ALAHADY 21 MARS 2021 – FIDIRANA FAHA2

Sokafantsika ny Baibolintsika ao amin’ny Lioka 8 ry havana ; ilay fanoharana momba ny voa nafafy. Ilay voa tsara nafafy : ny tenin’Andriamanitra io izany e. Ny Apostoly Paoly dia miteny hoe : « Fa ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana ». Supposé-n’ny Tompo ry havana isika voriany eto amin’izao maraina izao fa manana finoana, manana fanantenana, manana fitiavana. Fa ny hafatra amin’izao maraina izao, ny fanontaniana amin’izao maraina izao dia izao : JEREO IHANY SAO DIA MARARY NY FINOANAO – JEREO IHANY SAO DIA MARARY NY FANANTENANAO – JEREO IHANY SAO DIA MARARY NY FITIAVANAO. Ka finoana, fanantenana, fitiavana tsy hidirana any an-danitra. Maty antoka mandrakizay ianao ary alohan’ny hoe fahafatesan’antoka mandrakizay : pôkaty ny fiainanao ety an-tany.

Manontany anao ny Tompo hoe : manam-pinoana ianao, fa sao dia finoana marary izany ? Jerentsika ny and.11-12 : « Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin’ Andriamanitra. Ireo teny amoron-dàlana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena ». Eo aloa izany ilay resaka finoana.

Ny finoana ry havana, ny finoana, dia avy amin’ny toriteny, hoy ilay tsianjery efa nianarantsika tamin’ny fotoan’andro. Ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy. Ohatra izao izany Pasitera, mpitondra fivavahana, dia mitondra ny tenin’i Kristy rehefa Alahady. Ary iny teny iny dia hoe apetraky ny Tompo ao am-pon’ilay mpihaino, raha mety izy. Raha mety izy. Fa rehefa tsy mety izy ry havana, rehefa tsy mety izy, dia io ilay ety am-boalohany, hoe : misy teny voafafy eny amoron-dalana. Maninona no eny amoron-dalana fa tsy eo afovoan’ny lalana ? Satria izaho mandray azy, dia tsy tiako eo afovoan’ny lalako ilay teny. Tsy tiako eo afovoan’ny fiainako ilay teny. Fa tsy mampaninona ahy izy eo amin’ny lalako, fa eny amoron-dalana. Dia inona ny zavatra mitranga ? Ny zavatra mitranga dia: avy ny voron-kely, io moa ilay hoe devoly, satria izay ilay sary ; avy ilay voron-kely an, dia tsaingohin’ilay voron-kely ilay izy, en fait, ampiasain’ny devoly ilay voron-kely hitsaingoka an’ilay izy. Ahoana hoy Jesoa ? « manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena ». Izay ny anton’ilay finoana ry havana ô : finoana miteraka famonjena. Finoana miteraka famonjena. Satria manao ny asany ilay tenin’Andriamanitra ao am-ponao. Ny tenin’Andriamanitra ry havana afaka miasa, fa tsy ohatran’ny teny hafa vakiana amin’ny boky ireny. Satria maninona ? Ny tenin’Andriamanitra velona, manana hery, herin’ny fiainana. Indraindray isika mankany amin’ny dokotera dia teneniny hoe : « ity no tandremo an. Ity ny hariva no hohanina ity fanafody ity an ; fa io raha vao mihinana an’io ianao, avy hatrany dia te hatory be mihitsy. Tandremo raha mitondra tômôbile mihinankinana an’io ». Misy hery ao amin’ilay fanafody. Misy hery ao amin’ilay tenin’Andriamanitra miteraka anao indray ho zanak’Andriamanitra, miteraka anao ho olona voavonjy. Ary miteraka anao hanana fifandraisana velona amin’ilay Andriamanitra velona. Izany ny olona manana finoana marina ry havana ô.

