ALAHADY 28 JOL 2019

image_pdfPDF

Matio 28 :20 : « Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao »

ARY INDRO, IZAHO MOMBA ANAREO MANDRAKARIVA AMBARA-PAHATONGAN’NY FAHATAPERAN’IZAO TONTOLO IZAO. Izany no mahatonga ny Fanahy Masina ampahatsiaro antsika Fiangonana hoe : Manatrika anao ange ny Tompo e ! Manatrika anao ange ny Tompo e ! Fa ianao ve ry Fiangonana o, na Alahady maraina, na amin’ny andavan’androm-piainanao manatrika ny Tompo ?

Ny ahafantarana hoe manatrika ny Tompo ianao ry havana, dia tokana ihany : io Tompo izay momba antsika ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao io, miteny amintsika isan’andro isan’andro ; tsy ny Alahady ihany, fa isan’andro isan’andro ; ary ny ahafantarana hoe manatrika Azy ianao : mankatoa Azy. Izay ry havana o : manao ahoana ny fankatoavanao ny Tompo ? Mety chorale manao louange ianao, mety chorale mitambatra ianao, mety mpitendry orgue ianao, mety diakona ianao, responsable any amin’ny sampana ianao, fa mety tsy manatrika ny Tompo ianao satria tsy mankatoa ny teniny. Misaotra ny Tompo isika ny amin’izany teny hentitra nefa mazava be izany. Ary dia hitombo isika amin’izany hoe fankatoavana izany.

Velona ry havana io Tompontsika io, velona Andriamanitra, ary miteny Izy dia maniraka mpanompo Izy hitondra an’izany teny izany amintsika Fiangonana. Isan’izany i Paoly, ao amin’ny perikopa. Fa izao ry havana : efa fantatrao angamba hoe zava-dehibe ny fankatoavana, fa tsy fantatrao ny enjeu-ny fankatoavana. Andao jerentsika ny Jaona 12 :48 ry havana : « Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany ». Ry Fiangonana o, ry Fiangonana o, io teny tsy raharahianao io, io teny tsy ankatoavinao io, io teny valianao io hoe « efa reko izany e, fa ny ahy, izao no hevitro e », io no hitsara anao amin’ny andro farany. Mianatra isika, fantatra fa misy examen ; miasa isika, fantatra fa misy évaluation ; ny fiainantsika ry havana o, dia handalo fitsarana, ary io teny tsy raharahiantsika io, io no hitsara antsika. Mieritreretà e, mieritrereta ry havana o.

Ao amin’ny hira voalohany izay mitondra ny lohateny hoe : « Miderà », dia mazava fa Andriamanitra no deraina ; fa hoe « Derao ny anarany ». Izao no izy ry havana : « Derao ny anarany ». Fantatrao ve io anarany io, ankoatra an’ilay efa notenenina tsara be tamin’ny louange teo hoe : Jesoa, Kristy. Fantatrao ve ny maha-Jesoa Kristy Azy e ? Novakiana tao amin’i Matio teo hoe manana ny fahefana rehetra Izy. Ato amin’ny hira ato dia hoe : « Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny ». Tsy hoe manana hery fotsiny i Jesoa ry havana, fa manana ny fahefana rehetra Izy. Ny maha-samy hafa ny hery sy ny fahefana : misy olona ohatra hoe culturiste, bokona sy ohatran’izao, be hery be izy, fa tsy manana fahefana Izy. Fa Jesoa, amin’izay zavatra hita sy miaina, na tsy miaina, manana fahefana. Fa izao no problema : nomena Azy ny fahefana rehetra, fa mandinia tena ianao amin’izao maraina izao : manana fahefana amin’ny fonao ve Izy ? manana fahefana amin’ny fonao ve Izy ? Mandinika an’ity hira ity hoe : « Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ataovy fantatra any amin’ny firenena ny asany, mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny, ataovy ho reharehanareo ny anarany masina ». Izay no ataontsika hoe 1) ry havana.

Fa ny 2) : azo deraina ve ny herin’Andriamanitra ao amin’ny fiainanao? Hita ao amin’ny fiainanao ve ny asany ? Tsy hoe ny asa ataonao no deraina, fa ny asan’Andriamanitra ao amin’ny fiainanao ry havana o. Ary Izy no manana ny fahefana amin’ny andro fitsarana, hampiditra anao any an-danitra ry havana o.

