ALAHADY 28 JON 2020

Lioka 21 :36 : « Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona ».

Ilay tapany farany ry havana, ilay tapany farany amin’io andinin-tsoratra Masina io, hoe : HITSANGANA EO ANATREHAN’NY ZANAK’OLONA. Ny sitrapon’ny Tompo aminao : ny hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.

Maro amintsika izao no mahafantatra hoe ny Zanak’olona dia titre entin’i Jesoa rehefa manambara sy mampianatra ny amin’ny fihaviany indray Izy. Zanak’olona no anambarany ny tenany. Fa tsy izay ny zava-dehibe ry havana ô. Ny zava-dehibe anio dia hoe : IANAO VE, RAHATRIZAY MIVERINA NY ZANAK’OLONA, ISAN’ILAY NITSANGANA ? Izany ilay hafatra fampieritreretana antsika amin’izao maraina izao ry havana ô. Mazava ho azy fa matoa misy ny mitsangana, dia misy ny tsy mitsangana izany. Matoa misy ny mitsangana eo anatrehany, dia misy ny nitsaoka teo anatrehany.Tena misy izany ry havana ô, ary ho jerentsika izany. Fa enga anie izaho sy ianao tonga eto ka mandre an’izao hafatra izao dia ho hita mitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona ry havana ô. Ataovy tanjona izay e, ataovy tanjona izay. Ary rehefa mamaritra tanjona ohatran’izay isika, dia iny tanjona izay nofaritantsika iny, iny no mibaiko ny fomba fiainantsika ry havana ô.

Dia ilay fomba fiainana tian’ny Tompo amafisina na volena ao amintsika dia eo amin’ny and.36 : « ka mivavaha mandrakariva ». AOKA HO FOMBA FIAINANAO NY MIVAVAKA – AOKA HO STYLE DE VIE-NAO NY MIVAVAKA. Mijery ny clip-ny artistes iny aho ry havana, ilay navoakany tatoato, dia hitanao mihitsy hoe ny style de vie-ny, ny fisehony ivelany dia hoe :ireto dia artistes. Fa ianao tsy izany, izaho sy ianao : aoka ny ahafantarana ahy, ny style de vie-ko, ilay fivavahana mandrakariva.

Ny fanontaniana ary dia izao : Ahoana izany olona hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona izany ?

Ny valiny ry havana dia hoe : OLONA TSY MATAHOTRA FITSARANA. Andeha jerentsika ny Salamo 1 :5 : « Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ny fitsarana ». Ny ratsy fanahy izany dia sokajin’olona tsy hahajanona amin’ny fihavian’ny Zanak’olona noho ny fitsarana izay entiny. Jerentsika anie ny Jaona 5 :24 : « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ». Izany aloa izany ny fahamarinana ry havana ô, ampatsiahivin’ny Tompo antsika : ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo anatrehan’ny Zanak’olona . Ny ratsy fanahy dia izay tsy nihaino ary tsy nino ny teny. Fa izay nitandrina ny teny, dia hoe : « an an an, formalité io, tsy hohelohina izany aho. Ary izay zavatra ataoko ary amin’ny andro hiavian’ny Zanak’olona, dia hijoro eo anatrehany aho, dia hiteny amin’i Jesoa aho hoe : izaho tokoa ilay nosoloinao voina teo amin’ny hazo fijaliana, izaho tokoa ilay vidin-drànao teo amin’ny hazo fijaliana. Avia Jesoa an, raiso aho, ary ento any amin’ilay fitoerana izay efa nomaninao ho ahy ao an-tranon’ny Raintsika ». Izay ry havana aloa no tian’ny Tompo ampatsiahivina antsika : Enga anie ka samy ho hita hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona isika.

Ny zavatra faharoa ry havana dia izao : NY OLONA HAHAJORO HITSANGANA EO ANATREHAN’NY ZANAK’OLONA DIA TENA HOE NAHATANTERAKA NY ZARA FANOMPOANA NANKININY TAMINY TETY AN-TANY. Olona nahatanteraka ny zara fanompoany. Jerentsika ny Apokalypsy 7 : 15 : « Ary noho izany…mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoliny ». Ilay olona mijoro izany ry havana dia olona efa mivonona hoe : hanompo an’Andriamanitra andro aman’alina . Izany ny ho aviny mandrakizay : mijoro eo anatrehan’ny Zanak’olona izy satria mijoro eo anatrehan’ny seza fiandrianana izy ary dia mahita an’Andriamanitra izy : midera Azy andro aman’alina, manompo Azy andro aman’alina. Ary satria hoe miomana ho amin’izany aho ry havana, dia izay mba zara fanompoana kely omen’ny Tompo ahy ety an-tany, n’inon’inona  anarany, dia tanterahiko an-tsakany sy an-davany fa tsy ampandeferiko en fonction an’izay hoe loisir-ko na adidy apetrako ambonin’izany. Tsy fomban’ny olona izay manantena fa hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona ny mampandefitra ny zara fanompoana, n’inon’inona anaran’ilay zara fanompoana, ary n’inon’inona antony ry havana ô.

