ALAHADY 16 MAY 2021

Ao amin’ny 1 Korintiana 12 :12-13. Satria fohy ilay perikopa ry havana dia averiko vakiana amin’ny aanran’i Jesoa izany : « Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray ». Amen

Manoratra, mitodika amin’ny Fiangonana tao Korinto ny Apostoly Paoly. Izany Korinto izany dia port ; ary tahaka ny tanànà rehetra misy port, dia tena hoe tanànàn’ny fikorosohana ara-panahy izany tanànà misy port izany. Ary dia hita taratra tao amin’ny Fiangonana izany hoe problema moraly tao amin’ny tanànàn’i Korinto izany. Nisy fahavetavetana tao am-piangonana, nisy fizarazarana tao am-piangonana, sy ny tahaka izany. Nisy tsy fitovian-kevitra ara-teolojika, ara-panahy tao am-piangonana. Dia hoy Paoly : « tena iray ihany ianareo ». Dia amafisin’ny and.27, ao amin’ny toko faha-12 ity ihany, hoe : « Ary hianareo no tenan’ i Kristy ». Ilay « tena iray » ihany, tsy hoe tena iray ianareo, hoe « vous êtes un », fa « vous êtes un corps » : « tena iray ». Isika mianakavy dia « tena iray » : tenan’i Kristy. Averiko kely, hoe : « tena iray » ihany isika, « nous sommes un seul corps », ary tenan’i Kristy. Ilay hafatra ry havana amin’izao Alahady izao, dia ny hoe : RAHA MIJERY NY TENANY KRISTY… : isika izany, isika tenan’i Kristy, « nous sommes le corps du Christ. RAHA MIJERY NY BIKANY KRISTY DIA INONA NY ZAVATRA HO HITANY AO ? Izany ilay hafatra androany : RAHA MIJERY NY BIKANY KRISTY… Izaho sy ianao no bikan’i Kristy, izaho sy ianao no tenan’i Kristy. Asa izay ho tadidinao amin’ity toriteny ity, fa izay no hafatra androany : RAHA MIJERY NY TENANY KRISTY… RAHA MIJERY NY BIKANY KRISTY… Izaho, ianao, samy mpijery bika isika e. Izay.

Ny Apostoly Paoly ao amin’ny Efesiana 1 dia manazava tsara an’izao zavatra izao, hoe : Andriamanitra nametraka an’i Kristy ho Lohany : la tête, manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny Fiangonana an, izay tenany. (Efesiana 1 :22-23). Ny Lohantsika ireto izany an, ny Lohantsika : any an-danitra ; fa isika tenany : ety an-tany. Izany no ambaran’ny Soratra Masina ry havana ô. Dia hoy isika teo hoe, any an-danitra any, rehefa mijery ny bikany, rehefa mijery antsika tenany Kristy, dia faly ve Izy sa malahelo ? Izay ilay hafatra ho antsika androany ry havana ô.

Fa inona no zavatra tadiavin’i Kristy amintsika ry havana ? Ny tadiavin’i Kristy amintsika, amintsika Fiangonana, zavatra tokana : ho tena iray, « un seul corps ». Izany no andrasany amintsika ry havana. Ahoana ary no ahatratrarana an’izany tena hoe « firaisan’ny tena » izany ? Ny and.13 ry havana no manampy antsika hamaly an’izany fanontaniana hoe : ahoana no maha-tena iray antsika ireto e ? Dia hoy ny and.13 hoe : « Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray ». Misy resaka Fanahy Masina eo. « na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray ». Ny olona ry havana ô, capable miroso amin’izany sitrapon’ny Tompo hoe « tena iray » izany, dia olona mahatsiaro fa : - efa natao batisa tamin’ny Fanahy Masina. Isika rehetra efa natao batisa tamin’ny Fanahy Masina. – Fa misotro, misotro, misotro, misotro mandrakariva ny Fanahy. Misotro ny Fanahy ve ianao ? Misotro ny Faanhy ve ianao e ? Misotro ny Fanahy ve ianao ?

Tadidintsika ilay tantaran’i Jesoa nifanena tamin’ilay vehivavy samaritana, Jaona 4. Dia hoy Jesoa amin’ilay vehivavy samaritana tonga natsaka, dia midinika eo izy, manao dinika pastoraly: « Fa na iza na iza no misotro ny rano izay omeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ». Ry havana ô, anaty vanim-potoana anisan’izay manahirana isika, raha isika malagasy no resahina ; ny olona manam-bola ihany no mahita hoe tsy sahirana isika malagasy ; fa izao, lazain’ny Tompo aminao : raha misotro ny rano izay omen’i Jesoa anao ianao, dia tsy hangetaheta mandrakizay. Tsy hangetaheta hoe : oay letie, ny olona mitovy taona amiko izao mba efa ohatran’izao, ny havanay izao mba efa ohatran’izao, izaho ity mbola ohatran’izao. Non, non, non. « Fa na iza na iza no misotro ny rano izay omeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ». Dia tohizan’i Jesoa, hoe : « fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay ». Ny Fanahy Izay horaisintsika amin’ny Pentecôte, Izay ho tsaroantsika amin’ny Pentecôte raha ny marina, no tenenin’i Jesoa ry havana.

Inona no hamitinana izao Fahamarinana 1 izao ? Ho antsika izay tena hoe te hahatratra ny tanjona « tena iray » ato am-piangonana, ie, ato am-piangonana ; fa maro no tsy miraharaha an’izany hoe : ho iray ato am-piangonana izany ; fa ny Fiangonana voalohany ry havana ô, dia ny fianakaviana ; ny Fiangonana voalohany dia ny tokantranonao ; ny Fiangonana voalohany dia ny tokantranonao : « tena iray » ve ianareo mivady ? « Tena iray » ve ianareo ankohonana kely ? Ny antom-bavaka atoron’ny Tompo antsika anio dia ilay antom-bavak’ilay vehivavy samaritana teo anatrehan’i Jesoa ; hoy ilay vehivavy samaritana : « omeo izany rano izany aho ». Raha misy olona roa aminareo, hoy Jesoa, mifanaiky ety ambonin’ny tany, na amin’inona na amin’inona, ka mangataka an’izany dia omen’ny Raiko azy any an-danitra izany. Ny fanekenareo mivady, ny fanekenareo mianakavy kely hangataka an’izany rano izany hiboiboika ao amin’ny tokantranonareo, ao amin’ny fiainanareo, ao amin’ny Fiangonanareo, dia tsy hangetaheta, tsy hanana hetaheta, tsy hanana hanoanana intsony ianareo.

Izay ny Fahamarinana 1 ry havana ô. Ary raha hoe tenan’i Kristy ny fianakavianao, tenan’i Kristy ny ankohonanao, tenan’i Kristy ny tokantranonao, hoy isika tany am-boalohany hoe : raha mijery ny bikany Jesoa, satria ianao izany bikany izany, ianao izany tenany izany, dia ho tretrika Izy. Ary raha anontanian’ny devoly Jesoa hoe : aiza no ahitako ny tenanao sy ny bikanao ? Mety hiteny Jesoa hoe an an an, ary jerena. Enga anie ka ianao izany tenenin’i Jesoa hoe : atsy, i anona jerena.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia eo amin’ny and.27 amin’ity 1 Korintiana 12 ity ; manazava, manampy an’ilay 1 Korintiana 12 :27 hoe : « Ary hianareo no tenan’ i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy ».

Miresaka Fiangonana moa ity 1 Korintiana 12 ity. Ao am-piangonana ry havana, misy Pasitera, ao am-piangonana misy leads vocaux, ao am-piangonana misy chef de chœur sy accompagnateurs, ao am-piangonana misy responsable ara-panahy. Andriamanitra no nanendry avokoa izany rehetra izany araka ny anjarany avy. Izaho ve dia hidongy amin’ny Tompo hiteny hoe : « izaho Tompo mba omeo feo ohatran’ny an’i Rojo Ramarolahy » : adalana be izany. Izaho Pasitera, ary izany no tsy hirako eto izany an; hitanareo ihany ilay feoko mampihomehy be. Aoka hazava. « Ary hianareo no tenan’ i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy ». Izany no itsimbinan’ny firaisan’ny tena sy maha hoe tenan’i Kristy, mahafantatra hoe : ity tenan’i Kristy ity, dia hoe : ny Lohany any an-danitra, fa ny tenany, ny vatany ety an-tany ry havana ô. Izany, izany.

Fa averina indray : ny Fiangonana voalohany, satria resaka Fiangonana ny amin’ity 1 Cor 12 ity, dia ny tokantrano, ny ankohonana. Ao amin’ny ankohonana dia faritan’Andriamanitra ny anjaran’ny tsirairay. Izany io e, izany io. Raha mbola hoe ankohonana kristiana, raha mbola hoe tokantrano kristiana nentina teto amin’ny alitara teto ry havana ô : Andriamanitra mamaritra hoe izao ny asan’ny lehilahy, izao ny anjaran’ny vehivavy, izao ny anjaran’ny zanaka. Ary hajao izany, hajao izany ry havana ô. Dia eo ianao, dia lasa saina ihany : inona moa no tena sarotra ao amin’ny ankohonana kristiana : ny toeran’ny lehilahy sa ny toeran’ny vehivavy sa ny toeran’ny zanaka ? Satria hoe : Andriamanitra namaritra ny zavatra rehetra, izay momba ny tenany, araka ny anjarany avy (1 Cor 12 :27).

Dia ianao mieritreritra hoe : « Aoka ianareo lehilahy ho tia ny vadinareo tahaka ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana ». Mora ry havana ô, izany hoe lehilahy loha izany, izany chef izany. Na lehilahy jentilisa ary dia mahafantatra fa izy no chef-ny vadiny, izy no chef-ny zanany. Fa raha lehilahy tena ao amin’i Kristy, raha lehilahy tena mahafantatra hoe tsy mora izany hoe hanahaka an’i Kristy izany, lehilahy chef hanaraka an’i Kristy izany, dia tonga sain aizy hoe : « tena tsy haiko izany, tena tsy haiko izany ; fa soa fa atoro ahy hoe ianao izay te ho lehilahy hanahaka an’i Kristy : misotroa haingana, ary misotroa isan’andro ny Fanahy Masina ». Ary ny olona misotro ny Fanahy Masina, dia hoe : mamaky Baiboly isan’andro, dia ny zavatra hitany ao, na inona na inona hitany ao, dia ankatoavina ; dia atobak’Andriamanitra ao ny Fanahy Masina ary loharano hiboiboika hiboiboika ao amin’izany tokantrano izany ny Fanahy Masina.

Zavatra mampikolay ny vehivavy izany hoe : « ianao vehivavy, maneke ny vadinao amin’ny zavatra rehetra » ; mampikolay ny vehivavy izany e. Bon, mikolay ianao satria tsy fantatrao hoe Kristy ange io ankatoavinao io e. Izay ilay izy. Ka raha atao hoe : « ka tsy fantatr’i Pasitera, Pasitera an, tsisy maha-Kristy an’io vadiko io » : ok, ok ; fa izao no ataoko anao, izao no ataoko anao : ianao Ezer, mpamonjy ny vadinao, « tsy tsara raha irery rahalehilahy ary anaovako vady saahza ho azy izy, mpanampy sahaza ». Mpanampy mivavaka ho azy, mpanampy mivavaka ho an’io vadinao io. Raha feno défaut io vadinao io : tsy ianao no hanova azy. Fa ny anjaranao, ny anjaranao dia mivavaka ho azy, mitondra azy eo anatrehan’i Jesosy hoe : « Jesosy an, no, io no vady nomenao ahy : ok. Izaho tsy te hanome tsiny anao, fa izao : ovay izy e, ovay izy. Izany, izany no andohaliako aminao isan’andro : ovay izy fa izaho tsy maha-ova azy. Vao misokatra ny vavaka dia hoe : tsy ianao akory no ampianatra ahy an’izany ».

Isika tenan’i Kristy, momba ny tenany avokoa isika araka ny anjarantsika. Eo koa ianareo zanaka e. Possible mihitsy, ary tena hoe mihamaro ny cas ohatran’izany, hoe : ilay zanaka indray no fohazin’ny Tompo dia ny ray aman-dreny mbola jentilisa, manao fomba jentilisa. An an an, izao no lazaiko anao tanora : « Hajao, hajao ny rainao sy ny reninao jentilisa. Hajao izy e ». Ary aoka ho fantany hoe : « Mahavariana ahy ireto zanatsika ireto », rehefa miresaka izy mivady. « Manao an’izao isika nefa fatra-panaja antsika ». Izany no hitaomanao azy ao amin’ny Tompo. Maintenant, raha mampanao anao zavatra mandika ny Soratra Masina izy : tohero izy, tohero am-panajana izy. Fa hajao izy. Zavatra tokana andrasan’ny Soratra Masina amintsika zanaka : izaho Pasitera, tamin’ny fahavelon’ny ray aman-dreniko : marina tamiko izany ; manaja, manaja sy mankatoa ray aman-dreny. Fa tsy ho possible izany ry havana ô, ilay hoe andeha ao amin’ny tena araka ny anjarany avy, raha tsy misotro, migoaka isan’andro ny Fanahy Masina ; ka Ilay Fanahy Masina ho loharano miboiboika ao amin’ny fiainantsika.

Izay ny Fahamarinana 2.

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana dia izao : ny Soratra Masina dia miteny hoe, eo amin’ny and.14, 1 Cor 12 :14 : « Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro ».

Izao moa, ao anatin’ny Corona isika, fa talohan’ny Corona isika Isotry Fitiavana 1500, 1600, 1700 isan’Alahady maraina ato amin’ity Fitandremana ity. Dia hoy Paoly hoe : tsy iray isika, fa maro. Inona no dikan’ilay hoe maro ? Samy hafa fihaviana, samy hafa tantaram-piainana. Fa iray ihany isika na dia izany ary. Iray ihany isika na dia izany aza. Marina izany amin’ilay mpiangona 1500, 1600 vorian’ny Tompo ato isan’Alahady maraina ; fa marina izany aminareo vady : « tena iray » ianareo nefa samy hafa ry havana ô. Ary ny fanadinoana an’izay hoe samy hafa ianareo, samy hafa ny tantaram-piainanareo, no mampikotrana indraindray ny tokantranonareo, ka tsy ahatratraranareo izany hoe « tena iray » izany. Zaraiko ry havana, ity fiteny amin’ny dinika mariazy ity, ampatsiahiviko an’ireo mpivady izay mandalo dinika mariazy, anomanana fanamasinana mariazy ao aminay, ny hoe : nisy mpampianatra anay anankiray izay, nanoratra boky tsara be. Ny titre-ilay boky dia hoe : « L’absolue dans l’histoire ». Inona no dikan’izany ? Ohatrany hafahafa ilay titre, fa mazava be ilay izy : « L’absolue dans l’histoire ». Inona no mahatonga an’ilay « absolue » ? Azavain’ilay mpampianatra, ilay mpanoratra hoe : ny olombelona rehetra raha vao teraka, arakaraky ny hitomboany, dia mieritreritra ny fiainany : anatin’ny fahazazana, anatin’ny fahatanorana ; rehefa tonga 10 taona izy dia mieritreritra hoe : izao no fiainako, izao no mba tiako ao amin’ny fiainako. Amin’izy adolatsento, dia : ohatran’izao sy ohatran’izao sy ohatran’izao izany tiako ho fiainako izany. Afaka Bacc dia hoe : izaho izao hanao fianarana ohatran’izao, dia avy eo rehefa ingénieur aho sy ny karazany, dia mahazo asa ohatran’izao dia hanana trano ohatran’izao, dia hanambady ohatran’izao, dia hanana zanaka ohatran’izao. Ary iny hoe idealim-piainana iny hoy izy, ilay mpanoratra, iny idealy-na fiainana iny, iny nofinofy-na fiainana iny, arakaraky ny androsoan’ny taona, dia manjary « absolue » ; fa tsy hoe nofinofy na revirevy intsony. Ary izany no maha-sarotra ny mampanambady olona efa any amin’ny faha-40 taona na faha-50 taona : lasa tena hoe enjana be ohatrany vato izany nofinofy izany. Izay ilay « absolue ». Fa hoy izy : « L’absolue dans l’histoire ». Dans l’histoire satria ianao io, tsy monina any amin’ny île déserte, tsy monina any an’efitra ianao ; fa monina ao amin’ny fiaraha-monina ianao, amina olon-kafa izay mba manana ny absolue-ny ihany koa. Ary izay marina amin’ny fiaraha-monina, izay marina amin’ny Société hoy ny mpanoratra : marina ao amin’ny couple, marina ao amin’ny tokantrano. Ireo olona anankiroa mitokan-trano ireo dia samy manana ny absolue-ny. Ary izany no mampikotrana azy satria tsy tonga saina izy hoe : « izaho manana ny absolue-ko, ny vadiko koa manana ny absolue-ny ». Izay ilay izy ry havana. Ary izay no mahatonga an’i Paoly, hoe : « Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro ». Maro ilay absolue eo hoy Paoly e. Izay ilay izy. Fa izao, izao, izao ry havana ô : hoy Paoly hoe : ny hany solution amin’izay dia hoe : misotroa isan’andro isan’andro ny Fanahy Masina. Misotroa isan’andro isan’andro ny Fanahy Masina - Ankatoavy ny teny – Maneke ny Tomponao, maneke ny Lohanao any an-danitra ianao tenany ety an-tany. Izany ny solution amin’io. Fa raha tsy hisotro ny Fanahy Masina isan’andro isan’andro ianao : ho potika io tokantranonao izay efa marary io e. Izany ny réalité izany. Izany ny réalité. Fa rehefa hisotro Fanahy Masina isan’andro isan’andro ianao, ny Fanahy Masina, araka ny Galatiana 5 : Fanahin’ny fandeferana, Fanahin’ny fahari-po. Dia hanana fahari-po ianao eo anatrehan’ny toetra ratsin’ny vadinao, eo anatrehan’ny ditran’ny vadinao, eo anatrehan’ny toetra tsy zakan’ny vadinao. Possible izany raha misotro Fanahy Masina ianao. Handefitra ianao amin’ny zavatra rehetra, handefitra ianao amin’ny zavatra tsy andeferana, satria miboiboika ao anatinao ny Fanahin’ny fandeferana ; dia ho « tena iray » ianareo mivady sy ny zanakareo, ary tretrika Jesosy any an-danitra any rehefa mijery ny bikany : « Ah, mijery ny bikako ianao ry devoly, ndana jereo ny tokantranon’i Ra-anona, ny ankohonan’i Ra-anona sy Ra-anona ».

Izay ny hafatra ho antsika androany. Tena mahavariana ny Tompo ry havana, rehefa miteny Izy hoe : « isika no tenany ety an-tany ». Ary zava-dehibe ange izany hoe « tena » izany e, zava-dehibe ange izany hoe « corps » izany e. Tsisy mahafantatra an’izany fanahin’i Solofo izany, tsy misy mahafantatra izany ; fa ny tenany no hita, ny tenany no anambaran’ny toetrany amin’ny olona izay mifanerasera aminy eo amin’ny fiaraha-monina sy eo amin’ny Fiangonana. Ary ilay tenantsika « imparfait » no ampiasain’i Jesoa anambarany ny tenany. Izy any an-danitra, fa ny tenako, ny tenanao, ny tokantranonao, ny ankohonanao no anambaran’i Jesoa ny maha-izy Azy.

Dia ny Tompo ry havana ô, no hiasa ao aminao, ao amin’ny tokantranonao, ao amin’ny ankohonanao, mba hoe ankohonana « tena iray », ankohonana anambara ny Lohany Izay any an-danitra, ho voninahitry ny Tomponao ary ho fahasambaranao. Amen