ALAHADY 25 OKT 2020

Mitodika manokana amintsika lehilahy ry havana. Ho antsika lehilahy ity toriteny androany ity. Ny dikan’izany dia izao : eo izany ianareo vehivavy an, na ianareo vady, na ianareo zanaka, dia mpampatsiahy aminay lehilahy ilay toriteny ry havana ; ary faharoa, mpitondra am-bavaka anay vady, anay dada. Izay ry havana ô, izany ny finoana masina izany. Izao no hafatra ho antsika Fiangonana : INONA NO LAZAIN’NY ZANAKAO MOMBA ANAO RAINY ? INONA NO TANTARAINY ANY AMIN’NY NAMANY, TANORA NAMANY, NA EO AMIN’NY FIARAHA-MONINA MOMBA ANAO RAINY ? Izay ilay hafatra ry havana. Ary misaotra ny Tompo isika e, amin’izao volana andinihantsika ny finoana masina izao, hoe : misy tena fiantraikany ao amin’ny ankohonantsika izany.

Atombontsika ao amin’ny Isaia 7 izany. Andeha ange iarahantsika ny and.3-4 e : « Ary hoy Jehovah tamin’ Isaia: Mivoaha hianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’ i Ahaza eo amin’ ny faran’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, eo amin’ ny lalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba, ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana ». Misy an’ity lehilahy ity, zanak’i Isaia : Seara-jasoba izany. Inona ary no mba mety tantarain’i Seara-jasoba amin’ny namany momba an’i Isaia dadany ? Ity izany ilay ohatra anankiray ry havana ô. Ilay contexte : Ahaza, mpanjakan’ny Joda, aty Atsimo izany, tafihan’i Syrie, ilay Syrie amin’izao io + Isiraely, any amin’ny Avaratra izany. Syrie sy ny avaratra manao complot hanonganam-panjakana ato Joda ; fanonganam-panjakana ary fananganana adim-poko. Izany ilay situation. Matahotra Joda satria izy irery ; misy coalition ery manao angaredona aminy. Izany no tantarain’i Seara-jasoba amin’ny namany : « tadidiko ry reto an, tadidiko letsy an, tamin’ny andron’ny complot ireny, nirahin’i Jehovah i Isaia dadanay, dia niteny tamin’i Ahaza ; Aza matahotra. Faly aho manana dada itenenan’i Jehovah. Ary faly aho ny amin’ilay hafatra hoe ny olona manana finoana masina, na anaovan’ny fahavalo angaredona aza, dia tafatoetra, miantombona tsara. Hitako izany, hitan’ny masoko ny dadako nanao an’izany ». Mamy izany ry havana ô, mamy izany. « Ary mbola tadidiko ny teny nataon’i dadany tamin’i Ahaza mpanjaka hoe : mitandrema ka aza taitaitra foana, aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao. Ary tsy vitan’ny hoe hitako ny nampitan’i dadanay ilay hafatra avy amin’ny Tompo, fa ilay tenin’i Jehovah hoe : tsy hahomby, tsy ho tanteraka io fikomiana io ; izaho mihitsy no nanamarina an’izany e ». Ampianarinao ve ny zanakao fa velona Jehovah ? Ampianarinao ve ny zanakao fa hoe mahita ny problema ary mampahery Jehovah ary manatanteraka an’izay zavatra ambarany Jehovah? Izany ve ianao ry rahalahy malala ô ? Izany ve ianao ? Izany ve no tantarain’ny zanakao amin’ny namany e : « izaho indray l’ty, ny dadanay tsy mba hoatran’izao sy hoatran’izao an ; fa izaho niaraka taminy raha namita iraka nanirahan’i Jehovah azy izy ; ary teo no nahitako fa velona Jehovah ary momba ny mpanompony Izy ».

Ary ny teny farany, ery amin’ny and.9 ho fampieritreretana antsika ry havana, dia manao hoe : « Ary ny lohan’ i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan’ i Samaria dia ny zanak’ i Remalia. Raha tsy mety mino hianareo, Dia tsy ho tafatoetra ». Amin’ny teny frantsay izy hoe : « Si vous n’êtes pas fermes, vous ne serez pas affermis ». « Izaho, zanak’i Isaia, zanak’i dadanay, dia miteny aminareo, rehefa ny complot tamin’i Ahaza : minoa, matokia dia ho tafatoetra lisany ». Sambatra ny zanakao raha afaka miteny an’izany amin’ny tanora namany ry havana ô.

Izay izany aloa ny ohatra anankiray hitantsika tao amin’ny zanak’i Isaia, tao anatina angaredona, tao anatina fanonganam-panjakana.              

Miampita ao amin’ny Jaona 4 isika ry havana. Ity indray dia tantara malaza be, tandapa anankiray, officier royal izany, romana jentilisa. Vakiantsika ny and.47 : « Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy ». Inona indray ary no mety ho tantarain’ny zanak’ity tandapa ity amin’ny namany ? Mety hitantara izy hoe : « Ah, izahay indray dia tao Kapernaomy no nipetraka, fa nisy garnison romaine tao, dia ny dadanay tandapa tao Kapernaomy tao. Fa izao no lazaiko an’lisany an : aza misozy anay hoe satria izahay avy ao Kapernaomy ». Kapernaomy mantsy ry havana, ilay tanàna nanaovan’i Jesoa teny masiaka be hoe : « ianao ry Kapernaomy dia hihetry hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita ianao, fa raha mba tany Sôdôma no natao ny asa lehibe izay natao tao aminao, raha tany Sôdôma no natao ny asa lehibe izay natao tao aminao, dia ho naharitra mandraka androany Sôdôma ». Kapernaomy tsy nety nibebaka, dia 65 taona taorian’ny nitenenan’i Jesoa hoe : « ianao indray dia hihetry hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita » : rava Kapernaomy. Ary mety niteny izy hoe : « lisany aza misozy ahy satria hoe izaho avy any Kapernaomy e ». Fa inona anefa ilay asa lehibe tao Kapernaomy tao ry havana ? - Tao Kapernaomy tao ; ity Kapernaomy ity izany aloa tsara ho fantatsika ihany hoe Kapernaomy dia antsoina hoe tanànan’i Jesoa, satria tao Izy no nipetraka izany tamin’ny fahavelony ; dia tao Kapernaomy an, misy tantara hoe ahitana fanasitranana, fanasitranana mahagaga mararty vitsivitsy ; fa tao Kapernaomy no nitranga ny tantaran’ilay lehilahy paralitika, ilay nobetain’ny namany efa-dahy ; tao Kapernaomy iny. Tao Kapernaomy Jesoa no nanasitrana ny rafozam-bavin’i Petera, tantara fantatsika koa izany ; nanasitrana demoniaka Izy. Tao Kapenaomy i Jesoa no niantso an’i Levy mpamory hetra, Matio taty aoriana ; tao Kapernaomy izy no namory hetra ry havana – Kanefa na dia nisy an’izany zava-mahagaga isan-karazany izany, tsy nety nibebaka Kapernaomy ; fa tao anatin’izany tontolo izany, narary ho faty ny zanak’ity tandapa ity, niainga izy any Kapernaomy ho any Kana, ilay hoe nanaovan’i Jesoa fahagagana, 25km io, tsy misy hoe taxi be, tsy misy hoe bus tamin’izany ; lasa izy nitotototo nitady an’i Jesoa ; izy jentilisa, izy manam-boninahitra, mitady an’i Jesoa izy noho ny fitiavany an-janany. « Izany letsy dadany an : tsy voasakan’ny position sociale, tsy voasakan’ny voninahiny ary noho ny fitiavan-janaka, noho ny finoana, dia nandeha nitady an’i Jesoa tany Kana. Izany ny finoan’i dadanay. Ary izaho milaza amin’ny lisany fa tonga tao Kana izy, mbola nizahan’i Jesoa toetra indray ny finoan’i dadanay : nangataka izy, nivavaka izy, nangataka izy. Ny zanakao ve mba afaka mitantara hoe ny dadanay indray dia lehilahin’ny vavaka, olon’ny vavaka e ? Nangataka tamin’i Jesoa izy hoe midina Ianao mialohan’ny ahafatesan’ny zanako. Mbola nizahan’i Jesoa toetra izy ; tsy nety niteny Jesoa : « an an an, ianao io ahita fahagagana, tsy tiako ny finoanao iorina amin’ny fahagagana izany ; fa mandehana, fa sitrana ny zanakao ». Ary izany no finoana masina ry havana : misy teny ataon’i Jesoa, dia ekena. Misy teny ataon’i Jesoa, dia ekena. Izay ilay obéissance e. Dia mitantara angamba io ankizilahy io amin’ny namany hafa hoe : « mitantara l’ty dadanay hoe tamin’ny 7ora izy nihaona tamin’i Jesoa an, dia tao an-trano tokoa aho tamin’ny 7ora no afaka ilay tazo ». Izany hoe ilay lehilahy tsy nahita ny nahasitranan’ilay zanany lahy. Fa izany, « dadanay indray dia modely-na fankatoavana, fankatoavan’ny finoana ». Raha tsy nankatoa ange e, raha tsy nakatoa ange ilay dadany, ilay tandapa e, raha tsy nankatoa izy, tsy sitrana ilay zanany e. Ianao rahalahy an, ianao zoky an, be loha, be mokon-doha io, tsy fant           atrao fa efa manimba ny zanakao izany e ; manimba ny zanakao izany e, mahafaty ny zanakao izany e. « Ka izaho izao, ka izaho izao… » : asakasakao. Mampalahelo. Avelao ny zanakao hitantara : « ny zanako tsy mba hoatrany ny an’lisany, fa izy kosa modely-na fankatoavana. Ary izany no maha-toy izao ahy zanany ».

Kolosiana 2, lehilahy anankiray mbola modely amin’ny maha-ray. Tsy nanan-janaka ara-nofo, fa nanan-janaka marobe izany e. Kolosiana 2 :5 : « Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ ny fanahy ». Ny zanakao ve ry havana afaka miteny hoe : dadanay indray, noho ny asa aman-draharahany, dia tsy ao an-trano matetika, fa ny zavatra azo antoka, ny zavatra azoko antoka, dia manatrika anay ankohonany izy amin’ny fanahy ? Manatrika anay ankohonany izy amin’ny fanahy. Afaka miteny izany ve ny zanakao e : tsy ao dada, fa fantatray izy fa manatrika anay amin’ny fanahy ?

Inona moa ilay hoe manatrika amin’ny fanahy ? Izaho izao, ny zanako tsy eto, ny vadiko tsy eto ; fa azoko lazaina tsara mihitsy hoe : noho ny saina omen’ny Tompo ahy hoatran’ny olombelona rehetra, dia mahafantatra aho hoe any izao misy décalage horaire adiny 2 satria mifindra heure d’hiver ry zareo, mbola matory be ireo an, dia rehefa avy eo ry zareo andeha hamonjy confirmation an’i David sy ny karazany. Ilay saina capable mieritreritra an’izany ; fa tsy izay ilay fanatrehana amin’ny fanahy. Fa ilay fanatrehana amin’ny fanahy dia hoe : ny fanahiko izay hoe miombona amin’ny fanahin’ny Tompo : automatique aho mitondra am-bavaka an’izay olona eritreretin’ny saiko ry havana ô. Ny zanakao ve manana antoka e, fa rehefa tsy eo ianao, na aiza na aiza misy anao, dia mitondra azy ireo, mitondra azy ireo am-bavaka ianao ? Izany ilay ray manana finoana masina ry havana, hoe : tsy eo aho an, andeha aho an, tsy manatrika anareo amin’ny nofo aho, fa manatrika anareo amin’ny fanahy. Ary azo apetraka tsara ry havana, na rehefa eo ilay fisarahana vetivety na ilay fisarahana maharitra, apetrantsika mianakavy kely fa isaky ny amin’ny ora hoatran’izao, rehefa avy nampitaha fandaharam-potoana, dia hoe : isaky ny amin’ny 07 hariva, isaky ny amin’ny 08 alina, isaky ny amin’ny 09 alina, isika mianakavy kely dia mifanao rendez-vous manodidina ny seza fiandrianam-pahasoavan’ny Tompontsika, mifampahatsiaro am-bavaka. Izany ny olona manana finoana masina e. Ary izany ve no tantarain’ny zanakao momba anao dadany amin’ny maha-loham-pianakaviana anao manana finoana masina ry havana malala ô?

Faly aho fa toriteny faran’izay tsotra ity ; faly aho fa toriteny sahaza ny rehetra rehetra ity. Ary dia izao, izay hoe aho : ianareo vady, ianareo zanaka, ianareo anabavy, ento am-bavaka ireo lehilahy ao aminareo ireo, ka ny zanany ho faly hitantara hoe : « ny dadako dia tena mpanompon’Andriamanitra, mitondra hafatra fampaherezana, ampitombina ny olona tafihan’ny fahavalo. Ny dadako dia olon’ny vavaka : mangataka, mangataka, manao 25km raha ilaina ahitana an’i Jesoa, manokana fotoana ; tototra izy ; fa rehefa hoe marary ny zanany, ajanony daholo ny rehetra rehetra ahaeoany mitondra am-bavaka ny zanany. Ary lehilahy tena hoe modely-na fankatoavana. Ary lehilahy, rehefa tsy eo izy, dia manatrika amin’ny fanahy ».

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo e. Amena