« Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Josoa 1: 5) ». Hebreo 13 :5
AOKA IZAY IO FITIAVAM-BOLA IO
Fahamarinana 1 : AZA MAMPIDITRA AN’I MAMONA AO AMIN’NY FIAINANAO FA TSY HIDIRANAO ANY AN- DANITRA NY ASAN’I MAMONA AO AMIN’NY FIAINANAO
Mamôna tsy miditra, fa izaho sy ianao no mampiditra azy. Fantatsika tsara mamôna fa andrialanitry ny vola, andriamanitry ny finances ; ary tsy ianarana any amin’ny école de finances na école de gestion izany, fa ao amin’ny Baiboly. Ary amin’ny maha-andriamanitra azy, amin’ny maha-fanahy azy, dia mi-influencé ny fiainan’ny olona mba hahatonga azy ho tia vola.Izany no mahatonga ny olona ho tia vola. Ary mifehy ny fiainan’ny olona izy mba hatoky vola, mba hatoky azy mamôna.Aza mampiditra an’i mamôna ao amin’ny fiainanao, aza tia vola.
Manao ahoana ny fiainan’ny olona tia vola ka nanjary nampiditra an’i mamôna ao amin’ny fiainana, mi-influencé ny fiainany, hifehy ny fiainany, hanankinany ny fiainany? Valiny : ny vola no ivo sy ambony indrindra ao amin’ny fiainany.
Asain’ny Tompo mandinin-tena ianao : sao dia ianao sao dia ianao ilay zanak’Andriamanitra manao an’i mamôna, manao ny vola ho ivo sy ambony ao amin’ny fiainanao, manao araka ny fiteny malagasy izay mifanohitra tanteraka amin’ny Baiboly hoe manao ny vola ho hozatry ny fiainana ? Ahitsio izany kolon-tsaina izany, aza atao ivo sy ambony intsony ny vola ao amin’ny fiainanao. Fa rehefa ataonao ivo sy ambony ny vola eo amin’ny fiainanao dia izao : tsy misy ny vola, mangovitra ianao ; misy ny vola, matahotra ianao sao dia very izany. Tsy manam-piadanana, tsy manana fifaliana, fa ao anaty tahotra ianao satria ny vola no ataona ivo ary nampiditra an’i mamôna ianao ao amin’ny fiainana.
Mandinika ny olona amin’ny andavan’androm-piainana isika entanin’i mamôna dia rehefa misy adidy kely tokony atao, tsy mahafoy satria matahotra ny tsy ho ampy vola. Fa ny tena mahavariana ihany koa anefa dia amin’ny adidy izy mahihitra, fa amin’ny andavan’andro izy dia tratry ny fividianana entana atao amin’ny haitraitra, « achat compulsif » : zavatra tsy ilaina akory fa vidiana vokatry ny haitraitra, tsy afaka manohitra ilay fakam-panahy, ary jereo anie firy ny olona mandeha mi-traine any amin’ireny grandes surfaces ireny, na tsy hividy aza fa hoe manonofy hividy. Ilay grandes surfaces dia azo lazaina hoe toa ny tempolin’i mamôna, dia faly ilay olona mankao. Ny olona manao ny vola ho ivo sy ambony, dia ny vola no mibaiko ny fiainany, ny fifandraisana dia baikon’ny vola, manao havana raha misy patsa ; ary hatrany am-piangonana dia kenakenaina ery rehefa olona manana ny maha-izy azy sy manam-bola, fa rehefa olona tsotsotra ianao ao amin’ny sampana dia atao ohatrany fako. Izany rehefa miasa mamôna ; ary hatraty am-piangonana,mamôna no miasa : manao fahafolon-karena ihany (fa soa fa tsy misy mahita hoe tena fahafolony marina ve fa anao sy ny Tompo izany) fa mandroba. Ary araka ny voalaza tamin’ny herinandro, tsy anao anie io vola io e, mpitantana anie ianao e ; fa rehefa iasan’i mamôna ny fanahy, ny fo, ny sain’ny olona iray dia hita ao aminy ilay hoe « tia kely », « avidité » hoy ny teny frantsay ; hita ao aminy ilay hoe fahihirana, « avarice », ary hita ao aminy ilay hoe fieremana, « cupidité ».
Hoy ny Lioka 12 :15 : «Ary hoy Izy tamin'ny olona:Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany ».Ilay fieremana eto dia sady azo adika hoe cupidité no azo adika koa hoe fahihirana. Fahihirana amin’ny ankapobeny fa fahihirana ho an’Andriamanitra ; satria heverin’ny olona mahihitra fa ny ain’ny olona dia miankina amin’ny habetsahan’ny volany sy ny compte en banque-ny. Izay ilay mamôna miasa ao amin’ilay fieremana.
Hoy ny Efesiana 5 :5 : «Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany) ».Io ilay tenenin’i Lioka hoe « miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo ». Ilay cupidité na ilay avarice dia fanompoana an’i mamôna ary tsy andovàna ny fanjakan’ny lanitra.
Fahamarinana 2 : MIANARÀ MIANINA AMIN’IZAY ANANANAO
Rehefa tenenina isika hoe aza tia vola fa ny fitiavam-bola no mampiditra an’i mamôna ao amin’ny fiainanao, ny secret-ny fandresena ny fitiavam-bola, ny secret- ny fandresena ny fitiavana an’i mamôna dia ny fianarana mianina amin’izay ananana.
Misy karazany 2 ny olona ampianarina hianina amin’izay ananany ; ary izy 2 roa dia samy nampianarina ny secret-ny fandresena ny fitiavam-bola, dia ny fanomezana. Hoy ny Matio 6 :20 : «Fa miharia harena ho anareo any an-danitra ». Ary ahoana no fihariako harena any an-danitra ? Amin’ny alalan’ny fanomezana. Anankiroa no lalàna mibaiko ny fiainana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dieny ety an-tany, dia ny fanomezana sy ny fandraisana : ao izay natao hanome, ary ao izay natao handray.
- Ny karazan’olona voalohany tenenina hoe « mianarà mianina amin’izay anananao » dia ny olona manam-bola, ny olona manan-karena. Tsy tompon’io vola io ianao fa mpitantana ; ary io vola io dia natao ho omena : omena izay mila izany, omena anohanana ny asan’Andriamanitra.
Ry havana, io volanao io, io volabe anao io, natao omena an’Andriamanitra io, raha tianao ho lovaina rahatrizay any an-danitra, ary raha tsy tianao ho simban’ny kalalao sy lasan’ny mpangalatra ety an-tany.
Izay ity karazan’olona ity : manana be izy dia manome be. Ary averina indray fa fampianarana diabolique ny théologie de la prospérité milaza fa hoe rehefa tena zanak’Andriamanitra ianao, iasan’ny fanahy masina ianao, ankasitrahan’Andriamanitra ianao, dia manan-karena.
- Ny karazan’olona faharoa dia ireo olona anaty fahoriana, olona anaty tsi-fisiana. Dia miteny izy hoe androany dia izao no lahatry ny Ray ho ahy. Izaho zanaka ary nanana ray aman-dreny aho, fa tsy takatro hatrany ny fomba fitantanany anay, fa fantatro ry zareo hoe tia ahy ; dia ohatran’izany koa ny lafiny ara-panahy : tsy takatrao amin’izao fotoana izao hoe fa maninona no anaty fahoriana sy fahantrana ianao. Fa John Wesley raha nanontaniana hoe ahoana ny secret-ny sérénité-nao, ny fiadanam-ponao, ny fifalianao mandrakariva, dia namaly hoe : « izao ilay secret : feheziko io masoko io ka isaky ny mitontona ny fahoriana, isaky ny mandalo lalan-tsarotra aho, efa nofeheziko ny masoko hibanjina ny lanitra, ataoko reflexe ny mibanjina ny lanitra, satria ao an-danitra ao dia fantatro fa ilay Andriamanitra inoako, izay antsoiko hoe Ray malala no nanendry an’izao ary fantany izay ataony ».
Andriamanitra no miahy ny fiainanao, izy mahafantatra izay rehetra momba anao, ary ho antsika izay anaty fahoriana na mandalo fahoriana, jereo ny exemple an’i John Wesley. Ary ho antsika izay manana, manontania ny Tompo hoe ampahany toa inona amin’io vola io no mbola ilain’ny Tompo ankoatra ny rakitra, ny adidy, ny fahafolon-karena… Dia ho tanana manolotra, hamonjy olona anaty fahoriana satria io olona io, eo am-piandrasana ahy dia efa nampianarin’ny Tompo ianina amin’izay ananany.
Mianarà mianina amin’izay anananao : raha manana ianao, mahafoiza bebe kokoa ; raha anaty fahoriana ianao, andrandrao ny tanan’Andriamanitra. Ary ho antsika rehetra, isika efa nandray ny Fanahy Masina, io Fanahy Masina io araka ny fahafantarantsika azy dia fanahin’ny fahononan-tena : avelao amin’izay mba hiasa ao amintsika io Fanahy Masina io hananantsika fahononan-tena, mba hoe hianina amin’izay ananantsika isika.
Ilay mianatra mianina amin’izay hananana hoy John Wesley dia toe-tsaina, toe-po, toe-panahy, izany hoe any anaty any. Dia izy any anaty io, miseho eo amin’ny tarehy hoy John Wesley ; ary ny tarehin’ny olona hoe mianina amin’izay ananany dia mitaratra fifaliana sy fiadanam-po. Ary tena mahafinaritra mihitsy hoy izy ny miara-monina amin’ny olona mianina amin’izay ananany.
I John Wesley ihany no miteny fa ny tarehy ratsy tsy azo ovaina, fa efa io izy, dia mizatra amin’ilay tarehy ratsy na izaho na ny hafa. Fa ny rehetra hoy izy, na dia ratsy tarehy, dia afaka manana izay tarehy mitaratra toe-po sy toe-panahy mianina amin’izay ananany izay.
Isika rehetra dia antsoin’ny Tompo hanana izany tarehy mitaratra izay fahaiza-mianina amin’izay ananana izay, mitondra fifaliana ary mitoetra anay fiadanam-po ka irian’ny mpiara-belona amintsika.
Fahamarinana 3 :HO ANAO TE HANATSAHATRA NY FITIAVAM-BOLA, TSAROVY NY FANATREHAN’ANDRIAMANITRA, NY PRESENCE DE DIEU AO AMIN’NY FIAINANAO
Hoy ny Soratra Masina hoe : « fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" ». Nanomboka nitoriteny momba an’iony Pasitera iray : « ny zavatra mahamay antsika dia ny prévision, hoe hanao ahoana ny toetr’andro ? Hanao ahoana ny ho aviko ? Samy liana ary samy may amin’izany daholo raha mbola olombelona : manao prévision ohatran’izany. Fa izao hoy ilay Pasitera : izaho hanao prévision ho amin’ny ho avinareo ireo, ary izany prévision izany dia ho marina à 100%, hoe Andriamanitra hanatrika ny fiainanao. Tenin’Andriamanitra io, ary Izy tsy mandainga. Teny nomeny an’i Abrahama io tamin’ny fotoan’andro, teny nomeny an’i Mosesy io tamin’ny fotoan’andro, teny nomeny an’i Josoa io taorian’i Mosesy, ary teny omeny anao io anio : Hanatrika anao Andriamanitra ; tsy handao anao mihitsy izy ary tsy ahafoy anao akory. Izany ny toky, izany no teny fampanantenana omeny anao.
Aza diso hevitra anefa amin’izany hoe Andriamanitra manome toky ny amin’ny présence-ny ao amin’ny fiainanao izany : ilay présence-n’Andriamanitra ao amin’ny fiainanao tsy midika hoe tsy handalo fahoriana ianao; Jesosy niteny hoe eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana ; fa ao anatin’io fahorianao io, ianao very vola io, ianao anaty fisaonana io, ianao may trano io, ianao very asa io, ianao taizan’aretina io : milaza Izy aminao anio hoe : « eo amin’ny fanatrehako ianao », « tu es en ma présence et je suis avec toi dans l’épreuve ». Izany no vaovao mahafaly ho antsika izao. Ary fahadalana be ny antsika mpino ny tsy mahalala.