ALAHADY 22 NOV 2020

Ao amin’ny Marka 7, Marka 7 ry havana, tantara malaza, tantaran’ny nahasitranan’i Jesoa zanakavavy-na vehivavy Kananita, izany hoe jentilisa izany. Izany no perikopantsika androany. Ny hafatra ry havana dia izao : NY FINOANAO VE MAHATONGA ANAO HIANDRANDRA MARINA AN’I JESOA ? Ilay « miandrandra » moa dia hoe « manantena marina » an’i Jesoa. NY FINOANAO VE MAHATONGA ANAO HIANDRANDRA MARINA AN’I JESOA ? Fa izany no finoana marina, izany no finoana mahavonjy : finoana mahatonga hiandrandra an’i Jesoa ry havana.

Misy ohatra tsara anankiray ato amin’ity perikopa ity, hitantsika izany eo amin’ny and.24 : « Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy ».

Ny Fahamarinana 1 ry havana, ny fampieritreretana voalohany ry havana dia izao : VONONA VE IANAO HANAO A LA DISPOSITION AN’I JESOA NY TRANONAO ?
Ary rehefa ataonao à la disposition an’i Jesoa ny tranonao, ny dikan’izany dia hoe : ny rehetra rehetra anao ataonao à la disposition an’i Jesoa ry havana ô, matoa ny tranonao ataonao à la disposition an’i Jesoa.
Inona ny zavatra mitranga eto ry havana ? Vao avy nifamaly tamin’ny fariseo Jesoa tao amin’ny perikopa talohan’izao ary niteny mafy ny fariseo Izy noho ny fihatsaram-belatsihy an’izy ireo. Tao Izy no niteny hoe : « Ity firenena ity tena hoe manompo ahy eo imolotra, midera Ahy eo imolotra, fa ny fo lavitra Ahy ». Ary satria lavitra ny fon’ireto fariseo ireto an, lavitra an’i Jehovah ny fon’ireto fariseo ireto an, ny ataony : fombam-pivavahana. Niditra tao an-trano Jesoa ry havana, nila niditra tao an-trano Jesoa satria hoe niafina an’ireo fariseo ireo. Satria tsy mora ry havana ô, izany hoe nanabatian’ny Tompo an’ireo fariseo ireo, ary nanabatiany azy ampahibemaso. Raha ianao ve ry havana no hoe nondondomin’i Jesoa varavarana tao anatin’izany contexte-na persécution na fanenjehana izany : sahinao ve ny mampiantrano an’i Jesoa ry havana ? Sahinao ve ? Misy fotoana ry havana eo amin’ny fiaraha-monim-pirenena, araka ilay fitenenana, hoe : « teny iray monja dia efa mahatonga anao any am-ponja ». Eto ry havana, fantatra tsara ny fahasiahan’ireto fariseo ireto ; fa ity jiosy ity an, nampiantrano azy. Ary tsy fantatra anarana ilay jiosy, ary matetika rehefa hoe tsy fantatra anarana ilay jiosy : tian’ny Tompo ataonao eo ny anaranao, hoe : « izaho Solofo koa, ny tranoko dia ataoko à la disposition an’i Jesoa ry havana ô ». Mila miafina ny Fariseo Jesoa satria efa nitsiry tao an-tsain’ny Fariseo izany hoe fikasana hamono Azy izany. Fa nila niafina tamin’ny vahoaka koa Jesoa ry havana, satria diso hevitra ny amin’i Jesoa ireto vahoaka ireto noho ny fahagagana nataony ; dia te handray Azy, te hanao Azy ho Mpanjaka ; te hanao an’i Jesoa ho Mpanjaka ireto vahoaka ireto ary tsy tian’i Jesoa Izy ho diso hevitra ny amin’ny maha-Mesia Azy ry havana ô. Vonona ve ianao, raha misy ilàn’ny Tompo ny tranonao, hanao an’izany tranonao izany, sy izay rehetra momba anao à la disposition an’i Jesoa ? Finoana arahina asa ry havana ô. Ny finoana marina, ilay finoana mampiditra any an-danitra : arahin’asa.
Izay ny fahamarinana 1, hoe : VONONA VE IANAO HANAO A LA DISPOSITION AN’I JESOA NY TRANONAO SY IZAY REHETRA ANAO ?

Raha izay ny amin’ilay jiosy tsy fantatra anarana ; fa jiosy tamin’izany ohatran’i Nikodemosy ireny: nino tamin’ny mangingina. Andeha amin’izay ary jerentsika kosa ny finoan’ity vehivavy ity, ary tena hoe toriteny ho anareo vehivavy manokana. Ny andraikitra sarobidy, ny andraikitra tsy manam-paharoa omen’ny Tompo anareo ho famonjena ny ankohonanareo ; matoa voavonjy ny ankohonana anankiray dia satria ny vehivavy nandeha mendrika ny fiantsoana niantsoan’ny Tompo azy ry havana ô.
Inona ny zavatra voalohany, ny ohatra tsara hita eto amin’ity vehivavy Kananita ? Kananita, izany hoe jentilisa ; Kananita, izany hoe tsy jiosy. Vao maika koa mahagaga ilay finoany ry havana. Ny zavatra hita eto dia hoe, ilay fahamarinana dia izao hoe : NY FINOANA MARINA DIA MAHATONGA ANAO HIANKOHOKA EO AN-TONGOTR’I JESOA KA MANGATAKA AMINY HO AN’NY ANKOHONANAO.
Andeha jerentsika ry havana ny and.25-26 : « Fa niaraka tamin’ izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ ny tongony. Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ ny zananivavy ». Izay ilay fahamarinana resahintsika : ny finoana marina ry havana, dia mahatonga hiankohoka eo an-tongotr’i Jesoa ary hangataka Aminy ho an’ny ankohonanao.
Ny zavatra hita eto, dia na jentilisa aza ity vehivavy ity an : nahare momba an’i Jesoa. Isika rehetra ireto ange e, izany hoe jentilisa taloha e, fa kristiana ankehitriny e : nahare e momba an’i Jesoa ry havana ô. Fa ny zavatra renao, ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa ve mahatonga anao hiankohoka e, eo anatrehan’i Jesoa ry havana ?
Maro amintsika no mihaino hiram-pivavahana, maro amintsika no mihaino hira tonon-kiram-panahy, maro amintsika ny mankafy hira hirain’ny mpanakanto malaza ; mety ho mpanakanton’izao tontolo izao, fa mihira hira ara-pivavahana, dia revo amin’izay. Dia mientanentana ny fo. Tsia ry havana ô, tsy izany ilay finoana mahavonjy ; fa ilay finoana mahavonjy aloa dia finoana mahatonga anao hiankohoka eo an-tongotr’i Jesoa. Ary naninona ity vehivavy ity ry havana no niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa ? Araka ilay voalaza teo, hoe : reny ny lazan’ity Jesoa ity, ny asa soa nataony ; fa surtout ry havana, fantany ny momba ny tenany , izy vehivavy Kananita jentilisa io, ny tantaram-piainany, ary indrindra indrindra ny fahoriana mianjady ao amin’ny tokantranony amin’io fotoana io. Inona ny toe-pony ? Inona ny toe-tsainy amin’io fotoana io ? Mahatsiaro izy fa olona resy manana an’io zanany vavy azon’ny demonia io. Mahatsiaro izy fa olona mahantra ; tsy fantatra izay hoe situation matérielle an’ity vehivavy ity, fa hoe mahatsiaro izy fa olona mahantra, olona mila vonjy. Izany no mahatonga azy hiankohoka, ary ianao tsy hiankohoka ry havana ô, eo an-tongotr’i Jesoa, raha tsy mahatsiaro fahantrana ara-panahy, raha tsy mahatsiaro hoe mila vonjy.
Lazaina izy, lazaina fa hoe avy amin’ny firenena Syro-foinika ; ilazana ange izany fa jentilisa e. Avy amin’itony hoe Kananita, ilay mponina taloha tao Israël tao ; raha amin’izao fotoana izao izany dia ireo palestinianina ireo. Ary ny problemany : satria izy nanompo ny andriamanitry ny Kananita, nanompo izy probablement ny Astarté, dia devoly azo avy amin’izany fanompoana Astarté izany no nahazo, nampahory ny zanany vavy. Ry havana malala ô, miteny amintsika malagasy : io fomban-drazana izay tsy mety ialantsika io, mampiditra demony ao amin’izay manompo an’izany ary ao amin’ny ankohonany manompo an’izany. Io andrandraintsika io, kolokolointsika io : io ity vehivavy Kananita ity, mampiseho fa tena hoe mampidi-doza izany. Fa ny vaovao mahafaly ampisehon’ity vehivavy Kananita ity dia hoe : Jesoa afaka mamonjy amin’izany ary Jesoa irery no mamonjy amin’izany. Jesoa irery no mamonjy amin’izany. Diniho ary ry havana ny finoanao, diniho ny finoanao raha finoan’ny olona resy, mahantra ara-panahy, raha finoan’ny olona mahatonga azy hi- se prosterner, hiankohoka mandrakariva ? Tsy hoe fiankohofan’ny vatana loatra, fa tena hoe fiankohofan’ny fanahy, fiankohofan’ny saina eo anatrehan’i Jesoa. Ary rehefa miankohoka eo anatrehan’i Jesoa ianao, zavatra tokana no ampianarin’ilay vehivavy samaritana ity : mangataka, mangataka, mangataka.

Ny Fahamarinana manaraka ry havana dia izao, ary sady fampieritreretana, famporisihina ho antsika Fiangonana no ataon’ity vehivavy Kananita ity : misy teny naloaky ny vavany izay nankasitrahan’i Jesoa. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, io teny izay naloaky ny vavan’ity vehivavy Kananita ity no nahatonga an’i Jesoa hanasitrana ilay zanany vavikely 6 na 8 taona izay tany an-tranony fa tsy teo. Dia nahafinaritra ny teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay hoe : ny teny nataon’ity vehivavy Kananita ity nanokatra ny varavaran’ny fahasoavana. NY TENY NATAON’ITY VEHIVAVY KANANITA ITY NANOKATRA NY VARAVARAN'NY FAHASOAVANA.
Ry havana malala ô, saino, diniho manomboka izao izay teny aloaky ny vavantsika, dia eritrereto hoe teny mahafinaritra an’i Jesoa ve izany teny aloaky ny vavako izany ? Teny ankasitrahany ve izany ? Tenin’olona manam-pinoana, manantena Azy, miandrandra Azy marina ve izany ? Hany ka teny manokatra ny varavaran’ny fahasoavana.
Andeha hiarahantsika mamaky ny and.27-29 : « Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely. Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ ny mofon-jaza ihany. Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana hianao; efa nivoaka tamin’ ny zanakao-vavy ny demonia ». Io ilay teny ankasitrahan’i Jesoa ry havana. Tsaroantsika ny zavatra nitranga ry havana : niankohoka ilay vehivavy dia nangataka. Eo izany isika, mahare an’izao toriteny izao, dia hoe manapa-kevitra ny hiankohoka, hanetry tena, dia mivavaka.
Any amin’ny texte parallèle, ao amin’i Matio, dia lazain’i Matio hoe tsy niteny aloa Jesoa ; nangina aloa Jesoa teo anatrehan’ity vehivavy kananita ity. Ary io ry havana zavatra mpahazo antsika matetika : resy lahatra isika hoe tsy misy afa-tsy ny vavaka e ; iray volana isika izay nandinika ny hoe ny mino dia miandrandra ny famonjen’ny Tompo : ok ; andao ary hivavaka : ok ; fa rehefa manomboka mivavaka isika : mangina aloa ny Tompo indraindray, ohatrany amin’ity vehivavy kananita ity ry havana ô. Ary raha tsy manana finoana miorina amin’ny Soratra Masina isika maka exemple ohatran’izany, dia malaky kivy ary tsy maharitra amin’ny vavaka. Fa misy fotoana ny Tompo mizaha toetra antsika, manefy ny finoantsika mba tsy ho finoanoam-poana : mangina aloa, mangina aloa. Ary zavatra sarotra izany ho antsika miaina amin’izao karazana vanin’andron’ny « instantanéité » izao : ny zavatra rehetra tsy maintsy hoe ohatan’izay dia tiantsika ho azo, tiantsika hipoitra, hany ka hoe déboussolé isika rehefa hoe mangina aloa ny Tompo fa tsy avy hatrany dia mamaly vavaka ry havana ô. Mahareta e, mahareta amin’ny fivavahana. Ny olona miankohoka ka mangataka : maharitra amin’ny vavaka ry havana.
Fa ny zavatra lazain’i Marka eto dia hoe : « Fa hoy Jesoa taminy », mbola mizaha toetra ilay finoany : « Aoka ho voky aloha ny zaza ». «Ah, ianao aloa, izaho tsy miteny hoe tsy hamonjy anao Aho, na tsy hamonjy ny zanakao Aho an : fa aoka ho voky aloa ny zaza ». Ilay zaza : ilay zaza avy amin’ny firenen’Isiraely aloa ; izay Izy vao hoe hamonjy ny jentilisa. Tsy nampaninona, tsy nampaninona an’ilay vehivavy izany ry havana, tsy nampaninona an’ilay vehivavy izany. Ary ny zavatra ampianarin’ilay vehivavy eto ry havana, ny zavatra ampianarin’ilay vehivavy eto, na hoe nangina aza aloa Jesoa, na dia hoe nilaza aza Izy hoe : misy filaharany ny famonjena an, ny jiosy aloa izay vao ny jentilisa ; na dia sanatria an’izany ary nalikainy ity vehivavy ity ; nalikainy sanatria an’izany ity vehivavy ity ; marina fa ilay teny grika hoe : alika kely, ohatrany hoe zavatra mahafatifaty ; fa somary alikainy e ; dia neken’ilay vehivavy izany, neken’ilay vehivavy izany ry havana ô. Nekeny soa aman-tsara izany.
Tary isika niteny hoe nahatsiaro ny fahantrany, nahatsiaro mila vonjy ; eto izy : manetry tena. Izany ny olona manantena famonjena avy amin’ny Tompo ry havana. Manana finoana mahatonga azy hanetry tena, ka manaiky haka ny toeran’ny biby fandaka ao ambany latabatra ry havana. Ratoandro ianao, rahampitso ianao, raha sanatria an’izany alikain’ny ao an-trano ianao, isaory ny Tompo tena hoe exercie pratique : izao izany, izao izany no niainan’ilay vehivavy kananita raha nitalaho tamin’i Jesoa izy momba ny zanany vavy. Aza malaky mitomany any amin’i Pasitera : « Pasitera an, izao no nanaovany ahy » : non, non, non.
Nanetry tena izy, ho toy ny hoe biby fandaka ao ambany latabatra. Nanetry tena izy, fa amin’ny maha-jentilisa azy, mpanompo sampy azy, dia mitovy amin’ny biby izany fiainany izany, mitovy amin’ny biby ny fiainany. Fa izao : fantany fa Jesoa no solution amin’izany. Jesoa no solution amin’izany. Dia nanatona izy. Ny probleman’ity vehivavy ity : manan-janaka vavy ampahorian’ny demonia izy ; ary fantany fa Jesoa no solution ; Ny problema hoe : ho eken’i Jesoa ve ? Izany ange io tantara io e : ho eken’i Jesoa ve izy e ? Eken’i Jesoa ve ny hamonjena ny zanany vavy e ?

Fantatsika ry havana ô, fantatsika fa eken’i Jesoa ny hamojeny ny ankohonantsika, fa tsy manatona an’i Jesoa isika, satria tsy mahatsiaro ho mahantra ara-panahy isika ny amin’ny fahoriana izay mety mianjady amin’ny ankohonantsika. Ary mivavaka ry havana, ho anareo vehivavy rehetra, izay mahare an’izao teny izao : miovà ianareo e ; miovà ianareo. Meteza hanana finoana, tsy finoana hoe omban’ny sentiment, fihetseham-po sy ny ranomaso aza, fa hoe finoana mahatonga anareo hiankohoka ho an’io vadinareo io, ho an’io zanakareo io ; fa matoa izy ohatran’izao, sanatria an’izany, misy asan-demony manajamba azy, misy asan-demony manakona an’i Jesoa velona ry havana ô, Ilay Jesoa te hamonjy amin’ny fahoriantsika rehetra.
Ny teny nataon’ity vehivavy ity tena hoe namoha ara-bakiteny ny varavaran’ny fahasoavana ; tao amin’ny faran’ilay texte hoe nony tonga tany an-trano izy, dia nahita an’ilay vehivavy nipetraka soa aman-tsara ao amin’ny fandriana, fa tsy ilay vehivavy, ilay ankizy hoe mitsikofokofona eo amin’ny tany sy manao fihetsik’adala eran’ny trano. Izay nataon’i Jesoa ry havana ô, tamin’ity vehivavy kananita ity, dia tiany atao amin’ny ankohonantsika. Fa izao ny hafatra e : MANGATAHA FINOANA MIANDRANDRA MARINA NY FAMONJENA.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena