ALAHADY 16 AOG 2020

Apokalypsy 6 :9 : « Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ ny alitara ny fanahin’ izay voavono noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny ».

Jesoa ry havana no mampahita an’ny Apostoly Jaona izay nanoratra ny Apokalypsy ; Jesoa no mampahita azy ny fanahin’ireo Maritiora tamin’izany andro izany. Tsy isika no ampianarina fa ny olona modimandry ao amin’ny Tompo, maika fa ireo Maritiora noho ny amin’ny Tompo, amin’ilay segondra ahafatesany iny, ny fanahiny dia efa mamantana any an-danitra. Izay no fampianaran’ny Soratra Masina ry havana. Dia eto moa, anisan’ny sary ampiasain’ny Soratra Masina ny hoe : « teo ambany alitara ». Inona moa ny dikan’izany ? Tsy hoe eo ambany alitara ato Isotry Fitiavana, amin’ny tempoly ety an-tany ; fa hoe : teo ambany alitara : efa any an-danitra izy. Fa ilay hoe : « eo ambany alitara » dia sary ampiasain’ny Apostoly Jaona, ampiasain’ny Soratra Masina hoe, tena teo akaikin’i Jesoa manokana izy. Raha samy tafiditra any an-danitra : izy nanana privilège manokana teo akaikin’i Jesoa manokana, nanana place spéciale teo an-tongotr’i Jesoa. Izay izany ny amin’ireto Maritiora ireto ry havana : any an-danitra izy, fa raha samy any an-danitra : manana place manokana. Azontsika ny hasarobidin’izany place manokana izany : isika ihany koa manana ny place tiantsika ato amin’ity Fiangonana ity. Fa any an-danitra, hanana place manokana.

Fa rehefa mandinika ny Soratra Masina ianao ry havana, dia ny lanitra izay misy an’Andriamanitra, ny lanitra any ambony any izay misy an’Andriamanitra ; ohatra i Habakoka mpaminany ao amin’ny Habakoka 2 izao manao an’izany an, dia hoe : ny lanitra io dia oharina amin’ny Tempoly. Ary dia rehefa miresaka Tempoly ianao teo amin’ny jiosy, dia ao amin’ny Tempoly ao, misy alitara. Dia ilay lesona ho antsika ry havana, ny lesona ho antsika dia izao : andao isika hisaina an’izany hoe alitaran’ny Tempoly any an-danitra izany. Fa saingy izao : io alitara io dia tsy alitara any an-danitra, fa alitara ety an-tany, alitara ety an-tany.

Misy olona anankiray ry havana nanao alitara ny fiainany tety an-tany, satria izay ilay hafatra androany, hoe : ATAOVY ALITARAN’NY LANITRA NY FIAINANAO. Hainareo angamba, haintsika daholo ilay tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny 2 Timoty 4 :7 hoe : « Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ». Haintsika tsianjery iny. Fa fantatrao ve ny andinin-tsoratra Masina mialoha an’iny ? Hoy Paoly hoe : « Fa izaho dia efa hatolotra sahady ». Eo amin’ilay « hatolotra sahady » dia hoe : « haidina ho fanatitra ». Ny fiainan’i Paoly ry havana dia nataony fanatitra ; ny fahafatesany dia fanatitra. Ary izay no mahatonga antsika hiteny androany hoe : NY FIAINANAO KOA E, DIA MBA ATAOVY FANATITRA. NY FIAINANAO, NY MAHA-IANAO ANAO DIA ATAOVY HOE ALITARAN’NY LANITRA, ALITARA FANAOVANA FANATITRA HO AN’I JESOA RY HAVANA O. Alitaran’ny lanitra. Izay no hafatra ho antsika androany.

Raha mijery ny Tempoly jiosy ry havana, dia misy anankiroa ny karazana alitara teo :

  • Ny anankiray, ilay alitara fanaovana fanatitra dorana. Tonga izany ilay mpivavaka dia mitondra eo amin’ilay mpisorona hoe « ity biby mba hatao sorona, atao fanatitra noho ny fahotako » ; dia eo ilay mpisorona mandoro azy, mandatsa-drà dia mandoro azy. Izay izany ilay fanatitra hoe dorana. Dia tena levona tanteraka mihitsy io fanatitra io.
  • Dia ilay alitara faharoa ao amin’ny Tempoly dia hoe alitara fandoroana ditin-kazo, fandoroana ditin-kazo manitra.

