ALAHADY 23 AOG 2020

Ao amin’ny 2 Timoty 4 ry havana no hakantsika ny hafatra ho antsika izay te ho hita mahatoky hatramin’ny fahafatesana. Mahatoky hatramin’ny fahafatesana : izany no antom-pisiana tsara indrindra. Mitady olona mahatoky ny Tompo, mila olona mahatoky ny firenentsika, ary tsy mahatoky fe mahatoky fotsiny, fa mahatoky hatramin’ny fahafatesana noho ny finoana.

MISY ZAVATRA ROA NA TELO AMPATSIAHIVIN’NY TOMPO AMINTSIKA IZAY TE HO HITA MAHATOKY HATRAMIN’NY FAHAFATESANA.

Ny Fahamarinana 1 dia izao : TANDREMO NY NAMANA na hoe TANDREMO IZAY HO NAMANA

Ny atao hoe namana dia ilay namana akaiky, meilleur(e) ami(e), ilay namana ifampizàràna ny manta sy ny masaka, ilay namana tena akaiky, ilay namana manana fifandraisana tahaka ny rano sy vary ; ilaina izany ; fa hoy ny Tompo hoe : TANDREMO, SAFIDIO TSARA IREO NAMANA IREO FA NA IREO FANAMPIANA HO ANAO, NA IREO HO SAKANA SY FAKAM-PANAHY HO ANAO, KA TSY HAHATONGA ANAO HO MAHATOKY HATRAMIN’NY FAHAFATESANA. TANDREMO ARY SAFIDIO TSARA IZAY HO NAMANA RY HAVANA O.

Misy ohatra vitsivitsy eto, misy ohatra ratsy eto, misy ohatra tsara eto, fa izay, hoe : tadidio : ny tavan’ny rahalahy mandranitra ny tavan’ny rahalahy ry havana ô : sarobidy izany namana tsara izany.

Ny ohatra ratsy eto dia Demasy. Demasy io any amin’ny Filemona 24 dia lazain’i Paoly hoe mpiara-miasa, mpiara-manompo. Fa izao : nandao an’i Paoly izy noho ny hoe fitiavany izao fiainana izao, fitiavana izao tontolo izao. Aza minamana amin’i Demasy ry havana ô. Aza minamana amin’i Demasy fa hanimba anao izany. Aza minamana ihany koa amin’ny olona ohatran’i Aleksandro. Ery amin’ny and.14 hoe : « Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra ». Izany hoe isaky ny mifanena amin’i Paoly izy, na mahita an’i Paoly mitory ny filazantsara dia ataony daholo izay hoe fanakanana, izay hoe fanoherana. Tandremo minamana amin’ny olona ohatran’izany. Ary tandremonao ihany, miresaka amin’i Timoty i Paoly : « tandremonao ihany izy, fa nanohitra fatratra ny teninay ». Izany hoe misy olona izany ohatran’i Demasy, tsy atao ho namana satria mitarika anao ho any amin’ny rehak’izao fiainana izao ; fa ohatran’i Aleksandro indray, hoe : ahihio ny olona ohatran’i Aleksandro ao am-piangonana ao an, fa misy Aleksandro any amin’ny Fiangonana rehetra. Tandremo, tandremo ny olona ohatran’i Alexandro.

