ALAHADY 21 JON 2020

image_pdfPDF

2 Korintiana 13, teny faran’izay mamy, teny volamena, ary teny mora tadidiana ry havana ; andeha hiarahantsika mamaky izany amin’ny anaran’i Jesoa, 2 Korintiana 13 :14 : « Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina ».

Ho an’ny raim-pianakaviana manokana io, amin’izao andro itondrantsika am-bavaka ny raim-pianakaviana, ny loham-pianakaviana, ny vady ; fa ho antsika rehetra ry havana ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo, ny fitiavan’Andriamanitra Raintsika ary ny fiombonana na ny  firaisana amin’ny Fanahy Masina, dia ho tody soa aman-tsara any an-danitra isika ry havana ô.

Ny zavatra ambaran’ny Soratra Masina voalohany dia hoe : « Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo ». Tsy ny fitiavan’Andriamanitra aloa no voalohany, tsy ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina aloa no voalohany hoy ny Apostoly Paoly, fa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo amiko sy aminao. Iza no mila fahasoavana ? Ny olona tsy mendrika. Ary inona no tsy maha-mendrika antsika olombelona ? Ny fahotantsika ry havana. Izay aloa no traité-ny Soratra Masina, izay no traité-n’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy : ny fahotako sy ny fahotanao e. Ary io fahasoavana io dia fahasoavan’i Jesoa Kristy mahatonga hamela anao. Izay aloa ilay fahasoavana : mila avela ianao. Jereny amin’ny fahasoavany ianao ; ianao ilay tsy mendrika : jereny amin’ny fahasoavany ianao. Ary ny teny fampanantenana dia hoe : teo amin’izay nihabiazan’ny fahotana, ny fahotako sy ny fahotanao, no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra. Izany ny vaovao mahafaly e : ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo ry havana ô. Dia misy hiteny hoe : « izany ve tsy manome fahalalahana ny olona hanota ? ». Hoy ilay mpiteny frantsay izay, hoe : « izany ve tsy manome ny olona liberté de pécher, satria hoe teo amin’izay nihabiazan’ny fahotana no nihoaran’ny fahotana be lavitra ? ». Tsia ry havana, tsy manome « liberté de pécher » ilay grâce-n’Andriamanitra, ilay fahasoavana ; fa manome anao « libération du péché » : mi-libéré anao io. Ny làlàna jiosy miteny hoe : « aza mangalatra » ; ny fahasoavan’Andriamanitra miteny hoe : « mamela heloka anao Aho », ary izao : « omeko hery ianao tsy isotroanao toaka intsony, tsy hiboboka toaka tahaka an’io ka ho mamo lava ». Izany no izy. Ary ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo ry havana, izay ihany no manampy antsika handresy ny fahotana. Sady tsy manameloka antsika Izy, no manampy antsika handresy fahotana. Ary rehefa izany no ataon’i Jesoa ry havana, rehefa izany no ataon’i Jesoa : ilay fahasoavany miasa mamela heloka, ny fahasoavany miasa manampy ahy handresy fahotana ; rehefa izany no ataony an, dia ny zavatra ataony koa dia hoe mampihavana ahy amin’Andriamanitra Raiko ary mamerina ahy ao amin’ny fanekem-pahasoavana, ao amin’ilay alliance de grâce izay nahoriny tamin’ny ràny teo amin’ny hazo fijaliana ry havana ô.

Izany io fahasoavan’i Jesoa Kristy io :

  • Mamela ahy, minia mamela ahy
  • Manampy ahy handresy fahotana
  • Mampihavana ahy amin’ny Raiko any an-danitra   

Ary rehefa hoe miasa ao amiko ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, dia tena hoe soa ny fiainana.

Vokovoko manga moa androany : misy an’ilay publicité adala be ataon’ny devoly iny hoe : « soa ny fiarahantsika ». Hampitondra anao any amin’ny helo iny. Publicité tsara be avy amin’ny devoly iny. Fa raha tianao hoe ho vanona ny fiainanao, dia ataovy hoe : « Soa manomboka anio ny fiarahako Aminao Jesoa. Soa ny fiarahako Aminao manomboka anio ».