Andao ireo ry havana no hodinihintsika fohy ho antsika izay hoe amporisihina tahaka an’i Paoly Apostoly, takaka an’ireo Maritiora reharehantsika kristiana malagasy, hoe andao isika, ny fiainantsika atao alitaran’ny lanitra : ireo fahamarinana 2 ireo no ho dinihintsika.

  1. Voalohany indrindra, hoe : ATAOVY ALITARA FANDORANA FANATITRA NY FIAINANAO. Ilay fanatitra izany tena levona tanteraka mihitsy. Jerentsika anie ny Romana 12 ry havana, Romana 12 :1-2a : « Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao ; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina ». Inona izany ilay hafatra voalohany ho an’ny olona tenenina hoe : « ataovy alitaran’ny lanitra ny fiainanao » ? Voalohany : ATOLORY NY FIAINANAO, ATOLORY NY TENANAO HO FANATITRA VELONA. Zavatra 3 ry havana ao amin’ny Baiboly no mandrafitra ny tenan’ny olombelona : voalohany, ilay « fanahy », na ilay « esprit ». Ilay fanahiko moa : ifandraisako amin’Andriamanitra. Ny singa faharoa mandrafitra ny tena dia ny antsoina hoe « aina » na « âme ». Dia ao anatin’io aina io ilay fo sy ilay saina. Ilay saina asain’ny Soratra Masina avaozina isan’andro isan’andro ahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra. Dia ny singa fahatelo, ilay « vatana », ilay « corps ». ATOLORY NY TENANAO HO FANATITRA VELONA, ATOLORY NY FANAHINAO, ATOLORY NY AINAO SY NY SITRAPONAO SY NY FANAPAHAN-KEVITRAO REHETRA, ATOLORY NY VATANAO ; ARY IO VATANAO IO ATOLORY AZY : AZA AVELANAO HANAO ZAVATRA MANALA BARAKA AZY, MANALA BARAKA AN’ANDRIAMANITRA INTSONY. Izay ry havana ny olona manao ny fiainany, manao ny tenany ho alitaran’ny lanitra. Ary ny olona manao ny fiainany ho alitaran’ny lanitra ihany no haharitra hatramin’ny farany ka handova ny lanitra ary hanana place privilégiée eo an-tongotr’i Jesoa ry havana ô.
  2. Ilay faharoa indray dia izao : hoy isika hoe misy alitara fandoran’ny mpisorona ditin-kazo manitra. Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy 5 :8, ilay ditin-kazo manitra dia tsy inona fa ny vavaka asandratry ny olona masina. Ny olona masina ry havana dia izao :tsy hoe olona tanteraka, tsy izay aloa ny hevitr’ilay hoe masina ;ilay olona masina dia tena hoe olona nanoka-tena ho an’i Jesoa, olona nanao fanatitra velona ny tenany, ny fanahiny, ny ainy, ny vatany. Izany. Ny vavak’ireo olona ireo : ditin-kazo manitra, dia hoe voahazona ao anaty lovia volamena ry havana ô. Tenenina ianao hoe, tenenin’i Jesoa hoe : tsy mety ange e, raha tsy mivavaka mandrakariva e. Fa izao : aza avy hatrany dia kivy am-boalohany ianao, tsy misy olona nanomboka ny fiainam-panahiny, na ny fiainam-pinoana ka nivavaka mandrakariva izany, nivavaka marain-tsy hariva izany ; fa tahaka an’ireto mpisorona tao amin’ny testamenta taloha ireto, mandoro ditin-kazo manitra izy maraina aloa ; mandoro ditin-kazo manitra izy ny hariva : ATOMBOY AMIN’NY VAVAKA NY JOURNEE-NAO, ARY FARANO AMIN’NY VAVAKA NY JOURNEE-NAO. DIA HO HITANAO NY FANAHY MASINA HANOME ANAO TARI-DALANA NY AMIN’IZAY ANTOM-BAVAKA DANS LA JOURNEE. DIA HO GAGA IANAO FA HIVAVAKA MANDRAKARIVA. Ny olona mivavaka mandrakariva ka tsy mitsahatra ; ireo ihany ry havana ô, ireo ihany no haharitra, no hahatoky hatramin’ny fara fofon’ainy.

