ALAHADY 23 DES 2018

image_pdfPDF

Deoteronomia 26 :10 : « Ary ankehitriny, Jehovah o, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao »

1 Tesaloniana 5 :17 : « Mivavaha, ka aza mitsahatra »

Raha akambana ireo andinin-tsoratra Masina roa ireo, dia hoe : « Mivavaha eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, mivavaha ary aza mitsahatra ». Izay no hafatra ho antsika. Sarotsarotra ihany ilay hafatra : déjà efa mahakamo antsika izany hoe mivavaka izany, dia mbola hoe mivavaha mandrakariva ka aza mitsahatra ; ohatrany tsy possible izany ; izay ilay izy. Fa misaotra ny Tompo ny amin’izany teniny izany, hoe « mivavaha eo anatrehan’Andriamanitra, mivavaha ka aza mitsahatra ». Ny laklen’ny tena fivavahana ary ny lakle an’izany fivavahana tsy mitsahatra izany, dia nomen’ny Deoteronomia hoe : « mivavaha eo anatrehan’Andriamanitra ». Ary rehefa mivavaka ianao eo anatrehan’Andriamanitra, dia tsy mitsahatra mivavaka ianao. Fa ny ankamaroan’ny vavaka ataontsika, dia mivavaka isika fa tsy mahatsiaro hoe eo anatrehan’Andriamanitra. Ary tsy mi-existe izany hoe tsy mitsahatra mivavaka izany isika. Izay izany ilay hafatra ho antsika, hoe : « mivavaha eo anatrehan’Andriamanitra dia hivavaka tsy mitsahatra ianao ». Ary rehefa izay, dia hiaina am’izany hoe mifaly amin’ny fitiavan’ny Tompo izany ianao. Fa raha mbola hoe fifaliana tsy omban’ny vavaka, tsy ahitana vavaka, mbola fifalian’ny tany izany, fifaliana mandalo izany.

Raha nanomana ity toriteny ity, dia misy tenin’Andriamanitra amin’ny teny latina manao hoe : « Coram deo ». Lotera, ilay mpanitsy fivavahana no nampianatra an’io ary rehefa adika io, amin’ny Segond dia hoe : « Devant Dieu » ; amin’ny Baiboly protestanta dia hoe : « eo anatrehan’Andriamanitra ». Fa ny famintinana an’azy mba hanaitra dia hoe : « Coram deo ve ny vavaka ataonao ? Ary Coram deo ve ny fiainanao ? Raha tsy izany, tsy vavaka henoina any an-danitra ilay vavaka ataonao, ary ianao dia vetivety dia ho kamo hivavaka rehefa tsy hoe Coram deo.

Andeha ary ho jerevantsika akaiky ny momba an’izay. Inona moa ny tena hevitr’ity hoe Coram deo ? Ary rehefa miteny izany ny bokin’ny Deoteronomia hoe « mivavaha ianao eo anatrehan’Andriamanitra » dia hoe « mivavaha ianao Coram deo ».

Fahamarinana 1 : CORAM DEO VE NY FIAINANAO ?

Raha ny marina dia tsy tsara raha irery isika olombelona. Haintsika ny Genesisy 2 :18 hoe : «  Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy». Fa isika olombelona mihitsy no tsy tsara raha irery. Ary rehefa miteny ny Soratra Masina hoe inona no amintinana ny sitrapon’Andriamanitra, dia hoe : tiava an’i Jehovah Andriamanitrao, tiava ny namanao. Mamintina ny tsy mahatsara ny maha-irery antsika olombelona ireo didin’Andriamanitra ireo. Tsy natao ivelona irery isika fa voalohany, natao ivelona Coram deo, eo anatrehan’Andriamanitra. Izany io Coram deo io. Andriamanitra nahary anao tahaka ny endriny ; rehefa foananao eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, banga ny fiainanao, tsy possible intsony ilay Coram deo. Ary izay no fahamarinana 1 hoe : ny fiainanao ve Coram deo ? Izay no nokendren’Andriamanitra, izay no nahariany anao tany am-boalohany raha nataony mitovy endrika Aminy Andriamanitra ianao. Fa inona ny zavatra nisy ? Ilay ota nampisaraka antsika tamin’Andriamanitra, hany ka hoa rava izay fiombonam-panahy izay, rava izay fifandraisana izay. Ary izany ny vaovao mahafaly amin’ny noely hoe Kristy nirahin’Andriamanitra avy any an-danitra handrava izay efitry ny fisarahana izay, ary ny vaovao mahafaly : possible manomboka izao tao amin’i Jesoa Kristy ny hoe : mivelona Coram deo. Aoka izany no tena hahafaly antsika amin’ny krismasy, hoe : hay ve izaho mivelona eo anatrehan’Andriamanitra, izaho mivelona Coram deo. Ary rehefa mivelona ianao Coram deo dia manana an’izay hoe, eo anatrehan’Andriamanitra, manana tête à tête amin’Andriamanitra izay ianao, manana fifanatrehan-tava, manana cœur à cœur amin’Andriamanitra izay ianao, obligé, automatique satria Coram deo ianao ry havana. Izany ny vaovao mahafaly. Ary dia mifaly ianao amin’izany hoe fitiavan’ny Tompo anao izany. Dia eo ianao ary, asain’ny Tompo mandinin-tena hoe : inona no mbola tena mampisaraka anao amin’Andriamanitra ka tsy Coram deo ny fiainanao ? Adidintsika ny mandinin-tena mba tena hoe horavan’i Jesoa Kristy marina izay efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra.

Fahamarinana 2 : REHEFA CORAM DEO NY FIAINANTSIKA DIA AUTOMATIQUE ISIKA MIVAVAKA.

Amin’ny teny anglisy ilay hoe « mivavaka » dia hoe « Pray ». Azavaina ilay PRAY ahazoana mamintina an’ilay izy :

  1. P = PRAISE : MIDERA

Ny antom-bavaka voalohany matetika dia ilay Praise, na hoe « Fiderana an’Andriamanitra ». Tahaka ny amin’ny louange, manao cœur à cœur, manao tête à tête ianao ; tsy misy na inona na inona akory atao dia velom-piderana ny molotrao, fiderana mipololotra avy any am-po any, mahita an’Andriamanitra hoe Andriamanitra feno. Ary ho an’ny olona izay miaina Coram deo, sy manao cœur à cœur Aminy, tiany atolotra azy izany fahasoavany izany ; tiany tolorana azy fahendrena, fitiavana, fifaliana, fiadanam-po. Izany ny olona eo anatrehan’Andriamanitra.

Midera Azy : izay ilay hoe mivavaka. Ka raha manao cœur à cœur ianao toute la journée, tsy mila tenenina akory anie ianao hoe « mivavaha ka aza mitsahatra » e : mipololotra fiderana. Ary raha jerena ny Deoteronomia 26 :1-2 : «Ary rehefa tonga ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao, dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin'ny tany, izay alainao avy amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany ». Dia io izany, tantaraina hoe fahafolon-karena io dia atolotra an’i Jehovah ho fankasitrahana, ho setrin’ny hoe nanolorany ny tany izay nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Miderà an’Andriamanitra noho ilay cœur à cœur, miderà Azy amin’ny fahafoizana vola sy harena. Jerentsika ny Lioka 14 :33 : «Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro ». Izay ilay izy ; faux débat io hoe ao amin’ny Testamenta taloha mbola mampianatra momba ny fahafolon-karena ? Ny valiny dia eny. Faux débat io satria tsy fahafolon-karena no angatahan’ ny Tompo aminao raha te hidera Azy ianao, fa izay anananao rehetra. Ny Fanahy Masina mitarika anao amin’ny marina rehetra amin’ny fahafoizana vola. Izay ilay izy, ary raha azonao izay, mitandrina ianao rehefa anolotra fahafolon-karena, fa sanatria ianao ieritreritra hoe an an an, ny an’ilay ranamana ity, fitiavam-bola sy fahihirana no tena anomezany fahafolon-karena. Tsy fomban’ny olona midera an’Andriamanitra izany.

Izay ilay P : tsy mitsahatra mahita ilay fahasoavana miampy fahasovana ianao, dia mivavaka ianao, mivavaka ka tsy mitsahatra.

 

 

  1. R = REPENT : MIBEBAHA

Dia tsy azontsika ve ry havana fa raha mandinika ny fiainantsika eo anatrehan’Andriamanitra Coram deo isika, mahita fa tsinontsinona isika, mahita ny fahalotoantsika, ahoana ianao no tsy hibebaka ary tsy hitsahatra ny hibebaka e ? Izany anie io e, izany io ry havana. Indrindray izany ny olona, rehefa mitory teny ohatran’izao ianao dia ilay voisin-nao kitihin’ny devoly dia miresaka mandritran’ilay toriteny dia tsy henonao akory hoe miderà, tsy henonao akory hoe mibebaha. Ny devoly no mampiteny azy, dia ianao koa kitihin’ny devoly dia mihaino ianao. Izay ilay izy ; fa hoe : mibebaha ianao aloa.

