ALAHADY 20 JON 2021

Ao amin’ny 1 Petera 4, 1 Petera 4 :2 ry havana no iaingantsika. 1 Petera 4 :2 : « Mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra ». Dia ny and.5 hoe : « nefa hampamoahin’ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty ».

Fanontaniana mazava ry havana, fanontaniana mahitsy apetraky ny Tompo amintsika Fiangonany amin’izao maraina izao, dia ny hoe : AHOANA MARINA NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA ?

Eo izany, fanontaniana mivantana aminareo ankizy sy tanora, mivantana aminay ray aman-dreny, mivantana amintsika lehilahy raim-pianakaviana izay entina am-bavaka androany : AHOANA NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA ?

Petera manomboka mamaly an’izany ery amin’ilay and.5 novakiana teo, hoe : ho lanianao ve ny andronao sisa tahaka ny olona mahafantatra mazava fa mba hampamoahina ianao ?  Mbola hampamoahina ianao. AHOANA, AHOANA NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA RY HAVANA O ?

Ny tantaran’i Mosesy izay hitantsika tamin’ny farany teo, dia izany : ny fiainany : nokasihin’ny Fanahy Masina izy dia nanapa-kevitra ny hiala tao amin’i Farao ; fa naleony an nijery ilay valisoa omanin’Andriamanitra ho azy any an-danitra. Ampamoahina isika mianakavy, ary rehefa vita ny fampamoahina antsika : misy valisoa hatolotra antsika eo ry havana. Izay ilay fanontaniana : AHOANA MARINA E, NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA : HO LANIANAO TAHAKA NY OLONA AMPAMOAHINA VE, HO LANIANAO TAHAKA NY ANDRON’NY OLONA MIJERY VALISOA IZAY MBOLA TSY HITA MASO ? Izay ry havana ô, izay ny hafatra, izay ny hafatra amin’izao maraina izao.

Ka ho an’ny olona ary izay tapa-kevitra hoe andany tokoa izany androny sisa izany, araka ilay notenenina teo, tahaka ny olona ampamoahina, ny Fahamarinana 1 dia hitantsika ao amin’ny Ohabolana 23 :26, izay efa nohenoina tamin’ny 5minitra teo : « Anaka, atolory Ahy ny fonao ». Mahafinaritra ry havana ilay teny frantsay fandre, tsindraindray matetika, hoe : « Aujourd’hui est le premier jour du reste de ta vie ». Amin’izao andro sisa ireo : androany no voalohany. Ary amin’izany andro voalohany izany, tapaho ry havana ny hevitra hoe : Atolory an’Andriamanitra ny fonao. Hainao tsianjery izany ; fa efa nanolotra marina ny fonao ho an’Andriamanitra ve ianao ? Ary raha efa nanolotra ianao an : misaora an’Andriamanitra ianao raha hoe mivelona tahaka ny olona ampamoahina ry havana ô. « ANAKA, ATOLORY AHY NY FONAO ».

Rehefa mihaino fiteny, fitenintsika amin’ny andavan’andro, asa moa raha fiteny ety amin’ny pilopitra izany, fa indraindray isika rehefa maheno olona miresaka, dia miteny ilay anankiray hoe : « ianao mampihomehy an ». Eto ry havana ô, ohatrany sanatria an’izany, resaka mampihomehy eto. Mampihomehy ilay situation hoe : mahita an’Andriamanitra miteny amiko, miteny aminao : « Anaka, atolory ahy ny fonao ». Maninona no mampihomehy ? Mampihomehy satria io fonao io ange efa an’Andriamanitra e, raha nahary anao Izy e. Izay ilay mampihomehy : efa Azy io, dia mbola miteny indray Izy hoe : « Anaka, atolory ahy ny fonao ». Io fonao io, efa noforoniny ho Azy, hitempo ho Azy. Fa maninona ary no mbola teneniny indray hoe : « Anaka, atolory ahy ny fonao » ? Ny Apostoly Paoly, any amin’ny Romana 7 :14, omeko anareo fotsiny ilay référence, dia hoe : en fait, io foko io, satria izaho, hoy Paoly, ny olombelona, hoy Paoly : « namidy ho andevon’ny ota » dia tsy an’Andriamanitra intsony. Satria, Romana 7 :14, namidy aho, namidy ny olombelona ho andevon’ny ota, dia tsy an’Andriamanitra intsony ilay fonao io. Ary izany no itenenany amintsika androany hoe : fantaro fa ianao izay efa namidy ho andevon’ny ota io no itenenako hoe : « Anaka, anaka, anaka : tsy mitsara anao Aho, fa atolory ahy, atolory ahy io fonao io. Manatonà ahy, dia atolory ahy io fonao io ». Raha te hanolotra ianao, tsy maintsy manatona hoe : « inty ny foko ary Tompo ô. « Manatonà ahy dia atolory io fonao io. Aoka izay io fombanao io, hoe : mba manatona ihany tsindraindray, tsindraindray. Fa isaky ny manatona ahy ianao, tsy misy iraharahianao an’izay hoe anolotra ny fonao ; fa filan-javatra no anatonanao ahy. Aoka izay izany anaka. Aza manatona intsony, hoe : hanala fanadinana aho, manana projet aho, tsy misy maharatsy an’izany, mba ho afaka tanteraka amin’ny covid aho, oaoaoa, eny e, tsy misy maharatsy an’izany ; anaka ô, atolory ahy, atolory ahy ny fonao ».

Namidy ho andevon’ny ota isika an, dia izay toetra-na andevo izay no ahazoantsika koa manatona rehefa dinihina ; koa andevo ianao ko, voafatotra ianao ; fa mahare tenim-pitiavana ianao, mahare tenim-pahasoavana ianao ary misy aina, misy hery ao amin’io teny io, hoe : « manatona ahy ianao, dia atolory ahy io fonao io ». Fa izao koa ry havana ilay problema, izao koa ilay problema : fantatro ihany fa hoe te hanatona aho nefa andevo e, andevon’ny fahotana izay namarotana ahy : Ok. Dia fantatro aho fa andevon’ny fahotana, dia fantatro loatra ny ao anatin’ny foko ao, fantatro ; ianao koa mahafantatra ny ao anatin’ny fonao ao ; nefa io fonao io no tian’Andriamanitra atolotrao ho Azy. Fantatrao ny ao anatin’ny fonao ao ry havana ô, ao ambadik’izao akanjo izao, fantatrao ny ao anatin’ny fonao ao, dia tsy omenao accès Andriamanitra hijery ny ao anatin’ny fonao lalina ao. Izaho no adala be, ianao no adala be an. Ny zavatra  tadiaviny anie dia ny ho tonga saina ianao e, hoe : miaiky ianao, manetry teny ; izay ange ilay fanentren-tena, hoe : « Tompo ô, mifona Aminao aho, fa izaho ity dia mbola ohatran’izao, mbola ohatran’izao, mbola ohatran’izao ». Izany no tsy tiako ho hitan’Andriamanitra dia sakanako ilay accès. Fa izany hoe manolotra ny fo ho an’Andriamanitra izany : mamoha azy midanadana koa. Azo hanazavana azy tsara izany. Tsy tiako ho hitan’Andriamanitra ilay foko mangatsiaka ho Azy. Izany isika ry havana ô. Tsy tiantsika ho hitan’Andriamanitra ilay fontsika mangatsiaka ho Azy nefa mafana ho amin’ny vola, mafana ho amin’ny fahafinaretana, mafana ho an’ny namana, mafana ho an’ny fianakaviana. Tsy tiantsika ho hitan’Andriamanitra izany. Fa hitany ange izany e ; nefa mbola miteny aminao Izy, manambitamby anao Izy : « Anaka, atolory ahy ny fonao. Atolory ahy io fonao, fa Izaho no tena mila an’io fonao io. Tsy ilay olombelona ho lasa vovoka aman-tany sy lavenina atsy ho atsy. Izaho no mila an’io fonao io. Atolory ahy io fonao io fa Izaho irery no hahasoa an’io fonao io sy hahafa-po ny hetahetan’io fonao io anaka ô. Atolory ahy, atolory ahy ny fonao ». Fa rehefa tsy atolotrao ho an’Andriamanitra io fonao io ry havana ô, dia mitsangana ho fahavalon’Andriamanitra ianao, miziriziry amin’ny maha-fahavalon’Andriamanitra anao ianao. Petera, nisy fotoana nitondra tena tahaka ny fahavalon’Andriamanitra, izy nandà an’i Jesoa ; tena fahavalon’Andriamanitra. Fa ny tantaran’i Petera : fahavalon’Andriamanitra novain’ny fahasoavan’Andriamanitra ho sakaizany, sakaizan’i Jesoa. Ary tao anatin’ireo anankitelo tena akaiky Azy indrindra tety ambonin’ny tany.

