ALAHADY 18 NOV 2018

image_pdfPDF

2 Timoty 4 :5 : « Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.

TANTERAHO NY FANOMPOANAO

Miverimberina, raha namaky isika nanomboka tany amin’ny Eksodosy, tao amin’i Matio, dia niafara tamin’i Timoty, ny sitrapon’Andriamanitra tokony iainantsika kristiana. Satria taomina isika FJKM amin’izao fotoana izao hihaona amin’Andriamanitra, taomina ny FJKM mba ho vonona hanana ilay toe-tsaina, toe-panahy, toetra kristiana ho eo amin’ny Tompo. Ary dia fanontaniana no apetraka : AO AMIN’NY TOMPO VE IANAO SA TSY AO AMIN’NY TOMPO ? Ao amin’ny Tompo ve isika misora-tena ho kristiana ankehitriny sa tsy ao amin’ny Tompo ? Ary izany dia mampieritreritra ry havana malala. Be dia be  anie ny kristiana e ! Feno hiboka isaky ny Alahady ny Fiangonana, ary ny eto Antananarivo tena mpivavaka daholo ny olona, miditra any am-piangonana, rehefa tonga ny Alahady. Rehefa miditra ao anatin’ny fiaraha-monina anefa ianao, fiaraha-monina lo, fiaraha-monina feno lainga, fiaraha-monina feno fitaka, fiaraha-monina feno ireo karazana tsy fahamarinana amin’ny endriny maro samihafa no hitantsika : vono olona, halatra, vaky trano, ny heverina hoe zavatra tena mamoafady no miseho eo anivon’ny fiaraha-monina. Dia mampoeritreritra ry havana malala, izany zava-misy izany. Ary moa tsy isika ihany no miditra ao anatin’ny fiaraha-monina miala eto ? Raha hiditra ao isika, fiaraha-monina manao ahoana no idirantsika raha hiditra ao anaty fiaraha-monina izay misy kristiana isika ?

Nanaraka tsara ny vakiteny tao amin’i Matio isika : efa nisy olona notsongaina, nofidiana, nomena invitation, nahazo fanasana mazava tsara : ianao dia miditra ao amin’ny fanasana, misy toeranao ao amin’ny fanasana, fa nankaiza ilay oloba nahazo fanasana ? Lasa nandeha nivarotra, lasa nandeha namonjy ny asany, ary lasa nandeha nisetrasetra tany amin’ny olona tany izy, ary tsy vitan’izany, fa namono olona mihitsy izy. Tezitra ilay mpanasa tamin’izany fotoana izany, ary hoy izy hoe ; e, ndana mankery an-dalana ery, dia antsoy na ny tsara na ny ratsy hoy izy. Mampieritreritra fa isika kristiana efa nahazo ny fanasana avy amin’ny Tompo ; tsara be ilay fanentanana tamin’ny louange teo, ny amin’ny fanasan’Andriamanitra anao, fa ianao ve ilay nisafidy ny tsy hiditra ? Na hoe ianao efa manana zo handova ny fiainana mandrakizay, fa ny fiainanao kosa dia nolanianao tamin’ny fiainan’izao tontolo izao ? Enga anie mba tsy ny setrasetra, ny vonoan’olona, ny tsy fahamarinana, ny fandaniam-potoana amin’ny varotra samihafa no ataonao, fa adinonao ny asa fanompoana. Tanteraho ny fanompoanao ry havana malala, raha ao amin’ny Tompo ianao.

Ny asa fanompoana voalohany anirahan’ny Tompo antsika dia izao : Torio ny filazantsara.