Ao amin’ilay perikopa ao, misy karazana olona mahavariana. Ao amin’ny Matio 28, miseho Jesoa dia misy olona lazaina fa hoe niankohoka, misy olona lazaina fa niahanahana. Misy olona any amin’ny Asan’ny Apostoly hoe nandà ary niteny ratsy. Misy amintsika ry havana, gaga fotsiny aho, tantarain’ireo katekomena ireo, hoe : « izaho anie ka hitenenana ratsy Pasitera ao amin’ny fianakavianay ao rehfa mba miteny an’izao ». Misy amintsika ato mpiteny ratsy ny zanatsika rehefa mijoro vavolombelona izy. Ovay izany ry havana o, tsy hidiranao any an-danitra izany.

Andao jerentsika farany ny Matio 10 :14-15 : «Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’ izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ ny tongotrareo. Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma sy Gomora amin’ ny andro fitsarana noho ny ho amin’ izany tanàna izany ». Ry havana o, misy olona ato, ho moramora kokoa no hitsarana an’i Sodoma sy Gomora noho ny hitsarana azy, noho ny tsy firaharahiana io tenin’Andriamanitra io. Izany no fampieritreretana antsika izany. Tsy ampy ny mihaino toriteny, tsy ampy ny milaza hoe mahay io mpitoriteny io, tsy mahay io mpitoriteny io, tsy ampy ny hoe mitsetra eo am-pihainoana toriteny , tsy ampy ny hoe latsa-dranomaso aho eo am-pihainoana toriteny : ankatoavy ny toriteny dia hanaporofo amin’i Jesoa ianao hoe izaho koa tena mifanatri-tava aminao Jesoa an, mifanatri-tava aminao aho. Ary mifanatri-tava aminao aho ety an-tany eo am-piandrasana izay fifanatrehana tava Aminao, ary dia faly aho fa derain’ny olona ianao noho ny herinao sy ny asanao ato amin’ny fiainako.

Ahoana hoy Jesoa ? ARY INDRO, IZAHO MOMBA ANAREO MANDRAKARIVA AMBARA-PAHATONGAN’NY FAHATAPERAN’IZAO TONTOLO IZAO.  Mino izany ve ianao ry havana o ?

Jereo ao amin’ny Salamo 84 :6a : « Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy ».  Dia misy naoty kely eo amin’ny Baibolintsika eo hoe Baka = Fitomaniana. Ny fiainantsika ry havana o, raha mbola ety an-tany, dia mandeha mamaky an’izany lohasaha Baka izany. Hoy ny mpitoriteny indraindray hoe io no lohasaha lava indrindra ety ambonin’ny tany, io lohasaha Baka io, io lohasaha Fitomaniana io. Ary matetika koa isika no anaty fitomaniana, ao anaty fifaliana ry havana o. Izay ilay fiainana : aza kivy, aza ketraka. Fa ilay fanontaniana apetraky ny Tompo aminao : fantatrao ve fa na dia mandeha mamaky lohasaha Baka, Fitomaniana ianao, dia manatrika anao eo ny Tompo e ? Fantatrao ve fa rehefa mandeha mamaky lohasaha Fitomaniana ianao, ny Tompo no mampandalo anao amin’izany lohasaha Fitomaniana izany hanamarinany hoe ity zandriko ity, ity zanako ity, mahafantatra hoe manatrika azy Aho ?  Ianao anaty fitomaniana, manatrika anao ny Tompo ry havana o, manatrika anao ny Tompo. Ary ao anaty lohasaha Fitomaniana, ao anaty lohasaha Baka, tsarovy Matio 28 :20 : momba anao mandrakariva Izy.

Fa izao ry havana, misy tonom-bavaka ampianarina antsika rehefa mandalo ny lohasaha Baka isika, lohasaha Fitomaniana isika : Salamo 39 : 12 : « Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô, ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin’ ny ranomasoko ». Aza mangina amin’ny ranomasoko. Amin’ny DIEM izy, hoe : « aza odian-tsy hita ny ranomasoko ». Manatrika Izy, dia mba miteny ianao e, mihanta ianao e : « Jesosy an, aza odian-tsy hita io ranomasoko io e ». Amin’ny version Segond izy, hoe : « Ne sois pas sourd à mes larmes ». Izay izany ilay tonom-bavaka voalohany, hoe : « aza odian-tsy hita ny ranomasoko ».

Tonom-bavaka faharoa, ao amin’ny Salamo 56 :8b : « ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko » ; hoy  ny DIEM hoe : « angony ny ranomasoko ». Tsy verivery foana io ranomasonao io e, tsy verivery foana ; fa manatrika anao Izy. Mitomany ianao ? Raisiny ilay ranomasonao dia angoniny ao an-tavoahanginy ry havana o.

Ahoana ilay tonom-bavaka voalohany ? « aza odian-tsy hita ny ranomasoko ». Faharoa : « angony ao an-tavoahanginao ny ranomasoko. Raha izany ny vavakao anaty lohasaha Baka, anaty lohasaha Fitomaniana, minoa sy matokia ianao fa efa fantatry ny Tompo ihany e izay hataony hamonjena anao ry havana o.

Ahoana ilay tenin’i Jesoa ry havana? ARY INDRO, IZAHO MOMBA ANAREO MANDRAKARIVA AMBARA-PAHATONGAN’NY FAHATAPERAN’IZAO TONTOLO IZAO.

Ny hira manaraka ry havana dia hoe « Eh Jehovah no Mpiandry ahy », nalaina avy amin’ny Salamo 23. Andeha anie jerentsika ny Baibolintsika ao amin’ny Salamo 23, Jehovah Mpiandry, Jesoa Mpiandry tsara. Ny Mpiandry tsara miteny hoe : « Momba anareo mandrakariva Aho ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ». Jerentsika ny and.4 : « Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Ianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy ». Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. Inona moa ilay lohasaha tamin’ny hira faharoa teo ry havana ? Lohasaha Baka, Fitomaniana. Eto indray, lohasaha maninona ? Aloky ny fahafatesana. Izany ny fiainantsika ety an-tany ry havana o ; dia ao anatin’ny lohasaha aloky ny fahafatesana, manatrika antsika Jesoa. Ary ny olona mahafantatra hoe manatrika azy Jesoa, dia zavatra roa no ahafantarany hoe manatrika azy Jesoa : fantany hoe manana tsorakazo, ary fantany hoe manana tehina Jesoa. Ary ny olona ao anatin’ny lohasaha aloky ny fahafatesana, izay fantatra fa hoe manatrika azy Jesoa, dia hoe : mitady an’ilay tsorakazo, manantena an’ilay tehina. Ry havana, oviana ianao no nandray an’izany tsorakazo izany, oviana ianao no nahare izany tehina izany farany ? Ary sanatria an’izany, sao dia ianao ilay mandositra tsorakazo, ianao ilay mandositra tehina ?

Ilay tehina, amin’ny teny frantsay izy hoe « bâton », «  le bâton du berger », tehina. Ilay tehina, ampiasain’ilay Mpiandry ondry hoe arme défensive io, hiarovana ireo ondry kely amin’ny bibidia isan-karazany, ny liona, sy ny omby sy ny karazany. Défensive io. Fa izao indrindra koa ry havana o, no maha-zava-dehibe an’io tehina io : hitanareo ny ondry matevina ilay volony ; dia iny tehina iny no hanavatsavahan’ilay mpiandry ondry ny ao ambanin’ny volony ao, hijereny hoe sanatria sao misy biby kely, na sao misy faharariana ilay hoditr’ilay ondry izany. Ry havana o, raha manavasava anao amin’ny tehina ilay Mpiandry tsara manatrika anao io, inona no hitany ao ambadik’io apparence-nao tsara be io ? Inona no hitany ao ambadik’io seho ivelany mahafinaritra sy raitra be sy bogosy be io ? Inona no hitany ao ambadika ao ? Ary tsy tianao izany an, tsy tianao izany, fa izany ny olona manatrika ny Tompo ry havana o, ary hatrehin’ny Tompo : manaiky an’ilay tehina, manaiky harovany, ary manaiky savasavainy amin’izany tehina izany. Izany no mahafa-tahotra ahy eny an-dalana hoy Davida.

Dia ilay tsorakazo indray, ilay hazo misy an’ilay zavatra boribory iny, ohatrany zavatra faraingo iny. Dia iny indray, ny fampiasan’ny mpiandry ondry azy hono, rehefa misy ondry mania, diso lalana izy dia lasa any anaty akata any, dia latsaka anaty buisson, anaty tsilo ao izy dia tsy tafavoaka izy ; iny no hisarihan’ilay mpiandry azy. Ry havana o, zava-dehibe anie izany hoe manatrika antsika Izy e ; isika rehetra anie mania tahaka ny ondry e, ary tsy misy mahavita tena fa hoe hantenao, handrandrao, antsoy ilay Mpiandry tsara sy ny tsorakazony ry havana o. Ary rehefa mania ohatran’izay ilay ondry ka afahany ao, dia iny ihany, iny no amerenany azy ao am-bala. Iny ry havana o, io tsorakazon’ny Tompo io, izay hoe ny Fanahy Masina, sarin’ny Fanahy Masina, no tian’ny Tompo amerenana anao ato am-piangonana amin’izao maraina izao. Ianao izay mpanao tsidi-pahitra aty am-piangonana, miangona tsindraindray, rehefa tsy kamo, rehefa tsy manan-katao, dia mankaty ianao. Ary ilay tenin’Andriamanitra izay ankatoavinao, iny ilay tehina, sambatra roa lela maranitra, miditra any anaty lalinao any, manavasava ny momba anao. Ry havana o, hoy ny Tompo aminao : « Manatrika anao Aho, Mpiandry tsara Aho, handrandrao ny tsorakazoko sy ny tehiko ». Ary izao, tsy mandreraka anay ny mamerina : misaotra ny Fanahy Masina nampiteny an’i Pasteur Mampionona, rehefa mandalo lohasaha aloky ny fahafatesana, n’inon’inona fahasahiranana, na aretina izany, na tsy fahampiana izany, ry havana o, aoka izay ity mankany amin’ny gasy ity e, aoka izay ity mankany amin’ny dadarabe ity e, ao anatin’ny lohasaha aloky ny fahafatesana e. Tena mahavariana ahy ry havana, ato amin’ity Fiangonana ity, rehefa hitantaran’ireo katekomena ireo hoe : « ao aminay anie ry Pasitera e, i anona efa marary efa hatramin’ny anona hatramin’izao araka ny ahafantaran’i Pasitera azy, dia efa noteteziny daholo na dokotera, na izay gasy sy dadarabe mpanao an’izao ». Ry havana o, tsy hidiranao any an-danitra izany e. Tsy hidiranao any an-danitra izany e ; hantenao ny tsorakazo sy ny tehin’ilay Mpiandry tsara izay manatrika anao. Ary fantatro koa fa mbola be dia be ato mpandala fomba malagasy eo anatrehan’ny fahafatesana hoe : aza manao an’izao, aza manao an’izao e, aza manao an’izao : tsy hiaro anao amin’ny fahafatesana izany, fa Andriamanitra no mi-programmé izany andro ahafatesanao sy ny minitra ahafatesanao ry havana o. Fa io fombafomba gasinao io, hampiditra anao any amin’ny helo io.

Andao ary isika ry havana hihaino an’izany hira hoe : « Jehovah no Mpiandry ahy », dia tena handinika tokoa isika hoe manatrika antsika Izy, fa isika ve manantena ny tsorakazony  sy ny tehiny ?

Ny olona mahafantatra fa manatrika azy ny Tompony dia mahafantatra fa ny amin’ny fiainany, izay momba ny fiainany rehetra, dia fitahiana avy amin’izany Tompony manatrika Azy izany. Ka tsy afaka ao am-bavany izany hoe fisaorana, fisaorana, fisaorana Azy izany. Ny hira manaraka eo dia avy amin’ny Salamo 103. Andeha hiarahantsika mamaky ny Salamo103 : 1-5 : « Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindrampo sy fiantrana anao, Izay mahavoky soa ny vavanao ». Ry havana o, manatrika antsika ny Tompo ; raha manatrika marina Azy isika, dia misaotra Azy, manana Fanahy mahafantatra fa eo Izy, ary manana Fanahy, izany hoe any anaty lalintsika any mihitsy no tena hoe velom-pisaorana an’i Jesoa noho ny fanatrehany antsika ry havana o. Ary tsy tokony ho manana fahataperana ilay fisaorana satria maro tsy tambo isaina e, sahaza an’izany fitiavana hitiavany antsika izany, izany fitahiana arotsany amintsika izany ry havana o. Fa izao : ny zavatra ampianarin’ny mpanao Salamo, ny zavatra ampianarin’i Davida antsika dia hoe : jereo tsara, misy laharam-pahamehana ny fitahiana, ary misy laharam-pahamerana ny fisaorana, ho an’ny olona izay mahafantatra marina fa Jesoa no Kristy ; ny zavatra omeny antsika voalohany, ary isaorana Azy voalohany, ary tokony atao antom-bavaka voalohany, and.3, dia ny inona ? Ny famelana ny heloka. Izany aloa no isaorako an’i Jesosy hoy ny Mpanao Salamo, ary rehefa avy eo, vao mivavaka aho ho amin’ny aretina. Inona no soa ho azonao raha salama tsy marofy ianao, nefa mitoetra anaty fahotana, mitoetra antin’ny heloka ? Dia rehefa avy mangataka famelan-keloka, afaka mangataka fanasitranana, afaka mangataka fiarovana ho an’ny ainao, dia hoe, farany : mitady sakafo ho an’ny nofonao.

Andeha isika ry havana o, angataka amin’ny Tompo, Izy manatrika antsika, hoe : « Ampahatsiahivo ahy mandrakariva Tompo o, izay fitahiana arotsakao amin’ny fiainako, ny lehibe sy ny kely, tsy fantatro akory ; ary omeo ahy ny laharam-pahamehana dia ny hangataka isan’andro isan’andro, voalohany indrindra, ny famindram-ponao hamelanao ny heloko.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ary ho antsika Fiangonana ny fahasoavany. Amena        

image_pdfPDF