ALAHADY 25 NOV 2018

image_pdfPDF

Lioka 21 :36 : « Fa miambena* ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona ».

Ao anatin’ny volana iomanantsika amin’ny fiavian’ny Tompo no mbola anomezan’ny Tompo izao texte volamena izao.
Rehefa namalafaka ny texte, dia ohatr’ohatr’izao ny zavatra ambaran’ny Tompo amintsika amin’izao maraina izao : ianao izay resy lahatra fa hiomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo, ho amin’ny fiaviany, ny fiainanao no sehatra iomananao , ny fiainanao no ampiasao amin’izany fiandrasana ny fiavin’ny Tompo izany. Dia raha lazaina amin’ny teny hafa dia ataontsika ohatran’izao ilay izy, hoe : ATAOVY SALLE D’ATTENTE- NY MPANJAKA (JESOA KRISTY) NY FIAINANAO.

RESAKA SALLE D’ATTENTE
Ny fiainanao, ataovy salle d’attente-ny Mpanjaka.
Atsy ambony atsy ny salle d’attente-n’ i Pasitera, atsy ny salle d’attente-n’i Dokotera, ary salle d’attente-n’Ambohitsirohitra. Feno salle d’attente eo amin’ny fiainantsika : ATAOVY SALLE D’ATTENTE-NY MPANJAKA NY FIAINANAO.
Ary izay no mahafinaritara amin’ity toriteny ity : na iza na iza ianao, ambara pahatongan’ny fara-fofonainao, aza avela ahita fitsaharana ianao, raha tsy azonao an-tsaina mazava, azonao antoka mazava hoe efa salle d’attente-ny Mpanjaka ny fiainanao.
Ahoana ary izany hoe olona manapa-kevitra anio izany, hoe ampiasa ny fiainany, hanao salle d’attente ny fiainany ho salle d’attente-ny Mpanjaka ?

Fahamarinana 1 : MIAMBENA
Miambena : amin’ny ten frantsay hoe : « Soyez vigilants ». Satria hoe miomana isika ho amin’ny fiavian’ny Tompo, ilay « miambena » eto dia azo adika tsotra izao hoe : « Fantaro mazava ny zavatra ho avy ka iomano. Izay no atao hoe miambina.
Ary lalina ny fitiavan’ny Tompo antsika, mazava ilay teny, hoe miambina, fantaro ny zavatra ho avy. Fa miomana ve isika ? Non, tsy miomana isika. Dia manampy antsika Izy amin’izay fahadalantsika izay, manome famantarana Izy handresena lahatra antsika hoe tena zavatra sérieux anie izany hoe fiavian’i Jesoa izany ry havana. Misy karazana famantarana omeny ato amin’ny Lioka 21.
Lioka 21 :10-11 :« Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra ». Hira fahoriana isan-karazany, ady, filazana ady, tafika miady amin’ny tafika, mosary, aretin-dratsy. Ovay ny fihainoanao vaovao manomboka anio : rehefa mahare ady sy tafika miady ianao, tonga dia tsarovy ny tenin’i Jesoa hoe izay izany kay ilay ady sy filazana ady. Rehefa mahare ianao hoe misy mosary dia hoe izay izany ilay fampieritreretana. Tsy hoe vaovao henoko fotsiny izany fa fampieritreretan’i Jesoa hoe ny dikan’izany : ho avy Aho, ka efa vonona ve ianao ?
Mampieritreritra ny filazan’ny mpitoriteny anankiray tamin’ny andron’i Jesoa, taorina kelin’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty. Tamin’ny taona 66, dia hoe nisy olona 30.000 indray matin’ny aretina mandringana. Izay ilay hoe hisy aretina : tsy vazivazy izany, tsy teniteny foana izany. Tanteraka izany taoriana kelin’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Nisy horohorontany ohatran’izany koa, ary horohoron-tany nahafatesana olona an’aliny. Ary hisy zavatra mahagaga, mampatahotra avy any an-danitra. Misy historient izay mitantara hoe tao Jerosalema tao, nandritra ny herintaona nisy zavatra ohatrany hoe manana endrika sabatra ry havana, niantona teo ambony lohan’ny mpivavaka tao Jerosalema tao ; avy eo dia tsy hita intsony. Izay ilay filazana avy amin’i Jesoa hoe « efa ho avy Aho, vonona ve ianao ? ».
Ary ohatrany zava-mahagaga, zava- mahatahotra tantarain’ny mpanao tantara ihany, hoe indray maka hono, ilay porte principale-ny tempoly tao Jerosalema nisokatra nidanadana tamin’ny fotoana tsy tokony hanokafana azy ; izany tempoly tao Jerosalema izany anefa, raha mbola 30 lahy, mbola sahirana manoha an’izany varavana izany ; fa nivoha tamin’ny fomba mahagaga izany varavarana izany.
Ry havana, mampieritreritra ny Tompo, te hanaitra anao Izy : vonona ve ianao ? Miomana ve ianao ? Ary mbola mitohy izany zavatra mahagaga izany, isika eto Madagasikara mahita an’izany horohoron-tany izany indraindray ; mahita an’izany lokon-danitra hafahafa izany indraindray ; nareo miantso miteny hoe Pasitera an, ahoana io
eo amin’ny lanitra io etc…Manomana antsika ny Tompo ary tsy vazivazy izany fiaviany hitsara antsika izany.
Ato amin’ny perikopa, mbola misy mampieritreritra, eo amin’ny and.29-31 : «Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra ». Teo amin’ny tontolon’ny jiosy dia hoe rehefa manomboka manaroka ny aviavy, dia efa faly ny olona hoe ho avy ny lohataona, miteraka fifaliana ilay aviavy manaroka iny. Ary fantatrareo tsara hoy Jesoa fa rehefa manaroka ny aviavy dia hoe ho avy izay ny lohataona ; ary izao hoy Izy, fantaro fa rehefa manaroka ny aviavy, ho avy izay ny Mpanjaka, ho avy ny fanjakana. Nampieritreritra ry havana, ary misaotra ny Tompo ny amin’ity perikopa ity, fa io aviavy io hoy ny mpitoriteny iray hoe ilazana an’i Israel. Israel izay hoa manaroka indray, mi-bourgeonner indray. Taorian’ny taona 70, niparitaka Israel , fa nanomboka tamin’ny taona 1948, lasa fanjakana, lasa état iray indray Israel : izay ilay aviavy manaroka ry Fiangonana o ! Ary teny porofo mitohaka amin’ny tenda fa efa ho avy, efa akaiky ny Tompo. Ary inona ilay hazo hafa izay manaroka ihany koa, raha hoe aviavy Israel ? Ilay tany rehetra hoy ny mpitoriteny izay ahitana ny montée an’ilay populisme sy nationalisme avokoa, henontsika izany.
Izay ny fahamarinana 1 : ianao izay manao ny fiainanao hoe ho salle d’attente-ny Mpanjaka, MIAMBENA ARY DINIHO SY FANTARO NY ZAVATRA HO AVY.

Fahamarinana 2 : MIVAVAHA MANDRAKARIVA
Raha ekenao izany hafatry ny Tompo mazava be izany hoe salle d’attente-ny Tompo ny fiainanao, fenoy vavaka. Any amin’ireny salle d’attente ireny matetika dia indraindray matetika dia misy gazety hanalana andro, hamonoana lera ; fa eto, ilay and.36 dia manao hoe : « Miambena ka mivavaha mandrakariva ».
Ny olona manao ny fiainany ho salle d’attente-ny Mpanjaka dia mivavaka mandrakariva. Maro ny zavatra hanahirana ambaran’i Jesoa, fa rehefa manambara Izy hoe : « mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany», ny olona nandinika ny zavatra ho avy satria miambina, dia automatiquement izy miteny amin’ny Tompo hoe : « Tompo a, mamindra fo amiko, aoka mba tsy ho izaho no tratran’izany areti-mandringana izany, aoka tsy ho izaho no matin’izany horohoron-tany izany, na izaho na ny ankohonako sy ny karazany ; aza asiana zavatra mahatahotra izany ao amin’ny fiainako, aza avela ahatratra ahy izany». Manomboka mivavaka amin’izay ianao, vavaka miorina amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny hafatr’Andriamanitra ry havana.
Mivavaha ianao, manànà fotoana aloa, farito ao amin’ny agenda-nao hoe eto indray aho, maraina dia ohatran’izao, ny hariva dia ohatran’izao. Izay no fiatombohan’ilay hoe « mivavaka mandrakariva ».
Mivavaha ao amin’ny teny hoy Petera, satria efa akaiky ny farany : mampitandrina antsika ny Tompo, hoy izy, eo amin’ny and. 34 : « Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao». Aoka tsy hovesaran’ny fisotroan-toaka. Ny DIEM dia manao hoe « ny filibana » ; ilay texte grika dia milaza hoe : fibobohana toaka maraina sy hariva, isan’andro isan’andro ary miteraka fahamamoana. Mamesatra izany : mivavaha mba tsy hamesatra anao izany, mba hanana fahononan-tena ianao ; mivavaha mba ovain’ny Tompo ianao, ka tsy ho fiahiana izao fiainana izao, tsy ny momba ny asa aman-draharahanao, tsy ny volanao, tsy ny harenanao no hameno ny fonao, no hameno ny sainao ; tsy ny fitadiavana fahafinaretana, tsy ny fitadiavana voninahitra, ka izay rehetra atao dia fitadiavana voninahitra sy fidedahana. Tsy izany ny olona miomana, tsy izany ny olona manao ny fiainany ho salle d’attente- ny Mpanjaka. Mivavaha mba tsy ohatran’izany ianao. Ary rehefa mivavaka ohatran’izany ianao, ny zavatra rehetra ao amin’ny fiainanao dia manjary antom-bavaka. Manana izay programam-piainanao ianao, manana izay ilainao ianao, manana zavatra irinao ianao, manana zavatra nofinofisinao ianao, ary fantatrao fa vonona hanome anao an’izany ny Tompo, fa ianao tsy mangataka.
Mivavaha isan’andro isan’andro mba tena hahatsiarovanao tokoa hoe marina izany Jesoa an, efa salle d’attente-nao ny fiainako ; ary rehefa mivavaka mandrakariva ianao dia tsy hanana fisalasalana intsony, tsy hanjavonjavo aminao intsony izany fiavian’i Jesoa sy fiverenan’i Jesoa ; ary dia tsy mpivavaka ara-pomba fotsiny, ara-pomba pivavahana fotsiny ianao, fa tena hoe hihaona amin’ny Tompo, ilay Mpitsara marina.
Izay ilay fahamarinana 2 : MIVAVAKA MANDRAKARIVA

Fahamarinana 3 : MITSANGANA
Ianao, ny ahafantarana hoe salle d’attente-n’Andriamanitra ny fiainanao, salle d’attente-ny Mpanjaka ny fiainanao, dia hitany ianao eo amin’izany salle d’attente-ny izany hoe « Mitsangana ». Mpino mitsangana. Izany hoe tsy mpino mipetraka, na mipetrapetraka ; izany hoe tsy mpino matory, na rendremana fa mpino mitsangana, satria miambina, satria mivavaka mandrakariva.
Ahoana moa izany no ahafantarako dieny izao 25 novembre 18 fa tena hoe mitsangana aho ? Ny ahafantarana an’izany, ary miomana isika izao, manomana fifidianana isika izao, mpiandraiktra isan-tsokajiny, dia hoe : Ny olona izay miambina satria hoe miezaka mamantatra ny ho avy, mivavaka mandrakariva, dia hoe : FENO FANOMPOANA AN’ANDRIAMANITRA NY FIAINANY. Tsy misy olona manao salle d’attente-n’Andriamanitra ny fiainany ka tsy manompo, miteny hoe : « an an an Pasitera an, aleo ho an’ny hafa izany ; an an an Pasitera an, ka izaho mbola ohatran’izao, aleo aho spectateur fotsiny ». Ry havana ô, tsy tenin’ny olona manao ny fiainany ho salle d’attente-n’Andriamanitra izany. Izay no ambara amintsika.
Ny Apokalypsy ahitana an’ireo olona izay nanao ny fiainany ho salle d’attente-n’Andriamanitra tety an-tany, dia hoe olona, amin’izao fotoana izao, manompo Azy andro aman’alina, manompo an’Andriamanitra andro aman’alina. Izany no fampieritreretana ho antsika ry havana. Ahoana moa izany hoe manompo Azy andro aman’alina izany ? Angaha dia tsy mba matory mihitsy izany rehefa hoe manao salle d’attente-n’Andriamanitra ny fiainanao ? Tsia ry havana ; fa ilay hoe manompo andro aman’alina, dia hoe izay zavatra rehetra ataonao, dia ataonao tsy ho an’ny olona, fa ho an’ny Tompo.
Aty amin’ny diakona ianao, tsy hoe rehefa service ihany ianao no hoe manao service kely, tsy izay ilay olona manompo andro aman’alina. Tsy hoe ho avy ny fifidianana amin’ny volana Marsa dia manomboka mipoipoitra daholo ireo olona tsy hita hatramin’izay. Izay ilay izy. Ary tena misy izany : misy izany ato, misy izany any an-kafa ry havana. Fa ny hoe manompo andro aman’alina, tanterahinao déjà ny zavatra nekenao ; fa manompo andro aman’alina ianao, any am-piasana ianao, any am-pianarana ianao, ataonao ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olona. Izay dia efa lasa ilay journée anao. Tonga ao an-trano ianao, ny fifandraisanao amin’ny vady, ny fifandraisanao amin’ny zanaka, ny fifandraisanao amin’ny ray aman-dreny, fifandraisan’ny mpino izay manao salle d’attente-n’Andriamanitra ny fiainany. Ary rehefa izany no mameno ny journée anao, dia tena salle d’attente marina ny fiainanao rehetra.
Hoy ny Matio 18 :10 : « Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ ireny madinika ireny hianareo ; fa lazaiko aminareo : Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ ny Raiko Izay any an-danitra ». Ny olona izay manao salle d’attente-ny Mpanjaka ny fiainany dia tsy manao tsinontsinona ny madinika. Aza manao tsinontsinona ireo madinika ireo ; io moa izany ny zaza no resahin’ny Tompo eto, fa azo hitarina mihitsy io hoe amin’ny madinika rehetra. Ireo madinika ireo, manana anjely mpiahy, manana ange gardien ireo, ary ny anjelin’ireo dia hoe miseho, mitoetra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra mandrakariva. Izaho izany, satria ataoko salle d’attente-ny Mpanjaka ny fiainako, tsy hanao tsinontsinona ny madinika aho. Ny antony : tsy hoe noho ny fahamarinana ato an-tsaiko sy ato am-poko, fa satria fantatro hoe manana anjely mpiahy sy mpiambina ireo madinika ireo, izay mipetraka eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Miambena, mivavaha mandrakariva dia hitsangana ianao eo anoloan’ny Zanak’olona, rahatrizay tonga Izy.
Taona 79 taorian’i Jesoa Kristy, nisy an’ilay hoe Mont Vézuve, tany Italie. Volcan izany : niasa ilay volcan, nirehitra ilay volcan, 16.000 morts hoy ny mpandinika. Ary rehefa nipoitra io volcan io, ny puissance an’ilay jet de pierre, hoe 100fois-ny bombe Hiroshima. Dia hoy ilay mpitoriteny mitantara an’izay ry havana : ry zareo tao Italie tao hoy izy, ary indrindra zareo teo akaikin’ny faritr’i Vézuve tao, alohan’ny hipoahan’ny Vézuve, hoy izy, dia efa nisy signe vitsivitsy maromaro, fa tsy niraika izy. Dia nipoaka ny Vézuve, 16.000 morts. Taty aoriana, vao haingankaingana, nisy archéologue nandeha nikaroka tamin’iny faritra iny, dia nampiasa teknika vaovao izy, dia rehefa nampiasa ilay teknika vaovao io izy, hitany tany anaty vato sy tany anaty décombre tany daholo ny sisan’ny fatin’ireo olona sy ireo biby rehetra maty tao anatin’izany éruption-na volcan izany. Dia hoy ilay archéologue mitantara: ireo olona hoy izy, mbola hita ny paoziny nahafatesany. Ny paoziny nahafatesany mbola hita ao anaty vata.

Ry havana, rahatrizay ho avy ny Tompo, aorianan’izany fampitandremana isan-karazany izany, en position inonano hahitany anao ? Position mitsangana ve, position matory ve, position mipetraka ve ? Ary aiza ny toerana

hahitany anao ?
Misaotra Azy isika ny amin’ny fampieritreretany. Ny fahasoavany hiasa ao amintsika hanova ny fiainantsika ho salle d’attente-ny Mpanjaka, haharitra amin’izany hoe fiambenana, izany hoe fivavahana mandrakariva izany, ary isika izay nahare izany teny izany, samy hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona amin’ny fotoan’androny.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena .

image_pdfPDF