Dia eo indray ilay ohatra namana tsara ry havana. Miteny Paoly eo amin’ny and.9, miteny amin’i Timoty izy hoe : « Mazotoa hankaty amiko faingana ianao ». In-droa Paoly no tena hoe miangavy ary mandondona an’i Timoty ho any aminy ; satria ao amin’ilay perikopa ao, ao amin’ilay contexte ao dia hoe « efa akaiky ny fotoana hialako, efa akaiky ny fotoana hahafatesako ». « Timoty an, aza taraiky ianao e, aza taraiky. Ity taratasy alefako any aminao ity anie ka mety efa ho ela ela ity vao ho tonga any e, dia ianao aza mangatak’andro mankaty. Fa tena mila anao aho ». Fa maninona izy no may hahita an’i Timoty ? Tamin’i Paoly nanao veloma ny loholona tao Efesosy, tao Efesosy Timoty, dia nitomany ireo. Anisan’ny nitomany Timoty ry havana ô, raha hoe nanao adieu i Paoly. Fa izany eo ihany, eo ilay fifankatiavana ; fa hoe Paoly dia miresaka an’i Timoty izy, dia hoe : « hitako aminao hoy izy ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin’i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky ahy fa ao anatinao koa izany », 2 Timoty 1 :5. Noho ilay finoana tsy mihatsaravelatsihy : izany no safidio ho namana ry havana ô. Fa rehefa ao anatin’ny fahanginana ohatran’izao, ao anatin’ny fotoana-na solitude, na solitude forcée ohatran’izao, ny olona ohatran-dry Timoty no hanome fifaliana anao, tahaka ny nanomezany fifaliana an’i Paoly ry havana ô. Safidio tsara ny namana e dia ho hita mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao.

Eto misy an’ity hoe Kreska ity, lazaina hoe nankany Galatia. Teto ihany no ahitana an’ity hoe Kreska ity ao amin’ny Baiboly ry havana ô. Asa moa inona ny asa fanompoana nataony niaraka tamin’i Paoly fa milaza izany hoe na zavatra bitika kely fotsiny aza ataonao ho an’ny Tompo dia tsarovana mandrakizay izany. Ary mahafinaritra ny anaran’ilay Kreska, ny anarany dia hoe : croissant, izany hoe olona mitombo. Misafidiana namana izay hitanao fa mitombo ara-panahy dia hiara-hitombo aminy koa ianao ry havana ô. Safidio e, tandremo izay ho namana.

Hoy Paoly ery amin’ny and.11 hoe : « Lioka ihany no ato amiko ». Any amin’ny Kolosiana 4 :14 izy miteny hoe : « Lioka malala », « Luc le bien aimé ». Sady dokotera no olona ao amin’ny Tompo. Izy no nanoratra ny filazantsaran’i Lioka. Azo an-tsaina tsara ry havana : Paoly migadra, efa antitra, izay tena hoe fikarakarana an’i Paoly ara-batana amin’ny maha-dokotera azy sy ny fampaharezana ara-panahy na dia hoe Paoly ary andrarezina eo amin’ny tantaran’ny famonjena : mila olona ohatran’izany hoe Lioka izany izy. Lazaina fa io prison nanagadraina anao io dia maizina. Ny anaran’i Lioka azo adika hoe : « lumineux ». Lumineux : izy mazava ; lumineux : fahazavana ho an’ny hafa. Mitadiava namana lumineux ry havana ô, mitadiava namana lumineux hanazava ny fiainanao. Ary ianao koa, meteza ho Lioka, meteza ho lumineux ho an’ny hafa.

« Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy ». Marka ity nanana olana goavana be tamin’i Paoly satria tamin’ny dia misionera voalohany dia natsatok’i Marka teo Paoly sy Barnabasy. Tezitra Paoly. Fa eto, miteny izy hoe : efa namela an’i Marka aho. Alao izy, asaivo mankaty amiko izy, fa mahasoa ahy : « utile » amin’ny fanompoana. Misafidiana namana utile amin’ny fanompoana ry havana ô. Izay. Aoka izay ny manana namana mahafinaritra satria ny soirée anao, ny journée-nao dia feno resa-dresa-poana sy asa asa-poana. Tsy hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao.