Izay izany ilay hafatra, hoe : ny anankiray : TSY MATAHOTRA FITSARANA, ny anankiray : MANOMPO AMIN’NY FAHAZOTOANA ETY AN-TANY ry havana ô.

Dia inona ny zavatra anampian’i Jesoa an’izany hafatra izany raha miverina amin’ny Lioka 21 isika ry havana. Satria hoy isika teo hoe ilay famaritana tanjona no mibaiko ny fomba fiainana. Dia hoy ilay and.36 : « Fa miambena ». Dia misy naoty kely hoe : miareta tory. Ilay miambina : tsy manaiky ho varimbariana. Izay ilay hoe miambina : tsy manaiky, miezaka ny tsy ho varimbariana ry havana ô. Dia manampy antsika ialana amin’ilay varimbariana, tsy ao anaty perikopa ilay izy fa ery amin’ny and.25 ery, Lioka 21 :25-26 : « Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ ny olona noho ny fahatahorany ». Bon, sarotra be ny hanazava hoe inona moa izany famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana sy ny kintana izany ; fa ilay and.26, ny zava-dehibe : « ho reraka ny fon’ ny olona noho ny fahatahorany ». Io fonao reraka, ianao mi-stresse lava io, ianao miakatra tosi-drà lava io ry havana ô : aoka izay hanampy anao amin’ny fiambenana hoe : « oay, hay moa izany no lazain’ny Soratra Masina hoe ilay fon’ny olona reraka noho ny fahatahorana ny zavatra ho avy ». Izany no aoka haha-vigilant ahy, aoka izany no ampieritreritra ahy tsy ho varimbariana ry havana ô.

Tantarain’ny mpandinika, tamin’ny taona 79 tany Italie tany, nisy éruption-na volcan nalaza be tamin’ny taona 79, dia hoe 3.000 morts ; éruption-na volcan izany. Dia mitantara ny mpahay tantara hoe talohan’ny nisian’ilay éruption, efa nisy éruption madinidinika, ary efa natao folo hafatra ny olona, hoe : « ô re olona an, ireo éruptions madinidinika ireo efa fanairana antsika hoe : attention fa hipoaka io » ; tsisy niraharaha ilay olona : 3.000 morts. Ary izay no itenenana antsika hoe : « an an an, miambena ianao e ». Ary aza miteny hoe io ny famantarana eny amin’ny lanitra, nisy zavatra niseho tery : non non non. Io fonao mavesatra io, jereo ilay naoty, kely ery hoe : ohatrany hoe hisy ho faty ary tsy ho zakanao ny fiainanao, tsy eran’ny aina ny zavatra mitranga. Miambena ry havana ô, miambena. Ary fantaro hoe efa ho avy ny Tompo. Dia hoy Jesoa eo amin’ny and.36 hoe : « Miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy izany ».

