Ao amin’ny 2 Korintiana 4 :18 no hakantsika ny hafatra amin’izao maraina izao ry havana : « Raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay ».
Misy fahamarinana volamena ry havana izay ampianarin’ny Apostoly Paoly antsika amin’izao andro anio izao. MIsy lesona volamena eto e. Dia fintinina amin’ny hoe : MIANARA MIJERY NY TSY HITA MASO. Manazava ny antony izy : ny hita maso manko dia vetivety, mandalo, temporaire. Fa ny tsy hitan’ny masontsika no maharitra mandrakizay. Ary izao no izy manko ry havana : raha tsy mizatra mijery ny tsy hita maso isika, fa hijery, hizatra hijery ny hita maso, dia isika koa tsy haharitra mandrakizay. Ary izany no itenenan’ny Apostoly Paoly hoe : MIANARA E, MIANARA MIJERY NY TSY HITA MASO.
Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : FANTARO FA MISY NY ZAVATRA TSY HITA MASO
Rehefa mijery an’ity Epistily faharoa ho an’ny Korintiana ity isika ry havana, raha jerena any amin’ny toko 11 any an, dia ohatrany mitantara ny fiainany ny Apostoly Paoly. Ohatrany, hoy izy ilay mpitoriteny anankiray izay, hoe : mamaky an’io 2 Korintiana 11 io ianao dia ohatrany hoe « diarin’ny fiainan’ny Apostoly Paoly, diarin’ny fanompoany », hitantarany ny zavatra hita maso, dia fizahan-toetra, fahoriana hita maso, nefa nandalo. Izay aloa ilay lazaina hoe ny zavatra hita maso ange dia mandalo e. Fa niaretany izany zavatra hita maso izany satria misy zavatra tsy hitan’ny maso izay ninoany sy nantenainy, ary tony hitany, dia ilay satroboninahitra fahamarinana, ilay satroboninahitra fiainana. Ny zavatra hita maso ? Ny fizahan-toetra lazain’ny Apostoly Paoly ? Hoy izy hoe : « Indimy aho no nokapohin’ ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin’ ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ ny lalina… saiky nahita loza tamin’ ny ony, saiky nahita loza tamin’ ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ ny rahalahy sandoka aho ». Manatombo aho hoy Paoly, ny amin’ny fisasarana, ny amin’ny trano-maizina, ny amin’ny kapoka. Fa izao : mitantara an’izany i Paoly, dia hoe : zavatra mandalo izany, zavatra vetivety izany. Ary izany no nahatonga azy eto amin’ity Toko 4 perikopantsika ity, hoe : nisy fotoana izy voageja manodidina nefa tsy tery. Satria mieritreritra an’ilay satroboninahitra tsy hita maso ry havana ô. Nisy fotoana izy very hevitra, nefa tsy namoy fo, satria mahita an’ilay Tompo tsy hita maso, izay naniraka azy izy.
Maro amintsika ry havana amin’izao fotoana izao, noho ny toe-javatra iainantsika, no tena hoe marina ara-bakiteny aminy izany hoe voageja manodidina izany. Miteny aminao ny Tompo : tolotra io hibanjinanao ny zavatra tsy hita maso e. Misy amintsika izao hiteny hoe : very hevitra noho izao antony izao, na noho izao antony izao, tena very hevitra, tena mahatsiaro tapi-dalàn-kaleha. Fa hamoy fo ianao, hamoy fo ianao raha tsy mianatra mibanjina ny zavatra tsy hita maso ry havana ô. Isika moa, ato Isotry Fitiavana, apiarina ao an-tokantrano sy ao amin’ny ankohonana foana ny tenin’Andriamanitra. Mahatsiaro aho ny tantaran’ity mpianatra Sekoly Alahady kely ity, ankizivavy 10taona sa 12taona. Avy nivavaka izy, rehefa avy nianatra Sekoly Alahady, amin’ny Fiangonan-dehibe ohatran’izao, dia mandeha mosy ao amin’ny trano bongo kely, 20metatra carré ilay trano, 12 izy ao amin’izany trano 20metatra carré izany. Dia ahoana no ataon-dry hoy Pasitera ? « An an an, tsy ataoky mahakivy izany Pasitera an. Raha ny marina, tsy 12 izahay no ao an-trano, fa 13 izahay no ao amin’io trano io miaraka amin’i Jesosy ». Ilay Jesoa izay tsy hita maso ry havana ô. MIANARA, MIANARA MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO E. Fa io fahorianao io, n’inon’inona vaikany : fahoriana mandalo io hoy ny Tompo. Fa izao : rehefa mijery ny fiainanao ianao, ohatran’i Paoly, dia tokony hisy fahoriana nandalo. Avy eo an, « eto amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana » hoy ny Tompo : fahoriana miampy fahoriana ilay fiainana ry havana ô.
Fa izao : rehefa mijery isika hoe : ny zavatra hita maso dia mandalo ; teo moa izany dia zavatra hita maso manana endrika fizahan-toetra e ; fa misy zavatra ihany koa ry havana, izay heverina hoe « positif » izany hita maso : mandalo ihany koa izany e, mandalo ihany koa izany. Ny zavatra rehetra hitan’ny maso, na ny ratsy, na tsy tsara, dia mandalo avokoa ry havana ô, mandalo avokoa. Samy mahafantatra olona isika ry havana, tamin’ny fahatanorany : tanora tomady, tanora bikàna,tanora salama. Mahita azy amin’izao fahanterany izao : osa, intelligent taloha, tratran’ny fanadinoana ; « izy kosa aloa efa mahazo taona ihany, sady efa hita osa e ». Mandalo izany ry havana ô, mandalo. Io hatsaran-tarehy hikohizantsika mianakavy io ; mandalo io, mandalo io.
Tamin’ny fahatanoranay ry havana, nalaza be izany hoe Brigitte Bardot izany, nalaza eran-tany izany. Tsisy lehilahy tsy adala tamin’izany. Mbola velona any i Brigitte Bardot, asa na efa 90taona latsaka kely ; mijery azy ianao an, ity ve ilay tsara tarehy kely iny ? Horera be zao, horera zao. Mandalo ny zavatra hita maso ry havana ô, mandalo.
Io lazanao io, io laza mahafatifaty anao io, io lazanao io, mety nalaza vetivety ianao ; fa andeha atao hoe nalaza ianao hatramin’ny fara-fofon’ainao. Ry havana ô, rehefa tonga ao am-pasana ianao, azoko antoka mihitsy, fa tsy ho renao izay tehaka nahafatifaty anao sy nenjehinao nandritra ny fahavelomanao teto amin’izao tany izao e. Na ny zavatra tsara aza, dia mandalo. Tsy misy zavatra hita maso ka maharitra ry havana ô. Fa nahafinaritra ahy ny tenin’ilay mpitoriteny anankiray momba an’io, dia izao: raha te hianatra ianao hoy izy hijery ny zaavtra tsy hita maso, dia izao : ny zavatra rehetra eto an-tany dia raiso ho tandindona, raiso ho singa, raiso ho symbole-ny zavatra any an-danitra. Izany hoe tsy hijery an’ilay izy amin’izao hita maso izao, fa hoe ampahatsiaro anao ny any an-danitra. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra io : manomboka izao ianao, manomboka izao ianao, rehefa mijery an’io habakabaka io, mifoha maraina ianao faly : « oay, manga be ilay lanitra ! » Dia angataho amin’ny Tompo hoe : « Ampio aho hiteny hoe : waouh ; fa ampio aho hijery ao ambonin’io habakabaka io, ilay lanitra izay tany be hasambarana nomaninao ho lovako. Izay, hoe : symbole ny zavatra ety an-tany. Rehefa mahita volamena ianao, rehefa mahita volamena ianao, raiso io ho tandindona, raiso io ho symbole. Symbole-ny inona ? Ilay lalana volamena sy ilay kianja volamena any amin’ilay Jerosalema vaovao ry havana ô ; hampanembona anao, hampaniry anao an’izany Jerosalema vaovao izany io volamenanao io. Ary efa toriteny teto indray mandeha, hoe : misy lapa iandrasan’Andriamanitra antsika any an-danitra any. Ary n’inon’inona hatsaran’ny tranonao, na lapa be toa inona no ipetrahanao, ataovy ao an-tsainao hoe : tranon’akoho io rehefa oharina amin’ilay lapa miandry antsika any.
Izay ny fahamarinana 1, hoe : FANTARO E, FANTARO FA MISY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Ary ny zavatra hita maso rehetra, ny zavatra hita maso rehetra, dia mielina sy mandalo avokoa.
FANTARO FA MISY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Izay ny fahamarinana 1.
Ny Fahamarinana 2 dia hoe : MIZARA (MIZATRA) MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO
Mizatra ahoana aloa ?
- Mizatra amin’ny saina
Mizatra amin’ny saina ry havana ô. Ampiasao io sainao io hisainana an’izany hoe ; efa noresahina teo moa izany hoe satroboninahitry ny fiainana, satroboninahitry ny fahamarinana. Tsy maso anie izany e. Tsy hita maso izany. Sao dia rehefa eto ianao, anaty vatapaty eto ianao vao mieritreritra hoe ho tolorana an’izany satrononinahitra fiainana tsy nosaininao izany. Izay ilay izy ry havana. Mizara, zaro ny sainao hisaina izany atao hoe fahamarinana izany. Tsy hita maso anie izany fahamarinana izany e. Tsy hita maso anie izany hoe fihavanana amin’Andriamanitra izany e. Tsy hita maso anie izany hoe fanamarinana antsika izany e. Fa saino izany e. Izany ny zavatra tsy hita maso : AMPIASAO IO SAINAO IO HISAINA AN’IZANY ZAVATRA MANDRAKIZAY IZANY FA TSY HITAN’NY MASO.
Hoy isika hoe MIZARA MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Zaro ny Saina.
- Zaro ihany koa ry havana, zaro ihany koa ny fonao
Zaro koa ny fonao hijery ny tsy hita maso, ary hifikitra, hiraiki-pitia amin’ny zavatra tsy hita maso. Zaro ho amin’izany ny fonao ry havana ô. Hitanao ny tantaran’i Abrahama sy Lota, neveu-ny. Samy nipetraka tao Mamre izy, dia samy nitombo ny ondry, ny osiny. Dia hoe an an an, tena tsy possible intsony ity fa aleo isika mizara. Dia na dia hoe ray aman-drenin’i Lota aza, dadatoan’i Lota aza Abrahama, dia Abrahama niteny tamin’i Lota hoe : « fidio, fidio izay toerana tianao alaina ». Ary capable Abrahama manao an’izany ry havana ô, satria ny fon’i Abrahama dia efa misaina sy miraiki-pitia tamin’ilay tanàna tsy natao tanana ary tsy hita maso. Fa ny fon’i Lota dia eto amin’ny fitiavana an’izao tontolo izao. Ary logique be Lota raha nisafidy an’ilay tany lemak’i Jordana iny, sady azo tondrahana rano tsara, normal be. Satria te hampitombo ny harenany izy. Izay no hitan’ny maso. Ary ilay fony mbola eto amin’izao tontolo izao, ny fony mbola eto amin’ny harenany. Ary tsy nahoan’i Lota inona ry havana izany hoe noho ilay fisafidianany an’ilay tany lemak’i Jordana iny, dia voatery hipetraka tao Sodoma izy. Tsy problemany izany. Ny Soratra Masina anefa miteny hoe tsy nahazo aina ny fanahiny noho ny haratsian-toetran’ny olona tao Sodoma. Fa tsy ahoan’i Lota inona izany e. Izay ilay fontsika hoe mila mizatra mijery ny zavatra tsy hita maso, ary miraiki-pitia rehefa ela ny ela andinihina an’izany, amin’izany zavatra tsy hita maso izany ry havana ô. Ary jereo tsara ilay toetran’ilay olona manana fo variana amin’ny zavatra ety an-tany : nisy anjely nirahin’Andriamanitra hampandre an’i Lota hoe ho aringana Sodoma. Dia nampiantranoan’i Lota ireo anjely ireo. Dia ren’ny tao an-tanàna izany. Dia tonga tao amin’i Lota ny iray tanàna taminy, saika hoe hamono an’ilay vahinin’i Lota. Inona no nataon’i Lota ? Asa moa izay logique-n’izany : an an an, aza kasihinareo ireo, hoy izy, fa ireo no zanako vavy, hanarano fo amin’izay tianareo anaovana azy. Taty aoriana moa ry havana, dia tsy naninona fa narovan’ireo anjely ihany ny zanak’i Lota ; fa taty aoriana i Lota e, nandry niaraka tamin’ireo zanany vavy ireo. Tandremo ilay fo, zaro ilay fo amin’ny zavatra tsy hita maso. Ny vadin’i Lota, efa noraran’ny anjely : aza mierika, aza mitodika ; izay manko ilay hoe misy ilay maso na ilay fo tsy tokony hijery zavatra sasany. Ny vadin’i Lota ry havana, nitodika ohatran’izao, dia lasa vongan-tsira ; amin’ny teny frantsay izy hoe : « pétrifiée ». Maro ry havana ny olona mihaino eto izao, manana fo pétrifié satria tahaka an’i Lota, mbola fo mankamamy an’izao tontolo izao., tahaka ny vadin’i Lota mijery zavatra efa andraran’ny tenin’Andriamanitra. MIZARA E, MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Zaro ny sainao, zaro ny fonao.
Izao ange e : ny fontsika olombelona ry havana dia tsy mijery afa-tsy ny zavatra izay akaiky antsika, ny zavatra izay hitantsika maso. Ary ireo zavatra hitantsika isan’andro ireo, ireo ry havana no hoe manan-danja eo imasontsika. Izay ange no mahasarotra an’ity zavatra ity e. Ireo zavatra hitan’ny masontsika ireo, ireo ihany no manan-danja, fa izany lanitra izany, bof !
Tery am-piandohana ry havana, niteny moa isika hoe mielina avokoa ny zavatra rehetra. Dia mety misy olona izao eto mihaino an’izany dia manao hoe : « tsy hitan’i Pasitera ny compte en banque-ko fa miha-matevina, miha-matevina. Tsy hitan’i Pasitera izany ». Mampalahelo ianao ry havana ? Fa maninona ianao no mampalahelo ? Ny olona miteny an’izany hoe : « miha-matevina ny compte en banque-ko », ny andro-tokon’ny androny dia mijery ny relevé de compte-ny izay eo. Ary isan’andro dia hoe inona indray, hoatrinona indray, hoatrinona indray ? Ary izany fijerenao ny compte en banque-nao izay miha-matevina miha-matevina izany, manambara aminao aho ry havana ô, fa manajamba anao ary mampalahelo be ianao. Manajamba anao amin’ny zavatra tsy hita maso. ZARO NY MASONTSIKA E, ZARO NY SAINTSIKA E, ZARO NY FONTSIKA E, HIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO ANY AMBONY.
Ary ny ahafantaranao hoe efa manomboka mijery ny zavatra tsy hita maso ianao : misy fiantraikany hita maso izany ao amin’ny fiainanao:
- Voalohany indrindra, hoe : asehonao izany amin’ny fahafoizana ho an’Andriamanitra. Ary rehefa jerena ny Baiboly ry havana, ny chronologie-ny Baiboly, Genesisy 14, ny fahafoizana ho an’Andriamanitra misongadina eo dia ny fahafoizan’i Abrahama ho an’i Melkizedeka, fahafoizan’i Abrahama, izay kilasin’ny Soratra Masina hoe rain’ny mpino : nahafoy fahafolon-karena ho an’i Melkizedeka, izay tandindon’i Jesoa ry havana ô. Tsisy resaka lalàna jiosy izany. Tsisy resaka fomban’ny testamenta taloha izany : mbola tsy nisy lalàna tonga tao amin’ny Genesisy 14 Fa izany ny olona hoe mianatra mijery ny zavatra tsy hita maso, dia manao tahaka an’i Abrahama : mahafoy ny fahafolon’ny harenany.
- Ny zavatra faharoa ry havana anehoanao koa hoe efa tena mizatra mijery ny zavatra tsy hita maso ianao, dia ny fomba fitaizanao ny zanakao. Izahay ry havana tsy mba notezaina tamin’izany hoe mijery ny zavatra tsy hita maso. Tsy nampianarina an’izany ny ray aman-dreninay ary izahay tsy nampianariny an’izany. Fa isika tenenina hoe : ampianaro e, ary zaro amin’ny fijerena ny zavatra tsy hita maso ny zanatsika ry havana ô. Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : raha oharina amin’ny boky ny fiainantsika olombelona : ilay fiainana ety an-tany, ilay 70, ilay 80, ilay 100 ho an’ny sasany : karazana « préface » ; fa ny tena votoatim-boky an, ilay aorian’ny « préface ». Isika ray aman-dreny mitaiza ny zanatsika hanome lanja an’ilay préface-ny bokin’ny fiainany ry havana ô. Ary maty antoka isika ry havana ô, fa io diplaoma io, io fahaizana io, io asa io : mandalo io e. Tsy maharitra mandrakizay io e. Ary na hivelona eto 100 taona ianao aza, na hivelona eto 100 taona aza ianao ry havana ô, izany 100 taona izany dia toy ny indray mipi-maso eo anatrehan’ny mandrakizay.
Hitantsika teo izany, fahamarinana anankiroa, hoe : FANTARO FA MISY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. Hitantsika teo koa ny hoe : MIZARA MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO.
Ny fahamarinana farany ry havana eto am-pamaranana : HO AN’NY OLONA NILAZANA TENY AM-PIANDOHANA HOE : MIANARA MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO, ny fahamarinana 3 farany dia hoe : MIVERENA MAMAKY BAIBOLY – MIVERENA MANOKATRA BAIBOLY
Rehefa jerenao anie ry havana ny Baiboly e, rehefa jerenao ny testamenta vaovao indrindra indrindra ; ny testamenta vaovao dia miompana amin’i Jesoa Kristy. Tonga Jesoa Kristy hampiseho ho hita maso ny tsy hita maso, dia ilay Andriamanitra tsy hita maso izany. Izany no nahatongavan’i Jesoa ry havana ô. Ary matoa ianao ry havana ô, tsy mino ny fisian’ny zavatra tsy hita maso na tsy mahita ny zavatra tsy hita maso an, tsy manokatra Baiboly ianao. Izay ny tenin’ny Tompo aminao amin’izao anio izao : tonga Jesoa haneho ny fanjakany ; tena misy izany fanjakany izany. Tena misy lapa ary fitoerana nomaniny ho ahy sy ianao izay mino fa na tsy hitan’ny masoko aza izany amin’izao 26 Avril 2020 izao, dia tena misy izany. Ary omaniny ho ahy izany. Ary izany nge ry havana ô, no mission-ny Fiangonana voalohany e : mitaona ny olona ho amin’i Jesoa e, ary mitaona ny olona hamaky Baiboly e. Fa indraindray ny Fiangonana variana mampianatra izao zavatra rehetra izao, mba ho hita hoe Fiangonana maharaka ny fivoaran’izao tontolo izao, variana mampianatra zavatra be dia be ny Fiangonana afa-tsy izay zavatra atokana hoe hanampy ny olona hijery ny zavatra tsy hita maso : tsy Fiangonana ianao ry havana ô, ary rehefa tsy manampy ny olona ianao hibanjina ny tsy hita maso, tsy izao tontolo izao e, no hisolo toerana anao ka hanampy ny olona hiejry ny zavatra tsy hita maso. Kristy ry havana ô, Kristy tonga ampiseho antsika ny zavatra tsy hita maso, dia Andriamanitra sy ny fanjakany. Kristy tonga ampiseho amintsika malagasy fa misy zavatra ao ambadiky ny fasana e. Ary io odi-fahafatesana isan-karazany heverinao ho odi-fahafatesana io, no heverin’ny malagasy fa hanavotra anao ; fa Tompo Kristy hanazava mihitsy hoe misy zavatra tsy hita maso ao ambadiky ny fasana dia ny lanitra sy ny helo ry havana ô. MIVERENA E, MIVERENA MANOKATRA BAIBOLY. Araraoty izao confinement izao hamakiana Baiboly noho ny tamin’ny fiandohan’ny taona, hoe mbola milamina ny fiainam-pirenena, ny fiainana tety an-tany. MIVERENA MAMAKY BAIBOLY.
Ary faharoa : MIBEBAHA EO AM-PAMAKIANA BAIBOLY. Ekeo am-panetren-tena e, izao ota atoron’ny Tompo anao, isaky ny manokatra Baiboly ianao. Ekeo izay ota atoron’ny Tompo anao isaky ny manokatra Baiboly ianao. Izao manko ry havana : ny ota tsy hibebahanao, ary Isaia miteny an’izany, dia toy ny rahona, toy ny zavona manakona ny masonao tsy ahita ny zavatra tsy hita maso. Ny ota tsy hibebahanao dia toy ny rahona, toy ny zavona manamaizina ny masontsika ka tsy ahitantsika izany zavatra tsy hita maso izany. Dia inona ny zavatra mitranga ? Tsy mibebaka aho izany, misy rahona eo izany, dia rehefa ela ny ela, ilay natioran’ny olombelona tsy taitra intsony amin’izany. Tsy taitra intsony izy amin’izany e. Moa inona ny zavatra mitranga ? Izao tontolo izao miantso azy, mibitsika aminy isan’andro isan’andro : « za jerena e, za jerena e, za izao tontolo izao jerena e, ny programako jerena e, ny fahafinaretana omeko anao jerena e, ny fahatsaran’ny monument eto amiko eto jerena e », sy ny karazany sy ny karazany. Hoy izao tontolo izao hoe : « za jerena e, za jerena e ». Dia izao tontolo izao koa no mbola miteny aminao hoe : « ianao jerena e, ny tenanao jerena e ». Izany ange no mahatonga anao hanao selfie marain-tsy hariva io e : ianao, ny tenanao no jerenao, ny tenanao no mi-intéressé anao eto amin’izao tontolo izao. Fa takon’ny rahona ilay zavatra tsy hitan’ny maso ry havana ô. Mibebaha, mibebaha mandrakariva.
Mibebaha eo am-pamakiana Baiboly an. Ary farany : ANGATAHO NY FAHIRATAN-TSAINAN’NY FANAHY MASINA HIASA AO AM-PONAO, HIASA AO AN-TSAINAO ry havana ô.
Ny mandrakizay efa napetrak’Andriamanitra ao am-ponao raha namorona anao Izy e. Ary ilay olona ao anatintsika ao, dia tena hoe maniry fatratra an’izany mandrakizay izany, dia ilay mandrakizay tsy hitan’ny maso ry havana. Maniry fatratra izy e. Ary izany ange no tsy mampety ny fiainanao e, satria tsy mazava ohatran’izany ao an-tsainao hoe ny olona ao anatinao maniry an’izay mandrakizay izany. Fa tsy hitan’ny maso ilay izy dia very hevitra ianao. Isika olombelona raha hoe oharina amin’ny trondro dia izao : izany trondro izany dia hoe tokony hivelona any anaty rano. Nefa satria hoe tsy miezaka mibanjina ny zavatra tsy hita maso isika, dia izay ilay rano, dia ohatrany trondro mipetraka ety an-tanety, amin’ny rano marivo ry havana ô, dia maina ny fiainantsika, pôkaty ny fiainantsika, maty fanahy mbola velona isika. Miteny aminao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe : MIANARA AMIN’IZAY E, MIJERY NY ZAVATRA TSY HITA MASO. MIVERENA AO AMIN’NY TOMPONAO.
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.