Ianao no mahalala sao dia marary ny finoanao. Ka rehefa marary ilay finoana, dia tsy tena finoana mamonjy mampiditra any an-danitra ilay izy, fa finoana manana endrika fombam-pivavahana. Possible ianao tsy voavonjy an, nefa tsy mi-rate any am-piangonana isan’Alahady an, manana ny place réservée-nao, sy ny karazany! Izay ilay finoana maratra izay ry havana. Satria maninona ? Maratra ilay finoana : tsy nataonao au centre-ny fiainanao ilay tenin’Andriamanitra, fa nataonao tery amoron-dalana. Safidinao izany.

Nahafinaritra ahy ilay teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay. Hoy izy : « Si le Christ n’est pas le centre de tout, Il n’est pas centre du tout ». Raha miteny ianao hoe : an an an, izaho Pasitera mihaino ny teninao, dia izaho afaka mijoro vavolombelona an : centre-ny fiainako Izy an. Fa izao kosa aloa : ny amin’ny volako izany, tsy centre-ny volako Izy. Ny amin’ny fomba fiakanjoko, tsy centre-ny fomba fiakanjoko Izy an. « Si le Christ n’est pas le centre de tout, Il n’est pas centre du tout. Si le Christ n’est pas le Seigneur de tout, Il n’est pas Seigneur du tout ». JEREO RY HAVANA O, JEREO SAO DIA MARARY NY FINOANAO. Fa ny finoana salama, ny finoana velona ihany no mampiditra antsika any an-danitra ka hanantenantsika fihaonana amin’Ilay Andriamanitra velona, fihaonana sy fiaraha-monina mandrakizay.

Izay ary ny Fahamarinana 1, hoe : JEREO NY FINOANAO SAO DIA FINOANA MARARY.           

Ny Fahamarinana 2 dia izao : JEREO INDRAY KOA NY FANANTENANAO SAO DIA FANANTENANA MARARY, UNE ESPERANCE MALADE OU UNE ESPERANCE BLESSEE.

Fanantenana tsy ahafantaranao fa manana ho avy ianao, fanantenana tsy ahafantaranao fa manana ho avy mandrakizay ianao, raha marary ny fanantenanao ry havana. Ahoana indray ilay olona hoe manana fanantenana marary ? Eo amin’ny and.13 amin’ity perikopantsika ity : misy teny izany nafafy ambonin’ny vatolampy.

Ilay voalohany : nafafy teny amoron-dalana ; ilay karazany faharoa : nafafy teny ambonin’ny vatolampy. « Ireo teny ambonin’ ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’ izay andro isehoan’ ny fakam-panahy (na fizahan-toetra) dia mihemotra izy ». Amin’ny andro izay isehoan’ny fizahan-toetra, na ny fakam-panahy dia mihemotra izy. Satria maninona ? Tsy manantena Mpamonjy izy ry havana ô. Tsy manantena Mpamonjy izy.

Mahavariana ity ohatra ity : teny ambony vatolampy. Io vatolampy io ry havana, io vato be io, dia ny foko io, sy ny fonao. Dia mandeha ohatran’izao, mitoriteny ohatran’izao ny Pasitera, y mpitondra fivavahana, dia ilay teny apetrany ao am-po, fa ilay fo : vatolampy. Ilay fo : vatolampy. Io tenin’Andriamanitra io, raha ny filazan’i Jeremia, dia toy ny kanota, marteau ngeza be, natao hanapotika vato ry havana ô. Fa maro amintsika, mihaino ny tenin’Andriamanitra : « henoy any izany ry hazon-damosina e », « tsy ianao no hampianatra an’izany fa efa haiko izany e», « izaho manana ny finoako e », « izaho manana ny fanantenako e ». Mandinia tena ihany, sao dia ianao io tenenin’i Jesoa io hoe : eny e, fantatro tsara ianao ; fa ianao ilay kristiana manana fo vatolampy. Dia ahoana ny ahafantarana hoe manana fo vatolampy ? ianao anie no maty antoka e. Ianao no maty antoka ry havana ô, amin’ilay fo vatolampy io. Satria ho avy ny « épreuves », ho avy ny « crise », dia mihemotra ianao, mihemotra ianao, manalavitra an’i Jesoa ianao, tsy hita any am-piangonana intsony ianao. Nisy fotoana ianao, faly be ianao fa nanao batisa ny zanakao, nanao tamin’ny fandresen-dahatra, nanao fety be ; tonga ny fizahan-toetra après : tsy nihaino ny toriteny ianao fa efa any amin’ilay sakafo rehefa avy eo no mahamay anao ; tonga ny fizahan-toetra : mihemotra ianao. Raisina katekomena ianao : tena faly ianao ; katekomena izany ry havana, à 95%, 98%, 99%, tsy ilazana hoe 100% : faly izany olona raisina mpandray izany. Statistiquement, 50%-ny katekomena ny Alahady manaraka ilay nandraisana azy ho mpandray ny fanasan’ny Tompo : tsy hita trace intsony. Mihemotra, mihemotra, mihemotra.  Eo anoloan’ny fitsapana dia mihemotra.

Intéressant be ilay filazan’i Jesoa hoe fa maninona izy no mihemotra ? Satria teo amin’ilay vatolampy ilay teny no nafafin’ilay mpamafy an, dia nandray ny teny amin’ny hafaliana izy, nefa tsy manam-paka, tsy manam-paka ireo. Tsy mi-s’enraciner ireo. Intéressant io ry havana. Intéressant. Fa maninona no intéressant ? Tsy manam-paka izy, dia mihemotra ka. Ohatrany hoe ilay racine no tokony hanakana azy tsy hihemotra. Fa tsy manana racine izy, dia mihemotra. Inona moa ny lesona eto, ho an’ny olona izay hoe te hanana toky marina fa manana finoana sy fanantenana salama izy ary mampahery sy mampionona ? Aoka ianao ho kristiana hanam-paka ry havana ô. Jereo ny zavatra rehefa mihaino tenin’Andriamanitra ianao. Aza mandray an-tendrony intsony : « Apprends à regarder les choses à leur racine ». Izany no dikan’io. Jereo any amin’ny fakany mihitsy koa ilay teny, dia avelao ilay teny hamaka ao aminao. Aoka izay ny kapo-batana ny amin’ny Baiboly. Aoka izay ny amin’ny kapo-batana ny amin’ny finoana. Indraindray, ilay kapo-batana mahamenatra ireny. « Apprends à regarder les choses à leur racine ».  Nahafinaritra be ilay teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay. Izany kristiana manana fanantenana salama izany, hoy izy, dia olona « qui apprend à regarder les choses à la racine ». La racine, hoe : io fizahan-toetra ampandalovan’i Jesoa io, araka ny lohahevitra FJKM, hoe : ampiorenana ny finoako io. Io fizahan-toetra ampandalovina ahy io, araka ny tenin’i Petera ato amin’ny perikopa io : afo mandoro, tahaka ny hanadiovana volamena, no hanadiovana ny finoako sy ny fanantenako ; ary isaorako Azy izany, fa tsy vao maika mampihemotra ahy izany. Manomboka anio aho izany, fantatro hoe rehefa sedraina aho, dia fitiavan’Andriamanitra ahy no hisedrana ahy. Sambatra ianao raha sedraina. Mampalahelo ianao raha tsy mahare sedra, satria manam-bola, manana an’izao sy izao sy izao, dia tsy renao ilay sedra izay tian’Andriamanitra hanadiovana ny finoanao. Fa dioviny ianao, tahaka ny fanadio volamena sy volafotsy. Fa izany no fitiavany antsika zanaka e. « Apprends à regarder les choses à la racine ». Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray izay : amin’ny teny latina hoy izy, ilay « racine » dia lazaina hoe « radix ». Ary io teny hoe « radix » io, io no nanome hoe « radical ». Izany kristiana manana fanantenana mifaka ao amin’ny teny izany ry havana : olona radical izany. Dia eo indray ny marivo salosana dia hoe : an an an, io indray Pasitera fa extrémiste, io indray Pasitera fa fanatique. Manazava ny teny aho ry havana ô. Satria tiako ianareo. Izany no anirahan’ny Tompo ahy eto : hanana fijery radical, miorina tsara, mifaka tsara amin’ny tenin’Andrimaanitra, mba rehefa hiatrika ny épreuves ianareo, rehefa mirava eto, rahampitso, amin’ny herinandro, amin’ny reste an’ity 2021 ity : tsy ho naman’izay mihemotra fa mamaka tsara ao amin’ny Tompo, tahaka ny olona manana fanantenana velona. Velona, satria fantany hoe velona ny Mpamonjiny ary n’inon’inona sedra ampandaloviny azy, dia eo anilany Izy. Tahaka ny naman’i Daniel telo lahy tany Babylona : ny zanak’olona teo ry havana ô. Ary ianao, raha tsy manaiky ampandalovina afo, tahaka an-dry Daniela sy ny namany, hoy ilay mpanompon’Andriamanitra : « c’est le prix à payer pour purifier ta foi ». Afo eo amin’ny fiaraha-monina, afo any am-piasana, afo any am-pianarana, afo ao amin’ny couple, ao amin’ny fianakaviana, ianao izay miteny hoe : « Pasitera ô, tahaka ny any anaty lafaoro ny fiainako ; Pasitera ô, tahaka ny any anaty afo ny fiainako » : miasa ny Tompo manadio ny finoanao ho finoana volamena, hanananao finoana salama, hanananao fanantenana salama satria miandry anao any an-danitra ny Rainao.

Diniho ihany ry havana, sanatria, sao dia marary ny finoanao ; sanatria sao dia marary ny fanantenanao.

Ny Fahamarinana 3 farany eto am-pamaranana, dia izao : JEREO NY FITIAVANAO SAO DIA MARARY

And. 14 : « Ireo teny amin’ny tsilo » : izay izany ireo toerana telo, ilay ohatra telo, ila profil telo, ilay catégorie telo : amoron-dalana, ambony vatolampy ; izao indray : amin’ny tsilo. « Ireo teny amin’ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa ». Ireo teny amin’ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ny fiahiahiana : voagejan’ny « soucis », voagejan’ny harena, « les richesses » ary voagejan’ny fahafinaretan’izao fiainana izao, « les plaisirs de la vie ». Mandre teny ianao, mba mamonjy Etude Biblique sy ny karazany ianao, ary tena mahita fahafinaretana amin’izany ianao, fa eee : tsy mahavanom-boa ao amin’ny fiainanao ilay teny satria voageja. Tsy mahavanom-boa mendrika fibebahana, tsy mahavanom-boa mendrika fitiavana, tsy mahavanom-boa mendrika fifaliana, tsy mahavanom-boa mendrika fiadanana izay mihoatra noho ny lojika rehetra satria voageja. Mihaino tsara ianao nefa voageja. Voagejan’ilay fanahiana mameno ny sainao, voagejan’ilay harena sy ny fitiavanao harena sy ny fitokisanao harena, fitokisanao vola, voagejan’ilay fahafinaretana.

Fa maninona moa no lazaina hoe marary ilay fitiavana ? Maraty ilay fitiavana satria izany fitiavana izany anie diso fiantefa e. Izany fitiavana izany tokony fitiavana an’i Jesoa sy izay momba Azy. Fa marary ilay fitiavana dia tsy tianao Jesoa ; na tianao eo imolotra Izy ; fa ny harenao no tianao, ny plaisir-nao no tianao. Izany no tenenin’i Jesoa amintsika Fiangonana amin’izao maraina izao. JEREO E, SAO DIA MARARY E NY FITIAVANAO. Ary ny Apostoly Petera manome antsika solution na manome antsika tari-dalana. Ho anareo izay manana Baiboly misokatra ange, jereo ange 1 Petera 1 e. 1 Petera : mazana be io. 1 Petera 1 :8-9 : « Jesoa Kristy, Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy ». Rehefa salama ilay fitiavana, dia tsy misaraka amin’io fifaliana tsy hay tononina io. « Une joie indicible » hoy Petera. Ilay fitiavana miteraka an’io fifaliana tsy hay tononina io, ilay fitiavana an’i Jesoa.

