ALAHADY 23 MAY 2021

Miarahaba anareo amin’ny anaran’ny Tompontsika ry havana. Manonona aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.

Raha fintinina ny hafatra androany Pentekosta 2021, dia azo fintinina tahaka izao, hoe : FANTATRAO VE NAHOANA NY FANAHY MASINA NO TSY MIASA AO AMIN’NY FIAINANAO ? FANTATRAO VE MANINONA NY FANAHY MASINA NO TSY MIASA AO AMIN’NY FIAINANAO ? Izay ny hafatra androany ry havana ô.

Ny Tompo hitahy ny teny izay ho renesintsika ; ka hampitombo ny fahalalantsika ny Fanahy Masina, ka Izy handresy lahatra antsika tena hoe misaotra Azy isika fa tena hoe : nahatsara antsika, nahatsara antsika ny nandaozan’i Jesoa antsika ry havana ô.

Raha valiana ilay fanontaniana hoe : FANTATRAO VE NAHOANA NY FANAHY MASINA NO TSY MIASA AO AMIN’NY FIAINANAO ? : TSY MIASA AO AMIN’NY FIAINANAO IZY SATRIA TSY FANTATRAO IZY. TSY FANTATRAO IZY. Ary tsy ianao irery no tsy mahafantatra Azy. Inona no dikan’izany ? Ny dikan’izany dia hoe : Andriamanitra, Andriamanitra telo izay iray :

  • Andriamanitra Ray
  • Andriamanitra Zanaka
  • Andriamanitra Fanahy Masina

Ary io Fanahy Masina io, voalohany indrindra, dia Andriamanitra ; faharoa, faharoa, faharoa, araka ny fitenin’ny teolojiana hoe : « personne » io. « Personne ». « Personne » fahatelo ao amin’ny Trinité : Andriamanitra « personne » fahatelo. Ary io « personne » fahatelo io, dia hoe : « personne » nirahan’i Jesoa Kristy. Izay ilay fahamarinana tiana zaraina aminao eto am-piandohana. FANTARO FA « PERSONNE » NIRAHAN’ANDRIAMANITRA RAY SY ZANAKA NY FANAHY MASINA : « PERSONNE ». Raha tsy tandremanao izany an, izany fampianarana izany, dia mety ho diso hevitra ianao ; ary satria diso hevitra dia hanjavozavo aminao izany atao hoe : Fanahy Masina izany. Dia ho diso hevitra ianao satria hoe : tsy ho azonao ilay tenin’i Jesoa hoe : « hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo ». Ilay hery io izany dia heverina hoe karazana énergie. Tsia ry havana ô. Tsy énergie, tsy angovo ohatran’ny hoe électricité akory ny Fanahy Masina fa « personne » ny Fanahy Masina. « Personne » Andriamanitra Raintsika. « Personne » Jesoa Kristy Tompontsika. « Personne » ny Fanahy Masina ». Izany no ambara aminao amin’izao andro Pentekosta izao. C’est une personne – C’est une personne. Ary tena hoe « personne » mitovy lenta amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy. Ary nandao antsika Jesoa ry havana ô, ka naniraka ny Fanahy Masina. Satria maninona ? Hitomboantsika amin’ny fahalalana an’i Jesoa. Izay ny hevitry ny Pentekosta : hitomboantsika amin’ny fahalalana an’i Jesoa, hitomboantsika amin’ny fiombonam-po, fiombonam-panahy amin’i Jesoa. Izany no atao hoe Pentekosta. Izany no nanirahana an’io « personne » fahatelo ao amin’ny trinité io ry havana ô. Izany no nahatongavan’ny Fanahy Masina. Fantaro hoe « personne » io. Izany aloha ny voalohany dia voalohany indrindra no dikan’ny Pentekosta. Ia, ny Pentekosta : niseho tamin’ny lelafo mipetraka amin’ny olona tsirairay ny Fanahy Masina : Ok. Tamin’ny andron’ny Pentekosta : niteny tamin’ny fiteny izay tsy hainy ny olombelona : eny e. Izany ny Pentekosta izany. Izany ny Pentekosta izany. Fa ny Pentekosta aloha dia fahatsiarovana ny nitanan’i Jesoa ny teniny hoe : « andeha Aho ary dia ho alefako aminareo ny Fanahy Masina. Izany aloha ny Pentekosta. Ny Pentekosta, tsy hoe feno ny Fanahy Masina aho dia miteny amin’ny teny tsy fantatra. Possible izany. Izaho ry havana ô, mahafantatra mpanompon’Andriamanitra tsy manam-paharoa, tsy niteny tamin’ny teny tsy fantatra tamin’ny andron’ny fanompoany. Donc tsy critère-ny hoe fananana na fahafenoan’ny Fanahy Masina ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra. Ary mbola tena hoe araraotiko : fampianaran-diso ny filazana hoe : rehefa feno ny Fanahy Masina ianao, araka ny hitantsika ao amin’ny secte ry havana, niainga tany Canada io, tany Toronto tany, fa tena hoe mieli-patrana ao Afrika ao : mametra-tanana ilay mpitondra fivavahana dia iny fa mitsorapaka amin’ny tany mankany aoriana ilay olona hoe iasan’ny Fanahy Masina. Asan-demony izany. Ary asan’ny occultisme ireny, rehefa manomboka mijery an’ireny ianao ao amin’ny Youtube. Na hoe : ametrahan’ilay mpitondra fivavahana tanana ilay mpivavaka dia mitsirara amin’ny tany eo, dia miolakolako ohatran’ny kankana, na ohatran’ny bibilava. Asan-demony izany. Fa ny Fanahy Masina dia « personne » nirahan’Andriamanitra Ray sy Jesoa Zanaka hananantsika fifandraisana Aminy. Izay no inoantsika Azy. Mampahatsiahy anao aho ry havana, fa Jesoa Kristy Tompontsika, tamin’iny andro izay nitsanganany tamin’ny maty iny, rehefa nihaona tamin’ny mpianany : mbola nisalasala, nanana doute ny mpianany. Na dia efa hoe nitsangana tamin’ny maty aza Izy : nanana doute ny mpianany. Fa rehefa tonga ny Fanahy Masina, tonga io « personne » io, izay izy vao tena hoe feno fahasahiana nitory an’i Jesoa maty ary nitsangana tamin’ny maty.

