ALAHADY 28 APR 2019

image_pdfPDF

Misy hevi-dehibe telo indray ho tadidiantsiaka amin’ity Alahady faran’ny volana ity. Mba rehefa tonga any amin’ny tokantrano tsirairay isika ka hanontany hoe inona no hafatra, dia tadidinao e, hafatra anankitelo ilay izy. Ny voalohany dia hoe : Andeha hatoky ny Tompo fa mahay ny zavatra rehetra Izy. Ny faharoa : Andeha hiala amin’ny fahotana ka hiaina fiainam-baovao. Ary ny fahatelo farany : Andeha hanao asa tsara amin’ny fahamarinana. Ny perikopa rejetea novakiana tamintsika tamin’ity maraina ity nanambara izany avokoa.

Avadibadio ary ny Baibolinao ao amin’ny filazantsaran’i Jaona efa novakiana tamintsika hatreny am-boalohany, efa nitondrana fanazavana ; Jaona 21. Hojerentsika ao anatin’io indrindra ny hoe : ANDEHA HATOKY NY TOMPO FA MAHAY NY ZAVATRA REHETRA IZY.

Tantara efa haintsika rehetra, fa handeha ho verenina fintinina vetivety. Ny mpianatra eo, Simona Petera eo amin’ny ranomasin’i Galilia, ranomasin’i Tiberiasy moa no ilazana azy eto, satria nisy emperora anankiray, Tiberiasy ny anarany, dia ny ranomasin’i Galilia nanjary natao hoe ranomasin’i Tiberiasy. Nandeha ny mpianatra ; Simona Petera nitarika azy hoe andeha hanarato isika, 7 lahy araka ny voambara teo. Dia haintsika ny zavatra niseho : nandritra ny alina, efa mazava ratsy ny andro, mbola tsy nahazo n’inon’inona ihany. Ny mpandinika, mpanao hevi-teny dia mamakafaka hoe fa naninona moa izy ireto no nandeha niverina nanarato indray ? Niraviravi-tanana ve satria tsy teo ny Tompo ; dia hoe tamin’i Jesoa ilay maty an, tena niraviravi-tanana ny mpianatra. Fa efa nanomboka nisy aina vaovao ihany tany anatin’izy ireo, tamin’ilay hoe nitsangana tamin’ny maty ny Tompo ; fa mbola tsy hitany, aiza moa izany Jesoa nitsangana ? Aiza moa izany izao no mety ahitana Azy ? Mbola tsy nandray ny Fanahy Masina rahateo izy ireo, ka ambaran’ny mpanao hevi-teny hoe mety noana koa, « andao handeha hanarato aza » ; ary dia io eny Jesoa mipetraka eo amoron’ny ranomasina, mitsangana eo amoron’ny ranomasina. Tsy fantatry ry zareo hoe Jesoa io an. Fa mety ataon’izy ireo hoe mpanjono za-draharaha angaha, na efa teknisiana mahay satria efa hadiva maraina ny andro dia nanontany izy io, ao anie mba jereo kely ilay fanontaniana e, eo amin’ny and.5, inona no voasoratra eo ? « Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va hianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia ». Dia nandeha ny toro-hevitra : izao ary e : alatsaho eo amin’ilay ankavanana indray ary. Tsy nandà izy ireo satria tonga dia nahatoky izy hoe teknisiana mahay ve izany ity, ry zareo rahateo koa efa reraka. Nalatsaka, dia haintsika ny tohiny : navesatra. Ilay mpianatra tian’ny Tompo indrindra voalaza eo, Jaona io, no milaza hoe f’angaha moa tsy ny Tompo iry ? Angaha tsy i Jesoa iry ? Nasalotr’i Petera indray ny fitafiany dia las aizy nihazakazaka namonjy an’i Jesoa. Fa rehefa namonjy an’i Jesoa izy dia gaga : inona ny zavatra nisy teo amoron’ny ranomasina ? Nisy afon’arina. Nandrehitra afo ve izany Jesoa ? Nisy sakafo teo. Dia nilaza taminy hoe ; andana kely, ampio kely koa ilay hazandrano ireto amin’ilay azonareo. Dia niverina indray Petera, dia firy ny isan’ny trondro lehibe hoy ny voalaza ao ? 153. Dia iny indray Jesoa mbola nametra-panontaniana indray, andao indray anie jerena e, and.12, ahoana indray no voalazan’i Jesoa ao ? « Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo ». Nasain’i Jesoa hisakafo izany izy. Izay ilay tantara. Inona no hevitr’izay ? Dia izao aloa e : Jesoa mihitsy izany eto no mandray an-tanana ny mpianany an. Fantany ilay hoe : « Anaka, manan-kanina va hianareo? ». Ny tena hevitry ny teny fototra teny am-piandohana dia hoe : ry sakaiza. Fantany fa efa noana izy ireo, tsy nahazo hanina akory satria niasa hatramin’ny marain’ny andro. Fa Izy mihitsy no mandray an-tanana mivantana manontany : noana moa ianareo e ? Tsy ampiampy moa e ? Dia avy eo, Izy mihitsy no manasa ny mpianatra hoe andao ary hiara-hisakafo e !

Zava-mahagaga 4 ry havako no hitantsika ao anatin’io fanoharana fohy io. Andao anie tanisaina e, inona ilay 4 : voalohany aloa dia izao : efa tsy nahazo hazandrano hatramin’ny nandritra ny alina anie izy ireo e. dia omen’i Jesoa toro-hevitra, eo amin’ny ankavanana. Iny eny nahazo trondro maro be. Zava-mahagaga iray izay. Zava-mahagaga faharoa : ilay harato anie kely e, hoy ny voalazan’izy ireo hoe :   « Raha vao niakatra teo an-tanety izy, dia nahita afon’ arina teo sy hazandrano » ary dia hoe « tsy triatra ny harato ». Harato kely anie ilay izy e. Raha mihindrana ny fitenin’ny zana-bazaha kely izany isika : impossible anie ilay zavatra mitranga eo e ! Harato kely fa trondro lehibe. Faritany mihitsy hoe 153 ; fa tsy rovitra ny harato. Ary ankoatr’izay, roa izany izay : ny nahazoana an’ilay hazandrano, ny isany dia, tsy rovitra akory ity harato ; fa ankoatr’izay : Jesoa ka. Zava-mahagaga anie e : Jesoa maty, nitsangana tamin’ny maty, fisehoana fanintelony ity hoe ny voalaza eo, taorian’ny nisehoany tamin’i Maria, ireo andiam-behivavy, Simona Petera. Eto izany izao, ireto mpianatra ireto. Eto izany izao Jesoa, matoatoa ve iny. An an an, tsy matoatoa iny an. Jesoa Kristy velona iny mifanena tampoka iny an. Zava-mahagaga izay, iza no nandeha naka kitay ? Sa nitondra charbon avy aiza ? Misy afon’arina mirehitra avy hatrany, dia Jesoa no niteny hoe : manasa hisakafo.

Ry havako, mahay ny zavatra rehetra ny Andriamanintsika e. Tamin’ny heriny isika nankalaza hoe naharesy ny zavatra mety sarotra indrindra amin’ny zanak’olombelona Izy, dia ny fahafatesana, ka maika ve ireny zavatra madinidinika amin’ny fiainana ireny e ! Eto izany izao, vitany anie ny miantoka ny sakafon’ny mpianatra, nandeha indrindra nampahery azy ireo mba tsy hisalasala, tsy hiraviravi-tanana hoe dia aiza ny Tompo e ? Ary asehon’ny Tompo fa Izy koa dia miantoka, tsy ny ara-panahy ihany, fa ny ara-noo indrindra indrindra koa. Ao mantsy ilay mieritreritra hoe ny Fanahy ihany. Fa ny ara-nofo mihitsy anie no iantohan’i Jesoa Kristy e. Raisiny an-tanana mivantana ny mpianatra eto. Ahoana no fampiarana an’izay ? Ny fampiarana azy izany dia tsotra : andeha hanao antso avo amintsika, aoka isika hatoky ny Tompo hoe inona daholo ny olana ara-piainana maro samihafa aminao any amin’ny fiainanao any ? Inona no mahatonga anao misalasala indraindray, fa mahay ny zavatra rehetra ani ilay Andriamanitra inoanao e. Tsisy zavatra izay tsy hainy ; ny olana fotsiny : ianao tsy mahatoky indraindray, ianao mivadibadika indraindray ; ka rehefa misy ny olana goavana ka miteny hoe « andao aloa entina am-bavaka », dia misy tezitra : « ahoana no efa izao no olana no mbola lazainareo fa vavaka e ? Mba réaliste tsara, mba mitombona tsara fa izao ve ny olana dia vavaka no iatrehinareo azy». Mampatsiahy ny Tompo : n’inon’inona olana eritreretinao, ny Andriamanitra inoanao anie mahay ny zavatra rehetra e.