Rehefa mijery ny tantaran’ny misionera ry havana dia hoe maty moa i Thomas Bevan 3 mianaka. Volana Août izy no tonga teto 1818 ; Décembre 1818 maty izy 3 mianaka. Dia Davis Jones irery no nanohy ny asa. Dia taty aoriana, 1821, nandefasan’ny LMS misionera anankiray, David Griffiths i David Jones hanampy azy. Dia tonga Griffiths dia niasa teto Antananarivo, niasa volana vitsivitsy teto Antananarivo Griffiths, dia hitany fa efa manomboka voalamina tsara ny raharaha, dia niteny tamin’i David Jones izy hoe : izaho andeha haka ny vadiko izay mbola nasaiko niandry tao Maurice aloa. Volana vitsivitsy taorian’ny nahatongavany izany izao resaka izao. Dia hoy David Jones hor izaho koa hiaraka aminao ho any Maurice fa izaho (David Jones koa maty vady izany) hampaka-bady. Griffiths naka ny vadiny, David Jones nampaka-bady. Sarobidy eo amin’ny fanompoana ny vady ry havana ô. Izany no asehon’ny tantaran’izy roalahy. Ary hoe tena namana voalohany, sakaiza voalohany eo amin’ny fanompoana ry havana. Fantatrao ve izany ranabavy malala ? Fantatrao ve izany ? Fantatrao hoe Ezer ianao, mpamonjy anay lehilahy ianao ? Matoa misy lehilahy mijoro tahak’izao : misy vehivavy Ezer ao ambadika ao, eo anilany eo. Matoa misy lehilahy ohatran’izao, dia misy vehivavy Esther, Ezer/Esther : Kintana manoro lalana azy eo anilany eo. Rehefa miteny isika hoe : tandremo, safidio tsara ny namana : ianao ranabavy, ianao reny malala : vady toa inona ianao eo anilan’ny vadinao? Hanoro hevitra azy ho Demasy ? Hanoro hevitra azy ho Aleksandro ? Sa hanoro hevitra azy ho Timoty, ho Lioka, ho Marka, ho Kresko ?

Izay ny zavatra voalohany ampatsiahivin’ny Tompo antsika amin’izao andro anio izao, ho antsika izay te ho hita mahatoky hatramin’ny fahafatesana ry havana ô : TANDREMO, TANDREMO FATRATRA IZAY ATAO HO NAMANA, SAFIDIO TSARA IZAY HO MPIARA-MIASA.

Ny fahamarinana 2 dia izao : TANDREMO NY FAMAKIANA BAIBOLY

Raha tsy mamaky Baiboly ianao, raha tsy manokatra Baiboly ianao, tsy ho hita mahatoky hatramin’ny fahafatesana izany ry havana ô. Hoy ny and.13 : « Ilay kapoty navelako tany Troasy tao amin’i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra ». Mahavariana : lehilahy mahafantatra tsara hoe ho faty izy afaka volana vitsivitsy, lehilahy mahafantatra tsara hoe io fahafatesana io fampidirana azy any an-danitra ; eto amin’ny and.13 izy, ao am-pigadrana izy dia mampatsiahy an’ilay réalité madinika ety an-tany. Réalité madinika ny anankiray, réalité goavana be ny anankiray. Ilay réalité madinika dia hoe : « ilay kapoty navelako tany Troasy tao amin’i Karpo : mba ento aty anie izany e,mba ento aty ». Satria ho avy ny ririnina ; moa rehefa mankao Rome ao, rehefa jerena ilay prison nisy an’i Paoly, misy sary be dia be any amin’ny internet any, dia ohatrany hoe misy an’ireny efitrano araka ireny fahitantsika azy ireny, dia eo afovoan’ilay efitrano dia misy lavaka, ohatran’ireny hoe lava-bary ireny, dia atsofoka any ilay prisonnier dia ao ambany ao izy, ohatrany hoe ao amin’ny cave ao izy : sady maizina no mangatsiaka no mando. Dia hoy Paoly hoe : ilay kapoty, na ilay manteau, na ilay par-dessus navelako tao amin’i Karpo, mba ho ento ange ry Timoty rehefa mankaty ianao. « Fa ento indrindra koa ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra ». Lehilahy efa eo an-katoky ny fahafatesana ry havana ô, mbola te hamaky boky, te hamaky tenin’Andriamanitra. Izany no nahatonga an’i Paoly ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana : fifikirany amin’ny famakiana boky, famakiana Baiboly. Tamin’ny androny moa mbola tsy nisy ny Baiboly fa soratra vitsivitsy ; fa dia izay, hoe : amin’ireo soratra amin’ireo boky hoditra ireo ry havana ô. Manao ahoana e, manao ahoana ny fitiavanao mamaky Baiboly ry havana ? Manao ahoana ny fitiavanao mamaky Baiboly ?

Ireo kristiana voalohany izay nipoiran’ny maritiora ry havana dia olona vonton’ny Baiboly, olona vonton’ny Baiboly, olona vonton’ny tenin’Andriamanitra. Izany ireo olona ireo. Ary fantatry ny misionera tsara ry havana ny hahasarobidin’izany hoe fananana Baiboly izany dia vao tonga kelikely ry zareo ; 1820 David Jones tonga teto, 1822 tonga teto Griffiths dia hoe mbola nisy misionera nanampy azy ; 1824 ry zareo, ny zavatra nataony raha vao azony natao, dia ni-négocié fanafarana machine d’imprimerie, ary tena hoe neken’i Radama tsara izany. Nitondrany azy, dia hoe : fanotana boky hampandrosoana ny fianarana, ny fampianarana. Fa ny tao an-tsain’ny misionera ry havana ô, dia efa tsy andriny izay hoe hanotànà Baiboly amin’ny teny malagasy. Izany isika, izay faly rehefa hivavaka ety hoe: « misaotra Anao izahay ny amin’ny ahazoanay mamaky ny Baiboly amin’ny tenin-drazanay » ; fa izao : manao ahoana ny famakianao an’io e ? Manao ahoana ny famakianao an’io e ?

01 Mars 1835 nanomboka ny fanenjehana tamin’ny andron’i Ranavalona : 01 Mars 1835. Juillet 1836 noroahin’i Ranavalona ny misionera dia 1836 no niala teto ny misionera farany, tamin’izany fotoana izany. Fa ny zava-mahagaga ry havana, ny zava-mahagaga : Juin 1835, 21 Juin 1835 : vita printy amin’ny teny malagasy ny Baiboly manontolo : 21 Juin 1835. Io no hankalazan’ny Mpampiely ary tokony ankalazaintsika kristiana rehetra, hoe 185è-ny Baiboly, nandikana ny Baiboly amin’ny teny malagasy tamin’ity taona ity. Vita. Inona no zavatra mahagaga amin’izany ? Ny zavatra mahagaga amin’izany, mahagaga ny fitiavan’Andriamanitra antsika malagasy, antsika kristiana malagasy : fantany, eo am-pelatanany Ranavalona ; 1836 ny misionera farany no niala, fa izy niala ry havana ô, efa nomen’Andriamanitra fotoana hamitàna printy ny fandikana ny Baiboly amin’ny teny malagasy. Henonao ve izany ? Programan’Andriamanitra io 185è-ny Baiboly io. Ary aza mifaly intsony anio hoe : « ah, manana ny Baiboly amin’ny teny malagasy izahay » : vakio ry havana ô, vakio io. Fa ianao tsy mamaky an’io, tsy dia hoe manao tsinontsinona ny fikelezan’ny misionera aina ianao, fa manao tsinontsinona an’Andriamanitra, manao tsinontsinona ny programan’Andriamanitra, manao tsinontsinona ny fitiavan’Andriamanitra anao hoe : « omeko Baiboly vakianao amin’ny fiteninao ianao » ry havana ô.

Ny nahafaly an’ireto kristiana voalohany ireto, satria moa nisy fifandraisan tamin’i Angleterre tamin’ny alalan’ny LMS, dia ny misionera manafatra Baiboly, manafatra boky fampiorenam-pinoana. Dia taty aoriana, taty amin’ny 1847 taty, dia mbola nisy indray, navaivay indray ny fanenjehana, dia tonga ny livraison-na Baiboly : tsy nisy Baiboly tao ; Filazantsara no tao, Salamo no tao, trakta isan-karazany no tao. Kivy, fa kivy vetivety ilay kristiana tsy nahita Baiboly ; fa avy eo izy faly satria tao anatin’ny fanenjehana, voatery nitsoaka nandositra tany ambanivohitra be any ry zareo mba hahazoana miaraka miangona, mivavaka ry havana ô. Ary izy mitsoaka any ambanivohitra iny, faly izy fa ilay filazantsara na ilay Salamo kely mora entina fa tsy mavesatra ohatran’ny Baiboly. Izany, izany, izany ny fitiavan’ny olona ny tenin’Andriamanitra tamin’izany ry havana ô.

