Jaona 12 :3 : « Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano ».
Fahamarinana 1 : TAHAKA AN’I MARIA, MBA TIAVO JESOA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY ARY ASEHOY AMIN’NY VOLANAO IZANY
Manahirana antsika izany satria ny mitia Azy tsotra izao aza tsy vitantsika, vao maika ny hitia Azy amin’ny fitiavana voalohany, ary koa hoe aneho izany amin’ny vola. Fa tia antsika ny Tompo, miandry antsika any an-danitra Izy, ajanony ny kolikoly, ajanony ny fahihirana.
Tena mampitolagaga ary mampihetsi-po ny fitiavana voalohany nasehon’i Maria eto : manosotra menaka manitra ny tongotr’i Jesoa izy. Amin’ny fomba jiosy dia hosorana menaka ny lohan’ny vahiny izay tonga miantrano ao aminao ; ary sasàna ihany koa ny tongotry ny vahiny izay miantrano ao aminao. Fa ny an’i Maria, ny tongotr’i Jesoa no nosorany menaka manitra lafo vidy. Ary tsy vitan’izany fa mbola nofoahany tamin’ny volony ; volo izay milaza voninahitra, fahatsaran-tarehy : napetrany teo an-tongotr’i Jesoa ny voninahiny. Izay no nataon’i Maria.
Tia an’i Jesoa amin’ny fitiavana voalohany i Maria ka nanao tamin’i Jesoa, izay mety ho heverin’ny maro, ny mpino tsotra hoe tafahoatra ; tsy mahagaga izany.
Miantso anao ny Tompo androany mba ho tia Azy amin’izany fitiavana voalohany izany koa, dia aneho an’izany amin’ny fandaniana tafahoatra.
Ahoana no nahatonga an’i Maria ahafoy zavatra sarobidy ohatran’izany ? In-telo i Maria no asongadin’ny Tompo ao amin’ny Soratra Masina ary amin’ireo toerana telo ireo dia tsy aiza i Maria fa eo am-pototry ny tongotr’i Jesoa. Ary nandohalika teo am-pototry ny tongotr’i Jesoa izytao anaty fifaliana, tao anaty fahoriana. Ary eto izy, mandohalika eo an-tongotr’i Jesoa izy raha manao izao fanatitra izao.
Oviana ianao no mba nandohalika farany teo an-tongotr’i Jesoa ? Sa tsy ho anao izany fa ho an’ny hafa? Sa tsy ho anao izany fa sahirana loatra ianao andohalika ? Sa tsy ho anao izany fa raha ara-pivavahana dia feno avonavona, feno fieveran-tena ho zavatra ? Sa tsy ho ana izany satria matoky ny tenanao, matoky ny herinao, matoky ny fahendrenao ianao ? Ho an’i Maria, araka ny tenin’ny mpitoriteny iray, teo an-tongotr’i Jesoa, c’était sa place favorite. Inona no place favorite-nao ? Aiza ny place favorite-nao ? Aiza no fitadiavan’ny Tompo anao ka ahitany anao ? Ary raha tsy handohalika ianao, jamais ianao hanetry tena, jamais ianao iaina izany fitiavana voalohany ho an’ny Tompo izany. Ary manontany anao ny Tompo : sao dia ianao, tamin’ireny fotoana nondohaliantsika tato am-piangonana ireny, no mbola tsy nandohalika mihitsy ? Miteny aminao ny Tompo izay miandry anao any an-danitra hoe : « Tiavo Aho amin’ny fitiavana voalohany ».
Rehefa miresaka an’ity tantaran’i Maria izay nnanosotra menaka manitra an’i Jesoa ity, dia tsy voalaza ato amin’i Jaona , fa ao amin’i Marka 14 :3 :Ary nony tany Betania Jesoa tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesoa ny menaka ». Rehefa andraraka an’ilay menaka manitra, dia vakiana ilay tavoara alabastara, izay vao afaka ahosotra ilay menaka ary dia mamerovero ao anatin’ilay toerana andrarahana azy ilay menaka manitra.
Fahamarinana 2 : AVELAO HOVAKIAN’NY TOMPO NY TAVOARA ALABASTARAN’NY FONAO DIA HAMEROVERO RANOMANITRA NY MANODIDINA ANAO.
Tian’ny Tompo ho vakiana ny tavoara alabastaran’ny foko sy ny fonao. Rehefa inona moa no hoe miezaka mamaky ny tavoara alabastaran’ny fontsika ny Tompo ? Rehefa misy zavatra mamaky ny fontsika ka itenenantsika hoe : « tena vaky mihitsy ny foko ». Ny Tompo izay no miasa ao aminao. Rehefa misy teny, zavatra, fihetsika mandratra anao, miasa ny Tompo izay, mamaky ny tavoara alabastaran’ny fonao.
Maria eto nanaiky nataony an’izany. Tsy fomba tamin’izany hoz vehivavy hiditra amin’ny toerana iray voatokana ho an’ny lehilahy, tsy fomba izany vehivavy mamaha ny fatoran’ny volony izany. Ary azo sary an-tsaina ny tondro molotra, teny fanesoana mandratra, fa tsy nahoan’i Maria izany.
Fa rehefa jerena ny tantaran’i Jodasy eto, tsy mba nanaiky izy ny hoe hovakian’i Jesoa ny tavoara alabastaran’ny fony. Nanao teny nandratra azy i Jesoa teto, nanao teny nanala baraka azy i Jesoa teto, ary any amin’ny synoptique any dia mitantara ny Soratra Masina eto hoe ny mpianatra no nanao fanamarihana hoe inona no anton’izao fandaniam-poana izao. Fa eto, précisé-ny Soratra Masina hoe Jodasy no niana-kendry, be morale, niteny fa raha tsy nolaniana foana teo ilay menaka manitra dia azo nanampiana ny mahantra. Dia vita ny tenin’i Jodasy, dia niteny Jesoa hoe avelao izy. Ilay tenin’i Jesoa dia azo lazaina hoe famaliana mivantana na famaliana an-kolaka an’i Jodasy, fanitsiana azy teo ampahibemaso teo. Ary azo antoka fa nahatsiaro ho afa-baraka i Jodasy teo anatrehan’ny tenin’i Jesoa. Afa-baraka izy satria nahariharin’i Jesoa teo ny fihatsaram-belatsihy, hoeody malahelo ny mahantra izy, nahariharin’i Jesoa teo ny fitiavam-bolany sy ny fahihirany. Nalahelo izy satria arakara ny hihenan’ny vola ao amin’ny kitapom-bola no hihenan’ny vola angalariny. Nahariharin’i Jesoa ampahibemaso teo fa mpangalatra, mpiatsaravelatsihy i Jodasy.
Raha misy mpino iray angamba manao dinika any amin’ny biraon’i Pasitera ka tenenin’i Pasitera hoe ianao dia miatsaravelatsihy, ianao dia mpangalatra ny volam-piangonana, mety ho safotra ilay olona ; ary na dia hoe entretien voafehin’ny secret pastoral aza ny dinika natao, vao mivoaka ny biral izy dia mety hitantara hoe lalina anie ny nanaovan’i Pasitera ahy e. Fa ity, tsy dinika pastoral en tête à tête tao amin’ny biraon’i Jesoa fa teo ampahibemaso no ciblé-n’i Jesoa i Jodasy, ampahibemaso izy no afa-baraka, nahariharin’i Jesoa ny toetra ratsiny. Izay ilay hoe te hamaky ny tavoara alabastaran’ny fon’i Jodasy i Jesoa ahatonga saina azy.