Tsy maninona raha ajanonao eto ny fihainoana ity toriteny ity, raha tsaroanao hoe : ny Fanahy Masina dia « personne » irak’i Jesoa Kristy, irak’i Jesoa Kristy hampifandray anao marina amin’ny Ray sy ny Zanaka.   

Andao ary jerentsika hoe inona no ataon’ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’ny texte voalohany amin’ny perikopantsika, ao amin’ny Ezekiela 36 :26. Malaza loatra ity ry havana, ary efa tsianjerintsika Isotry Fitiavana : « Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo ». 

Ny Fahamarinana 1 : IRAHAN’I JESOA NY FANAHY MASINA – TONGA NY FANAHY MASINA DIA OVAINY HO VAOVAO NY FANAHINAO

Ovain’ny Fanahy Masina, io irak’Andriamanitra sy Jesoa io, ovainy vaovao ny fanahinao. Tsy ny herinao, tsy ny fahaizanao tenin’Andriamanitra, tsy ny ezaka ataonao no hanova ny fanahinao ho vaovao, fa ny Fanahy Masina Izay irahan’i Jesoa ry havana ô.

Ary izany no tsy iasan’ny Fanahy Masina ao aminao : tsy fantatrao Izy hoe « personne », efa nolazaina teo, tamin’ny introduction. Faharoa, tsy miasa ao aminao ny Fanahy Masina satria tsy fantatrao hoe irahan’i Jesoa haninona Izy ? Irahany hanome anao fanahy vaovao.

Hoy ny and.26 hoe : « Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo ». Fa maninona ry havana no hoe : « homeko fo vaovao hianareo » ? Satria ilay fontsika olombelona, ilay fo voajanahary, io fo io, dia fo vato ; fo vato io e, raha mbola tsy novain’ny Fanahy Masina. N’inon’inona fahaizanao, n’inon’inona hatsaranao, n’inon’inona eritreritrao sy fikasanao : manana fo vato ianao raha mbola tsy nandray ny Fanahy Masina hanaisotra an’io fo vato io. Fo vato. Mety hoe manokana ny volanao ianao, ny fotoananao ianao, ny herinao hanompoana aty am-piangonana ; fa raha tsy nandray ny Fanahy Masina ianao : fo vato. Izany ange no mahatonga ny olona malaky mi-abandonne e : fo vato ka, fo vato. Satria ilay fo vato an, tsy toa ilay fo nofo lazain’i Ezekiela hoe : sensible amin’ny fananaran’ny Fanahy Masina hoe : E, Solofo an, tsy mety izao ataonao izao. Ilay fo nofo, fo vato, tsy sensible amin’ilay hoe : fitahiana arotsaky ny Tompo ao amin’ny fiainanao, dia malaky vizana ianao, satria tsy mifandraika, tsy mifandray amin’ilay Andriamanitra sy ilay Jesoa velona ianao. Ary izany no nanirahan’i Jesoa ny Fanahy Masina : « personne » io e, hanao an’izany ao amin’ny fiainanao. Ny fanahinao no ovainy ho fanahy vaovao manana fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra. Ary rehefa manana fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra ianao : ovainy iny fo voajanahary iny mba tena hoe fo mitempo fitiavana ho an’Andriamanitra ry havana ô.

Izay ny Fahamarinana 1. RAISO E, RAISO IO FANAHY MASINA IO, IRAKY NY TOMPO, « PERSONNE » IRAKY NY TOMPO HANOVA NY FANAHINAO HO FANAHY VAOVAO, HANAISOTRA IO FO VATONAO IO

Ny Fahamarinana 2 dia izao ry havana ô, ao amin’ny filazantsaran’i Jaona 16. Hoy ny and.13 : « Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana » : hitanareo izany filazan’i Jesoa izany : rehefa tonga Izy. Iraka Izy. Irahan’i Jesoa Izy ; dia rehefa tonga, rehefa tonga ao amin’ny fiainanao. « Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ ny marina rehetra ». IZY NO HITARI-DALANA ANAREO HO AMIN’NY MARINA REHETRA. Izany io iraky ny Tompo io, izany io « personne » ; sarotra moa ny miteny hoe olona irahan’ny Tompo, fa « personne » irahan’ny Tompo, hoe : hitari-dalana ahy sy ianao ho amin’ny marina rehetra.

Inona no dikan’izany hoe : hitari-dalana antsika ho amin’ny marina rehetra ? Manao Sefala ianao, manao Setela ianao, manao EB sy ny karazany ianao ; fa raha tsy eo ny Fanahy Masina tsy ahatakatra ny marina rehetra ianao e, tsy ahatakatra ny marina rehetra ianao. Marina sombitsombiny, marina ampahany no fantatrao. Satria ianao mandeha amin’ny herin-tsainao sy ny inteligence-nao. Marina sombitsombiny no fantatrao satria hoe ny masonao, ny intelligence-nao voajanahary, ny masonao, ny masom-panahinao, dia pahina ka tsy mahatakatra ny marina rehetra. Fa izany no anirahan’i Jesoa an’io « personne » io, mba hitarika anao ho amin’ny marina rehetra. Hitanao : irahana Izy, fa azonao atao ny mandà. Fa inoako, raha ianao izay mihaino : tsy ianao akory ilay handà ; fa ianao ilay tsy mahafantatra fotsiny, ianao ilay mi-ignorer fotsiny hoe : hay ve ny Fanahy Masina e, irak’i Jesoa e ; nifampiresahany tamin’ny Rainy dia niara-naniraky Izy e. Izany ilay izy ry havana, izany ilay izy. Irahan’i Jesoa Izy hoe : hitari-dalana antsika ho amin’ny marina rehetra.

3 taona ngarangidina nanana formation avo lenta ireto mpianatra ireto. Nanana formation avo lenta izy ry havana ô. Fa izao : rehefa miteny Jesoa hoe : Izaho andao anareo, eto amin’ny Jaona 16 : « Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny ». Tsy zakany raha tsy amin’ny andron’ny Pentekosta, androany izany ; tsy zakany raha tsy amin’ny andron’ny Pentekosta androany. Satria ao an-tsain’i Jesoa ry havana ô, ao an-tsain’i Jesoa, dia hoe : hahazo hery ireto mpianatra ireto amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminy ; fa indrindra koa hahazo fahalalana izy amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminy. Hahazo fahalalana izy amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminy ka hahafantatra ny marina momba an’i Jesoa, hahafantatra ny marina rehetra momba an’i Jesoa. Tsy midika mihitsy izany hoe tsy ampy ny fampianaran’i Jesoa, misy banga ny fampianaran’i Jesoa : tsia ry havana ô, tsia ry havana ô. Fa ilaina ny Fanahy Masina hampiharihary amiko, ilaina ny Fanahy Masina hampiharihary amiko momba an’i Jesoa. Ary rehefa ampihariharian’ny Fanahy Masina amiko momba an’i Jesoa, dia miharihary amiko ny famirapiratan’i Jesoa. Mamirapiratra aminao ve Jesoa ? Mamirapiratra aminao ve Jesoa ry havana ô ? Mamirapiratra aminao ve Jesoa e ? Mamirapiratra aminao ve Jesoa ?    

Ary io Fanahy Masina ry havana, izay hoe nirahan’i Jesoa, « personne » nirahan’i Jesoa hitarika antsika ho amin’ny marina rehetra ; ny marina : rehefa fantatra ; ny tena marina rehefa fantatra dia tsy maintsy tiana, tsy maintsy tiana rehefa fantatrao ny marina ambaran’ny Fanahy Masina. Ary ny marina rehefa tena fantatra : iraketan’ny fonao ; satria na ny foko na ny fonao dia mangetaheta fahamarinana. Izany ny asan’ny Fanahy Masina nirahan’i Jesoa ry havana ô : « personne » hitarika antsika ho amin’ny marina rehetra. Ary rehefa fantatsika tahak’izany ny marina, mamirapiratra ao amintsika ny marina momba an’i Jesoa, iraiketan’ny fontsika izany fahamarinana izany : tsy problème amintsika intsony ary tsy hanafintohina antsika intsony izany hoe : « ankatoavy ary e, ankatoavy ary e izany fahamarinana izany ».

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana dia izao, ao amin’ny 1 Korintiana 2 :2 ;4 : « Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana. Ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ ny fanehoan’ ny Fanahy sy ny hery ». Ny teniko sy ny toriteniko dia hoe mifototra « sur une démonstration d’esprit et de puissance ».

Io « personne » irahan’i Jesoa io ry havana ô, io « personne » irahan’i Jesoa io, dia nirahan’i Jesoa hampifantoka antsika amin’ny « personne » -n’i Jesoa. NIRAHAN’I JESOA NY FANAHY MASINA HAMPIFANTOKA ANTSIKA AMIN’NY PERSONNE-N’I JESOA ry havana ô. Hampifantoka antsika Aminy, araka ny tenin’ny Apostoly Paoly hoe : voahombo tamin’ny maty. Sambatra ianao izay miambozona hazo fijaliana, tena ara-tsoratra Masina. Fa tahian’ny Fanahy Masina anie iny lakroa iambozonanao iny, ahatsiarovanao an’i Kristy mandrakariva. Sambatra ianao izay manana porte-clé na manana T-shirt amakiana hoe : « Mahery ny ràn’i Jesoa », « Mahery ny ràn’i Jesoa ». Fa asan’ny Fanahy Masina ao aminao izany, asan’io « personne » nirahan’i Jesoa io izany, ampahatsiaro anao araka ny tenin’i Paoly hoe : « tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana ». Izany ny asan’ny Fanahy Masina : mampibanjina antsika an’i Kristy ry havana ô.

Ary mamy loatra ilay fifampiarahabantsika ato Isotry Fitiavana, rehefa miarahaba : ny anankiray dia manao hoe : « Nitsangana tamin’ny maty Kristy », dia mamaly ilay arahabaina hoe : « Eny, nitsangana tokoa Izy ». Inona no dikan’izany ? Voahaisotra ny fahotanao ry havana ô, voahaisotra ny fahotanao ary ny Fanahy Masina no mampiteny anao an’izany. Mifampiarahaba tahaka izany isika dia mifampahatsiahy fa izao tontolo izao dia manana Mpamonjy, manana Mpanavotra. Ny Fanahy Masina, ilay irak’i Jesoa, ilay « personne » nirahan’i Jesoa no mampiteny antsika an’izany ry havana ô. Isaky ny miteny isika hoe : « Nitsangana tamin’ny maty Kristy » dia mamaly hoe : « Eny, nitsangana tokoa Izy », dia mifampahatsiahy isika hoe : ny voary manontolo, ny « univers » dia manana Mpanjaka. Izany no nanirahana ny Fanahy Masina. Izay no nanirahan’i Jesoa ny Fanahy Masina : hampi-focaliser antsika ny amin’ny toetra sy ny asan’i Jesoa. Izaho, hoy Paoly Apostoly, eo amin’ny and.1 eo, tsy tonga taminareo tamin’ny teny sy fahendrena marevaka ; izaho tsy nanao taminareo teny mampitolagaga e ; izay no ilazan’ny DIEM azy. Tsy nanao taminareo, araka ny teni’nyn DIEM eo amin’ny and.4 : tsy nanao lahateny mampiaiky volana ? Non non non, non non non. Tsy nanao fahagagana teo aminareo, tsy niteny mampiaiky volana. Tsy ny fahagagana no anorenana finoana tena mitombona ry havana ô, fa ny tenin’i Kristy voahombo teo amin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana antsika ; ary efa nampiakarin’Andriamanitra any an-danitra, dia nitana ny teniny ka naniraka ny Fanahy Masina hoe : hahasoa antsika.

Faranana, faranana izao teny izao. Ny lohatenin’izao toriteny izao, ny votoantin’izao toriteny izao dia ny hoe : FANTATRAO VE NAHOANA NO TSY MIASA AO AMIN’NY FIAINANAO NY FANAHY MASINA ? Dia efa nazavaina teo hoe : TSY MIASA AO AMIN’NY FIAINANAO NY FANAHY MASINA, TSY MIASA AO AMIN’NY FIAINANAO NY FANAHY MASINA SATRIA TSY FANTATRAO HOE « PERSONNE » NIRAHAN’I JESOA NY FANAHY MASINA. Izay no Fahamarinana 1. Ok. Dia hoy ianao : Ok, dia ahoana ary izany e ? Ok. Faharoa : ny zavatra hoe andrasan’ny Tompo aminao dia ny hoe hanokana fotoana hi s’isoler-vanao, hanokana fotoana hitokanana amin’Andriamanitra Rainao. Izay ilay izy. Izay ny faharoa : HANOKANA FOTOANA IANAO IANARANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA, HANOKANA FOTOANA HANDINIHANA NY FIAINAN’IREO OLONA MARO IZAY NAMPIASAIN’ANDRIAMANITRA TAMIN’NY FOMBA MAHAGAGA. Izay ry havana ô. Izay no andrasany amintsika amin’izao andron’ny Pentekosta izao, mba hahazoan’i Jesoa mampiasa anao koa amin’ny fomba mahagaga.

  • Fantaro fa « personne » ny Fanahy Masina, nirahan’i Jesoa manokana.
  • Manokàna fotoana handinihana ny tenin’Andriamanitra. Manokàna fotoana handinihana ny zavatra nataon’ireo olona nampiasain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga. Aza isaina ny ora laninao amin’izany. Izaho ry havana rehefa mahita an’ireny, satria moa lamaody amin’izao fotoana izao, ireny olona bokona ireny, bokona ara-batana izany : tsy mila manontany aminy akory aho hoe « fa adiny firy isan-kerinandro ianao no manao exercice ? » ; fantatra fa tsy manisa ora izy anaovana exercice hampiasana ny vatany, hikotranany ; dia hitanao ilay vokany. Ohatran’izany tsy misy hafa ny amin’ny fiainana ara-panahy : aza manisa ora. Tiako ho azonareo ilay resaka, dia rehefa miteny aho hoe « aza manisa ora », dia te hiteny aminareo tanora aho hoe : « manokàna ora bobaka be handinihana tenin’Andriamanitra, hitokanana amin’Andriamanitra ». Izay ilay hafatra androany.
  • Ary ny fahatelo farany dia izao, ny fahatelo farany dia izao : 1/ mandinika tenin’Andriamanitra, 2/ Mitokana miaraka amin’Andriamanitra ; 3/ Ary mianara mitaraina, mitalaho, mikiakiaka amin’Andriamanitra hoe : « Atobay amiko ny herin’ny Fanahy Masina. Mandray Anao aho Fanahy Masina ô, irak’i Jesoa ; ny herinao atobay, atobay ato amiko, atobay ao amin’ny fanahiko, atobay ao amin’ny foko ». Izay zavatra 3. Atobay ny herinao Fanahy Masina ô. Aza manisa ora, araka izay nolazaina teo. Ary tsy vitan’izany : « atobay ao amin’ny fanahiko sy ao amin’ny foko ny herinao Fanahy Masina ô ary dia ho hita ao amin’ny fiainako, ho hita ao amin’ny fiainako izany herinao izany ; izany herinao manova ahy, hampitombo ahy amin’ny fanahafana an’i Kristy ; hahitako ny hatsaran’i Kristy ; ary tena mba hoe ho modelim-piainako Ianao Jesosy an, ho modelim-piainako Ianao amin’ny lafiny rehetra. Ary izany no tena fifaliako ; n’inon’inona mba faniriako amin’ny maha-olombelona tsy tanteraka ; izany no tena fifaliako, izany no tena fahasambarako. Ary aoka ny Fanahinao Masina hahatanteraka ny asa izay nanirahanao Azy, dia ny hampibanjina ahy anao Jesoa 24/24, 7/7. Ary fantatro fa mbola hiverina Ianao. Ary hiandrandra aho ny feon’ny arikanjely, ny trompetran’Andriamanitra manambara fa miseho eny amin’ny rahon’ny lanitra ianao ; fa dieny izao die efa mati-paniriana ny foko hihaona Aminao ; ary tsy andriko izany andro izay hahitako ny hatsaranao izany, ny hatsaran’ny tarehinao izany ».

Mbola miarahaba anareo ry havana malala ao amin’ny Tompo amin’izao Pentekosta 2021 izao. Ary ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amen.