ALAHADY 29 AOG 2021

Hebreo 10 :22 : « Dia aoka isika hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be avy amin’ ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ ny rano madio ».

AOKA ISIKA HANATONA. Hanatona ny inona ry havana ? HANATONA NY FITOERANA MASINA INDRINDRA. Izay mantsy ny ery amin’ny and.19. izay tsy novakiana intsony, hoe : AOKA ISIKA FIANGONANA HANATONA NY FITOERANA MASINA INDRINDRA. Isika rehetra ry havana no afarana amin’izany.

Ity Epistily ho an’ny Hebreo ity an, dia araka izany anarana izany, hoe : nosoratana ho an’ireo Hebreo firazanana, Hebreo finoana, jiosy niova fo. Dia toroina izy, ampahafantarina izy araka ilay titre hoe : amporisihana izy mba tsy hihamalaina, mba tsy hihemotra. Ary ny teny atao amin’ireto Hebreo ireto ry havana, dia teny, mazava ho azy fa atao amintsika mpino kristiana. Tenenina isika amin’izao maraina izao, hoe : AOKA ISIKA MIANAKAVY  IRETO HANATONA NY FITOERANA MASINA INDRINDRA. Fa rehefa tsy hanatona ny fitoerana masina indrindra ianao, dia tsy maintsy hihemotra ho any amin’ny fiahanahana, any amin’ny incrédulité. Tsy maintsy ho tratry ny fahakamoana ara-panahy ianao rehefa tsy hanatona ry havana ô, tsy maintsy ho tratry ny fahalainana ara-panahy ianao ; ary ny vokatr’izany dia hoe fialàna tsotra izao amin’ilay Andriamanitra velona.

Mazava, mazava ny hafatra ho antsika, hoe : AOKA ISIKA HANATONA NY FITOERANA MASINA INDRINDRA. Aza mijanona eo amin’ny kianjan’ny tempoly. Aza mijanona eo amin’ny kianjan’ny tempoly. Ho antsika izay nanao Sekoly Alahady dia fantatsika fa misy fizarana tahaka izao ao amin’ny antsoina hoe tempoly : vao miditra ao amin’ny tempoly ianao an, dia misy ny antsoina hoe « kianjan’ny jentilisa ». Dia ny jentilisa : ao amin’io kianja io ihany no afaka mitoetra izany. Dia misy indray antsoina hoe « kianjan’ny isiraelita », dia araka izany anarana izany an : ny isiraelita ihany no afaka mankao. Dia misy indray antsoina hoe « kianjan’ny mpisorona » : eo izany ireo mpisorona ireo manao asan’ny fisoronana. Rehefa tonga izaho mpino, tonga izaho isiraelita mitondra biby atao fanatitra, dia entiko eo amin’ny kianjan’ny mpisorona. Dia mandroso ihany an, dia misy ny hoe « fitoerana masina ». Ka rehefa miteny amintsika ny Tompo amin’izao maraina izao hoe : manatonà, midira ao amin’ny fitoerana masina indrindra, aza mijanona any amin’ny kianjan’ny jentilisa e, aza mijanona any amin’ny kianjan’ny isiraelita e. Ary ianao ary, mety ilay hoe efa manana fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, manao asan’ny diakona, manao asa any amin’ny sampana sy ny karazany, manao asan’ny mpiandry. Ianao izany ao amin’ny fitoerana masina. Fa aza mijanona amin’izany hoy ny Soratra Masina. Manatonà ao amin’ny fitoerana masina indrindra. Fa rehefa tsy manatona ao ianao ry havana : mety manompo ianao ao amin’ny fitoerana masina, fa tsy manana fiombonana amin'Andriamanitra satria Andriamanitra ao amin’ilay fitoerana masina indrindra. Ao amin’ny fitoerana masina ianao manompo, fa tsy manana fifandraisana velona amin’ilay Andriamanitra velona ry havana ô. Rehefa miteny ny Soratra masina amin’izao maraina izao, hoe : manatonà ao amin’ny fitoerana masina indrindra, satria ao no misy an’Andriamanitra, dia hoe : izany antso izany no ataony satria hoe tiany isika Fiangonana hanana fiainana tsara lavitra noho izay nananantsika hatreto. Tiany isika hanana fiainana tsara lavitra noho izay nananantsika hatreto. Inona izany hoe fiainana tsara lavitra noho izay nananantsika hatreto izay ? Dia dikan’izany, tsy hoe : hanome anao asa tsara kokoa Izy ; ny dikan’izany, tsy hoe : hanome anao fisondrotan-karama Izy ; ny dikan’izany, tsy hoe : hanasitrana avy hatrany ny tokantranonao na ny ankohonanao Izy. Dia dikan’izany dia hoe : miantso anao ny Tompo amin’izao hoe : manatonà ao amin’izay misy Azy, dia ny fitoerana masina indrindra. Fa rehefa tsy hanao an’izany ianao : automatique ny fihemoranao ara-panahy sy ny fangatsiahana ara-panahy.

Izay izany ilay hafatra ho antsika, hoe : AOKA ISIKA HANATONA NY FITOERANA MASINA INDRINDRA.

Dia inona ary no anafarana ny olona izay mandray an’izany hafatra izany ?

Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : MINOA IANAO RY HAVANA O, FA ADIDINAO NY MITOETRA AMIN’IZANY FITOERANA MASINA INDRINDRA IZANY. MINOA IANAO FA ADIDINAO NY HANATONA, NY HIDITRA AMIN’IZANY FITOERANA MASINA INDRINDRA IZANY.

Efa natsidika teo, hoe : ny miditra ao amin’ny fitoerana masina indrindra izany dia hoe : mitoetra, mivelona eo anatrehan’ilay Andriamanitra velona isan’andro isan’andro, marain-tsy hariva ry havana. Raiso ho adidy izany. Ary fantaro fa possible izany. Possible izany. Raha tsy izany an, tsy niteny ny Soratra Masina hoe : manatonà. Ary ilay Fanahy Masina ry havana : nandrara ny isiraelita tao amin’ny testamenta taloha, nandrara azy tsy hiditra ao amin’izany fitoerana masina indrindra izany, afa-tsy ny mpisoronabe indray mandeha isa-taona ; ny Fanahy Masina izay nandrara tao amin’ny testamenta taloha ; ny Fanahy Masina no miteny aminao amin’izao maraina izao, hoe : manatonà ka midira ao amin’ny fitoerana masina indrindra.

Raha tsy azonao ry havana, fa nosokafan’i Jesoa Kristy ho anao, tamin’ny fandatsahany ny ràny teto amin’ny hazo fijaliana, izany fitoerana masina indrindra izany ; raha tsy azonao izany, dia tsy azonao ny Epistily ho an’ny Hebreo. Raha tsy azonao fa ilay rà nalatsaka teto amin’ny hazo fijaliana no nanatriatra an’ilay efitra lamba nampisaraka ny efitra masina amin’ny efitra masina indrindra : tsy azonao ny ao amin’ny Baiboly e, tsy azonao ny atao hoe Baiboly, tsy azonao ny votoatin’ny Baiboly ry havana. Fa isika e, dia tokony handray ho adidintsika tsirairay, izany hoe fidirana, fanatonana ao amin’ny fitoerana masina indrindra izany.

Dia misy mety hiteny hoe : « sûr ve Pasitera fa izaho izany ? izaho amin’izao toetrako izao izany ? Ry havana ô, ry havana ô : aza mijery ny fahalemenao, aza mijery izay tsy fahatanterahanao ; ny antso no henoy. Ampangino ny feo hafa izay mampahatsiahy anao izay fahatsontsanao, aza mijery izay infidélité-nao ; fa henoy ilay antso ary raiso ho adidy ny hoe : hanatona aho manomboka anio, hantona ny fitoerana masina indrindra. Ary Andriamanitra banjinina, Jesoa Kristy no saino. Ary rehefa izany, dia ny Fanahy Masina hanampy anao hanapa-kevitra hoe : « eny ary Tompo ô, raisiko ho adidy amin’izao maraina izao ny hanatona ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ao amin’izay misy ny fanatrehanao, Andriamanitra ô ».

Izay ny dingana voalohany : RAISO HO ADIDY NY MANATONA NY FITOERANA MASINA INDRINDRA. RAISO HO ADIDY.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao : AFOIZO HO AN’I JESOA NY FIAINANAO – AFOIZO HO AN’I JESOA IZAY REHETRA MOMBA ANAO.

Afoizo ho an’i Jesoa. Ialana tsiny hatrany moa ilay vary amin’anana ; fa tiana hazava ilay teny : mianara mi-s’abandonner amin’i Jesoa ry havana – mianara mi s’abandonner amin’i Jesoa, dia Izy hampiditra anao ao amin’ny fitoerana masina indrindra.

Ilay hoe : afoizo ho azy ny fiainanao, afoizo ho azy ny momba anao, afoizo ho azy izay fikasanao, dia hoe : maneke Azy amin’ny zavatra rehetra ry havana ô. Maneke Azy amin’ny zavatra rehetra. Tsy manaiky Azy ambongadiny fotsiny, fa manaiky Azy hatramin’ny zavatra madinika indrindra. Ilay mahatonga ny sasany handinika anao, hoe : « ianao ity koa tsy ampahafirin’izay mivavaka an. Ianao ity koa tena tery saina ». Izany ny olona mi-s’abandonner amin’i Jesoa ry havana ô, ka manantena an’i Jesoa hampiditra azy ao amin’ilay fitoerana masina indrindra.

Hitanao, ilay hoe : mi-s’abandonner, mampahatsiaro an’ireny olona tena mifankatia be ireny. Eo amin’ilay mpifamofo moa no ahitana azy ; ilay mpifamofo, ilay mifampilaza hoe : « tiako ianao, ary izay rehetra anaovanao ahy e : ekeko. Izay rehetra anaovanao ahy : ekeko ». Asa moa raha mbola misy mpivady eto mifampilaza an’izany hoe : « chéri an, izay anaovanao ahy », na miteny anakam-pony any amin’i Pasitera hoe : « taloha izany Pasitera an ». Izay. Fa izay, izay ilay hoe mahafoy ny fiainanao ho an’i Jesoa, mi-s’abandonner Aminy. Fa izao : rehefa hoe manolo-tena tahak’izany ho an’i Jesoa ianao ; izay ilay mi-s’ébandonner an ; dia hoe : tsy mahita rirany ao amin’ny fiainanao intsony ilay « izaho », ilay fizahozahoana. Tsy mizahozaho intsony ny nofonao. Rehefa tsy mi-s’abandonner amin’i Jesosy ianao an, ny fizahozahoana ry havana ô, ilay nofo no manjaka ao aminao. Rehefa mi s’abandonner amin’i Jesosy ianao ry havana, dia hoe : tsy mahita rirany intsony ilay « izaho », ary tsy mahita rirany intsony ilay fanahin’izao tontolo izao, tsy mahita rirany ao aminao intsony ilay fomban’izao tontolo izao. Ary raha nisy aza fomba nahazatra anao, ary fomba tsy hitanao izay naharatsy azy hatreto : rehefa mi-s’abandonner amin’i Jesoa ianao ry havana ô, dia tonga saina, dia ianao ihany no mampiala ny tenanao amin’izany fomba nahazatra anao izany. Izay ilay tombon’ilay olona hoe : mahafoy an’izay rehetra momba azy ho an’i Jesoa ry havana ô. Izany ny asan’i Jesoa ao aminy. Ary tsy vitan’izany ry havana ô, tsy vitan’izany hoe foanany ilay fizahozahoana, fa hoe : Jesoa io, izay nanoloranao ny manontolonao, no mbola hoe mampidina ato am-ponao ny fitiavana ny teniny, ny fitiavana ny Soratra Masina. Ary izay ianao vao hoe hankamamy an’izany famakiana Baiboly izany e ; fa tsy vakiana tahaka ny adidy, tsy vakiana tahaka ny corvée, tsy vakiana amin’ny fomba intellectuel fotsiny. Fa satria ianao nanolotra ny momba ny tenanao ho an’i Jesoa ry havana : ampidininy ao am-ponao ny fitiavana ny Soratra Masina. Ary fanampin’izany : omeny anao ny finiavana sy ny hery hanatanterahana izany teny vakianao. Satria naninona ? Nanolotra ny momba ny tenanao sy ny mombanao rehetra an’i Jesoa ianao ry havana ô. Ary dia rehefa izay, rehefa izay, manaiky Izy : tsy izaho no afaka hiditra ao, na hampiditra tena ; izaho manatona fotsiny ; fa Izy, rehefa izay, no hampiditra ahy ao amin’ny fitoerana masina indrindra izay misy ny fanatrehan’Andriamanitra.

Inona no Fahamarinana farany anafarana antsika ry havana ? Rehefa tonga amin’izao dingana fahatelo izao ianao ry havana, izay vao tonga amin’ny hoe « fiainana ny finoana », izay vao tonga amin’ilay stade hoe « fiainana ny finoana ».

Hoy ny mpanompon’Andriamanitra iray izay tamin’ny teny frantsay : rehefa tonga amin’izao stade izao ianao : « c’est le début de la vraie vie chrétienne ». Mbola tsy finoana ry havana ilay olona mahatsiaro fa hoe adidiny ny manatona. Mbola hoe fanekena fotsiny izany. Mbola tsy tena finoana ry havana ilay hoe : manolo-tena, ilay mi-s’abandonner ; fa eto amin’ity dingana fahatelo ity, eto ilay hoe : « le début de la vraie vie chrétienne ». Fa inona no mitranga eto amin’ity dingana fahatelo ity ? Inona no mitranga eto amin’ity dingana fahatelo ity ry havana ? Ny mitranga : dia izay nitranga tamin’ny mpianatr’i Jesoa tamin’ny Pentekosta ry havana ô. Jesoa tety ambonin’ny tany an, nanomboka asa tsara tao amin’ireo mpianany ireo : noteneniny izy hoe « manatona ianareo », notenenina izy hoe « afoizo ho Ahy ny zavatra rehetra ». Ok. Nanomboka asa tsara Jesoa ry havana ; fa Izy niakatra any an-danitra : naniraka ny Fanahy Masina ho an’ireto mpianatra ireto, izay vao tanteraka ny finoan’ireto mpianatra ireto. Izay vao tanteraka ny finoan’ireto mpianatra ireto : une fois que hoe Jesoa naniraka ny Fanahy Masina avy any an-danitra ry havana ô. Ary mahafinaritra ny fitenin’ny mpitoriteny, hoe : Jesoa maniraka ny Fanahy Masina avy any an-danitra ho an’ireto mpianatra ireto an, toy ny manisy tombokase ny finoan’ireto mpianatra ireto.

Inona no dikan’izany hoe : nanisy tombokase ny finoan’ireto mpianatra ireto ? Nanjary expérience vécue ny finoan’ireto mpianatra ireto. Tsy hoe : finoana-émotion, tsy hoe finoana- intellectuel : izao, izao no ao amin’ny Baiboly ao ; fa nanjary expérience vécue ny finoan’ireto mpianatra ireto noho ilay tombokase nasian’ny Fanahy Masina ry havana ô. Ary izay no irariana ho antsika tonga amin’izay dingana fahatelo izay amin’izao maraina izao : manao ho zava-dehibe izany hoe asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny fontsika, ao amin’ny fanahintsika, ao amin’ny finoantsika, mba hanamarina tokoa isika, hoe : olom-boavonjy, olona novidiana tamin’ny rà, ary olona nampidirina tao amin’ny fitoerana masina indrindra ka eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra marain-tsy hariva.

Possible ry havana misy olona ato, matoa tonga izao teny izao : niditra teto izy an nanana ilay notenenina teo, ilay finoana-émotion ; possible izy niditra teto nanana ilay finoana-intellectuel ; possible izy niditra teto : olona mbola mpitoetra any amin’ny kianjan’ny jentilisa ; misy olona angamaba ato hoe mpitoetra any amin’ny kianjan’ny isiraelita ; misy olona angamba niditra teto, hoe manompo amin’ny fitoerana masina : te hamangy ny fonao ny Tompo e, ary te hanova ny finoanao, te hanova ny fiainanao ny Tompo ary miteny aminao Izy, noho ny fitiavany anao sy ny tsy fahafoizany anao : AOKA  IANAO HANATONA, DIA AMPIDIRIKO AO AMIN’NY FITOERANA MASINA INDRINDRA, AO AMIN’IZAY MISY AHY, KA HIFANATRI-TAVA AMIN’NY FINOANA ISIKA AMIN’NY ANDRO FIVAHINIANAO ETY AN-TANY ; ARY AMIN’NY SEGONDRA IZAY HIALANAO ETY DIA HIFANATRI-TAVA MANDRAKIZAY ANY AMIN’NY MANDRAKIZAY ISIKA.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra, ary ho amintsika Fiangonana ny fahasoavana. Amen.