Fahamarinana 1 : TORIO NY FILAZANTSARA

Tsy maintsy anaovantsika hazakazaka ny fitoriana ny filazantsara, indrindra manoloana ny firoborobon’ny kamarady (slamo).  Raha nirahina tany Diégo aho tamin’ny 2010 hitondra fiangonana tany, dia nifanena tamin’ny kamarady, hanangana fiangonana tao amina toerana iray. Dia hoy ilay lehibe teo amin’ilay toerana nisy ahy hoe : ianao Pasitera ? Dia eny hoy aho, izaho Pasitera. Fa avy aiza ianao ? Avy any Antananarivo any aho no nirahina nankaty, lavitra. Tsy tanindrazanao aty hoy izy, mandehana mody. Ianao mahasaky za hoy izy ? Izaho hoy izy efa nigaga lion’olo litatra raiky : efa nisotro ràn’olombelona 1 litatra aho ; izany hoe izay matiny dia hisotroany kely ny ràny satria izay contrat ao anatin’ny fivavahany. Dia hoy aho hoe : ie, izaho tonga aty hitory ny filazantsara dia hanasoa ny tanànà izay misy anao. Natahotra ihany aho tamin’izay an ! Fa saingy hoe tsy misy valin-teny afa-tsy ohatran’izany sisa.  Dia ndao ianao mivoaka hoy izy, satria nantsoiny tao an-tranony aho tamin’izay, dia eritrereto ny raha volaniko aminao zay. Dia lasa aho ; dia mbola narahiny ihany aho : hitanao ny tany anorenanao Fiangonana io hoy izy, tanindrazako io. Eny hoy aho. Miaraka amin’ny antsy be izy amin’io. Tena nivavaka aho, nifady hanina mihitsy aho ry havana malala, ary nitady namana, mpiandry, diakona, hoe tena ento am-bavaka fa izao no zava-misy, tsy fantatro hoe inona no ho atao, ny filazantsara tsy maintsy hotoriana : tsy ho atao izany io Fiangonana io ??? Dia nivavaka. Indray andro, nisy olona nandondona teo am-baravarana, nojereko, ilay sefo. Dia nanala kapa izy dia an an an hoy aho, tsy manala kapa rehefa miditra ato an-tranoko fa mandroso ihany. Dia izaho hoy izy tonga aty aminao fa mifona aminao izaho : aoreno ny Fiangonana ary izay mba fantatrareo Fiangonana fa vola tokony omena ahy dia mba omeo ahy fa tanin’i mamanay io. Dia nanao tsipaipaika moa izahay Fiangonana dia nanome azy, vola teo amin’ny 8.000Ar teo.

Ambarako aminao ry havana malala, fa irahin’ny Tompo ianao ary teneniny mafy ianao hitory filazantsara. Ary tsy maintsy mitory filazantsara isika ; ary raha tsy mitory filazantsara ianao, iza indray no hitory filazantsara ry havana malala ?

Ny 5mn ho an’ny ankizy sy tanora teo dia nanentana hoe misy tanora, misy ankizy, ianao ankizy sy tanora no handeha hitory filazantsara amin’izy ireo. Fa misy olona mpiara-miasa aminao any, misy olona izay miara-monina aminao any amin’ny fiaraha-monina na ny quartier izay misy anao any : anjaranao ny mitory filazantsara amin’izy ireny. Izao no voalazan’ny Soratra Masina eto, hoe : « mitoria teny, mazotoa na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampianara, manànàra mafy ». I Paoly Apostoly ry havana dia niteny mafy an’i Timoty, « izany no ananarako anao mafy : mitoria teny, mampianara, mandrese lahatra ». Ary eto aho ry FJKM Isotry Fitiavana te hisarika ny fontsika ; fantatro ianareo fa efa manao mafy dia mafy, fa mbole te hanampy ny hery ao anatinareo : ny ezaka izay ataon’ny Fiangonana ho amin’ny fitoriana ny filazantsara dia ny hambabo olona ho an’i Kristy, ary hanaiky an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy, hanova ny fiainany eo amin’ny manontolo izay ijoroany vavolombelona, fa Andriamanitra no Tompo sy Mpamonjy azy. Tsarovy anefa ry havana malala, manaitra ny voambolana ampiasain’ny Tompo eto, na ny Soratra Masina hoe : « mazotoa ». Mitaky fahazotoana ny fitoriana ny filazantsara : tsy vitan’ny olona malaina io, tsy vitan’ny olona mora kivy io, tsy vitan’ny olona mora ketraka io, ary tsy vitan’ny olona matahotra na manahy. Fa mazotoa, ny Tompo homba anao. Ary ny fanahin’Andriamanitra dia hanafy antsika. Tsy diso mihitsy ny tenin’ny Tompo mialohan’ny nanirahany ny mpianatra hitory filazantsara araka ny Asan’ny Apostoly 1 :8 hoe aza miala eto Jerosalema aloa ianareo mandra-panafianareo ny hery avy any ambony, fa rehefa mahazo ny Fanahy Masina ianareo dia ho vavolombeloko eto Jerosalema, any Jodia, Samaria, ary hatrany amin’ny faran’ny tany. Ary hitantsika tsara, Asan’ny Apostoly 2, nilatsaka ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatra, ary dia sahy nitory ny filazantsara avy hatrany ny mpianatra. Ary natsangana teo anoloan’ny olona izay mpanenjika azy ry Petera ka niteny hoe iny Jesoa izay nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny, no hitsangananay finaritra eto imasonareo. Zavatra tahak’izany ry havana, mitaky fahasahiana, mitaky ny zoto, ary ny fanahin’ny fahamarinana izay tsy azon’izao tontolo izao raisina , satriabtsy hitany na fantany, ho ao anatinao izany, ary ianao mahafantatra azy. Maniraka anao hitory ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra, sy ny olombelona manontolo.

Fahamarinana 2 : MIORENA TSARA

Io ny olana ry havana malala : mety mitory ihany ianao, fa tsy miorina tsara. Mampatahotra ahy ilay teny ao amin’ny Matio 7, mampieritreritra ahy mihitsy izy io, Matio 7 :21-23 : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko,Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe:Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? (*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy) Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka ». Sanatria amiko anie izany ! Satria tena mampieritreritra hoy aho : efa nampianatra, efa nanaobasa mahagaga, namoaka devoly ; ohatran’izany isika mpiandry, nahavoaka devoly tsara, fa rehefa tonga eo anatrehan’ny Tompo : « e, tsy fantatro ianao ». Miorena tsara ry havana malala.

Miorena tsara. Ary izany dia tena fitenin’ny Apostoly Paoly izay manoratra ny epistily ho an’i Timoty ity. Izao no voalazan’i Paoly any amin’ny 1 Korintiana 15 : 58 hoe : « Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo ». Dia eto amin’ity Timoty ity dia izao no fiteniny azy, eo amin’ny and.5 : « Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana ». Ianao izany tsy voarebirebin’ny zavatra samihafa sy ny filàna maro ; ianao izany tena mifantoka amin’ny tena maha-kristiana anao, ianaobizany tena mino an’Andriamanitra ka tsy voahelingelin’ireo nentim-pahalovana samihafa mahazo ny fiaraha-monina. Ary mampieritreritra, hoe mahonona tena, fa raha miverina amin’ky maha-Fjkm tokoa isika, ilay teny fanevantsika izay iainantsika mandritra ny 4 taona hoe : « Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika », eo aloan’iny teny iny dia misy an’izao teny izao : « Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena ». Jereo tsara ao amin’iny teny fanevantsika iny, ambaran’ny Tompp ry havana malala amin’ity anio ity, fa mila manana fifehezan-tena, mila manana fitsipika mifehy ny fiainam-panahy kristiana ianao ry Fjkm Isotry Fitiavana o. Inona no ataon’ny kristiana rehefa hisakafo ? Mivavaka izy ; avy misakafo : mivavaka izy ;  handeha hiasa, any am-piasana : mivavaka.

Nividy panneau solaire teny Behoririka aho, dia ilay mpivarotra, kamarady ( tsy azo atao fahavalo mantsy ireny fa kamaradintsika). Fa izao no zava-nisy : teo am-pivavahana izy, ohatrinona moa ity azafady tompoko hoy aho ? Izaho tsy nahalala hoe hay izy io mivavaka. Nandinika azy ela aho vao hitako hoe mivavaka izy. Dia nony vita ilay vavaka, nihiratra ny masony, niady varotra teo aho dia azoko ilay izy fa mbola tsy nisy vola taty amiko fa mbola naka vola kely aho, dia izaho niverina teo, hoy ilay mpanampy hoe azafady vetivety fa lasa ao ambony 5mn fotsiny izy. Nandeha nivavaka izy. Ianao ve any am-piasana mahavita manao an’izany, hoe tsy mandray olona vetivety aho fa mivavaka aloa, ry kristiana malala ? Fa indraindray raha zavatra hafa d miteny ianao hoe aza elingelenina vetivety aloa. Fenoy fahononan-tena ho amin’ny fivavahana ny fiainantsika. Ary te haniraka anao ny Tompo androany : raha tonga any amin’ny seha-kasa, any amin’ny fiaraha-monina misy anao ianao, aza menatra, mijoroa.

Ary izay no hidirana amin’ny teboka fahatelo hoe, satria tehirizin’ny Tompo ho anao ny satroboninahitra izay natokany ho anao.

Fahamarinana 3 : TEHIRIZIN’NY TOMPO HO ANAO NY SATROBONINAHITRA IZAY NATOKANY HO ANAO

Hoy ny Apostoly Paoly eo amin’ny and.6-8 : « Fa izaho dia efa hatolotra*sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. (* Grika: haidina ho fanatitra aidina) Efa niady ny ady tsara aho;nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina,ho ahy amin'izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa ». Tsy ho an’i Pasteur Séraphin ihany, tsy ho an’i Pasteur Solofo ihany, fa ho anao koa, satria ianao tia Azy. Raha tsy mieritreritra an’izany ianao, zava-poana io hazakazaka ataonao io, miandry bus, mandany essence sy gasoil mandeha mankaty am-piangonana, zava-poana ireny.

Hoy ny Tompo any amin’ny Jaona 14 :1-3 : « Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*.   (*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa) Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa ». Izany no fanantenantsika ry havana malala, ary marina tsara ny tenin’ny Mpitandrina teo hoe ny fahafatesana dia fodianantsika any amin’ilay fiainana tsara indrindra, raha mino isika. Raha mino ; fa raha tsy mino, tena ratsy. Ary izay tokoa angamba no mahatonga ny olona sasany hiteny ilay hoe «  ho lasa amin’izay anie ny ratsy rehetra » ; ratsy ho azy satria ry zareo mieritreritra hoe ratsy ilay miandry azy any ! Fa ho antsika mieritreritra ny tsara, dia miteny tahaka an’i Paoly hoe bénéfice io izany, tombom-barotra.

Eto am-pamaranana ny havana malala, dia averina any amintsika izao teny izao hoe : Tanteraho ny fanompoanao ry FJKM Isotry Fitiavana ; mijoroa vavolombelona fa tena kristiana,mitoria ny filazantsara, mazotoa na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, aza kivy na ahoana na ahoana, sedraina, ary mahereza mandrakariva, miorena tsara amin’ny finoana, ary dia tianay mpitondra fivavahana, tianay Mpitandrina , tian’izay tompon’andraikitra amin’ny Fiangonana maheno hoe ny kristiana tao amin’y FJKM… dia nanao asa fitoriana filazantsara, na nijoro vavolombelona tamin’ny sehatra ohatran’izao : faly izy ; fa malahelo ny eritreriny raha hoe kristiana tao ….dia tratra nangalatra omby indray ary , na hoe manana fitondran-tena tsy marina. Miorena tsara, mahonona tena, ary araka ny tenin’ny Apostoly Paoly eto, fa amin’ny fotoan’andro, dia sahy hiteny ianao hoe : « efa nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nahavita ny adiko aho, niady ny ady tsaran’ny finoana aho , ary manomboka izao dia efa tehirizin’Andriamanitra ho ahy ilay satroboninahitry ny fahamarinana izay omen’ilay Mpitsara marina, dia Jesoa Kristy ». Ho anao izany, ho ahy izany.

Pasteur RANDRIAMANANTENA Séraphin

image_pdfPDF