Inona ary no hibebahana ry havana ? 1 Tesaloniana 5 :12-15 : « Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo, ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara. Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra. ». Raiso manokana ho anao io fa antso ho anao mba hibebaka. Ny olona Coram deo, eo anatrehan’Andriamanitra izy toute la journée, dia teninin’Andriamanitra izy hoe : ianao ohatrany tsy manaja ilay mikely aina eo aminao, ilay mpitondra anao an ; ianao tsy mitoetra tsara an, ianao tsy nanome toky ny malemy saina an, ianao ohatrany tsy mampahery ny reraka, ianao tsy nandefitra tamin’ny olona rehetra an, ianao ilaozanao mamaly ratsy toute la journée an, fa tsy mibebaka ianao toute la journée. Mivavaha eo anatrehan’Andriamanitra, mivavaha ka aza mitsahatra. Mibebaha ianao ao anatin’ny journée dia hivavaka tsy mitsahatra ianao.

  1. A = ASK : MANGATAHA

Deoteronomia 26 :5a : « Dia hiteny eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko». Deoteronomia 26 :11 : « Ary mifalia amin’ ny soa rehetra izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao hianao sy ny Levita mbamin’ ny vahiny eo aminao ». Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe mivavaha ao anatrehan’i Jehovah, mivavaha ka aza mitsahatra : mangataha.

Ary inona ny anton’ny fangatahana voalohany ? Mangataha ianareo vehivavy ho anay lehilahy loham-pianakaviana. Mivavaha manokana ho anay amin’izao andron’ny krismasy izao ary ampitomboy ny vavaka ho anay lehilahy amin’iny 2019 iny. Mangataha ho anay lehilahy, vady, loham-pianakaviana ? Miteny eto ny Soratra Masina hoe : ny raiko dia Syriana mpanjenjena. I Abrahama io Syriana, Araméen errant. Fa izao no lazaina anareo vehivavy, izao no lazaina anareo tovovavy izay miandry izay ho vadinareo : ny ankamaroanay lehilahy dia mpanjenjena ara-panahy. Mety Pasitera izy, mety diakona izy, mety mpiandry izy, fa mpanjenjena ara-panahy. Ento am-bavaka izy ùba handeha mendrika ny fiantsoana hoe lehilahy manahaka an’i Kristy ho an’ny vadiny, lehilahy manahaka an’i Kristy ho an’ny zanany ; fa tsy ho lehilahy mpanjenjeny ara-panahy : tsy fantatra loatra fa anio mino, anio tsy mino… Mpanjenjena tsotra izao : firy ny lehilahy izay hoe manjenjena any fa tsy ato amin’izao fotoana izao ? Ary firy ny lehilahy miteny hoe izaho Pasitera an, indray mandeha isam-bolana ihany no mba miangona fa aleo tsorina aminao : lehilahy mpanjenjena izany. Tsy lehilahy hoe Coram deo ny fiainany izany. Ento am-bavaka izahay loham-pianakaviana mba ho tena loham-pianakaviana Coram deo. Raha izay fotsiny no tadidinao anio maraina, sambatra ianao ary hiova ny tokantranonao. Izay ilay izy. Ary rehefa hoe Coram deo izahay lehilahy, marina io and. 11 io hoe miara-mifaly amin’ny ankohonanay izahay, miara-mifaly ny ankohonana.

Ry havana, niteny Paoly indray maka hoe, izany no andohaliako eo anatrehan’ny Ray, izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra anarana hoe fianakaviana,  raha tsy solon’ny Ray any an-danitra, hoe lehilahy Coram deo, tsy misy fianakaviana manana anarana hoe fianakaviana izany eo anatrehan’Andriamanitra, fa pire noho ny fianakavian’izao tontolo izao aza. Ary izao no lazaina antsika lehilahy : ny vadintsika, ny zanatsika, tsy mitady hoe lehilahy président de la république, milliardaire, Bacc+20 ; mitady lehilahy izy, Coram deo. Ary mitsiriritra ny vadintsika rehefa hoe ny vadin’ny hafa Coram deo, ny ahy mbola ohatan’izao, mbola ohatran’izao. Tsy manana fianakaviana izy, satria tsy mi-existe ilay fianakaviana satria izy tsy Coram deo ry havana. Ary araka ny teny nomena antsika, hoe mangataha ho anay lehilahy, mangataha ho an’ny ankohonana rehetra, mba ho ankohonana eo anatrehan’Andriamanitra, ary rehefa hiala ety, satria Coram deo tety, dia Coram deo any an-danitra ry havana, hiseho ao amin’ny seza fiandrianan’ny Tompontsika, hiseho ka hiteny hoe :indreto izaho sy ny zanaka izay nomenao ahy.

Angataho amin’ny Tompo, ary ifony Aminy izay lasa izay – Angataho Aminy mba ho Coram deo ny fiainanao.

  1. Y = YIELD : AMPANDEFERO NY SITRAPONAO EO ANATREHAN’NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Deoteronomia 26 : eo amin’ny and. 7 rehefa hoe namaroan’Andriamanitra isa ry Abrahama, dia nanaovan’ny Egyptiana ratsy, nampahoriana fatratra, nandevoziny izany, dia hoy ny and.7-10 : « Dia nitaraina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika ; ary tànana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, dia nitondra antsika niditra teto amin’ ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ ny tany izay nomenao ahy». Raisina eo amin’ny vanim-potoana namoahan’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely tany Egypta ilay tantara, dia hoy ny Soratra Masina hoe « tànana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta » : iray izay ;  « dia nitondra antsika niditra teto amin’ ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity » : izay ilay fandehany. Fintina be izany : fa entre ny fotoana nitondran’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely nivoaka avy tany Egypta sy nanomezany azy an’ilay tany, ka nampidirany azy tao amin’ilay tany,40 taona.

Inona no lesona ho antsika ? Izany hoe 40 taona izany déjà, tokony tsy ho 40 taona io an. Ny mpandinika rehetra dia miteny fa raha nivoaka ny tany Egypta, raha ny lalana akaiky indrindra, lalana tapa-bolana io. Izay ilay hoe ampandefero ny sitraponao : tsy azonao izay programan’Andriamanitra ho anao, ary aza manitsy amin’ny hoe « lalana tapa-bolana rangaha ka izao 40 taona aty miodinkodina aty tsita be ihany ». Ampandefero ny sitraponao eo anatrehan’Andriamanitra. Ary tena hoe zavatra halan’Andriamanitra araka ny tenintsika teto ombieny ombieny, izany hoe vahoaka ka mimonomonona izany. Tsy misy fitsapana tsy nahazo ny Zanak’Isiraely tany an’efitra tany ry havana ; afaka kely izy ; nenjehin’ny Farao sy ny kalesy ; avy eo, tsy nisy rano ; avy eo, tsy nisy mofo ; avy eo nenjehin’ny Amalekita. Eo anatrehan’izany ve ianao, hanao ohatran’ny Zanak’Isiraely hoe tsy azoko mihitsy, angaha tsy nisy fasana tany Egypta tany nandevenana anay ? raha ho faty ihany maninona tsy maty tany Egypta izahay ? Ry havana o, ampandefero ny sitraponao manomboka izao ary teneno hoe « Tompo ô, misaotra Anao aho ny amin’ny krismasy izay omenao ahy, fa ny amin’ny 2019, tsy manana sitrapo aho, afa-tsy ny sitraponao Ray, ary tahaka ny Zanak’Isiraely nivoaka tany tany Egypta, izay hitantananao ahy dia ho alehako, ary na inona na inona sedra, na iza na iza voafidy ho président de la république eo, dia ekeko ». Ampandeferiko ny sitrapoko. Vonona amin’izany ve ianao ? Izany ny olona Coram deo, izany ny olona hifaly amin’ny Tompo.

Faranana izao teny izao sao dia lava loatra: io ilay hoe ampandefero ny sitraponao, andeha isika haka ny ohatry ny olona marary ankehitriny. Ny vavaka rehetra atao ho an’ny olona marary mafy, na avy amin’ny mpino tena mino aza, dia mivavaka izy ho an’ny fanasitranana. Tsy diso izany ry havana ô ; fa araka ny tenintsika teto tamin’ny heriny iny raha tsy diso aho, Andriamanitra no mahafaty sy mahavelona ; raha misy olona ambavahoan’ny fahafatesana eo, anjarako sy adidiko ny mivavaka ho azy, fa tsy tokony ho adinoko hoe Andriamanitra no mahafaty sy mahavelona ; ary ny zava-dehibe rehefa mivavaka ohatran’izany eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny Deoteronomia 26 hoe « mivavaka Coram deo », raha ny tenako no hivavahana ohatran’izany, dia faly aho raha ohatra ka hoe Coram deo aho eo ambavahoan’ny fahafatesana, dia misy mivavaka ho ahy. Ary raha sanatria amin’ny fijerin’ny olombelona, hafa ny programan’Andriamanitra fa tsy ny hanasitrana ahy, fa hitarika fahafatesana ilay aretina izay nampandalovany ahy, dia Coram deo mandrakizay aho ry havana o !

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

image_pdfPDF