Dia hoy ny Apostoly Paoly : « Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra Ray ». Ry havana ô, io fitiavan’Andriamanitra io, nahatonga Azy haniraka an’i Jesoa hampiseho ny fahasoavany. Jesoa dia fahasoavana ; fa Andriamanitra naniraka Azy haneho fahasoavana, fitiavan’Andriamanitra.

Ary io fitiavan’Andriamanitra io dia :

  • Fitiavana faran’izay Masina
  • Fitiavana faran’izay madio

Nefa ny tena mahagaga : fitiavana Masina nefa tia antsika tsy Masina – fitiavana madio nefa tia antsika maloto ry havana ô. Izany io, izany.

Io fitiavan’Andriamanitra io dia tena hoe modelin’ilay fitiavana hoe : « TIA NA DIA… ».

  • Tia na dia tsy Masina aza
  • Tia na dia maloto aza
  • Tia anay lehilahy Izy na dia tahaka an’i Adama izahay lehilahy. Tadiavin’Andriamanitra hoe : aiza ianao ry Adama ? Tsy hitako eo amin’ilay toerana nametrahako anao ho lohan’ny vadinao. Izany ny programan’Andriamanitra izany. Aiza ianao rahalehilahy ô, tsy ohatran’i Noa, nitandrina ny teniko ary nitaiza ny zanany hitandrina ny teny, hiara- hanamboatra ilay sambofiara am-polo taonany maro ? Firy ny raim-pianakaviana ohatran’izany ry havana ô ? Angamba mino izy, fa tsy mitaiza ny ankohonany ohatran’izany. Tian’i Jesosy ianao ry havana ô. Tian’Andriamanitra Rainao ianao. Izany ny vaovao mahafaly.
  • Io fitiavan’ny Ray io, tia antsika lehilahy na dia tsy kristy ho an’ny vady aman-janatsika aza isika ry havana ô. Izany io fitiavan’Andriamanitra Ray io.
  • Tia antsika lehilahy Andriamanitra na dia faly manampatra fahefana aza isika ao amin’ny ankohonantsika, fa tsy tahaka an’i Kristy maka ny toeran’ny andevo manompo ny vady aman-janaka. Firy ny lehilahy manompo vady aman-janaka ? Fa raha hiseho ho chef aloa dia samy chef daholo. Izay ilay zavatra.
  • Tia antsika lehilahy Andriamanitra Raintsika ry havana, na dia hoe zandrin’ny vadintsika ara-panahy isika. Ka ianao zandrin’ny vadinao ara-panahy, ampian’ny hakamoanao, dia tsy zakanao ilay izy, dia helo ny ao an-tokantranonao ; normal be izany : fa tian’Andriamanitra ianao. Ary te hanova anao Izy
  • Tia anao Andriamanitra na tena hoe champion-ny fitiavan-tena aza ianao ao amin’ny tokantranonao.

Izay ilay fitiavan’ny Ray, hoe : « Ho aminareo ny fitiavan’ny Ray » e.

Nahafinaritra ry havana ilay teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay. « Fa raha fantatrao ohatran’izany ny fitiavan’Andriamanitra Ray, itiavany anao manokana, dia mitia Azy koa ianao. Isika tia satria Izy tia antsika taloha ». Fa izao hoy izy ilay fitiavana : « manana fo embrasé », « manana fo embrasé ». Embrasé izany, tena hoe mirehi-pitiavana izany ; fa tsy hoe : « tiako e » ; « tiava an’i Jehovah Andriamanitrao », izao… Fa tena « Un cœur embrasé ». Izany no tian’Andriamanitra omena antsika lehilahy e, mba ho tena hoe ho soa ny fiarahantsika amin’i Jesoa, soa ny fiarahantsika amin’Andriamanitra ry havana ô.

Faranan’i Paoly amin’ny hoe : « Ho aminareo rehetra anie… ny firaisan’ny Fanahy Masina ». Ho aminareo rehetra koa anie ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. Hitanareo moa izany, miharihary eto : ilay Andriamanitra inoantsika dia Andriamanitra telo Izay iray. Samy Andriamanitra Izy telo :

  • Jesoa mampiseho fahasoavana
  • Andriamanitra, noho ny fitiavany antsika, maniraka Azy hamela antsika
  • Ary ny Fanahy Masina no hoe, izay manko ilay teny grika ao : mi-communiquer antsika.

Ny Fanahy Masina no mi-communiquer, no fantsona izaran’Andriamanitra amintsika izany fitiavany izany, izany fahasoavany izany. Raha tsy izany dia teny mijanona ato anaty Baiboly fotsiny izany. Ny Fanahy Masina no mi-comminiquer.

Kanefa izao ry havana : alohan’ny hi-communiquer-ny Fanahy Masina an’io fitiavana sy io fahasoavana io, dia ianao (izay koa no azo andikana ilay teny grika hoe firaisana) mila miombona amin’ny Fanahy Masina. Mila miombona ianao. Misy mpitoriteny moa mampiasa ilay hoe « friendship », ohatrany hoe manana amitié aimn’ny Fanahy Masina. Izay ilay fiombonana. Raha tsy manana fiombonana amin’ny Fanahy Masina ianao, tsy hi-communiquer aminao ny fitiavan’Andriamanitra Izy e, tsy hi-communiquer aminao ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, ka hiasa ao.

Inona ny vavaky ny olona hoe te hiray amin’ny Fanahy Masina, te hiombona amin’ny Fanahy Masina, manantena ny Fanahy Masina hi-communiquer fitiavana sy fahasovana ? Hoe : « Ray Malala ô, mangataka Aminao aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy : aoka izaho ho tempolin’ny Fanahy Masina araka ny programanao amiko. Aoka izaho ho tempolin’ny Fanahy Masina araka ny programanao amiko fa manaiky aho ».

Ary hoe, rehefa tempolin’ny Fanahy Masina aho, dia ny Fanahy Masina ry havana sady hi-communiqué an’ilay fitiavana, hi-communiqué an’ilay fahasoavana, araka ilay hira 174 tsara be teo hoe : Ny Fanahy Masina no hanoro antsika ny lalany. Ny Fanahy Masina hanoro antsika lalana. Izany io teny volamena io ry havana ô.

Faranana, faranana izao teny izao ry havana : raha azontsika ny maha-zava-dehibe an’izany tso-drano izany ; tapaho ny hevitra rahalahy, tapaho ny hevitra hoe manomboka androany, hisaina bebe kokoa io 2 Kor 13 :14 io ianao. Izany hoe : fahasoavan’i Jesoa Kristy aminao izany, izany fitiavan’Andriamanitra Rainao anao izany, izany hoe firaisana amin’ny Fanahy Masina izany. Ary ny fisainanao an’izany mandrakariva hanova ny finoanao ; fa hanova indrindra indrindra koa ny maha-vady anao, ny maha-raim-pianakaviana anao. Hanova e, hanova. Ary ho anareo vehivavy : rehefa mahita lehilahy sasany aho, na fantatro ianareo na tsy fantatro, tena malahelo anareo aho : misy lehilahy tena kitoatoa izahay, misy teny kitoatoa izahay. Ilay kitoatoa mety tsy ivelany, fa saron’ilay ivelany ilay kitoatoa ara-panahy ; fa izao no lazaiko anao amin’ny anaran’ny Tompo : tsy kisendrasendra ny hanananao vady kitoatoa ohatran’io. Efa nandalo teo amin’ny seza fiandrianam-pahasoavana hoe : i anona vadin’i anona. Fa ilay fitiavan’ny Rainao anao no mahatonga Azy hiteny hoe : omeko vady ohatran’ity izy, kitoatoa ohatran’io mba hoe hanadiovana ny finoan’izy tenany vehivavy aloa, ary rehefa madio, rehefa voahitsy izy, dia hoe mpitondra am-bavaka an’io vady kitoatoa io, mba ho vady, mba ho lehilahy araka ny fon’i Jesoa ry havana ô. Ary tena hoe vonton’ny fitiavan’ny Rainy any an-danitra ka manana « Cœur embrasé pour Dieu, pour Jésus ».

« Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra Ray ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina ». Amena

 

image_pdfPDF