Miantso anao ny Tompo amin’izao maraina izao, manambitamby anao ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : « Anaka, anaka, anaka atolory ahy amin’izay ny fonao ; ary atolory ahy ny fonao fa ianao ange mbola hampamoahina e. Atolory ahy ny fonao, fa Izaho ange te hanolotra ho anao e, valisoa tsara be noho ny fianakavianao, noho ny vola anananao, noho ny namanao sy ny karazany ety an-tany. Te hanolotra ho anao valisoa tsara lavitra noho izany Aho ».                                 

Ka ny olona manapa-kevitra ry havana, hoe hanolotra ny fony ho an’Andriamanitra, dia mivavaka ihany koa, mivavaka ; io no tsy ampy amintsika Fjkm : mampianatra, fa tsy mampianatra hivavaka ; mivavaka hoe : « Jesoa an, afaho ary aho e, amin’ny fanandevozana izay namarotana ahy. Afaho aho amin’ny fanandevozana izay namarotana ahy ». Ary faharoa, hoe : « Avoty aho amin’ny fitondran-tena adala mahazatra ahy ».

Izay ny Fahamarinana 1, hoe : « ANAKA, ATOLORY AHY NY FONAO ». Ary angataho ry havana ny Fanahy Masina hanongotra ao am-ponao ihany koa izay rehetra hoe faka mangidy mihazona anao tsy hanolotra ny fonao ho an’Andriamanitra.

Mivadika ao amin’ny Matio 23 isika ry havana. Ny Fahamarinana 1 dia hoe : « ANAKA, ATOLORY AHY NY FONAO ». Izany ny fahendren’ny olona mandany ny androny sisa tahaka ny olona manantena valisoa. Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao, ny Fahamarinana 2 : REHEFA TSY ATOLOTRAO HO AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO, DIA AUTOMATIQUEMENT MIHATSARAVELATSIHY SY TIA SEHOSEHO IANAO AO AMIN’NY FIAINANAO.

Izany ny modely ratsy asehon’ireto Fariseo ireto. Izany ny modely ratsy asehon’ireto Fariseo ireto. Matio 23 :2-3 : « Eo amin’ ny fipetrahan’ i Mosesy no ipetrahan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.»

Inona moa ilay fihatsarambelatsihy ry havana ? Ny fihatsarambelatsihy dia hoe : manana fampianarana raitra ianao, ary eken’i Jesoa hoe raitra ilay fampianarana, fa tsy ampiarinao ilay izy e. Ary tsy ampiarinao ilay izy satria ny fonao tsy natolotrao ho an’Andriamanitra. Rehefa miteny ry havana Andriamanitra hoe : « Anaka, atolory ahy ny fonao », tsy miteny Izy hoe : « Anaka, atolory ahy ny molotrao » ; tsy miteny Izy hoe : « Anaka, atolory ahy ny sainao » ; fa « Anaka, atolory ahy ny fonao ». Fa ilay molotra mahay manao fampianarana tsara be na ahoana na ahoana, ilay saina mahay manao fampianarana tsara be ; fa avy eo tsy hita ao amin’ny fiainanao izany fampianarana tsara be izany. Tsy hita ao amin’ny fiainanao. Ary eto Jesoa dia miteny hoe : « an an an, tsara be ny fampianarany, fa ilay fiainany tsy arak’izay ». Ary tena lalina ange ry havana izany hoe : mijery anao izany Jesoa, mijery antsika izany Jesoa dia itenenany hoe : « izay rehetra lazainy, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo ; fa aza mba manao araka ny asany ». Zava-doza ange izany e, zava-doza.

Tsy ny fahaizana tenin’Andrimanitra ato an-tsaina ry havana no andraisanao an’ilay valisoa an, tsy ny fahaizana ara-tsaina, fa ilay fo natolotra teo an-tanan’Andriamanitra. Ary amin’izao vanin’andro iainantsika izao ry havana, tena mahavariana mihitsy ny manao constat an’ity zavatra ity : misy olona manan-tsaina, misy olona tapi-pahalalana, misy olona manana position sociale, position professionnelle ohatran’izao sy ohatran’izao, azo atao hoe tsiriritina amin’ny maha-olombelona, fa izao : amin’izao 2021 izao, tsy ampy intsony izany, tsy ampy intsony izany. Diniho tsara : maro, maro ny olona te hatao hoe « ara-panahy », maro ny olona te hatao hoe « religieux », maro ny olona te hatao hoe « spirituel », fa tsy ampy azy ny zavatra ankoatran’izay. Izany ny zava-misy. Izy tsy nanolotra ; fa izany : tsy mety izy raha tsy atao hoe « tena ara-panahy be aho ». Izay. Dia inona ny zavatra mitranga ? Hoy isika hoe : rehefa tsy nanolotra ny fonao ho an’i Jesoa ianao : automatique ianao misehoseho ary mihatsaravelatsihy. Izay ange no lazain’i Jesoa eto e. Izay no lazain’i Jesoa eto. And.5 : « Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona ; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny ». Ataony lehibe ny fylakiterany. Io fylakitera io, amin’ilay fitaizam-pinoana sy fitaizana ara-panahy, tena zavatra tsara be io. Io, rehefa mijery, boîte kely izay, dia misy tenin’Andriamanitra ao ; boîte kely izay. Dia ho fitaizana ilay jiosy dia fatorana eo amin’ny andrina eo ilay izy ; mifatotra mihitsy ilay izy ; mba ho tsaroan’ilay jiosy mandrakariva ny tenin’Andriamanitra ry havana. Tsara be izany. Ary koa, hoe : hi-inspiré ny zavatra ataony. Izany ny anton’ilay fylakitera. Fa araka ilay notenenina teo, ilay Fariseo mpihatsaravelatsihy, ilay Fariseo tia sehoseho : tsy hita ao amin’ny fiainany izany. Dia ahoana no ataony ? Ilay fylakitera no ataony ngeza be ry havana ô. Izay ilay izy. Izay ilay hoe fihatsarambelatsihy, izay ilay hoe sehoseho. Fa izaho sy ianao, tsy mila fylakitera izany ; fa une fois isika ry havana nanolotra ny fontsika ho an’Andriamanitra : automatique folahan’izany tenin’Andriamanitra ary volavolain’izany tenin’Andriamanitra izany ny saina, ary dia hoe ampidinin’ny Fanahy ato am-po, dia hita ao amin’ny fiainantsika hoe ny fiainan’iny indray dia tena hoe baikon’ny tenin’Andriamanitra. Izay ilay izy.

Eo amin’ny and.5, hoe : « ataony vaventy ny somotraviaviny ». Ilay somotraviavy io amin’ny teny frantsay, hoe : « cordon » ; misy karazana tady izay, dia ataony mikirazorazo tsara ety amin’ny zoron’ilay akanjo ety ho hita tsara. Iny somotraviavy iny an, ny anton’iny dia hoe : hamamarihana hoe vahoakan’Andriamanitra izy, vahoakan’Andriamanitra izy. Inona no dikan’izany hoe vahoakan’Andriamanitra izany ? Vahoaka nalain’Andriamanitta teo anivon’ny firenena rehetra ary natokany ho azy. Ary satria hoe vahoakan’Andriamanitra, dia amin’izay rehetra atao, amin’izay rehetra aleha dia mpampatsiahy an’Andriamanitra. Izany ve izaho ? Izany ve ianao ? Izany izaho sy ianao raha nanolotra ho an’Andriamanitra ny fontsika ry havana ô. Ary androany no andrasany amiko sy aminao izany. Izay ilay izy. Fa raha tsy izany dia automatique e, izay ataonao rehetra ; aty am-piangonana ange izany resahina izany e : fihatsarambelatsihy daholo. Ary sehoseho daholo. Avy eo izy an, mankeny amin’ny toerana voalohany, mitady ho arahabain’ny olona, mitady félicitations avy amin’ny olona sy ny karazany. Izay rehetra atao dia hoe mba hahitana azy.

Ry havana ô, ampy izay, hoy Petera, raha nanao an’izany ianao. Ampy izay. Tsy manameloka anao Izy e. Fa ampy izay, fa lanio ny andronao sisa tahaka ny hoe andron’ny olona mahafantatra mazava fa hampamoahina ary rehefa vita ny fampamoahina : handray amin’ny fifaliana valisoa, ary valisoa mandrakizay.               

Ny Fahamarinana 1 dia hoe : ATOLORY AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO. Ny Fahamarinana 2 dia hoe : TANDREMO FA REHEFA TSY ATOLOTRA AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO : AUTOMATIQUEMENT MPIHATSARAVELATSIHY IANAO ARY TIA SEHOSEHO SY VONINAHITRA.

Ao amin’ny 1 Petera 4 ny Fahamarinana 3 farany. Averintsika vakiana ry havana ny and.1, 1 Petera 4 :1: « Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany ; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ». Ilay Fahamarinana 3 dia izao ry havana : IATREHANAO NY ANDRO SISA-NAO TAHAKA NY OLONA AMPAMOAHINA, TAHAKA NY OLONA MANANTENA VALISOA ; IATREHANAO IZANY ANDRO SISA IZANY : RAISO NY FIADIANA. RAISO NY FIADIANA. RAISO NY FIADIANA.

Fiadiana anankiray eto amin’ny 1 Petera 4. Andao ary aveintsika vakiana ilay izy, satria sarotsarotra hoy aho ilay izy, nefa tsotra kely ihany rehefa tena dinihina. « Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany ; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ».

Inona ilay fiadiana asaina raisintsika io ? Sombina tenin’Andriamanitra ry havana, sombina tenin’Andriamanitra. Dia inona ilay sombina tenin’Andriamanitra ? Manao hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ».

Iza amintsika no tsy maniry lalina ao am-pony ao hoe : mba ho afaka amin’ny ota ? Mba ho afaka. Iza no tsy maniry an’izany ? Ary iza no tsy maniry an’izany ary mi-expérimenté défaite lalandava, faharesena lalandava. Fa eto ry havana, omena antsika ilay fiadiana : io sombin’andinin-tsoratra Masina io, hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ». Hampahery anao io amin’ny adro sisa iainanao, saisi-siavo, ifikiro io promesse io, manao hoe : ny teninao Jesoa an, ny tenin’ny Soratra Masina Jesoa an, dia milaza mazava hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ». « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ».

Ahoana tsara moa izany ary e? Isika rehetra ry havana samy manana finoana. Ny olombelona rehetra samy manana finoana. Fa rehefa dinihina, dinihina tsara, dia misy karazany 2, raha samy antsoina hoe finoana an, misy karazany 2 ilay finoana.

  • Ilay finoana voalohany dia « finoana ny zavatra hita ». « Finoana ny zavatra hita ».
  • Fa ilay karazana finoana iantsoana antsika ry havana, mba hoe ananantsika dia « finoana ny zavatra tsy hita maso ». Izay.

Manao ahoana ny finoanao : finoana ny zavatra hita maso ve ka ifikiranao eo amin’ny fiainanao ; zavatra hita maso : fifaliana, fahafinaretana mandalo, na dia fahafinaretana araka ny lazain’ny Hebreo hoe fahafinaretana miaro fahotana aza : finoana mino ny zavatra hita maso ve ny finoanao sa finoana mino an’izany hoe fampamoahina mbola tsy hita maso sy ny valisoa tsy hita maso izany ? Ianao ve ilay rehefa tenenina, dia hoe : « mazava ny toriteny Pasitera an, misaotra anao, mazava ilay toriteny. Fa tsy vitan’izany ny fiainana : izaho mamelona vady aman-janaka, mbola kely ny zanako, mbola mianatra ny zanako : vola aloha, vola sy fahasalamana aloha ». Izany ve ny finoanao : finoana miantehitra, maniry en priorité zavatra hita maso nefa mandalo tahak’izany?

Ary izay no tian’Andriamanitra ovaina ry havana, izay finoana ny zavatra hita maso izay. Ary tiany ho soloina ilay finoana ny zavatra tsy hita maso. Izao manko ilay problema : rehefa mino ny zavatra hita maso ianao, tahaka ny ataon’ny kristiana maro ry havana, dia mbola hoe naman’izao tontolo izao ihany ianao, naman’izao tontolo izao ihany ianao.

Miteny eto Petera, 1 Petera 4 :4 : « ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany ratsy izany ». Ny tena normal ry havana, dia io lazain’i Petera io : gaga izao tontolo izao hoe tsy miara-mirevy aminy intsony isika, tsy manao ny fanaony intsony isika. Tena gaga izy ; ilay gaga : sady tezitra an. Gaga izy tsy miara-mihazakazaka aminy. Fa ny zava-misy amin’izao fotoana izao ry havana : izao tontolo izao gaga satria miara-mihazakazaka aminy ianao. Izany no mahagaga azy. Gaga izy : « odry, inona no ataonao aty ? ». Izy izany any amin’izay toerana any an’anona any, dia mahita antsika mankany, mahita anao mankany : « odry ». Gaga izy. Miara-mihazakazaka aminy ho any amin’ny fahotana sy any amin’ny fifaliana maloto ianao. Gaga izy mahita anao manao ny fanaon’ny jentilisa, hoy Petera ry havana ô. Gaga izy e. Gaga izy satria ireto olona nitoriana teny ireto mba mahafantatra hoe ianao ange ka mbola ampamoahina e, ianao ange ka misy valisoa miandry anao e. Gaga izy : fa ahoana ary no izao no ataonao e ? Izany ange ilay izy ry havana e. Izy gaga, ary ianao tsy mahafantatra fa hoe io finoanao faible io, malemy ohatran’io ange ilay finoanao e, noho ny fiarahanao mihazakazaka amin’izao tontolo izao. Faible ny finoantsika ry havana rehefa hoe tsy nanapa-kevitra mazava isika fa hisaraka amin’ny fanaon’izao tontolo izao. Fa rehefa miteny an’izany ny Pasitera, dia hoe : « io indray Pasitera sy ny morale, io indray Pasitera sy ny fahateren-tsainy ». Non non non : ny finoanao no faible satria ianao tsy nisaraka amin’izao tontolo izao ry havana ô, ary higagan’izao tontolo izao ianao hoe : miara-mihazakazaka aminy amin’ny fanaon’ny jentilisa. Ary normal be izany, normal be izany satria tsy natolotrao ho an’Andriamanitra ny fonao. Izany ange e, izany ilay resaka androany e, izany ilay resaka androany.

Dia inona no mahatonga an’i Petera hiteny ilay fiadiana, hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota » ? Izay niaritra tsy hanota dia efa afaka. Dia jereo ange ilay naoty kely ery ambany ery e : fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka tamin’ny ota = nampitsaharina. Nampitsaharina. Izay olona hoe ninia tsy hanota, na ota kely aza aloha amin’ny voalohany, dia efa afaka, libéré, nampitsaharina tamin’ny ota. Raha mijaly ianao ry havana ô, ao amin’ny nofonao satria tsy nanaiky hanota : izany ny famantarana fa efa afaka tamin’ny fahotana ianao. Raha miaritra fahoriana ianao satria tsy nanaiky hanota : izany no signe fa efa afaka amin’ny fahotana ianao. Tsy mi-contrôle anao intsony ny fahotana. Andao haka ohatra ary e. Iza no tsy mahafantatra fa tsy mety ny manao kolikoly ? Ary iza no kristiana tsy manao kolikoly ? Ary iza no tsy manamari-tena rehefa hanao kolikoly ? Tsy fisainan’ny olona mandany ny androny tahaka ny olona ampamoahina izany ry havana ô. Fa raha io ary ianao, mahita an’izao teny izao, ary nanolotra ho an’Andriamanitra tokoa ny fonao ianao, nanolotra ho an’Andriamanitra ny fonao ianao ry havana ô, ary mijaly ianao satria io fa tsy lany visite technique ny tômôbile-nao, tsy vita ny taratasinao any amin’ny domaine, tsy mivoaka ny entanao any amin’ny douane : miaritra ao anatin’ny nofonao ianao, marary ianao, mihena ny fihinananao : tu es libéré du péché, efa afaka amin’ny fahotana ianao. Tsy midika izany fa tsy hanota intsony ianao, fa afaka amin’ilay fanandevozan’ny fahotana ianao e. Izany ny vaovao mahafaly ho antsika izay efa nanapa-kevitra, namaly ny antson’ny Tompo hoe : « Anaka, atolory ahy ny fonao ». Tsy contrôlé-n’-ny fahotana intsony fa contrôlé-n’Andriamanitra, contrôlé-n’ny Fanahy Masina ny fiainany. Izany ny vaovao mahafaly. Izay liay fiadiana raisina, izay ilay saina tian’ny Tompo hananana, hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo, niaritra fahoriana tamin’ny nofo dia efa afaka, efa afaka amin’ny fahotana ». Fa raha tsy nahatsiaro niaritra ohatran’izany ianao, niaritra ; tsara be ny exemple-ny kolikoly io an ; ary mahavariana ahy ry havana, fa misaotra ny Tompo ny amin’ireo mpikambana efa an’arivony, mihoatra an’izany ary ; fa mahavariana rehefa manatona olona ianao : évident be ilay kolikoly fa tsy tokony atao, évident be ilay approche-ny chaîne, tena hoe concret be mihitsy hoe : ianao tsy hanao, ianao tsy handray ; « an an an, aoka aloha Pasitera an, aoka aloha, aoka aloha ». Fa maninona no « aoka aloha » ? Sao dia sanatria « aoka aloha » an’ny olona tsy nanolotra ny fony ho an’Andriamanitra izany ? Sanatria, sao dia « aoka aloha » an’ny olona izay tsy mahazaka maharitra ao amin’ny nofo, ary tsy misy vidiny aminy izany hoe : ambara avy any an-danitra fa efa afaka amin’ny fahotana ianao ? Izany ve ny fiainanao ? Izany ve no nidiranao teto, dia izany ve no mbola ivoahanao avy eto, ry havana malala ao amin’ny Tompo ô ? Izany ilay izy. Fa rehefa afaka amin’ny ota ianao, tsy contrôlé-n’ny fahotana intsony ny fiainanao, fa contrôlé-n’Andriamanitra. Ary rehefa contrôlé-n’Andriamanitra ry havana ô, ny fiainanao, dia réalité aminao izany hoe, ilay notenenin’i Petera teo : tsy mankany amin’ny fijejojejoana intsony ianao. Ilay fijejojejoana, tsy ilay hoe coquetterie manko, fa ilay fijejojejoana : ilay dérèglement-ny fiainana. Tsy mankany amin’ilay fanirian-dratsy intsony ianao, tsy mankany amin’ny filalaovan-dratsy intsony ianao, tsy mankany amin’ny fisotroa-toaka intsony ianao sy ny fimamoana, tsy mankany amin’ny filalaovan-dratsy : ilay filalaovan-dratsy, ilay hoe orgie, ilay fomba fiainana veta, fomba fanaovana firaisana veta. Fa rehefa hoe tsy niaritra tamin’ny nofo ianao ry havana : any ianao, automatique any ange ianao e. Tsy omen-tsiny ianao, fa any ianao e. Ary very ilay valisoa ary.

AHOANA NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA ?  Miraisa saina amin’i Kristy – Raiso ny fiadiana, dia ilay teny fampanantenana hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ».

Ny Tompo ry havana ô, ny Tompo hameno anao amin’ny Fanahy Masina ; satria haintsika tsianjery ilay hoe : « hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo » ; mba hanomboantsiaka miaritra amin’izay faran’izay kely aloha,  mba hi-expérimenté-tsika victoire faran’izay kely aloha, dia ny Tompo, ny Tompo hampitombo izany isan’andro isan’andro satria exercice quotidien izany, fa tsy hoe androany 20 Juin tena manapa-kevitra ; exercice quotidien izany.

Ry havana ô : ATOLORY AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO FA IZY NO MITADY AZY INDRINDRA ARY TENA TIA AZY INDRINDRA – ATOLORY AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO FA IZY NO HAMALY NY HETAHETANY INDRINDRA ; ARY AMIN’IZAY DIA HANANA FINOANA IANAO, HAMARITRA NY ANDRONAO SISA TAHAKA NY FIAINAN’NY OLONA IZAY TENA HOE REALITE HO AZY NY ZAVATRA INVISIBLE, DIA ILAY VALISOA OMANINY HO AHY SY  HO ANAO ANY AN-DANITRA.

Amen