Namaky tany amina boky, nahita boky fanazavana, tsy tadidiko ilay lohateniny, indray andro aho : tantara kely ilay izy ho an’ny mpianatra, fa hitako hoe ahazoana lesoan lehibe amin’izany : nisy ankizilahy kely hoy izy andeha hilalao. Rehefa hilalao izy dia nahita vato be. Dia nitomany izy. Dia lasa izy aloa : « nahoana moa no misy vato be ohatran’izao manakana ahy. Andraso, inona no ataoko : atosiko ». Nanosika izy, fa kely ny heriny dia tsy nety nihetsika ilay vato. « Andraso indray ary e : ihanihina ! ». Dia nihanika indray izy, dia nibolisatra. Dia hoy izy : « inona indray ? Andraso antsoina daholo ny namana atsy ambadika atsy : Lita a, Koto a, ampio kely aho fa jereo, misy vato ity, dadany izao efa hiteny amiko hoe modia amin’izay aho ». Natao daholo ny hevitra reheta, natsimbadika : tezitra ny namany : « an an an, ialahy koa, ela be. Aleo izahay handeha hody. Rehefa avy eo koa izao izahay tsy afaka handeha hilalao intsony ». Dia nitomany izy. Rehefa nitomany mafy izy, tonga ny dadany, dia nahita azy : « inona ilay mampitomany ? ». « Ity vato ity Dada a, efa ho antsoin’i Dada aho, natosiko izy ity, nihaniako ». « Nampiasan’ialahe ve ny fomba rehetra ? ». « Ka izany efa lazaiko an’i Dada izany ». « Nisy anankiray letsy tsy nampiasaina an ». Dia lasa ilay dadany nanosika an’ilay vato. Dia hoy izy : « hay moa izay no voalohany tokony nataoko aloa : niantso an’i Dada satria kay moa Dada mahery. Za miandry rery mampiasa ny fomba rehetra eto.» Dia hoy ilay dadany : « izay mihitsy, izay no tokony nataon’ise voalohany ».

Ry havako malala, ry Dorkasy malala, dia hoy isika hoe ny zavatra voalohany, ny lesona voalohany horaisintsika amin’ity maraina ity dia izao, hoe : samia matoky ny Tompo, mahay ny zavatra rehetra Izy io. Mety ho lany andro ianao hitady paik’ady etsy sy ery, adinonao ny tena vahaolana voalohany, ilay Jesoa Kristy mahay ny zavatra rehetra e. Matokia Azy hoy aho, fa tsy misy zavatra izay tsy hain’Andriamanitra atao.

Fa inona indray ary ny faharoa ? Raha izay ny voalohany, aoka hatoky ny Tompo fa mahay ny zavatra rehetra ny Andriamanitsika, andao indray, avadibadio kely indray ilay Baibolintsika teo any amin’ny Romana 6. Inona moa ilay hevitra faharoa hojerentsika izao ? AOKA HIALA AMIN’NY FAHOTANA KA HIAINA FIAINAM-BAOVAO. Andao ary vakiana e. Ny Apostoly Paoly no manoratra ny ao amin’ny bokin’ny Romana io, andao vakiantsika kely. Vakiantsika ny and.1, dia vakiantsika ny and.4, inona no voalaza ao ? « Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao ». Inona no voalaza ao ? Tsy manaiky mihitsy ny Apostoly Paoly, voalaza ny fahasoavan’Andriamanitra. Fa isika ve izany hoy izy dia hitombo hanao mpanota, hitombo ihany ny ota satria hoe misy ny fahasoavan’Andriamanitra ? Dia tohizana ao, efa maty ny amin’ny ota anie isika e, izay hoe tokony ho maty ny ao anatintsika fa tsy tokony ho velona amin’ny ota intsony isika. Dia mbola faranany : tamin’ny batisa, niaraka maty tamin’i Kristy, dia rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy, hoy izy, dia ho amin’ny voninahitra indray, dia voalahatra handeha amin’ny fiainam-baovao. Ahoana no dikan’izany ? Ny dikan’izany anie dia izao e : tsy manaiky izany ny Apostoly Paoly, fa izao : rehefa nitsangana Kristy, dia ianao koa efa olona nandresy, hatramin’ny ota aza, ka mila hita miavaka hoe ry izany an, ianao mbola tsy tao amin’i Jesoa Kristy, etsy kosa, ianao efa hiaina fiainam-baovao. Andao tonga dia haka fampiarana avy hatrany, fa tsy hijanona ela amin’ny hevitry ny teny. Raha izay izany no ambarany, dia izao hoe tokony ho samy hafa izany ny fiainana taloha fony mbola tsy nitsangana amin’ny maty Jesoa Kristy, sy nandray an’i Jesoa. Jesoa tsinona tsy ohatran’ny tantara rehetra, betsaka anie ny andriamanitra inoan’ny olona e, haintsika izao hoe i … dia tena nahare be mihitsy izy e. Vao teraka izy, ilay zaza teraka iny tonga dia nitsambikina teny amin’ny latabatra niterahan’ny reniny azy, dia nanenjika daholo ny olona rehetra : nankaiza ilay zaza vao teraka teo ? Nankaiza ilay zaza ? Dia nataon’ny olona Andriamanitra izy. Zava-mahagaha foana no natao. Fa ny mampiavaka ny Andriamanintsika, naninona ny antsika ? Nitsangana tamin’ny maty. Tsisy intsony hoe andao jereo ny fasany fa ao Izy, foana ny fasana. Dia hoy ny Apostoly Paoly hoe rehefa tahaka an’izay, nitsangana tamin’ny maty Jesoa Kristy, ianao koa, mandresy ny ota fa efa olom-baovao ao Aminy indray. Miverina amin’ny andalan-teny izany isika manao hoe : raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha ka indrao tonga vaovao ireo. Andao tena haka pratique mihitsy. Ny tena tadiavin’ny Soratra Masina izany, ilay hoe : mialà amin’ny fahotana hiaina amin’ny fiainam-baovao. Raha mpangalatra izany ianao taloha, dia tokony ahoana indray izany ianao ankehitriny ? Tsy mangalatra intsony an ! Raha ohatra ianao izany ka mpijangajanga taloha, rehefa naandray an’i Jesoa Kristy izany ianao, dia tsy tokony ho amin’izay. Tsy fiapangana akory izany ry havana sanatria, tsy fiapangana, fa antso avo ho amin’ny fibebahana, hoe hatramin’izay nandraisanao an’i Jesoa Kristy izay an, tokony ho vavolombelona ianao, miala amin’ny ota, fiainam-baovao, ho hitan’ireo tsy kristiana fa babon’i Kristy tanteraka ianao, dia efa hitanao mihitsy hoe ilay fiainako anie efa tsy ilay fiainako taloha intsony e, fa raha izaho taloha ve no lazaiko anareo… Fa efa izaho fiainam-baovao izao. Izay ilay hoe hazony ny famonjena, tsy havotsotra ny famonjena, andao hiala amin’ny ota ho fiainam-baovao.

Dia niresaka tamina mpanompon’Andriamanitra iray aho, dia hoy izy hoe théorie ihany anie, resaka ihany anie ity ilay hoe hiala amin’ny fahotana ity e ; fa rehefa ao am-piangonana, vonona tsara mihitsy : « ialalo daholo izany fahotako rehetra izany », fa rehefa mivoaka avy ao, tena sarotra ny manatanteraka azy. Marina ny voalazan’ilay mpanompon’Andriamanitra, sarotra tokoa ; fa misy tsiambaratelo any izany ahatonga anao ho tafala amin’ilay fahotana ka tena afaka hiazona ilay famonjena, hoe voavonjy ianao, fiainam-baovao no iainanao. Dia andeha anie, hanao fizarana fohy aminareo aho :  tamin’ny taona nalefan’ny tao amin’ny toera-panomanana ho mpitandrina aho tany Fiji. Fiji an, misy nosy efa ho 300 any. Fa nosy anankiray amin’ireo 300 ireo no nandehananay. Rehefa tonga izahay, tamin’izany mbola mpianatra mpitandrina, mpianatra mpitandrina maromaro dia ingahy lehibe iray izay no nandray anay. Dia tongasoa hoy izy, rapitso maraina rehefa maneno ny lokolosy dia mifoha. Mifampijery daholo izahay : izay izany ny fandraisana antsika, maneno ny lakolosy, mifoha. Dia hoy ilay namanay iray : andao tsy hiadiana hevitra e, rehefa maneno ny lokolosy dia mifoha izany. Dia hoy ny anankiray hoe : koa raha tsy rentsika dia ahoana ? Tonga tokoa ny maraina, hay ry zareo tsy manana an’ilay lakolosy akory satria ambanivohitra, tsy manana an’ilay cloche akory fa hazo no kapohina tamin’ny tendrombohitra dia manakoako eran’ilay vohitra sy tanànà. Tsy te hiteny mivantana ilay rangahy, fa kay ny tiany notenenina dia izao : rehefa maneno ny lakolosy dia mifohaza mivavaka satria nifoha daholo ny tao an-tokantrano. Ary ny renim-pianakaviana, amin’ilay fikarakarana sakafo moa izany, dia efa nifoha aloaloa. Izahay moa izany nipetraka, nivahiny anaty tokantranon’olona. Ny an-dry zareo izany aty amin’ny toerana fandraisam-bahiny, tsihy ; fa ny lakozia indray ny azy no ara-dalana : misy cuisinière à gaz, frigidaire, inona daholo ? Fa ny azy ny eo amin’ny salon dia miara miondrika eo mivavaka. Alefa amin’izay ary ilay vavaka : « Dia mosaotra anao zahay Andriamanitra o, tahio dadanay tahio ny asany ho ambininao, omenao hery sy tanjaka sy fahasalamana, dia arovy amin’ny vehivavy jejo indray androany tontolo andro ». Izay izany ny azy ny fomba hoe hampirindra ilay fiainan-tokantranony, mivavaka isan’andro isan’andro ohatran’izay izany. Dia nandeha indray : « Dia tahio… » Fa hatramin’ny zazakely hoy aho nentina am-bavaka daholo. Dia amin’izay ny entina am-bavaka : « tahio ny fianarany rahatrizay, tahio ny vadiny rahatrizay ». Dia mihomehy, fa rehefa tafahoana izahay dia hoe aty ange ambanivohitra e, aiza koa no hisy fotoana hivavahana ohatran’iny isan’andro isan’andro, hahay na inona na inona intsony ! Ary jereo ity izy, hoe entina am-bavaka daholo hatramin’izay zavatra rehetra. Fa nivadika fotoana maro taty aoriana, nizara loka iny océan pacifique iny isaky ny 2 taona, ilay firenena kely nisy anay no voalohany indrindra tao anatiny. Dia hoy ilay namanay : « Koa isan’andro ve akia ny lakolosy maneno foana, entina am-bavaka, koa tsy handaitra ve io vavaka tsy mitsahatra io ! Ahoana izy no tsy ho voalohany indrindra, jereo ny vavaka atao ao ». Fa teny an-dalana teny, izay amin’ny andavan’andro izany, misy 2 vavy mifamaly : ianao, ianao ; teny anglisy moa izany ilay hifamaliana ; tsisy sahy niteny izahay. Tonga ny ampitso, samy niandriandry, inona no hiseho : dia niteny ilay anankiray voalohany : « izaho aloa rahavavy dia mifona mihitsy an, tamin’ilay zavatra noteneniko omaly iny, tsy tokony niteny anao an’iny mihitsy aho, tsy haiko izay nahatonga ahy hiteny ohatran’ireny fa dia mifona re ». Ny anankiray koa, ny anankiray tsy niteny hoe : «  izay mihitsy no efa nandrasako, ianao mifona ». Fa hoy koa izy : « rehefa tena nodinihina, izaho ary anie no tena fototr’ilay izy e, mifona rahavavy ». Mifampijery izahay : jereo izy, amin’ny maha fiainana ny fiainana, misy ny ady ihany, misy ny fifamaliana ihany, fa noho ilay vavaka tanterahina isan’andro, miasa ny Fanahy Masina hoy aho ; ny dikan’ny hoe miady mantsy dia hoe izaho diso fa ianao marina ; fa eto dia izao, samy diso honoizany ry zareo. Hafa mihitsy. Ka eo izany isika mbola amin’ilay hoe hiala amin’ny ota ho amin’ny fiainam-baovao. Eo indray izany dia tena tsy vita mihitsy ilay fiainam-baovao raha tsy voky, voky inona ry havana ? Voky vavaka e. Ka ny devoly koa anie hoy aho tsy tamana rehefa voky vavaka loatra. Dia amin’izay fotoana izay, tanteraka io, efa olom-baovao ianareo, ao amin’i Kristy ianareo ; tsy ianao no nanao azy, fa ilay Fanahy Masina mitoetra ao anatinao, amin’ilay vavaka asandratra foana : miova ho azy ilay toetra, fa tsy ianao no nandrafitra azy. Nataon’ilay rahavavy anankiray hoe, io moa ilay malaza hoe ny lehilahy, naorin’Andriamanitra i Adama tamin’ny fao tany, fa ny vehivavy kosa avy amin’inona ? Avy amin’ny taolan-tehezan’i Adama ; izany hoe ny vehivavy izany dia avy amin’ny taolany. Ka raha vao manambady vehivavy aloa izany, dia tsy maintsy mikorintsana foana, tsy maintsy misy fitenenana foana. Dia ny rahavavy koa manao joe : izaho aloa tsy mijanona mihitsy rehefa misy zavatra raha tsy ataoko lava be mihitsy ny teny ambarako, amin’izay afaka tsara ny foko. Fa marary fo daholo anefa ny manodidina rehefa avy eo. Dia hoe : tsy izany intsony ianao, fa hoy ianao hoe : raha izaho taloha izay, fony izaho tsy tao amin’i Kristy an, tsy amelako ny ahy raha tsy afaka tsara ny foko ; fa izaho tao amin’i Jesoa ve : tsy ny akanjoko ihany no vaovao, ny voloko novaiko, ny kiraroko sy ny rehetra, fa ny foko mihitsy no efa lasan’i Jesoa Kristy, efa olom-baovao aho e.

Hafatra faharoa ry rahavavy o, inona ilay hafatra faharoa e ? ANDAO HIALA AMIN’NY FAHOTANA, HANANA FIAINAM-BAOVAO. Fa tsy ho an’ny Dorkasy ihany, fa ho antsika rehetra koa : tsy maintsy misy fijerena kely ao izany, tsy afaka manamarin-tena izany fa tsy maintsy mijery : inona avy ary no mbola ota mahatonga an’Andriamanitra alahelo ahy ? Indraindray tsy fantatro akory izy io fa mahatonga an’Andriamanitra halahelo amin’ny fiainako : ny toetrako ve sa inona ? Havaoziko isan’andro, vaovao isa-maraina ny famindram-ponao : ialako ireny toetrako ireny ; tsy izaho no manao azy, fa Jesoa mitoetra ato anatiko.

Andeha haingakaingana jerentsika ny hevitra fahatelo farany. Inona moa izy izay ? ANDEHA HANAO ASA TSARA AMIN’NY FAHAMARINANA. Avadibadio indray any amin’ny Salamo 82 nojerentsika teo. Tsy hiverenantsika hovakiana intsony ilay izy, fa resaka mpitsara aloa no tena misy ao e, resaka mpitsara tsy marina. Tezitra be ny mpanao Salamo eto, Salamo nataon’i Asafa : mandra-pahoviana ianareo hoy izy, vao tena hoe hanao ny zavatra rehetra amin’ny fahamarinana ? Dia lazainy ao : nareo anie mbola ho faty ihany e ; lazainy mihitsy hoe mety ho ratsy anie ny fiafaran’ny fiainana amin’io e. Fa eny an-tenantenany eny izy an, nanjary niteny kely hoe, voalazany ao, tandremo hoy izy, and.3-4 : « Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo ». Izany hoe ny olona eto amin’ny mpiara-monina, tena kamboty, malahelo, tena hiandanian’ny Soratra Masina mihitsy hoe tsy Jesoa Kristy tamin’ny androny ihany, fa hatramin’ny bokin’ny Testamenta taloha, no efa miandany amin’ny kamboty sy ny mpitondra tena ny Soratra Masina. Ary ireny no ampitandremany hoe : tandremo an, sao dia manao zavatra tsy marina eo amin’ny fitsarana, ka lasa latsaka ny amin’ireny indray an, fa Izy miandany amin’ireny. Raha tohizana ihany izany dia tahaka ny resaka asa soa izany no jerena eto hoe : tandremo an, tsy maintsy mitsinjo ireny kamboty sy mpitondra tena ireny ianareo an. Tsy maintsy mandeha amin’ny fahamarinana ianareo an.

Alahadin’ny TOPAZA indrindra ity andro ity, toera-pamonjena zaza, ery Ambohimitsimbona. Fa andeha hijery ny Dorkasy isika : iza moa ny sampana eo anivon’ny Fiangonana ka tena mitsinjo ireny, manao asa soa tsy mitsahatra amin’ireny karazan’olona ireny ? Dia mety hiteny ianareo hoe ny anay eto Isotry Fitiavana, ny anay manao daholo ka. Fa izany hoe hiteny manokana ny Dorkasy moa isika satria izy ireo izany no tena mpanohana indrindra raha eo anivon’ny foibe Fjkm. Manohana ny sampana rehetra, fa ry zareo izany tena mandray an-tanana mivantana mihitsy ireny mahantra, kamboty ireny. Hamangy hono ny dorkasy, ny dorkasy ao amin’ny Fiangonana an’anona hono dia hiaraka ho tonga hamangy satria Krismasy, Paska ny andro ery amin’ny TOPAZA. Dia hoy izahay hoe herezo rahavavy an ! Fa ny antsika mantsy Jesoa Kristy tsy misy hoe tena hita vatana ka hoe nifanena tamiko tatsy ambany tatsy Jesoa ; fa ny antsika, maniraka olona izy hiasa ary ireny olona ireny no nasainy niandany indrindra amin’ireny mahantra, malahelon’ny Tompo ireny, dia hoy izahay hoe : tohizo ny asa soa. Indraindray mety efa reradreraka ihany ny any an-tokantrano any dia mbola misy ihany hoe adidy ohatran’izao hono, dia karazany ohatran’izao. Fa ahoana ny filazan’ny Soratra Masina ? Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. Tsy mahazo reraka izany, fa mandeha manao asa tsara, mandeha manao asa soa araky ny karazany avy ; fa ao ambadik’izay, atao amin’ny fahamarinana ilay izy. Jodasy anie indray andro e, tezitra ihany izy tamin’ilay ramatoa andeha hanosotra ny tongotr’i Jesoa tamin’ilay menaka, ilay tamin’ny volon-dohany. Dia hoy izy : io izao, efa ohatrinona ny vidin’iny menaka manitra iny, raha iny izao no nanampiana ny kamboty sy ny mpitondratena, angaha tsy efa nahavitana betsaka. Ohatrany hoe tiany ery izany ny kamboty sy ny mpitondra tena ; fa tsy izay ilay izy : misy tetikady hafa ao ambadika ao, tsy amin’ny fahamarinana hoe andeha hanampy izy, fa tsy fahamarinana loatra no tao an-tsainy. Fa ianao kosa dia taomina : rahavavy, havaozy ny fanoloran-tena ; efa nataonay izany hoe ary avaozinay amin’ity andro ity, mbola ataonay foana ny asa soa. Fa tsy ho anareo ihany, fa ho antsika rehetra koa, manatrika an’izao fanompoam-pivavahana izao : isika an, isika kristiana, ny mampiavaka antsika, sambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Dia lasa ianao, raha mbola misy azon’ny tananao atao koa dia manao asa soa ianao satria misaotra an’Andriamanitra ireny olona ireny, dia ny fitahian’Andriamanitra averiny aminao.

Fa mialohan’ny hamaranako ry havana dia izao : misaotra manokana ny FJKM Isotry Fitiavana aho ; ny Oniversite Ravelojaona izany an, dia mahatsiaro indrindra tohananareo. Amin’ny fomba ahoana ? Misy zanaka mpitandrina maromaro ao ; Ary ny mpitandrina amin’ny ankapobeny, raha fantatsika ny amin’ny fivelomana azony, indrindra raha any amin’ny toerana lavitra, any amin’ny dezaka hoy isika, tsy manana izay hanohizan’ireny zanany ireny, ny hidiran’ireny zanany ireny mianatra akory, hanohizany ny taom-pianarana. Fa ianareo eto Isotry Fitiavana, dia mamatsy manokana ny zanaka Mpitandrina ; rehefa nanontany aho hoe amin’ny fomba ahoana, amin’ny fahafolon-karena hono izy io, entinareo manohana ireny, ka zanaka mpitandrina maro no afaka manohy ny taom-pianarany ao anatin’ireny. Izahay manokana dia faly satria misy amin’izy ireny mianatra amin’ny toerana hafa, fa ny anay moa, ilay mahafaly anay, ilay hoe zanaka Mpitandrina mifidy ny Sekolin’ny Fiangonana ; fitaovana mivantana ianareo tompoko o, ao anatin’izany. Ary raha mbola izahay aza no hidongy, dia mbola ataonay ny fitarainana indray izao : hay izy ireo lazaina hoe Mpitandrina, hay izy ireo lazaina hoe katekista delege any ambanivohitra be ireny ; dia hoya ho hoe tsia tompoko. Ny mpitandrina aloa ankehitriny an dia hoy izahay hoe, rehefa kelikely, ahoana moa rehefa vita izao, sao mba azo tohizana any ; dia mety hiteny ianareo ho aleo indray ho an’ny Fiangonana hafa izany Pasitera an. Manonona ny fiadanan’Andriamanitra tompoko amin’ny fahafoizanareo ao anatin’izany ; fa raisinay satria amin’ny ankapobeany ny oniversity dia tokony ao anatin’izay izany an, tokony ohatrany hoe manao fandaminana manokana ho an’ny mpitandrina. Mbola tsy zakany anefa izany ankehitriny, mbola azo lazaina hoe kely ny saram-pianarana mihohatra amin’ny oniversity hafa ; tsy afaka izany hoe ny zanaka Pasitera rehetra tsy mandoa, efa misy zanaka Pasitera efa ho 50, dia atao ahoana moa ny tsy ampandoavana azy ireo ? Fa ianare indrindra, mandray an-tanana izany. Mankasitraka indrindra tompoko ; Fa lazainay anareo, ny oniversity izany tsy araka ilay ilazantsika azy hoe ka an’ny Fiangonana dia tsotsotra e ; Tamin’ny herintaona, nisy fifaninanana natao hidirana mpiasam-panjakana. Ny oniversity Ravelojaona Sampana Fahasalamana tompoko no voalohany indrindra teto Madagasikara. Fa maninona no hoe rehefa an’ny Fiangonana dia tsy maintsy ho kely foana e ? Tsia : misy zava-mahagaga ao anatin’ireny. Dia hoy izahay hoe misaotra amin’ny fanohananareo, mankasitraka an, ary dia tononina ny fiadanan’ny Tompo ; mbola atao ihany hoe : raha mbola misy, tohizo hatrany.

Ry havako malala, hamarana izao fampianarana izao ary isika. Hazony ny famonjen’ny Tompo no jerentsika. Hevitra 3 hiazonanao ilay famonjen’ny Tompo izay : efa voavonjy ianao fa mila hazoninao hatrany izany sao dia tonga ny farany ka tsy voavonjy. Inona ny hevitra 3 nojerentsika tamin’ity maraina ity ry havako ? Inona ilay voalohany teo ? Andeha hatoky ny Tompo fa mahay ny zavatra rehetra izy e ! Inona ny faharoa ? Andeha hiala amin’ny fahotana dia hanana fiainam-baovao. Inona ny fahatelo farany ? Andeha hanao asa tsara amin’ny fahamarinana. Amena

image_pdfPDF