Matio 5:38-42:"Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon’ ny maso, ary nify solon’ ny nify. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. Ary izay te-hiady aminao ka ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao. Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa. Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao".
Ny tena mpianatra dia:
- Miaritra fa tsy mamaly faty
- Mandefitra fa tsy mila ady
- Manampy fa tsy mamihina