Ary namonjy fotoana izahay, nitsiahivina izay fankalazana ny 185è-ny Baiboly izay, dia hoe vao vita printy tamin’ny teny malagasy ampahany amin’ilay Baiboly, dia tena hoe io ilay Baiboly : nifandrobaka ilay kristiana nandrovitra ilay Baiboly, zarany raha mahazo pejy anankiray, raviny anankiray. Izany ny fitiavany ny Baiboly e. Manao ahoana ny fitiavantsika ny Baiboly ao an-tranontsika ao ? Ao an-tranontsika ao, dakam-potsiny ny Baiboly ; mampalahelo izany fiteny, dakam-potsiny ; tonga mamangy anao : « misy Baiboly ve ao ? » ; Alaina ary ambany anona ary, feno vovoka ary. Ry havana ô, tandremo ny famakiana ny Baiboly.

Tandremo ny famakiana ny Baiboly ry havana ô. Ary raha te hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao : aoka ianao ho vonton’ny filazantsara, ho vonton’ny Baiboly, fa aoka izay ity hoe vonton’ny télévision, vonton’ny internet, vonton’ny facebook. Fantatrao tsara fa ianao izany ry havana ô. Fa io télé, internet, facebook vakianao io, mamonto ny sainao io : mamolavola saina, manefy fieritreretana hanaraka an’izao tontolo izao, manefy ny sainao, manefy anao ary mandrehitra ao aminao filan’ny nofo, filan’ny maso sy ny rehaka momba izao fiainana izao. Ary ianao vonto, vonton’ny télé, vonton’ny internet, vonton’ny facebook io ry havana, ny hatahorana dia hoe ho volavolain’ny devoly amin’ny alalan’ny télé sy ny internet ary ny facebook ianao ho taranak’i Demasy. Ry havana, ry havana, misy sampana antsoina hoe Dorkasy, satria izany ny anaran’ilay vehivavy ; ao amin’ny havantsika loterana misy sampana hoe Maria Marta, fikambanam-behivavy ihany koa izany; asa re e, hanao ahoana raha ohatra ka hoe manorina sampana Demasy isika : mety maromaro ihany an, mety maromaro ihany ny mpikambana ao. Raha tsy te ho mpikambana amin’izany ianao : tandremo e, tandremo ny famakiana Baiboly, ny fandinihina Baiboly, ny fianarana Baiboly, ny fankatoavana Baiboly. Fa ianao ry havana ô, tsy hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, raha tsy mety ampianarin’ny Baiboly, raha tsy mety resen’ny Baiboly lahatra ianao, raha tsy mety ahitsin’ny Baiboly ianao, raha tsy mety tezain’ny Baiboly ho amin’ny fahamarinana ianao.

Zavatra roa na telo ho antsika izay te ho hita mahatoky hatramin’ny fahafatesana. Ny zavatra fahatelo farany dia izao :  TANDREMO FA MISY « LIGNE D’ARRIVEE » AO AMIN’NY FIAINANA.

Aloa kelin’ity perikopa ity, ny perikopantsika manomboka eo amin’ny and.9, hoy ilay and.7 izay fanta-daza : « efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ». « Nahatanteraka ny fihazakazahana aho ». Io moa ilay efa fantatsika tsara mihitsy hoe oharin’i Paoly amina hazakazaka, tsy sprint 100m na 60m, fa marathon-na 42km ny fiainana. Fa amin’ny hazakazaka ry havana, dia misy « ligne de départ » ary misy « ligne d’arrivée » ; ary maro ny olona tsy mahafantatra fa misy « ligne d’arrivée » ao aloa ao ; ary maro ny olona izay tapohin’izany « ligne d’arrivée » izany ; ary maro  ny olona izay tsy tody amin’izany « ligne d’arrivée » izany. Tandremo fa misy ligne d’arrivée ao alohantsika ao ry havana ô.

And.18 : « Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ ny fanjakany any an-danitra ». Efa nolazaina teo hoe efa fantatr’i Paoly fa efa ho faty izy, fantatr’i Paoly fa izy migadra io dia hotsaraina, ary efa fantany izay valin’ny fitsarana ry havana ô : tsy maintsy ho voaheloka ho faty izy ary ho vonoina. Ka rehefa miteny izy hoe : « Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ ny fanjakany any an-danitra », ilay asa ratsy rehetra dia izay hoe ny afitsok’i Satana rehetra ry havana ô, izay hoe hanimba ny témoignage-n’i Paoly eo ankatok’izao fahafatesana izao. Tsy nangataka izy hoe mba tsy ho faty, tsy nangataka izy hoe mba ho afkaa amin’ny fanenjehina, tsia ry havana ô ; fa ny hoe « hanafaka ahy amin’ ny asa ratsy rehetra », dia hoe mba tsy ho tratran’ny fakam-panahy au dernier moment, tsy hanao fihetsika mampalahelo na mahamenatra au dernier moment ry havana ô. Ary izany anie no nataon’i Rasalama e, amin’ilay Hira 540 izay hiraintsika mandritra ity volana manontolo ity, misaotra ny Tompo ny amin’ny nitarihiny ny saintsika amin’izany. Ny hira farany nohirain’i Rasalama, ny Hira 540 dia hoe :

« Azoko ny famonjena

Ka ho tanako tokoa

Manampia

Ry Fanahy Masina »

Ry havana ô, fantaro fa misy « ligne d’arrivée », ary eny am-pandehanana : mivavaha, magataha ny fanampian’ny Fanahy Masina : « hitako ny lalan-tsara, fantako fa misy « ligne d’arrivée » Jesoa an, manampia Fanahy Masina ô, manampia Fanahy Masina ô ». Ary ny vavaky ny olona te ho hita mahatoky hatramin’ny fahafatesana, mbola io hiran’i Rasalama io, io 540 io, eo amin’ny and.2 ; holefonina izy, ny mpandefona efa eo an, hoe :

« Faly aho, ry Mpamonjy

Afakao ny heloko »

Mbola ho adinina izahay Pasitera sy mpitondra fivavahana fa tsy mampahafantatra anareo Fiangonana ny maha-zava-doza ny fahotana ry havana ô. Fa ireny ry Rasalama, amin’ny minitra farany iainany, hoe :

« Faly aho, ry Mpamonjy

Afakao ny heloko 

Gaga aho

Noho ny fanavotanao »

Paoly, Rasalama, dia milaza fa io « ligne d’arrivée » ety an-tany io, io fahafatesana io : tsy fiafarana io ry havana ô, tsy fiafarana io fa fiandohana. Tsy fiafarana io fa fiandohan’ny fiainana mandrakizay amin’ny fahafenoina. Ary ho an-dry Paoly, isika Isotry Fitiavana dia mahay tsianjery ilay Filipiana 1 :21 sy 23 hoe, ho an’i Paoly dia tsara lavitra satria ny fahafatesana, io ligne d’arrivée ety an-tany io: hifindrana eny akaikin’i Jesoa ry havana ô, hifindrana io ho any akaikin’i Jesoa.

Ary ireo Maritiora 4 mianadahy izay nodorana tao Faravohitra dia nihira koa izy tonga eo anatrehan’ilay afo, dia milaza hoe : « ho any amin’ny tany soa izahay », mampatsiahy an’ilay 684 haintsika tsara, hoe :

« Ao ny lanitra tsara tokoa

Izay fonenana mandrakizay 

Tany be hasambarana koa»

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny Tompo hamapatsiahy anareo mandrakariva izay zavatra roa na telo tiany hamatsihina antsika izay an :

  • Tandremo re ny namana
  • Tandremo ny famakiana Baiboly
  • Ary fantaro mazava manomboka anio maraina fa misy « ligne d’arrivée » miandry antsika ao

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena