Izaho mihosotra ranomanitra amin’ny tenako ity ve mba manao asa soa amin’i Jesoa ? Ny olona izay manao asa soa ho an’i Jesoa ry havana ô, no afaka manompo Azy amin’ny fahamasinana, fa tsy manompo Azy tahaka an’i Jodasy. Ary maro no manompo tahaka an’i Jodasy : manompo, miezaka, mandany vola aman-karena, fa manompo tahaka an’i Jodasy, satria tsy mba mahalala manao asa soa ho an’i Jesoa ; manao asa soa ho an’i Jesoa.
Nahoana no kilasian’i Jesoa hoe asa soa ho Azy ity ilay hoe fanosorana ranomanitra amin’ny lohany ity ? Eny e, voalaza fa hoe sarobidy indrindra ilay ranomanitra. Fa tsy izany loatra ry havana ô no mahatonga an’ i Jesoa hiteny hoe nanao asa soa tamiko izy. Ny ilazan’i Jesoa hoe nanao asa soa taminy ity vehivavy ity, dia satria lazainy mazava fa vehivavy mahafantatra fa ho faty Jesoa ry havana ô. Fomban’ny jiosy, araka ny ampatsiahivina ombieny ombieny ny hoe manosotra menaka manitra ny olona, ny mpino maty. Zava-dehibe teo amin’ny jiosy ny asa fiantrana, fiantrana ny mahantra ; fa mbola ambonin’izany ny fanosorana menaka manitra ny olona maty. Ary izay no ankalazain’i Jesoa hoe manao asa soa izy, satria fantatr’ity vehivavy ity fa ho faty Jesoa. Ry havana ô, ry havana ô, misaotra ny Tompo isika e, ny amin’ny fitiavany antsika e, ny amin’ny fahari-pony amintsika e, la ampatsiahivany antsika amin’izao maraina izao e, fa amin’ny maha-Jesoa Azy, dia Jesoa maty teo amin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty. Rehefa tsy mino ianao hoe Jesoa nitsangana tamin’ny maty, dia ohatran’ny silamo mahafantatra an’i Jesoa ianao : ny silamo tsy mino ny fahafatesany sy ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ; tsy misy mampiavaka anao amin’ny silamo ry havana ô. Tsy misy mampiavaka anao amin’ny hindouiste ry havana : ny hindouiste koa dia mahafantatra an’i Jesoa fa tsy mino hoe maty ary nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Maro ny olona ohatran’izany ry havana ô, tsy mino izy fa maty ary nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ; ka n’inon’inona ataony, tsy manompo amin’ny fahamasinana izy eo imason’Andriamanitra ; n’inon’inona ataony, tsy manao asa soa ho an’i Jesoa izy ry havana ô. Maty antoka ianao, maty antoka ianao. Malazalaza kely angamba ianao ao am-piangonana ; fa maty antoka ianao, ary maty antoka mandrakizay ianao ry havana ô. Ary izany anie no nahazo an’ireto mpianatra ireto e, izany no nahazo an’ireto mpianatra ireto. Izy niteny hoe fandaniam-poana dia tena hoe fandaniam-poana mihitsy izany ho an’ny olona tsy mahafantatra fa tokony ho faty Jesoa ry havana ô ; fandaniam-poana. In-telo Jesoa no milaza ny amin’ny tsy maintsy ahafatesany : in-telo. Fa na dia nampilaza in-telo aza Izy, tsy nety takatry ny sain’ny mpianatra hoe Izy tsy maintsy ho faty, ho vonoina ho faty izany. Tsy zakan’ny lohany izany. Ary i Petera, izay nanao fanekem-pinoana fatratra teo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina, niteny tamin’i Jesoa hoe : Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra. « Sambatra ianao Petera fa ny Fanahy no niteny anao izany » ; minitra vitsivitsy avy eo, rehefa notenenin’i Jesoa hoe : « tsy maintsy ho faty Aho ». « Sanatria izany ». Idiran’ny devoly i Petera, tsy manaiky izany fahafatesana izany. Ary tantarain’ny Testamenta Vaovao ry havana ô, eny an-dalana, mampianatra Jesoa hoe tsy maintsy ho vonoina ny Zanak’olona, tena hoe malahelo izy, attristé izy, nefa tsy sahy manontany hoe « fa maninona moa no tsy maintsy ho vonoina ianao e ? ». Zavatra tsy haintsika mpino ny mino an’izany hoe Jesoa vonoina izany ; hany ka rehefa mahafoy ho an’i Jesoa ianao, dia fandaniam-poana izany. Fa izay ilay hoe miteniteny foana ireto mpianatra ireto talohan’ny nahitany ny fahafatesan’i Jesoa, ary talohan’ny nandraisany ny Fanahy Masina sy ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.
Ry mpino malala ô, ry mpino malala ô, sao dia ianao no tsy mahafantata an’i Jesoa ho maty io ? Sao dia ianao no tsy mahafantatra an’i Jesoa ho maty io ? Satria tsy mifaka amin’ny Soratra Masina ny finoanao, dia ilay finoana manao ho centre-ny filazantsara ny fahafatesan’i Jesoa sy ny fitsanganany amin’ny maty ary ny Fanahy Masina no mitarika anao ho amin’ny marina rehetra amin’izany, mba hanaovanao asa soa ho an’i Jesoa maty ho anao ; ary hoe, na mpino namanao aza, ny mpivavaka namanao aza, rehefa mahita ny chèque ataonao aty am-piangonana, dia hoe : fandaniam-poana izany.
Fa inona ry havana no nitranga ? Inona no nitranga nony hoe maty Jesoa, nitsangana tamin’ny maty Jesoa dia naniraka ny Faanhy Masina avy any an-danitra ? Tena niova, transformés ireto mpianatra izay nisalasala, tsy nahatakatra izany hoe maha-zava-dehibe sy fototry ny filazantsara ny fahafatesan’i Jesoa sy ny fitsanganany tamin’ny maty izany.
Topazantsika maso vetivety ry havana ny hoe niafaran’ireo mpianatr’i Jesoa ireo, izay tsy nahatakatra ny maha-zava-dehibe ny tokony ahafatesany, izay nandà ohatran’i Petera aza. Andao anie jerentsika ao amin’ny Matio 10 :2-4 : « Ary izao no anaran’ ny Apostoly roa ambin’ ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny; Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy ». Ireo ny lisitr’izy 12 lahy, ao ihany koa i Jodasy Iskariota, ilay namadika ary maty nanato-tena.
- Petera, voalohany am-pilazana, ilay niteny tamin’i Jesoa hoe : « sanatria ». Ny nahafatesan’i Petera ry havana: nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ary nangataka i Petera : « hombohy eo amin’ny hazo fijaliana aho ary ataovy ambany ny lohako, ny tongotro any ambony fa tsy mendrika aho ». Izany i Petera. Izany ny olona mahafantatra ny hazo fijaliana.
- Andrea, dia maty nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ihany koa. Ary dia rehefa hoe nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana izy, 2 andro alohan’ny nanombohona azy teo amin’ny hazo fijaliana, nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy maty ary nitsangana tamin’ny maty ; ary tamin’ny minitra nanombohona azy teo amin’ny hazo fijaliana, dia hoy izy hoe : « efa niomanako izao, ary io hazo fijaliana izay hanomboanareo ahy io, hoy izy, efa nohamasinin’i Jesoa ho ahy io, hoy izy, hitomboako amin’ny fanahafana Azy ». Izany Petera, izany Andrea.
- Jakoba zanak’i Zebedio, notapahina, novonoina tamin’ny sabatra, notapahina tao Jerosalema ry havana
- Jaona, zanak’i Zebedio, izy indray no maty tao anatin’ny fahanterana. Fa izy natao sesi-tany tany Patmo ary dia tany izy no nanoratra ny bokin’ny Apokalypsy ; ny niafarany : tao anatin’izany fahanterany izany, naroboka tao anaty rano mangotraka miboiboika. Izany no nahafatesan’i Jaona maritiora ry havana ô.
- Filipo, rehefa avy nitoriteny tany Asie mineure, notoraham-bato, avy eo nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ry havana ô.
- Bartolomeo, izy indray dia hoe nokapohina, nokapohina, nokapohina, nohongotana tsikelikely ny hodiny rehetra amin’ny tenany : écorché vif ; ary rehefa hoe nohongotana ohatran’izany ny hodiny ry havana ô, dia nohomboana izy ; ary rehefa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana izy, notapahina ny lohany
- Etc… Ho avoaka amin’ny gazety angamba ny nahafatesan’ireo mpianatr’i Jesoa ireo ry havana ô, une fois izy nahafantatra ny maha-zava-dehibe ny nahafaty an’i Jesoa, sy ny nitsanganany tamin’ny maty ry havana ô.
Ary dia ianao koa, ianao, raha mahafantatra fa hoe ilay Tompo tompoinao dia maty teo amin’ny hazo fijaliana, izay zavatra ataonao ho azy dia asa soa.
Andeha anie sokafantsika ny fihirana FFPM 109 :1, ary sainintsika tsara :
Nahafoy ny aiko Aho
Hanavotako anao.
Ka nalatsako ny rako,
Nisoloako anao.
He! ny aiko no nomeko
Ry mpanota very e!
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?
Izany io Jesoa io ry havana ô, mba tsy hoe hira mampihetsi-po fotsiny, sy tononkira mampihetsi-po fotsiny, fa mitaky fanoloran-tena, fanapahan-kevitra sy fanoloran-tena : « Aiza izay afoinao re mba ho Ahy Tomponao ? ». Misy andininy 4 ireo, ary ny andininy 3 dia miafara amin’ny hoe : « Aiza izay afoinao re mba ho Ahy Tomponao ? ». Andeha anie jerentsika ny andininy faha-4 e :
Indro Tompo! Fa omeko
Ho Anao ny tenako,
Ka tsy misy izay tsy foiko
‘zay rehetra tianao;
Izay : omeko ny tenako ; tsy misy izay tsy foiko izay rehetra tianao. Marina aminao ve izany ? Marina aminao ve izany ry havana ô ? Izany ny olona manao asa soa e, izany ny olona manompo amin’ny fahamasinana e ! Olona miteny amin’ny fony : « omeko Anao ny tenako, ary izay rehetra tianao, hitanao eo amiko, inty, inty, omeko anao ». Tsarovy izany isaky ny mihosotra ranomanitra ianao manomboka izao ry havana ô : izaho ity ve mba manao asa soa ho an’ilay Jesoa maty ho ahy, ka ity tenako ity, ity tenako ity atolotro Azy mba ho hanitra ankasitrahana, ho hanitra manim-pofona, na tsy manana ranomanitra aza aho ahosotra amin’ny tenany ?
Izay ny fahamarinana 2 : MBA MANAO ASA SOA HO AN’I JESOA VE IANAO ?
Matio 26 :13 : « Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy ».
Holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
Izao no azo ilazana ilay fahamarinana 3 ry havana :
Fahamarinana 3 : IANAO IZAY MAHATSIARO MANDRAKARIVA NY ANATY LAVAKA IZAY NIHADIANA ANAO, KA MANAO ASA SOA AMIN’I JESOA MATY NISOLO HELOKA ANAO, ARY ANONTANIAN’ I JESOA HOE AIZA IZAY AFOINAO HO AHY : VALIO IZY HOE « AFOIKO NY SAMPIKO »
Afoiko ny sampiko – Afoiko ny sampiko.
Afoizo e, ny sampinao ry havana ô, afoizo ny sampinao.
Andeha anie jerentsika ny Ezekiela ; tena hoe tenenin’ny Tompo mafy ny Zanak’ Isiraely eto ; fa ny teny ho an’ny Zanak’Isiraely, ho antsika kristiana malagasy amin’izao faha-29 Septambra 2019 izao. Ezekiela 20 :30 ; 31b : « Koa ataovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon’ ny razanareo va hianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va ? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’ Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho». Manontany anao ny Tompo : « inona no afoinao ho Ahy ? » ; teneno Izy hoe : « Manomboka anio Tompo ô, afoiko noho Ianao ny sampiko ».
Ny sampy, ny sampy ry havana ô, mandoto. Mandoto tena. Ianao manompo sampy io, mandoto tena. N’inon’inona sampy ry havana ô, na vato izany, na rano izany, na masoandro izany, na volana izany, na olona izany, na biby izany, mandoto tena ianao. Rehefa tsy afoinao ny sampinao, dia mandoto tena ianao, dia lohahevitra eny amin’ny fafana fotsiny izany hoe : « Manompoa an’i Jehovah amin’ny fahamasinana ». Na tsy nianatra Baiboly ary dia mahafantatra hoe anisan’ny hevitry ny fahamasinana dia mifanohitra amin’ny fahalotoana. Ity ilay firenena masina ho an’i Jehovah, mbola mandoto tena amin’ny sampy. Mandoto tena hoy Ezekiela, mandoto tena amin’ny fanaon-drazana mandoto tena amin’ny fanaon-drazana.
Ontsa ny fonao ry havana ô, vaky ny fonao, ankoatra an’izay fahasorenana noho ny embouteillage ; nandeha namangy manjo tery Ambatobe tery izahay omaly. Amin’ny 12h30 izahay tonga eo amin’ny rond point-ny Lycée Français eo, handeha hiakatra ho any Analamahitsy, dia eo anoloana eo, feno fasana aloa e : teny nihitsoka ry havana ô. Atao hoe tamin’ny 12h30 izay tamin’ny 13h30 izahay tery amin’ny fiviliana ho any Analamahitsy ery ! Satria naninona ? Nisy famadihana tao. Dia nisy fasana voalohany nolalovanay, nisy famadihana tao ; nisy fasana faharoa nolalovanay, isy famadihana koa tetsy ; dia ny famadihana farany, tery. Normal moa izany ka : nandalo mpanandro izy, ary probablement mitovy ny mpanandro nandehanany, dia niteny izy hoe amin’io 28 io. Teo daholo izy mianakavy, ary araka ny resaka dia hoe : « ao, ao ry zareo Ambatomainty ». Mampalahelo ilay olona mihaingo, mandany vola aman-karena amin’ny famadihana. Ary hanaovana présence hoe amin’io famadihana io, sao dia ny fianakavian’i ra-anona, na ny zanak’i ra-anona no tsy tonga.
Sampy, sampy ry havana ny fanompoana razana an. Mandoto tena ianao e ! Ary ato mbola misy manompo sampy mamadika ry havana ô. Misy ato amin’ity fitandremana ity, ary tenenin’ny Tompo mafy ianao : « Raha fantatrao fa hoe maty ho anao Aho, aza mandoto tena amin’izany ». Afoizo io fanompoan-tsampy io e, afoizo io fankanesana any amin’ny mpisikidy io e, afoizo ny fivavahana amin’ny razana sy ny fangatahana fitahiana, fangatahana fiarovana amin’ny razana ; hitondra anao any amin’ny helo izany. Tsarovy izany rehefa manosotra ranomanitra ianao. Ary izaho tsy hifandahatra aminao, fa mahafinaritra ny tenin’ny mpitoriteny, tsy hoe tenin’i Pasteur Solofo, fa tenin’ny mpitoriteny anankiray hoe : « rehefa mamadika ianao, dia mamadika an’i Jesoa ry havana ô ». Rehefa mamadika ianao dia mamadika an’i Jesoa : olona ohatran’izao ihany ve dia hamadika an’i Jesoa ? Avelao ny fitondran-tena adala sy ny fomba fanao nentin-drazana : mandoto ary hitondra anao any amin’ny helo. Ka asakasakao, asakasakao raha mbola hiziriziry amin’izany ianao. Fa isaky ny mamadika ianao, dia mamadika an’i Jesoa.
Iza yilay tenin’ny Tompo amintsika amin’izao maraina izao : tsy kilalao, tsy vazivazy, tsy fanambatambazana, fa na dia tenim-pitiavana az, dia teny faran’izay hentitra : AFOIZO NY SAMPINAO RY HAVANA O ! AFOIZO NY SAMPINAO.
Ary araka ny tenin’i Paoly any amin’ny 2 Timoty 2 :2, satria aty am-parany isika izao, dia nanafatra an’i Timoty izy hoe : any am-parany any hoy izy, dia hisy andro mahory, satria ny olona ho tia tena, ho tia vola. Ny sampy ry havana no zavatra tiana an ! Ny sampy no iraketan’ny fonao. Isika rehetra plus ou moins mpanompo sampy daholo, satria tia tena : « ny ahy, ny fahafinaretako, ny tombon-tsoako » ; hatraty am-piangonana izany ; « ny image-ko sy ny karazany, ny lazako, ny voninahitro ». Mandoto anao, mandoto antsika ny fitiavan-tena ; ary tsy hahasoa io sampin’ny vola izay tompointsika, sy imatimatesantsika io ry havana ô. Afoizo izany e ! Afoizo izany anio hoy ny Tompo.
Izao, izao anie no nolazainy tamin’i Ezekiela : izany, izany no ataonareo ; Izaho anie rehefa hanontanianareo, izaho rehefa hanontanianareo dia tsy hety hanontanianareo an ! Hanontanianareo hoe : mivavaka : ahoana ny sitraponao ry Tompo ny amin’izao, ahoana ny hevitrao ny amin’ity fizahan-toetra ity ; hanontanianareo Aho fa izaho tsy mety hamaly anareo an ! Hanontanio ny sampinareo. Tsy niteny an’izany aloa Jehovah e ! Fa izany : tsy hety hanontanianao Jehovah.
Ianao izao : mpandray ny fanasan’ny Tompo, Mpiandry, sy ny tahak’izany : nomena teny fikasana tsara be, fa hoe ianao nandray ilay fanjakana tsy azo hampirohoroina ; izany hoe n’inon’inona manodidina anao, n’inon’inona fahoriana, n’inon’inona fizahan-toetra, n’inon’inona sedra, tsy mihorohoro ianao ; ary matoa ianao mihorohoro, dia misy solution hoe : iny occasion hihorohoroanao iny, iny fotoana hihorohoroanao iny, dia antsoy ilay Mpanjaka izay namome anao ilay fanjakana hoe tsy mety mihorohoro io, ary tsy azo hampirohoroina. Izaho tsy hety hanontanianareo, Izaho tsy hety hanontanianareo.
Tia antsika ry havana ny Tompo, tia antsika Izy ; ary ny zanaka tiana no anarina sy faizina. Aza miandry faizina e, aza miandry faizina e, vao hanala ny sampinao ry havana ô.
Izay no hafatra ho antsika teto tamin’izao maraina izao: RESAKA RANOMANITRA. Tsarovy ry havana ô, isaky ny mihosotra ranomanitra ianao, tsarovy ny ati-lavaka izy nihadiana anao, iray izay. Isaky ny mihosotra ranomanitra ianao, manontania tena hoe : ary izaho ity ve mba efa manao asa soa ho an’ilay Jesoa maty teo amin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana ahy ? Ary fahatelo farany, izaho mihosotra ranomanitra ity ve, sao dia maloto sy maimbo ny fiainako sy ny fanompoako eo anatrehan’i Jesoa satria mbola miampy fanompoan-tsampy ?
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena