ALAHADY 24 JONA 2018

image_pdfPDF

Matio 6:12;14-15: " Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo
Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo".

RESAKA MPAMELA HELOKA.

Fahamarinana 1: Ny filàna fototra ho an'ny olombelona dia ny famelan-keloka.

Fahamarinana 2: Diso kajy ny olona mieritreritra fa hahazo famelan-keloka avy amin'Andriamanitra, kanefa izy tsy mahay mamela ny hafa.

Fahamarinana 3: Voa double ny olona tsy mpamela heloka: sady tsy voavela heloka izy no hanimba ny fanahiny izany tsy famelany heloka izany.

Fahamarinana 4: Fanehoana finoana, acte de foi ny famelana heloka

image_pdfPDF