Inona moa ilay hoe zavatra ho avy sady mamesatra antsika? Inona ilay zavatra ho avy ka hoe manelingelina ilay fiambenana ry havana ? Eo amin’ny and.34 : « Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao ». Ireo ny zavatra 3 ampitandreman’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao. Mandosirà an’ireo zavatra 3 ireo, miambena ary mandosirà an’ireo zavatra 3 ireo. Ilay voalohany nadika hoe « fisotroan-toaka ». Rehefa jerena ry havana ny teny grika izay nandikana an’io, dia hoe milaza ny hoe : « plaisirs sensuels, plaisirs charnels ». Mandosirà an’izany plaisir-ny nofo izany e. Fa tsy haha-hambina izany ianao fa ho variana amin’izany ianao ; mazava be izany. Faharoa, hoe : « mandosira ny fahamamoana ». Ary eto ilay fahamamoana, tsy hoe ilay fisotroana divay kely, fa ilay fibobohana toaka ka mahatonga anao ho mamo, mahatonga anao ho mamo lava, raisina any an-tatatra, mahatonga anao hitabataba ao an-tokantrano, mamaky zavatra, miteny ratsy ny vady aman-janakao sy ny karazany, manimba fihavanana ; Mihavàna ao amin’ny Tompo ; manimba fihavanana. Izany ilay fahamamoana ary tsy manampy anao amin’ny fiambenana izany. Ary farany, « ny fiahiahiana izao fiainana izao ». Ilay fiahiahiana ange ry havana tsy dia hoe zavatra ratsy aloa ilay izy e. Manomana examen moa izany ny ankizy atsy ho atsy, dia hoe : tenenina izy hoe : « mianara, ataovy tsara, hajao ilay sacrifice ataon’ny ray aman-dreny hahatafita anareo ». Dia io tokoa ilay zaza mianatra ; fa ilay tsy mety an, dia ilay tafahoatra, ilay ray aman-dreny miteny hoe : « Pasitera an, fantatro fa efa 15 taona ilay zanako, fa classe d’examen izy amin’ity, na 16 taona, aleo izy aloa tsy hanao katekomena », na hoe « ianao tsy manao Sekoly Alahady aloa amin’ity satria classe d’examen ». Izay ry havana ô, izay ry havana, izay ilay toe-tsaina tsy miambina izay. Ny fianarana dia fianarana ; fa ny Alahady dia natao atokana hihaonana amin’Andriamanitra mba ho vangiany araka ilay tenintsika teo izany e, mba ho vangian’Andriamanitra, ampahereziny ianao, omeny toky ianao fa tsy irery ianao, omeny antoka ianao fa hisy io examen io ary Izy hiara- manomana aminao. Hoy ny Tompo hoe : miambena mba tsy hahatratra anao izany. Fa maninona no mila vavaka anefa ? Tsy vitantsika izany ry havana ô, tsy vitantsika izany. Raha miresaka an’ilay ankizy teo, misy tena ankizy hendry be mianatra, tsy misotro toaka, tsy manana plaisir fa hoe ampandeferiny Andriamanitra e. Tsy mety izany. Misy olona indray, tsy mba tratran’izany hoe fahamamoana izany, tsy mikasika izy alkôla ; fa ivelan’ny alkôla, ny fiainany feno plaisirs sensuels. Izay ilay hoe : sarotra ny mitandrina ireo zavatra 3 ireo ry havana. Ary izany no itenenan’ny Tompo hoe : « an an an, atoroko ianareo : mivavaha mandrakariva ». Mivavaha mandrakariva ary ataovy antom-bavaka ny fahalemenao mikasika ireo domaines anankitelo ireo. Tsy ota manokana ireo, fa domaine ry havana ô, ao amin’ny fiainantsika. Ataovy antom-bavaka. Fa raha tsy mivavaka ianao, tsy mahavita an’io zavatra io. Ary ilay vavaka eto mampieritreritra, ilay teny grika nampianarina, ilay teny grika nadika hoe vavaka dia hoe : « mangataka mitalaho ». Mangataka tahaka ny mpangataka, tahaka ireny hoe mendiants ireny. Italahoy Jesoa, angataho ny famindram-pony hoe : « Ampio aho fa mazava loatra ny hafatrao, te hitsangana aho rahatrizay miverina Ianao Zanak’olona, fa tena tsy vitako e, tsy vitako ny mandositra ireo anankitelo ireo e. Ampio aho Jesoa an, ampio aho ». Ary rehefa mamaritra ilay tanjona ianao, dia rehefa ela ny ela ianao, tena hivavaka ianao, ahatsiaro hiresaka amin’ny Rainao ianao, satria ilay Zanak’olona izay italahoanao hanome anao ny Fanahy Masina, dia ny fanahin’ny vavaka. Tsy hivavabavaka intsony ianao, tsy hisahirana hanao vavaka miady rima sy ohatran’ny poète ianao nefa vavaka pôkaty. Vonjen’ny Tompo, vonjen’ny Tompo amin’izany ianao ry havana ô, vonjen’ny Tompo amin’izany ianao. Fa aoka izao ho occasion tena hoe hitomboanao amin’ny vavaka mba haharetanao amin’ny fanarahana ny Tompo, ary hitsangananao rahatrizay miseho ny Zanak’olona.

Faranana izao teny izao ry havana. Ny firariana ho antsika ry havana, dia rahatrizay tonga ny Zanak’olona, dia ho hitany isika eo am-pivavahana mandrakariva. Miverina amin’ilay éruption-ny Vésuve teo aho. Ilay mpandinika mpikaroka koa dia nanamarika fa dia tena mahavariana mihitsy fa ilay olona maty, taty aoriana, rehefa dinihina ilay olona, dia tamin’ilay paoziny izay nahafatesany no mbola ahitana ny paoziny aty aoriana. Izay teo am-pisakafoanana dia hita hoe mbola mipetraka teo am-pisakafoanana, izay tany an-tsena dia hia hoe ity tany an-tsena, izay teo am-patoriana dia teo am-patoriana. Izay no itenenantsika hoe : an an an, enga anie rehefa ho avy ny Zanak’olona ry havana ô, dia tena hoe hitany ianao manao zavatra tokana : eo am-pivavahana mandrakariva ; izany no ahitany anao. Ary rehefa izany no ataonao, mivavaka mandrakariva, dia ny fiainanao tonga amin’ny tenin’ilay mpitoriteny anankiray izay : lasa akaikin’Andriamanitra ianao, satria ny fiainanao toy ny hoe ao amin’ny salle d’attente-n’Andriamanitra, toy ny ao amin’ny salle d’attente-n’Andriamanitra. Fantatrao izay toerana misy anao, fantatrao izay vanim-potoana misy anao hoe efa ho avy ny Zanak’olona, fantatrao ny ataonao hoe vao maika aho hahery hivavaka mba hananako connexion marina amin’izany hoe Zanak’olona ho avy izany. Ary dia hanome anao fo tena hoe fo mitempo fitiavana ho Azy Izy ry havana ô, hanome anao fo tena hoe mivavaka efa dodona : « Avia Tompo, avia alaivo amin’izay aho », ary hanome anao fo tena hoe feno faniriana Azy izany. Ary izay hoe faniriana, hetahetan’ny fonao rehetra dia ho tanterahiny avokoa ry havana ô.

Ho aminareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo, ny fitiavan’Andriamanitra Ray ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. Amena.