Ny hafatra ho antsika dia hoe : avelao ny Tompo ampiasa izay fomba rehetra tiany ampiasaina mba hamakiany an’io tavoara alabastaran’ny fonao io. Mety teny mandratra izany, mety fihetsika mampiseho ny tsy rariny izany,mety teny mandratra eo anivon’ny tokantranonao izany, mety daroka izany ; fa ny Tompo te hamaky ny tavoara alabastaran’ny fonao. Fa une fois vaky ny tavoara alabastaran’ny fonaodia ilay fanahy izay ao aminao zanak’Andriamanitra, hamerovero : hemerovero fitiavana ianao, hamerovero fifaliana ianao, ary ho feno fifaliana izay toerana misy anao, miantomboka ao amin’ny ankohonanao.
Fahamarinana 3 : ASEHOY AMIN’NY VOLANAO FA JESOA DIA MESIA MATY HO ANAO
Hoy ny Jaona 11 :53 : « Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo ». Signé ny arrêt de mort-n’i Jesoa eto. Ny nihendry hahafaty an’i Jesoa dia lohan’ny mpisorona sy ny fariseo. Ary dia izay no heverina fa ren’i Maria koa, hoe Jesoa ho faty. Ary dia efa alohavin’i Maria izany fahafatesan’i Jesoa izany : nosoran’i Maria menaka ny tongotr’i Jesoa. Ankoatra ny fanantren-tena, fanambarana izany fa fantany hoe ho faty i Jesoa. Satria teo amin’ny jiosy, ny olona maty ihany no hosorana menaka ny tongotra. Fa ny olona ohatran’i Jodasy, angamba koa ny mpianatra hafa, tsy nahafantatra an’i Jesoa ho Mesia ho faty, dia milaza an’izany ho fandaniam-poana.
Alaivo sary an-tsaina, ny vidin’ity menaka ity dia hoe karama 1 taona. Ny karamanao herintaona atolotrao an’i Jesoa. Hisy hiteny hoe « sao dia trop izany Pasitera ? » Fa ny olona izay mahafantatra an’i Jesoa ho Mesia maty ho azy, no mahafoy vola ohatran’izany. Nahafinaritra ny tenin’ny mpitoriteny iray : « Marie reconnait que Jésus vaut mieux que tout l’or du monde », sarobidy lavitra ho an’i Maria i Jesoa noho izay volamena rehetra ety an-tany. Ary hoy ihany izy hoe : « Pour Marie, pour Dieu rien n’était trop beau ».
Angataho ny Fanahy Masina hitarika anao ho amin’ny marina rehetra, ary ahafantatra marina an’i Jesoa ianao, Jesoa voahombo ho anao manokana teo amin’ny hazo fijaliana noho ny fahotanao, ary nitsangana tamin’ny maty hanamarinana anao manokana. Tsy hoe tsy ahoan’i Jesoa ny mahantra, diso izany ; fa tiany aloa isika haneho fitiavana Azy amin’ny fitiavana voalohany ary ahafantatra Azy marina ho Mesia maty ho an’ny fahotantsika. Dia hoy ny mpitoriteny iray hoe ny Fanahy Masina izay mampidina ao am-ponao izany fitiavana voalohany izany, iny Fanahy Masina iny ihany no hitarika anao hitia marina ny malahelo sy hanome ho an’ny malahelo. Araraoty ohatran’i Maria ny opportunité spirituelle anehoanao ny fitiavanao ny Tomponao, amin’ny Mesianao : maty Jesoa ary velona mandrakizay Izy ankehitriny. Fa ny zavatra maika alohan’ny fara-fofon’ainao, dia hoe asehoy marina fa raisinao ho Mesia maty ho anao manokana i Jesoa ; asehoy amin’ny volanao izany ; asehoy amin’ny fanomezana manana endrika sacrifice izany : tsy ny tonom-bola no zava-dehibe, fa raha mbola ambin’ambim-bola no omenao, tsy ampiditra anao any an-danitra izany.
Miandry anao any an-danitra ny Tompo,aoka izay io fitiavam-bola io, aoka izay io kolikoly io.