ALAHADY 18 OKT 2020

Ny hafatra ho antsika Fiangonana anio ry havana dia azo fintinina tahaka izao, hoe : AOKA IANAO HO MPAMPITA FINOANA TSY MIHATSARAVELATSIHY AMIN’NY ZANAKAO. Rehefa manao an’izany isika dia mandeha mendrika ny fiantsoana hoe : vavahadin’ny lanitra ny Fiangonana, mpampiditra ny maro any an-danitra e.

2 Timoty 1 :5 : « fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin’ i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany ». Tsy izaho ry havana ô no andeha hanamarina aminareo sy hanazava aminareo fa izaho Solofo manana finoana tsy mihatsaravelatsihy. Non, non, non. Ianareo, ianareo no milaza hoe ao anatin’i Pasitera na tsy ao anatin’i Pasitera ny finoana tsy mihatsaravelatsihy. Fa izany no anairan’ny Tompo antsika amin’ity volana ity, hoe : mirosoa amin’ny finoana masina, mirosoa amin’izany finoana tsy mihatsaravelatsihy izany. Ary sambatra ianao, rehefa mandinika anao ny mpiara-mivavaka aminao ; izany mantsy ilay tsy tiantsika izay, « tsy tiako io Fiangonana io fa mifampitsikilo, mifampijery, mifandinika » ; f’angaha ianao any ivelany any tsy dinihin’ny olona ? Fa sambatra ianao, raha mijery anao ny olona, ka miteny izy hoe : « ary io finoana tsy mihatsaravelatsihy io an, efa hitako tao amin’ny mamanareo an, efa hitako tany amin’ny bebenareo an » : sambatra ianao e. Izany ny famaritana ny fahasambarana. Izany ny famaritana ilay hoe finoana masina tsy mihatsaravelatsihy, tsy mody izao, tsy miseho ho izao. Zava-doza ry havana ilay finoana mihatsaravelatsihy, zava-doza ilay finoana mihatsaravelatsihy satria tsy mitondra soa ho an’ny manodidina azy. Hoe, raha raim-pianakaviana aho, raha vady aho : tsy mitondra soa ho an’ny ankohonako ilay fisehosehoako hoe mody izao aho, na mody izao. Tsy mitondra soa e. Fiainana efa sarotra ity, ianao loham-pianakaviana, reny indray ve no tsy hitondra soa ? Helo ny ankohonanao. Dia jerentsika ary ny tenenin’i Jesoa momba an’izay ry havana, ao amin’ny Matio 21 :18 : « Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana ». Ianao ry havana, rehefa manana finoana mihatsaravelatsihy dia ohatran’ity aviavy nitadiavan’i Jesoa voa ity, fa noana Izy. Noana ny ankohonanao dia mieritreritra hoe ny mahanoana an’ity ankohonako ity angamba dia tsy misy atokona androany, na hoe efa herinandro izay tsy nihinana ; eny e, fa ny tena maha-noana azy dia ilay hanoanana ara-panahy. Ary io no mahavanona na tsy mahavanona ny fiainana ry havana ô. Fa mihatsaravelatsihy ny finoanao, manamari-tena ianao rehefa hoe ohatran’izao ange ka ohatran’izao : avy avy ianao indray : « Ka Pasitera, tsy mahafantatra ianao fa izao ». Tsy hitondra soa ho an’ny ankohonanao ianao. AOKA IANAO E, HO MPAMPITA FINOANA TSY MIHATSARAVELATSIHY.

Ary jereo tsara ilay maha-zava-doza an’ilay finoana mihatsaravelatsihy, Matio 21 :19 : « Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay ». Azonareo ve izany ry havana ô ? Ilay olona manana finoana mihatsaravelatsihy izany ohatrany aviavy, mandravona, feno ravina ; manao an’izao aty am-piangonana e, manao asa soa ohatran’izao e, « izaho ange ao am-piangonanay ka ohatran’izao e » : mandravona, mandravona, ary mandravona be, fa tsisy voa rehefa savasavaina ilay ravina. Sao dia izany ianao e : maro be ny olona ato amin’ity Fiangonana ity no ohatran’izany ry havana. Ary fitiavan’ny Tompo antsika no itenenany hoe : aoka izay ny aviavy mandravona e, aoka izay ny miseho ho izao e. Tsy hahasoa anao, tsy hahasoa ny taranakao. Ary rehefa miteny Jesoa : « Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay » : miantso hozona ianao e ; ianao miantso hozona aminao sy ny taranaka mandimby anao. Aoka izay io fisehosehoana io. Aoka izay io fisehosehoana io.

Ary ery amin’ny and.21 miteny Jesoa hoe : « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana hianareo ka tsy miahanahana » : ny olona ry havana ô, ny olona izay manana an’izay finoana mihatsaravelatsihy izay, miahanahana izy. Amin’ny fotoana inona izy no miahanahana ? Rehefa ao anaty fahoriana, rehefa ao anaty fizahan-toetra. Fantaro ry havana malala fa làlàna mifehy an’ity tany misy antsika ity ny fizahan-toetra sy ny fahoriana. Tsy maintsy ho avy izany na ho ela na ho haingana, mba tsy hitenenana hoe isan’andro isan’andro, ho tojo fahoriana ianao. Fa satria ianao manana finoana mihatsaravelatsihy, miahanahana ianao.

Izay izany ilay hoe : aoka isika ho mpampita an’izay ananantsika : finoana tsy mihatsaravelatsihy amin’ny zanatsika. Raha manana an’izany finoana tsy mihatsaravelatsihy izany isika : ho mpanisy soa ny ankohonantsika. Izay ange no zava-dehibe e, ny ankohonantsika e : hanisy soa ny ankohonantsika ry havana ô, ary hanalavitra ny loza amintsika sy ny taranatsika. Ary ao anatin’ny fahoriana sy ny fizahan-toetra, dia tsy hiahanahana.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : notenenina hoe ny fiainantsika : fizahan-toetra, fahoriana, voambolana iray ihany ireo : fizahan-toetra, fahoriana. Andao ary jerentsika fizahan-toetra, fahoriana nampandalovan’Andriamanitra an’i Josafata mpanjakan’i Joda, 2 Tantara 20. Misaotra ny Tompo ry havana ny amin’ny fitiavany antsika. Androany, manao teny averina Izy. Aiza Izy no manao teny averina ? Eo amin’ny 2 Tantara 20, ilay tapany farany amin’ny and.15 : « Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra ». Tena dilirin’Andriamanitra ny sofintsika e, hoe : io fizahan-toetra io, io fahoriana io, aza matahotra fa tsy anareo ny ady, fa an’i Jehovah. Maro amintsika no mahay an’izany tsianjery, azo antoka izany, fa firy ny miaina an’izany ? Firy amintsika no miaina amin’izany ? Dia efa miteny aloa e : ilay olona manana finoana mihatsaravelatsihy, dia miahanahana izy hoe « ahoana tokoa moa izany ? ». Mosesy teo anatrehan’i Farao namaky ny ranomasina mena, Davida teo anatrehan’i Goliata samy niteny hoe an’i Jehovah ny ady ; mbola tsy miditra ihany e. Hitako hoe mbola tsy miditra hoy Jehovah dia andraso averiko kely indray hoe : TSY ANAREO NY ADY FA AN’I JEHOVAH. Misaotra ny Tompo isika ny amin’ny fitiavany antsika ry havana.

Ilay fanontaniana izany izao dia hoe, ilay fahamarinana manaraka izany izao dia hoe : ahoana ary no ametrahako eo an-tanan’i Jehovah ny ady ka anananko toky hoe Azy tokoa ny ady ?

- Andeha jerentsika ny zavatra ataon’i Josafata. Ny zavatra ataon’i Josafata aloa, dia hoe, eo amin’ny and.2 : « Ary nisy tonga ka nanambara tamin’ i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin’ ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany) ». Voalohany indrindra aloa, ny zavatra ataon’ny olona miatrika fizahan-toetra sy fahoriana, dia mamantatra tsara hoe ohatrohatrany ahoana izany problema izany. Izay ny zavatra voalohany : inona ilay problema ?

- Ny zavatra faharoa, eo amin’ny and.3, ohatra hitantsika amin’i Josafata izay mahafantatra tsara fa ny ady dia an’i Jehovah : natahotra Josafata. Mamantatra ilay problemanao ianao, faharoa : manetry tena ianao e, ary milaza ianao hoe : tena lehibe lavitra noho izaho ity problemako ity Jesoa an. Izany ny olona milaza hoe : « apetrako eo am-pelatananao ny ady ». And.3  hoe : « natahotra Josafata ».

- Dia eo amin’ny and.6 hoe : nivavaka Josafata. Nivavaka, nivavaka, nivavaka. Matahotra ianao an, dia mivavaka. Mamantatra problema ianao an, dia mivavaka. Ity Josafata ity, haintsika tsara ilay 2*7 14, izy ilay niteny hoe : raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena, ho avy hivavaka, hiala amin’ny ratsy fanaony, ka hitady Ahy any an-danitra, dia hihaino azy avy any an-danitra Aho, hamela ny helony, ary hanasitrana ny taniny. Io, io Josafata io : nivavaka. Ny vavaka manova zavatra, ny vavaka mamonjy.

- Dia hoy isika hoe : fantaro ny problemanao, fantaro fa lehibe noho ianao ny problemanao, fantaro fa lehibe noho ny problemanao Andriamanitra ry havana ô. Fantaro fa lehibe noho ny problemanao Andriamanitra. Mamy izany ry havana. Mamy izany e. Mamy izany e. Eo amin’ny and.6 no ahitantsika an’izany raha nivavaka Josafata, hoe : « Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana ». Lehibe noho ny problemanao Andriamanitra ry havana ô. Mampalahelo ianao raha mivoaka eto amin’ity trano fiangonana ity, ka miahanahana ary tsy mino an’izany tenin’Andriamanitra izany. Satria izao toriteny izao : ny finoana dia avy amin’ny toriteny tahak’izao, ary ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy ry havana ô, tenin’i Kristy.

- Ary fantaro, fantaro ihany koa fa momba anao Andriamanitra. Momba anao Izy. Dieu est de ton côté. Hitantsika izany eo amin’ny and. 7 : « Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin’ ity tany ity hiala teo anoloan’ ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ ny taranak’ i Abrahama sakaizanao ?». Ianao ange no nametraka anay taty e. Dia avy ny Moabita sy ny Amonita. An an an, Ianao nametraka anay, Ianao Tompon’ny hery rehetra, Ianao Andriamanitry ny lanitra, Ianao manapaka amin’ny jentilisa, ao anatin’izany ny Moabita, ny Amonita ary ireo avy any Enjedy ; fantatray fa momba anay Ianao.

- Ary ny zavatra farany ataon’ny olona mametraka ny adiny tokoa eo an-tanan’Andriamanitra mba hananany toky hoe an’i Jehovah ny ady, eo amin’ny and.9 hoe : « Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy ». Ny olona mametraka ny problemany eo an-tanan’Andriamanitra dia tsy manana doute na kely aza, na fisalasalana, tsy miahanahana hoe hamonjy anay Ianao. Izahay mitaraina : Ianao hamonjy anay.

Misaotra ny Tompo ry havana ô, ny amin’ny ahazoantsika mifampahatsiaro an’izany. Averiko kely ilay izy, hoe :

  1. Fantaro tsara aloa ny problemanao
  2. Fantaro fa lehibe lavitra noho ianao ny problemanao
  3. Fantaro fa Andriamanitra lehibe lavitra noho ny problemanao
  4. Fantaro fa Andriamanitra momba anao, Dieu est de ton côté
  5. Ianao mitaraina, fa Izy hamonjy anao

Ny fahamarinana manaraka dia izao ry havana : ahoana ary no ahafantarana fa iny olona iny, ny olona anankiray efa nametraka tokoa ilay problema ? Satria izaho manao an’izay, tsy hitan’ny olona aho izany ; fa hitan’ny olona indray aho ao anaty problema dia ahoana no ahafantaran’ny olona fa hoe iny dia efa nametraka ny adiny teo an-tanan’Andriamanitra, ka afaka miteny hoe :an’Andriamanitra ny adiny ?

Zavatra 3 ry havana no asehon’ny ohatr’i Josafata eto.

  • Raha nivavaka Josafata, dia hoe, misy lehilahy anankiray eo amin’ny 14 antsoina hoe Jahaziela, dia hoe notsindrin’ny Fanahy Masina dia niteny : « Mihainoa hianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary hianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra ». Ny olona nametraka ny adiny teo an-tanan’Andriamanitra ry havana, ny ahafantarana an’izany : tsy matahotra intsony izy, tsy mivadi-po intsony izy. And.3 natahotra Josafata ; fa eto izy tsy matahotra na mivadi-po. Izany hoe raha nivavaka ianao izany, raha nitaraina ianao, ka mbola matahotra na mivadi-po : mbola tsy ampy ilay vavaka e, mbola tsy ampy ilay vavaka. Hanala examen ianao, hanala concours ianao : matahotra ianao, mivadi-po : mbola tsy ampy ilay fianarana bien sûr ; tsy ampy koa ilay vavaka. Fa avy eo misy tahotra kely ihany eo, mba tsy hatoky tena loatra koa ; misy ihany izay, fa izay ilay izy. Izay izany no ahafantarana, hoe ilay olona nametraka ny adiny teo an-tanan’Andriamanitra : tsy matahotra, tsy mivadi-po intsony.              
  • Ny faharoa, dia lazain’ilay 16 hoe : « Rahampitso dia midìna hiady aminy hianareo ». Efa afaka misaina ny ampitso, fa tsy miboretaka eo, manjoretra eo amin’ny anonae o hoe : « ity izaho, dia ho aiza aho, dia ahoana ity, tsy vitako intsony ; izaho vao afaka nanao an’izao sy izao ». Izay ilay zavatra : rahampitso aho handeha hivoaka dia hiatrika ny ady. Izany ny olona tsy matahotra, tsy mivadi-po, misaina ny ampitso ary dia hoe, and.17 : mahatoky tanteraka ny herin’Andriamanitra. Hoy ilay and.17 : « Tsy hianareo anefa no hiady amin’ ity; mijanòna tsara» : ohatrany hoe mipetraha tsara. « fa ho hitanareo ny hamonjen’ i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema ». Ianareo mipetraha tsara. Efa hoe an’i Jehovah ny ady, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo. Mipetraha tsara, mipetraha tsara, mipetraha tsara. Hoy ilay mpitoriteny anankiray momba an’ity hoe : tena ridicule foana anie ilay torohevitra avy amin’Andriamanitra hoe mipetraha tsara e ; tena ridicule ilay izy hoy izy, fa izay ridicule izay, izay tsy mifanaraka amin’ny logique-nao izay indrindra, izay no atokiso ry havana ô.

Izany mandan’i Jeriko izany : imprenable izany. Inona ny stratégie militaire nasain’i Jehovah nataon’ny Zanak’Isiraely ? Mandritra ny henemana aoka ianareo hanodidina indray mandeha isan’andro, fa amin’ny andro fahafito : miodidina impito. « Dia ahoana ? Hanodidina fotsiny ve izahay, hanao tourisme hankaty Jeriko aty ry Jehovah an ? » ? Izay ilay zavatra, izay. Mipetraha tsara dia mijere. Mipetraha tsara dia mijere.

  • Ary farany, eo amin’ny 17 hoe : « Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo ». Ny olona nametraka ny adiny teo amin’i Jehovah dia manana certitude fa rahampitso izy dia hi-expérimenter izany hoe présence an’Andriamanitra izany. Haintsika tsianjery ilay tenin’i Jesoa hoe « momba anareo mandrakariva Aho ambaran-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ». Firy no mahay mi-expérimenter an’izany ? Ary io fizahan-toetra, io fahoriana ampandalovan’i Jehovah anao io, tsy kisendrasendra ry havana ô, fa hi-expérimenter-nao an’izany hoe présence-n’Andriamanitra ao amin’ny fiainanao izany.

Izay izany ilay Fahamarinana 2  hoe : AZO FANTARINA TSARA HOE AHOANA IZANY OLONA NAMETRAKA NY ADINY EO AN-TANAN’I JEHOVAH IZANY.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao ry havana : TENA HOE ARME, FIADIANA REDOUTABLE NY FIDERANA. ARME REDOUTABLE EO AM-PELATANAN’NY MPINO NY FIDERANA

Jerentsika ny 2 Tantara 20 :22 : « Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’ i Jehovah otrika hamely ny taranak’ i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo ». Vao nanomboka nihoby, vao nanomboka nidera. Izay ange ilay ridicule amintsika e : ady ve no atrehina, fahavalo tsy hita isa ve no atrehina dia hidera ? Paoly sy Silasy tany Filipia, voahidy tao an-tranomaizina, tao anaty tranomaizina lalina indrindra tany, voa-bloque tamin’ny hazo izy mba tsy ahafahany mandositra ; nony mamatonalina, ao anatina situation sans issue : midera an’Andriamanitra, dia nihovitrovitra ny fanamban’ilay tranomaizina ry havana ô.

Nanomboka nidera ny Joda eto, dia nasian’i Jehovah otrika hamely ny taranak’i Amona sy Moaba sy ry zareo avy any Enjedy. Fa maninona ry havana no hoe « arme redoutable » ny fiderana ? Andao anie jerentsika ny Salamo 22 e. Redoutable ny fiderana : Salamo 2 : 3 : « Kanefa masina Ianao, ry mipetraka eo ambonin’ny fideran’ny Isiraely ». Ianao izany midera : miantso an’i Jehovah hidina eo ambonin’izany fiderana izany.

Ny fiainana ange ry havana, ny an’ny Joda eto, hoe Moaba e, Amona e ; izay ilay izy, dia ry zareo avy any Enjedy e. Fa Jehovah ; ianao mety hoe « haiko ny manatrika ny Amona », mety hanao ianao hoe « haiko ny mandresy ny Moabita, raha ry zareo avy eny Enjedy indray, tsy problema ireny e » ; fa tout le monde en même temps : Andriamanitra irery ry havana ô, Andriamanitra irery no afaka mandresy an’ireo miaraka, ary afaka mandresy an’ireo tsirairay ; mahafantatra an’ireo tsirairay, mahafantatra ny fahalemen’ireo, mahafantatra ny fomba hamelezana an’ireo ; fa ianao tsy mahay an’izany. Izany no maha zava-dehibe ny fiderana.

Ary fa maninona no henoin’i Jehovah ny fideran’ireto Joda ireto ? Jerentsika ny Salamo 34 :1. Ny tena fiderana, ny fiderana masina : « Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho ; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy ». Ahoana ? « Ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy ». Andramo ka zahao dia ho hitanao « la puissance de la louange » eo anatrehan’ny fizahan-toetra sy ny fahoriana ; dia ho hitanao Andriamanitra hampandositra, handresy, hamotipotika ny fhaavalonao, na iza na iza fahavalonao. Ary atomboka foana ny antsika ao amin’ny ankohonana ry havana ô. Fa izao, aza hoe, ao anaty fahoriana dia hoe : « araka ilay toriteny mazava be iny dia andeha hidera aho » ; non, non, non. Ahoana hoy ny mpanao Salamo ?  « ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy ». Tsy hoe Alatsinainy hatramin’ny Sabotsy aho dia hihaino Jerry Marcoas, Tence Mena sy yn karazany, dia hoe ny Alahady : « midera anao Andriamanitra ô, oaoaoa… ». Tsy izany ry havana ô, tsy izany ny fiderana, tsy izany ny finoana masina. Ary fiainam-paharesena sy ozona no vokatr’izany. Fa miovà ianao, ilay fotoana kely hanaovana fiderana aty, aoka izay ny mamadibadika Baiboly eny an-toerana eny rehefa mba hoe fotoanan’ny louange ety ry havana ô. Aoka ho eo am-bavanao mandrakariva ny hira fiderana an’Andriamanitra, Alatsinainy ka hatramin’ny Alahady. Izany, izany no andrasana amintsika rhaa te handresy isika, raha te hiroso amin’ny finoana masina isika. Ary anisan’ny tena isaorako ny Président Ammi ry havana ô, ny anisan’ny fanapahan-kevitra noraisiny voalohany tamin’ny 2016 : « atsaharo ny hiran’izao tontolo izao ao amin’io radio am-piangonana antsoina hoe Fahazavana io ». Mahamenatra izany, ary tsy vitan’ny hoe mahamenatra izany, fa manimba ny vahoakan’Andriamanitra. Raha mitady hiran’izao tontolo izao izy, any amin’izao tontolo izao izy mitady hiran’izao tontolo izao, fa tsy any amin’ny radio am-piangonana.

Faranana izao teny izao e : olon-kandalo isika ry havana ô, vahiny sy mpivahiny isika. Fantaro izany, ary ampitao amin’ny zanakao izany hoe : vahiny sy mpivahiny isika ; ary anomananao azy ho amin’izany, ampitao aminy ny finoana tsy mihatsaravelatsihy.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.