Mahafinaritra ilay izy, averiko vakiana : « Jesoa Kristy, Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo ». Tsy mbola hitanao Izy fa tianao. Satria manana finoana salama ianao, manana finoana velona ianao, naterak’ilay teny velona. Dia naterak’ilay teny velona ianao dia manana fifandraisana amin’ilay Andriamanitra velona, dia fantatrao fa velona Jesoa, dia tianao Jesoa na dia tsy mbola hitanao aza e. Ary na dia tsy hita ary Izy, satria inoanao, dia iravoravoanao amin’ny fifaliana tsy azo tononina.

Nieritreritra aho teo am-panomanana ry havana, hoe ahoana moa izany no hanazavana amin’ny Fiangonana an’ity, ilay hoe : Jesoa Kristy na dia mboa tsy hita aza dia tianareo. Maromaro ihany ny tanora vavy ato amin’ity Fiangonana ity, dia rehefa mijery sary ireny matetika dia mahita an’ilay ankizivavy mipetraka eo am-baravarankely eo matetika, mipetraka eo ; mipetraka eo am-baravarankely eo, asa mijery lanitra izy, sa mijery ery lavitra ery. Miandry inona izy ? Miandry an’ilay « Prince charmant ». Ary mbola tsy hitany akory ilay « Prince charmant », tsy mbola hitany akory aza, dia efa tiany. Izay ilay izy. Ary vao mifankahita aminy, dia eo izy rava, tsisy ho raisina intsony. Izay. Izay ity Jesoa ity ry havana ô. Raha salama ny finoanao, raha salama ny fanantenanao, raha salama ny fitiavanao, dia miteraka firavoravoana tsy hay tononina izany, na tsy mbola hitanao aza Jesoa ry havana ô.

Faranana izao teny izao. Ao amin’ny Jeremia ry havana dia tena mahavariana mihitsy. Hoy Jeremia 20 :12 perikopa androany : « Fa Ianao, Jehovah, Tompon’ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo, ho hitako ny famaliana azy (dia ny fahavaloko), fa aminao no efa nanankinako ny adiko ». Hitanao, ny tsy mahasalama ny finoanao, tsy mahasalama ny fanantenanao, tsy mahasalama ny fitiavanao, ka fitiavana tsy miteraka fifaliana : ilay fonao. Ary nahavariana ahy mihitsy raha namaky an’ity Jeremia ity, hoe inona ary no idiran’izany hoe : « Fa Ianao, Jehovah, Tompon’ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ». Jehovah Tompon’ny maro, Ilay Andriamanitra Tsitoha, amin’ny teny frantsay izy, hoe : « L’Eternel des armées ». Raha maka ny fiainana ety an-tany, dia hoe : io izany no Semgam mibaiko ny tafika rehetra. Semgam Izy. Eny e, Semgam Izy, Jehovah Tompon’ny maro ; fa inona no idiran’izany amin’ny foko ? Hoe mahafantatra ny voa sy ny fo ? Ny problemantsika, ny problemako : io fo io, araka ilay notenenina teo. Ny herin’io Andriamanitra Tsitoha io, tsisy dikany Aminy manakana an’izay sedra, manapotika ny fahavalo, manakana an’izay mpanenjika ; fa problème numéro un-ny ny foko ry havana ô, sy ny fonao. Anio Izy an, te hanadio an’izany fonao izany ; izany foko sy izany fonao izany. Ary tahaka ny hoe niresahany volamena teo, tao amin’i Petera : tiany isika mianakavy samy hanana fo volamena. Izany no ilain’nv vadintsika, izany no ilain’ny ankohonantsika : lehilahy, vehivavy manana fo volamena, dia hanana finoana volamena, hanana fanantenana volamena, hanana fitiavana volamena miterak fifaliana tsy hay tononina. Ka na rahoviana na rahoviana no hiala eto amin’ity tany ity, dia hamantana any amin’i Jesoa Kristy Tompon’ny finoantsika izany sy mpanefa azy izany.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.