ALAHADY 28 MARS 2021

Zakaria 9. Raha fintinina ry havana ny hafatra ho antsika anio, dia hoe : MIANARA MIJERY NY ANKEHITRININAO, NY ANIO IZANY ; SADY MIJERY NY MANDRAKIZAY-NAO. Misy fijery anankiroa atambatra eo izany. Ny zavatra jerena anankiroa atambatra, hoe : MIANARA MIJERY NY ANKEHITRININAO, NY ANIO-NAO SADY MIJERY IHANY KOA NY MANDRAKIZAY-NAO.

Raha mijery an’ireny hoe, ohatra hoe fampiasana écran-na ordinateur ireny, raha mampiasa hoe word izao, dia misy fotoana hoe partagé-na ilay écran fa misy documents anankiroa tianao iarahana mijery, comparer-na. Ohatran’izay : sady mijery ny ankavia no mijery ny ankavanana ; sady mijery ny anio-nao no mijery ny mandrakizay-nao. Indraindray ny mpampianatra mibedy ankizy ao an-dakilasy fa eo ny vataben’ilay ankizy, fa hitany ilay sainy lasa am-binany any an’anona any. Sady eo izy no lasa any an’anona any. Izay ilay hoe sady mijery ny ankehitrininao, ny anio-nao no sady mijery ny mandrakizay-nao. Izany no ampianarin’i Zakaria antsika ry havana. Andeha ange iarahantsika mamaky ny Zakaria 9 :9 : « Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy ; manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy ; indro ny Mpanjakanao avy ho anao ; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky dia zana-boriky tanora ». Io, eo izany Zakaria misaina ny ankehitrinin’ny Zanak’Isiraely izay vao avy nampodiana avy amin’ny sesi-tany tany Babylona. Izay ilay ankehitriny. Fa eto amin’ny and.9 izy, tsy mivalapatra amin’ny ankehitriny fa mijery ny ho avy sahady izy, dia ny fiavian’i Jesoa Kristy, Ilay Mesia mitaingina zana-boriky. Eo izy, nefa tonga dia miteny amin’ireto Zanak’Isiraely vao novonjena ireto, hoe : jereo, banjino ny Mesia. And.10 : « Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, na soavaly any Jerosalema, hofoanana koa ny tsipika fiadiana, ary hiteny fiadanana amin’ny jentilisa Izy ; ny fanapahany dia hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany ». Eo indray izy dia milaza ny mandrakizay, ilay fiverenan’i Jesoa faharoa amin-kery sy amim-boninahitra. Eo izy misaina ilay présent, mijery ny ho avy dia ny fiavian’ny Mesia ary mijery sahady koa ilay fiverenan’i Jesoa faharoa. Izay ity zavatra ity ry havana ô. Ary izay no mapianarin’ny Tompo antsika Fiangonana amin’izao fotoana izao, ary rehefa dinihina, dia hatramin’i Pasitera ary tsy mbola zatra an’izany hoe : sady saino ny ankehitrinonao, no saino ny ho avinao. Ny maha-samy hafa antsika amin’i Jeremia ; izy misaina ny ankehitriny, hita izany eo amin’ilay texte, dia milaza ny fiavian’ny Mesia, ary milaza ny fiverenany indray. Isika efa mahita ny fiavian’ny Mesia. Donc isika tsy misaina ny fiavian’ny Mesia intsony an, fa misaina ilay fiverenany faharoa. Izay ilay toriteny androany : MIANARA MISAINA NY ANKEHITRININAO ARY MISAINA EO NOHO EO KOA IZANY MANDRAKIZAY-NAO IZANY.

Andao isika hivadika any amin’ny Matio ary. Matio mantsy fanatanterahana ny Zakaria. Matio 21 :5 : « Lazao amin’i Ziona zanakavavy : Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zanaky ny boriky miasa ».  Raha mahare an’ilay hoe boriky, zana-boriky isika, iny ao anaty faminanian’i Zakaria. Dia tanteraka 2000taona lasa ny faminanian’i Zakaria. Zakaria en 500avant Jésus Christ no maminany ; dia tanteraka izany tamin’ny taona nahaterahan’i Jesoa, tamin’ny nahatongavan’i Jesoa voalohany 2000taona lasa izay. Izay izany io : faminanian’i Zakaria no tanteraka eto ity.

Fa rehefa nandinika ry havana, dia misy zavatra ohatran’izao mahavariana ny amin’ity faminaniana momba ny fahatongavan’i Jesoa ity: sokafy anie ny Baibloninareo ao amin’ny Daniela 9 :25-26 milaza koa ny fiavian’i Jesoa, ary milaza ihany koa ny fahafatesany. Daniela 9 :25-26 : tena mampieritreritra, mampitolagaga ny fahefan’Andriamanitra mihazona ny zavatra rehetra eo am-pelatanany ; tsy anio ihany fa hatramin’izay ka rahatrizay. Daniela 9 :25-26 : « Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory. Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana ». Faminaniana momba ny Mesia io ry havana. Ary misy précision hoe rehefa afaka ilay herinandro fito ampiana herinandro roa amby enim-polo ; herinandro sivy amby enim-polo izany, ny tena mahavariana dia izao : entre ny fotoana, ny didy ivoahan’ny hoe anamboarana an’i Jerosalema sy ny fotoana hamonoana ny Mesia, hoy Daniela, dia misy sivy amby enim-polo herinandro. Io sivy amby enim-polo herinandro io dia hoe sivy amby enim-polo herinandro natao 69*7ans = 483ans. Dia nandinika ilay mpandinika anankiray izay, 483ans, dia hoe : ça fait 173.880 jours. Dia ny tena mahavariana, hoy ilay mpandinika : entre ilay fotoana 05 Mars 544 namoahana ny didy anorenana andray an’i Jerosalema sy ny 03 Avril 33 namonoana an’i Mesia, ilay novinanian’i Daniela izany, il se passe exactement 173.880 jours. Somary compliqué kely ilay izy, fa azonareo angamba ilay précision an’ilay calcul, ilay faminanina’ilay prophète Daniel hoe entre ilay fotoana namoahana ny didy anorenana indray an’i Jerosalema sy ny fotoana amonoana ny Mesia dia misy 173.880 jours.

Inona moa no tena tiana iaviana ry havana ? Ry havana ô, ry Zakaria miteny amin’ny Zanak’Isiraely hoe ho avy ny Mesia. Isika nahita ny fahatanterahany, isika nahita ny précision an’ilay fahatanterahana. Ny fanontaniana apetraky ny Tompo aminao e : dia hanao ohatran’ireo vahoaka tao Jerosalema ireo ve ianao ankehitriny ry havana ô : tsy handray au sérieux ny Mesia ? Hanao ohatran’ireo ve ianao ? Ireo ange mbola nanana fisalasalana e. Tonga Jesoa hiakatra ho any Jerosalema amin’ny intronisation-ny e, fa nisalasala hoe : « iza moa izao e ? ». Isika efa mahita hoe tanteraka ilay faminaniana, tsy anganoangano io ; dia ahoana ? Hanao ohatran’ireo vahoaka tao Jerosalema ve ianao hiteny hoe : Hosana, Hosana nefa hoe andro vitsivitsy avy eo : Homboy ? Tonga amintsika izany teny izany satria tsy tian’ny Tompo ho very isika e. Ary ohatran’ny vahoaka tao Jerosalema ve isika, ry havana, hanao hoe : vonjeo ; izany mantsy ny dikan’ny hoe Hosana ; Vonjeo, vonjeo anaty fizahan-toetra sy fahasahiranana ; hitady vonjy any an-kafa ; ka tapi-dalan-kaleha vao hoe Pasitera, ento am-bavaka fa manana problema. Fantatrao ve ny rigueur-n’ilay prophétie sy ilay accomplissement-ny ? Capable ve ianao tena hanaisotra ny akanjonao ohatran’ilay vahoaka tao Jerosalema, fa hanaisotra azy amin’ny fonao, hoe : hanafoana ny maha-izy anao. Ny akanjo anie no ahafantarana e, sy anehoana ny maha-izy anao e ! Tena vonona hanafoana ny tenanao ve ianao sa vao voadona kely dia hoe : « io indray ilay tsy fitiavana », « ataoko mahalala ny anarako iny fa izaho no mba ataony an’izany ». Ny sasany ratsan-kazo no nahahany teny an-dalana, napetrany teny amin’ny tany, satria araka ilay fomba jiosy tamin’izany, amin’ny fetin’ny tabernakely, ireny ratsan-kazo ireny no alaina dia hoe matory any anaty tente na tente-na ratsan-kazo, ahitana ny lanitra, ahatsiarovana hoe ny lanitra no tena fitodiana farany, fa fandalovana ety an-tany. Hainao Tsianjery ry Isotry Fitiavana ô, izany hoe destination finale izany ; fa tena hoe sady misaina ny anio-nao ve ianao, no misaina ny mandrakizay-nao ka tsy hanao hoe : « Homboy, homboy » rehefa avy nanao hoe « Hosana, Hosana » ?

Izay ny Fahamarinana 1 ampianarin’i Zakaria antsika. Eo ary fa tonga ilay Mesia, nampanantenain’i Zakaria : raisinao au sérieux ve io, sa mbola hoe hoderainao sy hankalazainao ara-pombam-pivavahana ?                               

Hoy isika hoe : misaina ny anio ery misaina ny mandrakizay. Eto izany dia tena marina rehefa dinihina izany. Satria araka ny tenin’i Zakaria, io Mesia izay tonga 2000 taona lasa io, dia mbola hiverina indray. Jerentsika ange ny Apokalypsy e. Zakaria 9 :10 milaza fa hoe ho avy fanindroany Izy. Apokalypsy 3 miteny Jesoa eo amin’ny and.11 : « Ho avy faingana Aho ». Izay ilay hoe sady misaina ny ankehitrininao, misaina ilay mandrakizay-nao, ka manao hoe : « ah, manana problema aho androany an, izao ny asako an, izao ny devoir-ko an, izao ny baccalauréat omaniko an ; fa attention : misaina ny mandrakizay-ko aho hoe : Jesoa miteny hoe : « Ho avy faingana Aho ». Ity tsisy calcul ohatran’ilay natao teo intsony. Fa inona no dikan’izany hoe : « Ho avy faingana Aho » ? Ho avy à tout moment Aho, ary aoka ianao ho vonona mandrakariva ry havana ô. Sao ianao mieritreritra hoe : io mbola afaka 173.000 jours indray e, io mbola afaka 2000 taona indray e. Ry havana ô, miteny aminao ny Tompo hoe : « Ho avy Aho, ary ho avy faingana Aho ». Izay ny hafatra ho antsika : Saino ny ankehitrininao ary ataovy ao an-tsainao koa hoe ho avy faingana Jesoa, dia hiova ny finoanao ry havana ô. Tsy possible ny tsy hiova ny finoanao. Fa raha finoana misaina ny ankehitriny ihany, an an an : mahantra indrindra isika.

Dia ahoana ary ny hafatra ho antsika izay hoe misaina izany mandrakizay izany, ho sahala amin’ny hoe réalité efa tena iainana sy sainina izany ? Mahafinaritra be ilay teny lazain’i Jesoa ao amin’ny Apokalypsy 3. Andao iarahantsika mamaky, Apokalypsy 3 :12 : « Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro. Io tempolin’Andriamanitro io, ao amin’ny Apokalypsy 3 tsy ny tempolin’Andriamanitra ao Jerosalema intsony, fa milaza ilay Jerosalema Vaovao. Jerosalema Vaovao io antsoina hoe tempolin’Andriamanitra io. Izany hoe miresaka an’i Jerosalema Vaovao. Izany hoe izaho izany anio tenenina hoe : sady misaina ianao Solofo ny fiainanao androany 28 Mars, fa saino en même temps Jerosalema Vaovao. Jerentsika ny Galatiana 4 :26. Ny Apostoly Paoly no mampianatra ny Jerosalema any ambony: « Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika ». Io no tiana aseho ny Fiangonana. Jerosalema Vaovao eto dia antsoin’ny Apostoly Paoly hoe « renintsika ».

Miverina any amin’ny Apokalypsy 3 :12-13 : « Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’ Andriamanitro sy ny anaran’ ny tanànan’ Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’ Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao ». Rehefa any izany Jesoa  hanambara amintsika  ny anarany vaovao. « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana ». Ho an’ny olona izay sady misaina ny ankehitriny, misaina ny mandrakizay : misaina isan’andro isan’andro izy an’i Jerosalema Vaovao. Ary ao Jerosalema Vaovao dia hoe, misy anarana 3 ho soratana eo aminy. Misy anarana 3 ho soratana eo aminy :

  • Ny anarana voalohany dia ny anaran’ny Andriamanitro : Andriamanitra Raintsika izany.
  • Ary ny anarana faharoa dia ny anaran’ny tanànan’Andriamanitra, dia Jerosalema Vaovao. Dia araka ny Galatiana 4 :26, iza ilay Jerosalema Vaovao ? Renintsika.
  • Soratana ao ny anaran’ny Raintsika, soratana ao ny anaran’ny renintsika ; ary soratana ao ny anaran’i Jesoa vaovao, ilay rahalahintsika ?

Saino izany dieny izao. Saino izany dieny izao ry havana ô. Saino izany dieny izao.

Mandinika ny fiainanareo tanora aho, dia ianareo manao an’itony tennis tony izany. Dia malaza be ilay marque, hitako mbola maro ny manao ny « Adidas ». Dia amin’ilay « Adidas », ilay marque 3 bandes moa izany. Izay ilay « Adidas » ; misy an’ireny Stan Smith ireny. Dia izao rehefa manao Stan Smith : rehefa mahita an’ilay « Adidas » avec 3 bandes ; dia hoe : « izaho tsy manana Adidas, izaho tsy manana Stan Smith ; fa izaho miomana ho soratana ao amiko ny anarana anankitelo, dia :

  • Ny anaran’Andriamanitra Raiko
  • Ny anaran’ny Reniko
  • Ny anaran’i Jesoa rahalahiko

Saino ny ankehitrininao e ary saino ny mandrakizay-nao any Jerosalema Vaovao dia hiova, na iza na iza ianao, hiova ny finoanao. Iza no mampanantena an’izany ? Apokalypsy 3 :7 : « Izao no lazain’ izay masina, Izay marina ». Ilay masina, no Tomponao sy Mpamonjinao ; Izy hanamasina anao dia ho masina ianao ry havana ô hiditra any amin’izany tanàna masina izany. Izy marina, Izy marina hanamarina anao ary dia tsy slogan fotsiny ilay 3 bandes, tsy slogan fotsiny ilay anarana anankitelo ; fa tena hoe réalité hanananao satria Andriamanitra tsy mba manao fampanantenana pôkaty, fa tena hisy izany. Tena hisy.

Ary izao : tsy fantatro marina hoe aiza no ho soratany ; fa ho soratany. Tsy tena miteny Izy hoe : ho soratako eo amin’ny andriny, fa hoe : ho soratako eo aminy ireo anarana anankitelo ireo. Izaho milaza aminao, fa raha feno tatouage io hoditra io, tsisy hanoratana ny anarana anankitelo eo an. Sahirana eo ianao, sahirana eo.

Mamarana isika, Zakaria 9 ; miverina kely any amin’ny Zakaria isika. Bon, izay natao tamin’ny tsy fahalalana : hifony. Fa ampy izay e, ampy izay. Izay ilay izy. Fa sao dia manahaka izao adala sy hendry mipoitra amin’ny télé izao : fomban’adala izany.

Mamarana ilay faminaniana Zakaria. Hoy isika hoe misaina ny ankehitriny izy, misaina ny ho avy izy, ary misaina ny mandrakizay izy. Raha ny marina, mamarana ilay prophétie izy eto amin’ny and.11 : misaina ny ankehitrinin’i  Joda izany. Zakaria 9 :11 : « Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao no efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano ». Io izy vao miresaka an’i Joda, hoe ianao ange ka vita fanekena tamin’ny rà e. Izany no nahatonga Ahy hamoaka anao avy any an-tsesi-tany tany Babylona : vita fanekena ianao. Ary satria vita fanekena ianao, nivadika tamin’ny fanekena ianao ; dia Izaho efa niteny hoe alefako 70 taona ianao hanompo an’i Babylona ; avy eo ho vangiako ianao afaka 70 taona dia ampodiako indray, satria ianao veita fanekena Amiko. Izay ilay izy. Dia ahoana ny filzan’i Zakaria an’ilay fiainana tany Babylona ? Hoy izy eo amin’ny and.11 hoe : « Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao no efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano ». Ny fiainan’i Joda, ny fiainan’ny Zanak’Isiraely tany Babylona, dia toy ny tany an-davaka. Toy ny tany an-davaka. Efa milaza ny haratsian’ny fiainana izany. Fa mbola ataony hoe : any an-davaka tsy misy rano.

Eo isika mieritreritra ry havana ô, isika izay mieritreritra ny ankehitrinintsika sady misaina ny mandrakizay : mampandinin-tena anao ny Tompo : jereo ihany, jereo ihany fa sao dia ianao io manana fiainana any an-davaka anio 28 Mars 2021, any an-davaka tsy misy rano.                              

Jeremia naminany ny sesi-tany, Jeremia nilaza hoe 70 taona io ; dia inona no tenenin’i Jeremia ? Andao ange jerentsika ny Jeremia 2 e ; sao dia marina aminao izao tenin’i Jeremia izao ry havana, tamin’ny taranak’Isiraely, Jeremia 2 :13 : « Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko : efa nahafoy Ahy loharanon’aina izy, ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano ». Nahafoy an’Andriamanitra izy, iray izay ; nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany izy, nefa famorian-drano tsy mahatana rano. Maty antoka ianao : any anaty lavaka tsy misy rano ny fiainanao satria mpandala fombam-pivavahana ianao, izay no ataonao eto ; tsy miaina tahaka ny lehilahy na vehivavy vita fanekena tamin’ny ràn’i Jesosy marina ianao ry havana ô, dia any anaty lavaka tsy misy rano ny fiainanao.

Farany, Hagay 1. Hagay niara-naminany tamin’ny 520 tamin’i Zakaria. Tena mitovy mihitsy izany ilay contexte haminaniany. Izany no hakana ny Hagay ry havana. Ahoana hoy Hagay  eo amin’ny and.6 milaza an’ilay fiainan’ilay olona any an-davaka tsy misy rano ry havana ô? «Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina : mihinana ianareo, nefa tsy voky ; misotro ianareo, nefa tsy afa-po ; mitafy ianareo, nefa tsy mafana ; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka ». Tia anao ny Tompo, tia anao ny Tompo. Ary izany no anaovany aminao teny mahitsy, teny hentitra ohatran’izany. Ny zanaka tiana no anarina sy faizina. Mbola fitiavany anao no ampandalovany anao any anaty lavaka tsy misy rano izany ry havana ô. Fa miteny aminao Izy : vangiako ny fonao amin’izao maraina izao, ary tahaka ny nampodiako ny Zanak’Isiraely avy any Babylona, no tiako hampodiana anao eo an-tanako amin’izao maraina izao. Ary hanamarina Izaho sy ianao fa vita fanekena tamin’ny ràn’ny fanekena vaovao ianao. Ary ny programako ho anao dia fiainana be dia be, fa efa hoe homaniko ho anao sahady ny anarana anankitelo any Jerosalema Vaovao.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena