ALAHADY 26 SEP 2021

Lioka 12. Ny hafatry ny tompo ho antsika ry havana androany 26 Septembre 2021 dia hoe : AOKA IANAO HO SITRAK’I JESOA. ATAOVY TANJON’NY FIAINANAO IZANY HOE HO SITRAK’I JESOA IZANY.

Mijery anareo tanora aho, inoana fa maro aminareo no ho lasa paramed, lasa dokotera, lasa ingénieur, lasa an’izao sy izao sy izao… Angamba ato amintsika ato no ipoiran’izany filoham-pirenena manaraka izany any aoriana any an ; raha programan’Andriamanitra izany : programan’Andriamanitra. Fa maty antoka ianareo raha tanteraka izany programan’asa sy fianarana izany an, nefa tsy sitrak’i Jesoa. Ataovy tanjom-piainana ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, izany hoe ho sitrak’i Jesoa izany.

Nandinika ny batisan’i Jesoa isika herinandro vitsivitsy izay, raha anomboka ny asany tety an-tany Izy. Dia ny teny avy any an-danitra hoe : «  Ity no Zanako malala Izay sitrako ». Ny version Segond dia hoe : « en qui je prends plaisir ». Rehefa jerena indray ny Segond amin’ilay any amin’ny 1 Kor.10 :5 any hoe  naringan’Andriamanitra izy satria tsy sitrany, satria tsy «agréable » amin’Andriamanitra. Izany io hoe : katsaho izay hoe ho  sitrak’Andriamanitra ianao. Firesantsika ihany, fomba fitenintsika ihany ny hoe : namonjy fivoriana tatsy, namonjy lanonana tary, dia miresaka olona eo isika, dia hoe : « i anona kosa akia mba mahafinaritra an ». Izay io. Katsaho ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, ny ho sitrak’Andriamanitra, ny hahafinaritra an’Andriamanitra, ny ho agréable amin’Andriamanitra, ny hananan’Andriamanitra plaisir rehefa mijery anao. Fa rehefa tsy izay ny tanjon’ny fiainanao : mamita-tena ianao satria faharinganana no miandry anao.

Andao ary jerena ny Fahamarinana 1 omena an’izay olona hoe mitady an’izany ho sitrak’i Jesoa izany. Lioka 12 :49-51 : « Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady ? Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany! Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana ». NY OLONA RY HAVANA, IZAY MITADY IZAY HO SITRAK’I JESOA, DIA MAHALALA VOALOHANY DIA VOALOHANY INDRINDRA FA NY NAHATONGAVAN’I JESOA TETY AN-TANY AN, DIA TONGA IZY HANIPY AFO.

TONGA IZY HANIPY AFO. Mahavariana ry havana ilay and.50. Vao teo isika no notenenina hoe : ilay nanaovana batisa an’i Jesoa dia fanamarihana ny fanombohany ny asa ny tety an-tany. Dia maninona indray no miteny eto amin’ny and.50 hoe : « Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany! » ? Satria rehefa akapoka ny Baiboly, dia ny fahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana dia oharina amina batisa anankiray hafa, karazany hafa izany. Raha tiantsika izany, dia : natao batisa indroa Jesoa : tao amin’ny onin’ny Jordana, batisa nataon’i Jaona taminy ; teo amin’ny hazo fijaliana dia mbola natao batisa ihany koa Izy ry havana. Fa rehefa jerena ity texte ity an, ilay batisa teo amin’ny hazo fijaliana : tsy fandrombohana Azy anaty rano intsony, fa fandrombohana an’i Jesoa anaty afo. Fandrombohana an’i Jesoa anaty afo ry havana ô. Izay ilay batisa notanterahany teo amin’ny hazo fijaliana : fandrombohana Azy anaty afo. Ary izany no mahatonga Azy tena hoe : « manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany! ». Satria atao batisa anaty fahoriana Izy, atao batisa anaty afo Izy. Dia inona ny zavatra mitranga rehefa atao batisa anaty afo Izy ? Toy ny manjary lelafo mirehitra Izy. Io no lazain’ny Malakia hoe toy ny afo Izy, afon’ny mpandrendrika. Toy ny lelafo Izy. Dia iny lelafo iny manao ahoana ? Iny ilay hoe atsipiny ety ambonin’ny tany. Jesoa ilay nitondra afo, na ilay lelafo atsipy ety ambonin’ny tany ry havana ô. Ary dia izay mandray Azy dia mandray an’izany afo izany. Izay ilay izy. Fa maninona no zava-dehibe ary mampiavaka an’i Jesoa ry havana ity ilay hoe natao batisa tao amin’ny afo ? Izay ilay tadidio an, tsangan-kevitra : natao batisa teo amin’ny afo Izy teo amin’ny hazofijaliana ; dia atsipiny iny afo iny ; ary izay mandray azy, dia mazava be hoe afo manadio io. Afo manadio. Izay ange ilay hoe izaho sy ianao mpanota e. Fa mora am-pitenenana izany hevitra amin’ny ankapobeany izany. Fa mila anipazana an’io afo io isika anadiovana antsika ry havana ô, andevonana izay fatorana mbola mamatotra antsika. Ary raha tsy mandray an’io afo io ianao, ka n’inon’inona finoanao, n’inon’inona engagement-nao aty am-piangonana, nefa tsy nandray an’io afo io hanadio anao ianao : tsy sitrak’Andriamanitra ianao ry havana ô, tsy sitrak’Andriamanitra ianao ; ary dia faharinganana no miandry anao. Fa io afo io : manadio ; io afo atsipin’i Jesoa io : manadio ; io afon atsipin’i Jesoa io : mandevona an’izay maloto ; ary farany, farany tena farany : afo mampirehitra izy io. Mampirehitra ny fitiavanao Azy, afo mampiheritra ny fitiavanao ny namanao, afo mampirehitra ny fanahinao hiredaredam-pitiavana ho an’Andriamanitra, mba ho fantatrao amin’izay izany hoe « inona marina izany relation personnelle vetivetesin’i Pasitera sy ny hafa izany eny amin’ny pilopitra, izaho tsy mba manana an’izany e ?

Raiso io afo io ry havana ô, raiso io afo io dia hiresaredam-pitiavana ho an’i Jesoa amin’izay. Afo haninona ? Afo hanadio ny fonao ; ka rehefa voadio ny fonao, dia izay ianao vao mba ho hita hoe : toka-po, toka-po ho an’i Jesosy ianao ry havana ô. Dia sitrana ianao satria nandray an’izany afo izany nanadio ary nampirehitra fitiavana miredareda, mampirehitra izany hoe « fitiavanao voalohany » ho Azy izany, ary mampiverina anao amin’izany « fitiavanao voalohany » ho Azy izany.

Mariho kely ny hatsaran’ilay hira fanevan’ny Jobilin’i Pasitera : be dia be, na ny Pasitera aza tsy mahatakatra an’izany, rehefa mihaino azy mitoriteny ianao, ilay tenin’ny Apostoly Jaona ao amin’ny Aokalypsy 2 : miverena amin’ny fitiavaNAO voalohany. Tsy miteny mihitsy hoe miverena amin’ny fitiavana voalohany. Supposé isika Fiangonana fa efa mba nanana an’izany fitiavana voalohany izany, dia tenenina hoe : miverena amin’izany re ianao e.

Izay ny Fahamarinana 1 ho an’ny olona izay te ho sitrak’i Jesoa, mahafantatra momba an’i Jesoa ; mazava tsara ao an-tsainy manomboka androany, hoe: oay, hay izay izany : TONGA IZY HANIPY AFO HANADIOVANA AHY SY HAMPIREHITRA NY FITIAVAKO AZY HO FITIAVANA VOALOHANY.

Ny Fahamarinana 2 dia izao, andao iarahantsika mamaky Lioka 12 :51-53 : « Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana. Fa hatramin’ izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo. Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy ».  Inona indray ny Fahamarinana ambara amintsika te ho sitrak’i Jesoa ry havana, te ho agréable amin’i Jesoa ? FANTARO FA TONGA JESOA HANOME FAMPISARAHANA.

FANTARO FA TONGA JESOA HANOME FAMPISARAHANA. Averintsika indray fa sao misy manao hoe : «  odry, inona ary izany toritenin’i Pasitera izany ? » And.51 : «Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana ». Ahoana moa ry havana no mahatonga an’izany ? Rehefa tonga Jesoa, ka nitoriteny Izy, iny toriteny iny an, manolotra ho anao safidy, dia tsy maintsy misafidy ianao. Dia ilay safidy io an : mampisaraka. Izay ilay izy. Tsotra be ohatran’izany ilay izy.

Misy izany izao eto an, manapa-kevitra hoe : « tena marina tokoa izany ary tena misaotra ny Tompo aho ny amin’izany teny hoe mila mandray an’io afo io aho. Misy indray eto, tsy mampihontsina azy izany teny izany. Automatiquement misaraka ireo olona ireo. Misaraka ireo e. Ara-panahy : karazana olona samihafa ireo ry havana. Ilay mandray ny afon’i Jesoa hanadio sy hanafaka azy sy  ilay hoe : « an an an, izaho efa mpiandry, izaho efa diakona, izaho efa loholona sy ny karazany ». Faharinganana no miandry ireo ry havana. Faharinganana no miandy anao an. Mazava ilay teny. Ary izao : tsy vitan’ny hoe misaraka, sahala amin’ny hoe misaraka sokajy ; fa ilay sokajy faharoa, ilay tsy nisafidy ny ho diovina : manenjika, fatra-panakina an’ilay nanao safidy hanaraka ny Tompo sy hitondra ny hazo fijaliana. Automatiquement misaraka e. Fa rehefa miteny ny Soratra Masina : « mifankatiava ianareo tahaka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy » : tsy mi-concerne azy roa izany an. Fa ilay ato (ireo nisafidy ny ho diovina) kosa teneniny hoe : « mifankatiava ianareo ireo ». Ireto (ireo tsy nisafidy ny ho diovina) de toute façon efa hankahala anareo : ao ireo. Fa efa misaraka ianareo : fa ianareo ato no afarako tsara hoe : mifankatiava.

Ary mba hampahazava tsara an’ilay fampisarahana, dia hoe : na ao amin’ny ankohonana anankiray aza hoy Jesoa eo amin’ny and.53 io e, raha misy olona 5 : Papa, Maman dia zanaka 3 ; ao ange dia efa hita izany e. Marina iray reny ireo zanaka, iray ray, marina fa manana fihavanana ; fa Jesoa miteraka fisarahana ao amin’ny ankohonana. Tena hoe halan’izao tontolo izao ry havana ô, izany hoe mandroso lalina ao amin’i Jesoa izany. Halan’izao tontolo izao izany hoe mandroso ho disciple, ho mpianany izany. Halany izany. Ary dia soa fa Jesoa no manome exemple hoe : ny ray, hoy Izy, hanohitra ny zanany, ny zanany hanohitra ny rainy ; ny reny hanohitra ny zanany vavy, ny zanany vavy hanohitra ny reniny ; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinanto vavy, ny vinanto vavy hanohitra. Izay ilay fampisarahana. Aza gaga amin’izany ry havana. Aza gaga amin’izany. Fa zavatra tsy azo ialana izany. Tsy azo ialana izany.

Nahafinaritra ry havana, fandinihan’ny teolojiana sy mpandinika tantaram-piangonana : isaky ny tonga any amin’ny toerana iray Paoly Apostoly, mikorontana ilay Fiangonana. Isaky ny tonga any amin’ny Fiangonana iray Paoly Apostoly, mikorontana ilay Fiangonana. Satria mitory teny amin’ny jiosy eo izy, dia misy manaraka, misy tsy manaraka ; ary matetika ireo tsy manaraka mandeha mitora-bato azy, mampikorontana an’ilay Fiangonana. Fa rehefa lasa i Paoly, izay vao milamina ilay Fiangonana. Fa izay ilay toriteny : mampisaraka ilay toriteny ry havana ô.

TONGA HITONDRA FAMPISARAHANA. Fa ny irariana ho antsika dia ato amin’ilay nandray Azy, fa tsy ato amin’ilay mialangalana na misozy.

Io ange ry havana, rehefa dinihina ilay fiainana kristiana e : raha vao tsy ao amin’i Kristy ianao e : aza manantena fihavanana marina izany ; na eo amin’ny mpivady ary. Porofon’izany : mpivady mifampitaritarika any amin’ny tribonaly :tonga ho azy ilay fampisarahana na ilay fisarahana, na dia tsy antony ara-pivavahana aza : tonga foana ilay fisarahana.

Nahafinaritra ilay ohatra nomena mpanompon’Andriamanitra anankiray izay. Ohatran’ny triangle hoy izy, ohatran’ny triangle ny fifandraisan’ny olombelona sy Andriamanitra ; ilay triangle : aty amin’ny lohan’ilay triangle, ao ambony ao Jesoa ; dia eo ireo côtés-ny triangle, dia eo ilay base-ny. Raha resaka fanambadiana : Jesoa ery amin’ny lohan’ilay triangle, ny lehilahy eo amin’ny côté iray ary ny vehivavy eo amin’ny côté iray. Ianao mieritreritra hoe ny fifandraisana akaiky indrindra dia ilay lehilahy-vehivavy ; mety ho marina izany : io no lalana akaiky indrindra, io no fifandraisana akaiky indrindra ; mety ho marina izany ; fa misy fotoana io an : goragora. Fantatsika izany. Misy fotoana io an : mikorontana. Misy fotoana io an : tapaka tsotra izao. Izay ilay divorce. Fa ny fifandraisana tena matotra, ny fihavanana tena mafy orina, dia ao amin’i Jesoa. Inona no dikan’izany ry havana ? Raha tena hoe te hihavana marina, fa tsy mikorontana (tsy miady), raha tena te hanana fihavanana marina sy mateza tsy mety ho rava ny lehilahy anankiray sy vehivavy anankiray, na meilleurs amis izany ohatra ; fa fanambadiana no resahina: tsy maintsy samy manatona an’i Jesoa, na miara-manatona an’i Jesoa, peu importe. Fa ilay lehilahy manatona an’i Jesoa, ilay vehivavy manatona an’i Jesoa, dia ao amin’i Jesoa izy no tena miray ry havana ô. Izany io. Fa amnofy atoandro ianao raha hoe : tsy mila an’i Jesoa ianao, fa hoe : an an an, izahay tena mifankatia sy ny karazany.

Izay izany ilay Fahamarinana 2 ry havana, hoe : FANTARO FA JESOA TONGA HANOME FAMPISARAHANA – MAMPISARAKA IZAY MANDRAY AN’ILAY AFO SY IZAY TSY MANDRAY AN’ILAY AFO. Tena misaraka ireo. Ary faharoa manarakarak’izay : FANTARO FA RAHA TE HANORINA FIHAVANANA MARINA IANAO, MARI-POTOTRA IANAO, TSY MISY AFA-TSY NY HANORENANA AN’IZANY FIHAVANANA IZANY AO AMIN’I JESOA KRISTY.

1 Korintiana 10 : « Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’ i Mosesy tao amin’ ny rahona sy ny ranomasina, ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra ».

Ilay Fahamarinana 3 ho anao izay mitady izany hoe fiainana, toetra sitrak’i Jesoa izany, dia : FANTARO MAZAVA MANOMBOKA ANIO FA MANARAKA ANAO HATRAIZA HATRAIZA JESOA.

Manaraka anao. Aza tafintohina ry havana, fa izay no lazain’ny Soratra hoe : manaraka Izy, manaraka. Mi-suivre Izy. Zatra isika hoe : meteza ho tarihin’i Jesoa ; eny e, izany no izy. Fa eto izany, mba misy hoe endrika anankiray anazavana amintsika izany hoe fiarahan-dalana amin’i Jesoa izany : FANTARO FA MANARAKA ANAO MANDRAKARIVA JESOA ry havana ô. Fantaro fa manaraka anao mandrakariva Izy.

Ilay Fahamarinana 1 dia hoe : JESOA TONGA HANIPY AFO.  Faharoa : JESOA TONGA HANOME FAMPISARAHANA. Ary Fahamarinana 3 : JESOA MANARAKA ANTSIKA HATRAIZA HATRAIZA.

Manova fiainana ry havana ny fahafantarana hoe : manaraka, miaraka amiko izany Izy e. Tsy foiny aho izany e. Tsy irery mihitsy aho izany na inona na inona circonstance. Ary izay no lazain’ny Apostoly Paoly eto amin’ny and. 4, hoe : « ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany ». Maninona ary ry havana, maninona no mba hoe niaraka taminy ihany Kristy hatramin’izany hatramin’izany, nefa mbola ny niafaran’ireto : ringana ihany ? Naninona ireto zanak’Isiraely ireto no toloran’Andriamanitra fitahiana tsy manam-paharoa hatramin’izay nanafahany azy avy tany Egypta ? Maninona no ringana tamin’ny fandringanana goavam-be ? Nahoana ? Ary izany no tian’ny Tompo atao ho fananarana antsika ry havana, mba tsy hifaly fotsiny isika isan’andro hoe : « misaotra Anao izahay Jehovah an, ary tsy manadino ny fitahianao anay rehetra izahay », nefa faharinganana, faharinganana no iafarana.

Ireto zanak’Isiraely ireto an, araka ny nolazain’ny Soratra Masina teo, dia hoe : nafahan’Andriamanitra avy tany Egypta ; izy afaka tany Egypta : teo ambanin’ny rahona izy. Ny rahona ry havana ô, milaza hoe : « io Izaho Andriamanitra momba anareo ». Isika angamba hoe tsy mahafantatra an’izany, fa izay ilay toriteny teto e : isaky ny mahita rahona ianao manombok’izao, tsarovy ilay fomban’Andriamanitra tamin’ny Zanak’Isiraely : io rahona io milaza ny fanatrehan’Andriamanitra e. Izy rehetra dia natao batisa tamin’izany, natao batisa ho an’i Mosesy. Inona no natao batisa tamin’i Mosesy ? Tena hoe nampiraisina fo, nampiraisina fanahy tamin’i Mosesy, izay nomen’Andriamanitra hitarika azy avy any Egypta ho any Kanana, ary nametraka an’i Mosesy ho mpitarika. Ary izany rehetra izany dia mamboly confiance avy amin’ny zanak’Isiraely ho an’i Mosesy. Izay no dikan’ny hoe natao batisa ho an’i Mosesy. Azo adinoina io.

Dia, any an’efitra, and.3 hoe : izy rehetra ; izy rehetra an ; nihinana ny fihinam-panahy. Raha appliqué-na amintsika izany dia hoe izy rehetra samy nandray ny fanasan’ny Tompo ; ilay fihinam-panahy ilay mofo avy any an-danitra ry havana ô. Izay ilay izy. Fa manao parenthèses kely aho : ianao rehefa tsy mihinana ny mofo avy any an-danitra an, ianao tsy mihinana ny mana isan’andro an, tsy mihinana voa tsara nafafy an, tsy mihinana mofon’aina an : an an an, vizana ara-panahy ianao. Efa mankany amin’ny fandringanana ry havana. « Ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany » : ilay vatolampy mamoaka rano tany an’efitra io izany an : tandindon’i Kristy io ry havana ô. « Izy rehetra ». And.5 : «Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra ». Sanatria an’izany ve ry havana ô, mijery antsika ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : « izy rehetra ao Isotry Fitiavana dia efa vita batisa ary mpandray ny fanasan’ny Tompo nefa ny ankabeazany dia tsy sitrak’Andriamanitra fa naringana tany an’efitra ». Anjarantsika ny mieritreritra ry havana ô. Sambatra ianao raha mandinika momba ny tenanao, hoe : raha misy tsy sitrak’Andriamanitra izany amin’izao maraina izao, sûr aho fa tsy ny tenako izany ; satria izaho izao sy izao sy izao… Efa nandray an’ilay afo aho, ary izaho amin’ilay fampisarahana : ato amin’ilay catégorie ato aho, fa tsy ato amin’ilay catégorie ato. Sambatra ianao ry havana ô. Sambatra ianao.

Fa naninona ary, naninona no tsy sitrak’Andriamanitra ? Faran’izay tsotra ny valiny ry havana ô, anankiroa ny valiny :

- Ny valiny voalohany dia izao, ary izay ilay fo tsy voadio izay, izay ilay fanahy tsy mireha-pitiavana, maniry fifandraisana velona amin’Andriamanitra : tsy nahay nisaotra, tsy nahay nankasitraka tamin’ny fitahiana rehetra narotsak’Andriamanitra taminy ny Zanak’Isiraely. Ohatran’ny enfants gâtés, ohatran’ny enfants pourris. Be dia be ny kristiana ohatran’izany ry havana ô. Tamin’ny 5mn teo hoe : mba mianara Sekoly Alahady, manaova katekomena, mamakia Baiboly. Aty : « eny tompoko, eny tompoko ». Après tonga amin’ilay tenin’ny gasy hoe : « allez voir ». Izany e, izany ry havana. Ny lesona amin’io : mahaiza misaotra, mahaiza misaotra amin’ny fitahiana ; misy izany e. Ary ny fisaoranao mameno ny fonao sy ny vavanao hanaisotra izay mety ho fimonomononana amin’ny tsy araka ny sitraponao sy anampoizanao azy sy ny fahoriana mety réel. Satria Jesosy miteny hoe : eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana. Mianara misaotra. Mianara mitombo amin’ny fisaorana e. Izany ny hafatra. Ho anao izany. Ho anao izany. Mianara mitombo amin’ny fisaorana. Izay ny valin-teny anankiray ny amin’ny hoe fa maninona ireto no ringana, tsy sitrak’Andriamanitra ? Zaza ratsy taiza tsy mahay misaotra. Izany ireto Zanak’Isiraely ireto. Ary natao ao ambany masontsika ireo anio maraina atao hoe fananarana ho antsika ry havana ô.

- Ny antony faharoa, sady famaranana, ao amin’ny 1Cor 10 ihany. Inona ny zavatra nitranga and.7 ? « Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin’ ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao ». Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao. Ianao ry havana ô, rehefa tsy mampiseho amin’Andriamanitra na amin’i Jesoa hoe : 1. Fantatrao Izy ; 2. Ary fantatrao Izy fa velona, nanipy afo Izy dia mandray an’ilay afo ; tonga Izy hitondra fampisarahana dia hoe ianao atsy ; 3. Dia misaotra ianao ny amin’ny fitahiany. Rehefa tsy manao an’izany fahamarinana 3 izany ianao : automatiquement ianao lasa mpanompo sampy. Automatiquement ianao lasa mpanompo sampy ry havana ô. Inona ilay sampy eto ? Tsy ny mankary amin’ilay doany ohatran’izao an, tsy ny mankary amin’i Dadarabe ; tsy izay no resahina eto. Inona no resahina eto ? Ilay vahoaka lasa nipetraka hihinana sy hisotro dia nitsangana hilalao. Atakalonao ny revinao Andriamanitra. Ary latsaka any amin’ny revy ianao. Mifona aho miteny an’izany, fa tiako hazava ilay izy : lasa mpanompo sampy ianao : ny mameno ny fiainanao tsy ilay Andriamanitra velona nanome anao fitahiana hatrany Egypta ry havana ô, fa revy, revy, revy, revy. Mahafatra-po aty ianao, fa hitan’ny olona ary ianao mirevy. Mpiandry ohatran’izao ianao fa tsy mahala an’i Jesoa velona ianao : hitana’ny olona ary ianao ohatran’izao. Mpanompo sampy ianao ; Izay atakalonao an’ilay Andriamanitra velona = sampy. Lalao, ary lalao ratsy satria ao anatin’ny tontolon’ny fihinanana sy ny fisotroana, fimamoana. Ary automatiquement, automatiquement ve, efa tsy lavitra ao ny fijangajangana. Izany no nahatonga an’ireto Zanak’Isiraeky ireto ho ringana ny ankabiazany.

Ilay lalao eto ry havana, ilay hoe : « Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao ». Efa nolazaiko teto ity zavatra ity : ilay lalao eto, dia hoe : « se divertir ». Tsisy maharatsy an’ilay « divertir », hoe : « divertissement », rehefa tsy ao anatin’ny tontolon’ny fimamoana ilay izy. Izay anankiray izay. Ary na izaho na ianareo namaky ihany, entre parenthèses an, fa rehefa ao anatin’izany tontolon’ny lalao ratsy izany : mihinana sy misotro ; ao ihany koa ny teny ratsy variraraka. Tena mahavarina : miteny zavatra tsotra, tsy maintsy asiana teny ratsy, teny vetaveta. Mahavariana. Izay io.

Dia ilay hoe : « pour se divertir » ; nahafinaritra ny teny-na teolojiana anankiray izay : ilay divertir, hoy izy, nanome an’ilay « divertissement » ary tena ilaina ilay hoe indraindray miasa be ianao, mianatra be ianao dia ilaina « divertissement ». Fa ilay divertir, hoy izy, dia nanome ihany koa ilay voambolana teny frantsay hoe : « diversion ». Izany hoe manao « diversion » izany an : mahatonga aano hanadino zavatra tena izy. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra io : ilay « divertissement » izany lasa indraindray, rehefa tafahoatra ilay izy, anaty tontolo ratsy, mahatonga anao hanadino an’Andriamanitra velona, mahatonga anao hanadino fa ao aloha ao misy fahafatesana, mahatonga anao hanadino, manao diversion hoe ao ambadiky ny fahafatesana ange ka misy fitsarana e.

Izay ry havana ny hafatra ho antsika, izay ny hafatra ho antsika : KATSAHO IZANY HOE HO SITRAK’ANDRIAMANITRA IZANY. KATSAHO IZANY HOE HO AGREABLE, HO MAHAFINARITRA AN’ANDRIAMANITRA IZANY E. Izany ny hafatra ho antsika. Ary ho anareo izay mikatsaka an’izany, satria araka izany teny izany, tsy 100% amintsika no hikatsaka an’izany amin’izao maraina izao ; fa ho anareo izay mikatsaka an’izany : ny Tompo Malala hiasa ao aminareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka an’izany sitrapony izany ka ho voninahitr’Andriamanitra Raintsika ny fisiantsika.

Amen.