Mbola ao anatin’ny volana ankalazantsika ny Maritiorantsika malagasy izay tena hoe reharehantsika malagasy ry havana ô, dia haka ohatra olona anankiroa ry havana ho fampieritreretana antsika : ny anankiray ohatra ratsy izay hoe tsy nanao fanatitra ny tenany ; fa raha ny marina : nanao fanatitra ny tenany izy, tsy amin’Andriamanitra fa amin’olon-kafa. Dia ny anankiray olona naharitra tamin’ny vavaka, nampiakatra ditin-kazo manitra tany an-danitra, tena manitra tena manitra hatramin’ny segondra farany niainany tety an-tany.

Ny tantaran’ilay ohatra ratsy ry havana, dia tantaran’ilay havan’i Rasalama Maritiora. Nony nanomboka ny fanenjehana dia ireo rehetra fantara fa hoe kristiana dia nosamborina, dia nogadraina, dia nozarazaraina ho ambesana any amin’ny trano-na manam-boninahitra. Dia nisy groupe-na 10 mianadahy ry Rasalama izay nambenana tany amin’ny trano-na manam-boninahitra anankiray antsoina hoe Ramiandravola. Dia eo am-pigadrana eo Rasalama miresaka amin’i Ramiandravola, dia hoy izy hoe : « gaga ihany aho amin’ny fanaonareo, hoe olona tsy nangalatra, olona tsy nanao ratsy, olona tsy nikomy dia baboina ary atao ho andevo mandra-pahafatiny ». Dia hoy Rasalama tamin’i Ramiandravola hoe : « mba mieritrereta ihany ianareo mpanenjika ireo fa sao dia miantsy ny fahatezeran’Andriamanitra ». Dia eo am-pigadrana eo dia miresaka izy 10 mianadahy, dia hoy ny anankiray amin’i Rasalama : « Fa ilay Ramiandravola io ve tsy havanareo ihany e ? ». Dia hoy Rasalama : « havanay mihitsy fa ny problemany dia diso mila sitraka amin’ny mpanjaka loatra izy ». Ny olona ry havana ô, tsy manao alitaran’ny lanitra ny fiainany, ny olona tsy nanolotra ny ainy sy ny sainy ho havaozina isan’andro isan’andro ahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao izay tsara sy ankasitrahana eo anatrehany, dia tsy maintsy diso mila sitraka amin’ny olona ety an-tany, manomboka amin’ny mpanjaka sy ny sokajin’olona hafa izany. Dia Rasalama moa niteny tamin’i Ramiandravola hoe : « mieritrereta ihany fa sao dia miantsy ny fahatezeran’Andriamanitra ianareo ». Dia hoy Ramiandravola : « izaho tsy manana zavatra atahorana afa-tsy Ranavalomanjaka sy Rainiaro. Na hitetehana alika aza eo an-tampin-dohako, raha izany no sitrany, dia sitrako izany ». Sanatria ve ato ry havana misy olona tsy nanao fanatitra velona ny tenany, tsy avaozina ny sainy sy ny sitrapony dia mba miteny toy izany koa hoe : « an an an, izaho raha io Président de la République io na ilay Président de la République taloha, na ilay olona ohatran’izao no hoe no hiteny hoe : hitetitetehako alika eo ambony lohanao ; raha izay no sitrany dia atao ». Ry havana ô, tsy maintsy mandeha amin’izay ianao rehefa tsy nanao fanatitra velona ny tenanao. Dia niteny tamin’i Ramiandravola i Rasalama hoe : « mahavariana anie izany hoe fitiavanao an’i Ranavalomanjaka izany e. Fa izao : ahoana no tsy ahatakaranao ny fitiavanay ny Mpanjakan’ny mpanjaka, raha izany ary ny fitiavanao ny mpanjaka ety an-tany ? ». « Ka ny anareo, hoy izy, mpanjaka vazaha no tompoinareo ». « Tsia : Jehovah no tompoinay ary Jehovah manjaka amin’ny firenena rehetra ». Dia izao no nolazain’i Rasalama tamin’i Ramiandravola eo am-pigadrana eo :izao no lazaiko anao, hoy izy Ramiandravola : indray andro any isika sy ianao mbola hifanena ; amin’izay andro izay, amin’ny andro fitsarana, ary tsy azonao hiviliana izany andro izany ». Teo dia nihazakazaka tany amin’ny Mpanjaka i Ramiandravola ary androtriny ihany dia nosamborina i Rasalama, dia ny ampitson’iny izy dia maty ry havana, nolevonina teny Ambohipotsy. Sanatria ve ato misy taranak’i Ramiandravola ? Izay no fampieritreretana ho antsika ry havana ô. Fa miteny amintsika ny Tompo e : ATOLORY NY TENANAO HO FANATITRA VELONA. ATAOVY ALITARAN’NY LANITRA NY FIAINANAO.

Ny fahamarinana 2 teo dia hoe : REHEFA MANAO ALITARAN’NY LANITRA NY FIAINANAO IANAO DIA AMPIAKARO DITIN-KAZO MANITRA MANDRAKARIVA ANY AN-DANITRA, AVY EO AMIN’NY FIAINANAO.HANDOROY DITIN-KAZO MANITRA, DIA ILAY VAVAKA IZANY. Vavaka ataon’ny olona masina izany.

Mitantara ihany Pasitera Rabary ry havana ao amin’ny boky nosoratany, mitantara ny Maritiora ; tamin’ny 28 Mars 1849, nisy 4 mianadahy nentina ho dorana teny Faravohitra. Teny an-dalana izy ambara-pahatonga eny Faravohitra dia nihira hiram-pivavahana ; ampidirina ao anaty afo izy, mbola mihira hiram-pivavahana, dia mitantara Pasitera Rabary : hita izao hoy izy fa efa nanomboka may ilay ranjo sia efa manomboka miakatra aty amin’ny lohalika ilay afo handoro ny vatany manontolo ; dia teo ilay rangahy anankiray no nivavaka : « Andriamanitra ô, indreto izahay hanatona anao, ary misaotra anao fa Andriamanitra tsy mamitaka ianao ; mifona Aminao izahay ny amin’ny tsi-fahatanterahanay : raiso ny fanahinay ». Any anaty afo no manandratra an’izany vavaka, ditin-kazo faran’izay manim-pofona any an-danitra izany ry havana ô. Ary niaraka tamin’io lehilahy io, nisy vehivavy bevohoka nodorana teo koa ; dia à un moment, latsaka ilay zaza, dia naverin’ilay mpandoro tao anaty afo, niara-maty teo izy mianaka. Ry havana ô, ry havana ô, ry havana ô, miteny aminao ny Tompo e, satria tena hoe misahirana Izy mampahafantatra anao hoe tena misy ange izany lanitra izany, ary olon-kandalo ianao e ; ary ny olona maharitra hatramin’ny fara-fofon’ainy, izay ihany no ho any an-danitra. Miteny aminao Izy androany : ATAOVY ALITARAN’NY LANITRA IO FIAINANAO IO.

Misy namana izay Pretra orthodoxe ry havana, dia misy fotoana izy mankato Isotry Fitiavana tsindraindray dia mangataka ny hipetraka eto amin’ny dabilio eto, dia nanontaniako izy : fa inona hoy aho no itiavanao mankaty Isotry Fitiavana ? Dia hoy izyu hoe : « Tsotra ny antony Pasitera an : ilay alitaranareo hoy izy : inspirant ; tena hoe mampiakatra fanahy, manentana fanahy ny fandinihina io alitaranareo io ».

Ny hafatry ny Tompo ho antsika ry havana izay efa andrasany any an-danitra: ATAOVY ALITARAN’NY LANITRA NY FIAINANAO DIA HO INSPIRANT KOA NY FIAINANAO, HO SOURCE D’INSPIRATION HO AN’NY HAFA KOA NY FIAINANAO, ARY HO SOURCE D’INSPIRATION MANOMBOKA AMIN’NY VADINAO SY NY ZANAKAO.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.