ALAHADY 24 JAN 2021

image_pdfPDF

Ao Atena renivohitry ny fanjakana grika no mandaha-teny i Paoly ry havana. Atena, izay mazava hoa azy : tanàn-dehibe ary tanàna nanana ny maha-izy azy teo amin’ny tontolo tandrefana. Ary ilay toerana itorian’i Paoly, andaharan’i Paoly dia ao amin’ilay hoe Areopago. Areopago, tanàna eo an-tampon-kavoana malalaka. Malalaka tsara izy io dia ao ny fotoana rehefa misy olona te hifandahatra ; ao ny fotoana rehefa misy olona te hitory. Dia amnkao izy, dia mandahatra izy, mitory izy, ary manodidina azy eo ny olona te hifanazava aminy na koa te hanohitra azy, sy ny tahaka izany.

Dia izay mihitsy no ataon’ny Apostoly Paoly ry havana, eto amin’ity Areopago ity. Ary raha maka ohatra isika eto Antananarivo, ohatra rehefa hoe hitory teny izao Paoly an : aiza ny renivohitr’Antananarivo ? Dia ohatrany hoe ery Ambohijatovo ery. Izany no sary azontsika alaina amin’ilay hoe Areopago.

Inona no ambaran’ny Apostoly Paoly ry havana ? Fantaro ry havana, ary tsarovy mandrakariva fa terak’Andriamanitra ianao. TERAK’ANDRIAMANITRA IANAO. Ny teny frantsay miteny kokoa, hoe : TU ES DE SA RACE, RACE-N’ANDRIAMANITRA IANAO ARY MITOVY FIRAZANANA AMINY.

TERAK’ANDRIAMANITRA IANAO. Izany ny vaovao mahafaly ho antsika anio.

Ny Fahamarinana 1 dia hoe : IZY NO NAHARY ANAO. Azo tenenina koa hoe : IZY NO NITERAKA ANAO

Asan’ny Apostoly 17 :24 : « Dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon’ ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana »

Hoy ny Apostoly Paoly hoe : Izy (Andriamanitra) no nahary izao rehetra izao. Izy no nahary ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra eo aminy. Ary Izy mpahary lehibe io ry havana, dia tena hoe lehibe lavitra noho ny tempoly nataon’ny Ateniana ho an’ny sampiny. Lehibe lavitra Andriamanitra. Ary rehefa mijery anie isika ny hahakantony ny sy hatsaran-tarehin’ny tempoly nataon'ny Ateniana, dia tena hoe lafatra sy mahagaga ; fa tsy omby an’Andriamanitra ireny ry havana. Tsy omby an’Andriamanitra lehibe indrindra, Mpamorona ny tany sy ny lanitra ireo tempoly nataon’ny Ateniana. Ary io Andriamanitra mpahary ny lanitra sy ny tany io no namorona ny zavatra rehetra. Ary tena tsy zakan’ireto philosophe grika ireto, tsy zakan’ireto olon-kendry, ireto mpampianatra grika ireto ny zavatra nambaran’i Paoly. Ho an-dry zareo mantsy dia hoe, ho an’ny sasany tamin’izy ireo dia hoe : tongatonga ho azy anie ny tany e ; tsy nisy namorona izany ny tany. Ny sasany koa miteny hoe io tany io, efa ohatran’izao io hatramin’izay fa tsy nisy namorona izany. Fa hoy Paoly hoe : an an an, tsy takatrareo, Fa Andriamanitra, ilay Andriamanitra tsy fantatrareo no namorona ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra eo aminy.

Manomboka izao isika ry havana, tahaka izay mety notenenin’i Paoly tamin’ireto Ateniana ireto, dia : rehefa mijery an’io lanitra io, dia fantaro fa te hampiditra anao ao amn’io lanitra io ilay Andriamanitra niteraka anao, ilay Andriamanitra nahary anao. Ary io lanitra io ry havana, izay hitantsika isan’andro isan’andro eo ambony lohantsika, dia efa toriteny velona ho antsika isan’andro. Te hampiditra ahy, te hampiditra anao ao ilay Raintsika namorona antsika.

Ny tany koa ry havana dia misy tompony. Izy no nanao azy. Ary maha-onena, mampalahelo ny mandre olona tafalatsaka ao anatin’ny adin-tany, indrindra moa ireo tratran’ny tsindry hazo lena ry havana. Ary dia fantaro fa ianao izay mibodo na maka an-keriny tanin’olona, dia ilay Andriamanitra mpahary mihitsy no alainao ny taniny, no bodoinao ny taniny. Manan-tompo ny tany ry havana, manan-tompo ny lanitra, ary manan-tompo koa isika tsirairay avy ireto. Na iza na iza : manana tompo. Ary jereo tsara ry havana, fa : ho an’izay manao ny tsy rariny, manambaka ny hafa, dia manao ny tsy rariny directement amin’ilay Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany, satria Izy no niteraka an’ireo olona ambakain’ny sasany.

Ary rehefa izany ry havana no mameno ny sainao, hoe : Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany, ary nahary ny olona rehetra, dia tsy manana anjara eo amin’ny fiainanao akory, na dia kely aza, ny sampy. Tsy manana anjara ry havana, satria terak’Andriamanitra ianao. Isika izay terak’Andriamanitra ry havana, race-n’Andriamanitra, mitovy firazanana amin’Andriamanitra : ahoana moa no iankohofantsika amin’ny sampy ? Fa inona moa ny sampy no inakohofantsika? Dia mitaona antsika ry havana, mitaona antsika : manajà tena :aoka izay ny fombafomba maro isan-karazany, aoka izay ny fanompoan-tsampy ; fa manajà tena ary manajà ilay Andriamanitra mpahary anao.

Ary io Andriamanitra mpahary anao io ry havana, Izy dia mitaona anao, mitaona antsika Izy hifady ny ratsy, hifady ny fahotana, dia ny fahotana amin’ny ankapobeany. Tsy ny hoe sampy ihany, fa ny fahotana amin’ny ankapobeany. Fombantsika ny miteny hoe : izao no zavatra nolovako tamin’ny dadanay, na izao no zavatra nolovako tamin’ny dadabe-nay ; fa androany ny Tompo miteny amintsika hoe : raha te handova amiko ianao, dia fadio ny fahotana satria terak’Andriamanitra ianao.

Inona ary ny fampieritreretana ho antsika ry havana amin’ity hoe Andriamanitra no nahary antsika, Andriamanitra no niteraka antsika? Mivavaha ry havana, mivavaha, teneno ny Tomponao hoe : « Tompo ô, hay kay Ianao no nahantonga ahy tety an-tany. Misaotra anao aho ny amin’izany. Ianao kay no nanome ahy ny aina sy ny fahavelomana. Ianao kay no nanome ahy ny fiainana : misaotra anao aho. Ary mifona aminao aho Tompo ô, raha tsy mahatsiaro tena hoe noforoninao, naterakao. Mifona aminao aho ny amin’ny ingratitude-ko. Mifona aminao aho Tompo raha mitonatonana any amin’ny sampy ary raha mbola andevozin’ny fahotana ». Ary dia araka ny notenenin’ny Apostoly Paoly ry havana, hoe : « omeo fo vaovao aho Andriamanitra ô, omeo fo vaovao mitady anao aho, satria izany no nanaovanao ahy : hitady anao ».

Izay no Fahamarinana 1 ry havana : ANDRIAMANITRA NO NAHARY ANAO, ANDRIAMANITRA NO NITERAKA ANAO

Ny Fahamarinana 2 dia hoe : IZY NO MANDAHATRA NY FIAINANAO

Asan’ny Apostoly 17 :26 ; 28 : « ary ny firenena rehetra avy amin’ ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’ andro sy ny faritry ny fonenany ; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika ».

Naterany ianao ry havana, ary alahany ny fiainanao. Alahany ny fiainanao.

Rehefa manazava an’izay ny Apostoly Paoly, dia atombony amin’ny zavatra tena tsy zakan’ireto Ateniana olon-kendry ireto. Inona ny zavatra tenenin’i Paoly ? Hoy izy hoe, eo amin’ny and.26 : « ny firenena rehetra dia avy amin’ny iray ihany », taranak’olona iray ihany, dia Adama. Tena zavatra nangidy tamin’ny Ateniana izany ry havana. Tena nangidy tamin’ireo olon-kendry sy avara-pianarana tao Atena. Nangidy satria maninona ? Izy ireo dia nieritreritra hoe natao avo razana hafa karazana amin’ny olombelona rehetra. Nitsian’i Paoly ry zareo hoe : tsy misy iva razana, tsy misy avo razana ny olombelona, fa mitovy avokoa eo anatrehan’Andriamanitra. Izay ilay Andriamanitra mahary ka mandahatra antsika. Izay no azavain’i Paoly tsara.

Ary io Andriamanitra mandahatra io ry havana, mandahatra anao terany io, dia hoe : Izy ihany koa no mamaritra ny toerana misy ny fonenantsika. Hoe, izaho izao teraka tamin’ny 19.., monina eto Antananarivo, hiala eto izaho amin’izao daty izao an :efa voasoratr’Andriamanitra izany ry havana. Ary izay ilay hoe Andriamanitra mandahatra ny fiainantsika. Ary satria Izy no mamaritra ny toerana onenantsika, dia anontanio mazava Izy ry havana, rehefa hoe te hifindra monina any amin’ny faritany ianao ohatra, hoe : programan’Andriamanitra ve izany ? Ao anatin’ny fandaharany ve izany ? Anontanio Izy raha hoe te hifindra any ivelany ianao an, honina any ivelany, hoe izaho te ho any Chine, izaho te ho any Frantsa. Anontanio mazava ny Tompo. Maty antoka mantsy ianao ry havana, maty antoka ianao, raha tsy mety alahatr’Andriamanitra na iadidin’Andriamanitra ny fiainanao. Maty antoka ianao. Ary rehefa tsy mety iadidin’Andriamanitra ny fiainanao, dia mikorontana io fiainanao io ry havana. Mikorontana io rehefa tsy mety iadidin’Andriamanitra ianao. Tena hoe mi-dérègle io, mi-dérègle io. Ary izay no nambaran’i Paoly, hoe : naterany ianao, dia alahany ianao.

Ary amin’izany hoe fandaharany ny fiainanao izany, dia hoe : Izy no miantoka anao. Izy no miantoka anao. Tsarovy izay ry havana : ilay Andriamanitra nahary anao : Izy no miantoka anao. Tsy hoe naterany ianao dia navelany hihahaka teo fotsiny ianao. Tsia, ry havana. Izy no miantoka anao. Ary haintsika tsianjery ilay tenin’Andriamanitra hoe : « Ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany ». Ary ny hafany ho antsika ry havana, dia, haintsika tsianjery koa ny 1 Petera 5 :7 hoe: « apetraho amiko ny fanahianareo rehetra ». Izy Jesoa ry havana, Izy Andriamanitra ao amin’i Jesoa no miteny aminao. Izy izay namorona anao no miteny aminao hoe : « apetraho amiko ny fanahianareo rehetra ». Tsy mila mitady andriamani-kafa ry havana, tsy mila mankany amin’ny sampy. Aza manao tahaka ny nataon’ireto Ateniana ireto hoe samy manana filàny : ny dokotera manana ny andriamaniny, ny mpanefy firavaka sy ny mpanefy volafotsy manana ny andriamaniny. Tsia ry havana. Andriamanitra ao amin’i Jesoa no miteny amintsika hoe : « apetraho amiko ny fanahianareo rehetra ». Ary isika terany no ilazany an’izany fahamarinana lehibe izany. Ary misaotra an’i Jesoa ry havana, mampahafantatra antsika ny marina momba an’Andriamanitra Raintsika, Jesoa ilay nampianatra antsika hoe : antsoy Izy : « Rainay Izay any an-danitra ». Vavaka ataontsika isan’andro izany. Ary ny olona mahafantatra an’izany ry havana dia mitombo amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra. Ary tsy vitan’izany, fa mahatsiaro ireo terak’Andriamanitra hafa ao anaty fahasahiranana ry havana. Ary dia tena mangataka amin’Andriamanitra Rainy izy hoe : mba hitombo amin’ny fitiavana an’ireo terak’Andriamanitra hafa, ho tanan’Andriamanitra mitrotra amin’ireo terak’Andriamanitra latsaka ao anaty fahasahiranana.

Ny fahamarinana hita teo izany ry havana, dia hoe :

  • Voalohany : NATERANY ISIKA
  • Ary ny faharoa dia hoe : ALAHANY ISIKA

Fa ny Fahamarinana 3 ry havana, dia hoe : HOTSARAINY ISIKA

Asan’ny Apostoly 17 :30-31 : « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty ».

Rehefa mihaino ny toritenin’i Paoly ry havana, dia tao amin’Andriamanitra mihitsy ny fijery hoe : « tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana Izy ». Tao anatin’izany andron’ny tsi-fahalalana izany mantsy ireto Ateniana ireto no nanompo sampy be dia be isan-karazany tao Atena. Ary Andriamanitra tsy ni-tenir compte an’izany hoe andron’ny tsi-fahalalana. Tsy ni-tenir compte an’izany Izy. Ary izany no mahafinaritra amin’ity Andriamanintsika ity ry havana. Ary Paoly nampianatra antsika hoe : ankehitriny Izy, araka ilay teny teo, dia mandidy ny olona rehetra. Tapitra izany ilay andron’ny tsi-fahalalana, madidy Izy ankehitriny an’iao tontolo izao hibebaka, hibebaka. Ary mandidy ny olona rehetra Andriamanitra hibebaka satria maninona ? Tsy foiny ho very ry havana, tsy foiny ho very izaho sy ianao izay naterany ; tsy foiny ho very. Io ohatran’ny raim-pianakaviana ao amin’ny tokantrano anankiray mandidy ny zanany. Mandidy izy ohatra hoe mba tsy ho tara fodiana ny zanany rehefa hariva ny andro. Tsy tiany hoe hariva be ny zanany na ho alim-podiana ; Mandidy izy. Ary satria tsy te hanan-dratsy izy, tsy tiany ny zanany hanana fitondran-tena tsy mendrika na ratsy fiarafa. Dia ohatran’izay tsy misy hafa ry havana Andriamanitra. Mandidy Andriamanitra. Mandidy ny olona rehetra hibebaka Izy satria ho avy ny fitsarana ry havana ; ho avy ny fitsarana.

Averiko vakiana ilay and.31a : « satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny ». Ry havana ô, efa voatendrin’Andriamanitra ny andro fitsarana antsika. Iray izay. Faharoa : efa voatendrin’Andriamanitra ny mpitsara, dia Jesoa Kristy izay maty ary natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty. Ry havana, voatendry ny andro hitsarana anao, voatendry ny andro hitsarana antsika. Ka ampitandremana ianao ry havana, mba tsy hanapoka anao izany, mba tsy hiteny ianao hoe : « oay, tena tsy nampoiziko, tena tsy nampoiziko ». Mba tsy hiteny ianao hoe : « oay, tena tsy nahafantatra aho, tena tsy nahafantatra aho ». Raha izay manko ry havana dia tena maty antoka ianao, maty antoka ianao. Fa misy koa ry havana ireo efa mahafantatra, ireo izay efa nahafantatra hoe ho avy ny fitsarana fa tsy miraharaha izay fampitandremana izy. Ireo koa dia tena maty antoka be.

Izao ry havana no nazavaina tamintsika androany : fahamarinana telo mandoko an’ilay hoe TERAK’ANDRIAMANITRA IANAO, RACE-N’ANDRIAMANITRA IANAO, MITOVY FIRAZANANA AMIN’ANDRIAMANITRA IANAO. Inona no nambara tamintsika ?

  • NATERANY ISIKA
  • ALAHANY ISIKA
  • ARY HO TSARAINY ISIKA

Ry havana, tsy tafahoatra ny fitenenana rhaa miteny hoe : ny fiainako manontolo ety an-tany dia fiomanana. Fiomanana amin’inona ? Fiomanana amin’ilay fitsarana ho avy. Jesoa no hitsara ry havana ; tena sérieux io ry havana. Tsy zaavtra vazivazy io ; Ary tsy etsy Anosy ianao no tsaraina, fa tena sérieux ilay fitsarana. Mila iomanana, mila iomanana.

Eto am-pamaranana ry havana, dia afaka manontany tena isika hoe ahoana moa izany no ampiarahana an’izany teny izany amin’ny voalazan’i Jaona hoe : « izay mandray ny teniko ka mino izay maniraka Ahy, mino izay naniraka dia tsy ho helohina » ? Ahoana no hampivadiana an’izany ry havana ? Samy handalo fitsarana isika mianakavy. Fa rehefa eo anatrehan’ilay Mpitsara ; Jesoa io hitsara io ; dia misy ilazany ao hoe : « Ah, tsy fantatro ity, mankanesa any amin’ny helo ». Fa rehefa tonga eo amintsika ry havana, izaho sy ianao, enga anie Jesoa hiteny hoe : « ah zandry malala : midira faingana amin’ny fanjakako », « ah zandrikeliko ity an : midira aty an-danitra ».

Ry havana ô :

  • NATERANY IANAO
  • ALAHANY NY FIAINANAO
  • HO TSARAINY IANAO

Ho aminao anie ny Tompo. Amen       

image_pdfPDF