ALAHADY 15 NOV 2020

Ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ; Asan’ny Apostoly 3. Tantara-na lehilahy nalemy tongotra efa hatrany an-kibon-dreniny. Dia araka ny mahazatra azy isan’andro an, dia nankeo an-tempoly izy amin’ny ora fahasivy. Amin’ny ora fahasivy izany no mitranga izao tantara izao. Dia ilay hafatra ho antsika Fiangonana ry havana, azo lazaina tahak’izao hoe : ANDRANDRAO JESOA AMIN’NY ORA FAHASIVY. Ilay fahasivy io, raha ao amin’ny Baiboly : ny ora voalohany amin’ny 6ora maraina ; izany hoe ny ora fahasivy amin’ny 3ora tolak’andro. Fa izay ilay titre an’ilay toriteny, hoe : ANDRANDRAO JESOA AMIN’NY ORA FAHASIVY.

Ny Fahamarinana 1 ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao, dia hoe : ANDRANDRAO JESOA REHEFA MANKATY AM-PIANGONANA IANAO

Mety mahagaga ihany izany an, fa mazava be izany fahamarinana izany : ANDRANDRAO JESOA, ANTENAO JESOA, ANDRANDRAO NY HIHAONA AMIN’I JESOA REHEFA MANKATY AM-PIANGONANA IANAO.

Ity lehilahy ity an, 40taona mahery eo, nalemy hatrany an-kibon-dreniny, ary azo lazaina hoe tragédie, tragédie ny fiainan’ity lehilahy ity. Nalemy izy hatramin’ny fahazazany, tsy mba niara-nilalao tamin’ny ankizy namany, tsy afaka nihazakazaka tahaka ny ankizy namany an ; mihalehibe izy, tsy autonome, tsy mahavita tena, tsy maintsy bataina, tsy afaka miasa, tsy afaka mamelon-tena. Ary fanampin’ilay tragédie an : mpangataka no iafarany. Izay ilay tragédie. Fa inona no tena tragédie amin’ity lehilahy ity ? Tonga mankany amin’ny tempoly izy : tsy mitady an’i Jesoa. Andeha jerentsika, Asan’ny Apostoly 3 :5-6 : « Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna ». Ity lehilahy ity nankany am-piangonana : nanantena hahazo fiantrana. Ity lehilahy ity nankany am-piangonana : nanantena hahazo vola kely. Tsy niandrandra an’i Jesoa izy ry havana ô. Ary possible, maro amintsika tonga aty am-piangonana : tsy miandrandra an’i Jesoa fa bodan’ny fiainana ny lohany. Ity lehilahy ity ange izao rehefa jerena e : mangataka izy. Tsy any an-tsena izy no mangataka, tsy eny an-dalam-be izy no mangataka ; fa any am-piangonana izy no mangataka, any amin’ny tempoly izy no mangataka. Ary antenainy hoe ao am-tempoly an, ny mpivavaka mety hoe malala-tanana tokoa amin’ny maha-mpiavavaka azy. Ary fantany koa fa be Fariseo ao amin’io Fiangonana io. Ary maninona no zava-dehibe ilay hoe be Fariseo ? Satria ny Fariseo, mpihatsaravelatsihy, rehefa manao fiantrana izy dia misehoseho. Izay ilay kajy ao an-tsain’ity lehilahy ity. Asa koa izay kajy tao an-tsainy : tsy problemany izany Jesoa izany. Ary maro amintsika angamba ry havana, no hoe tonga ato am-piangonana tsy miandrandra an’i Jesoa, fa mba tonga aty ihany, naharesy fahalainana ; tonga aty, avy hatrany ilay saina dia mandehandeha : mandehandeha ho azy any an-kafa, tarihin’ny devoly : « hay moa izany any an-trano ohatran’izao, hay moa izany rahampitso ohatran’izao, hay ilay zavatra iry any am-piasana ohatran’izao sy ohatran’izao ». Tsy miandrandra an’i Jesoa izy. Ary satria tsy miandrandra an’i Jesoa izy : tahaka an’izay nidirany teto an, no ivoahany teto ry havana ô. Izay ilay tragédie izay. Miangona aman-taonany izy, pilier-ny Fiangonana izy : tragédie ny fiainany satria tsy miandrandra an’i Jesoa izy aty am-piangonana.

Ry havana malala ô, ry havana malala ô, ny fomba fankanesanao aty am-piangonana : ovay. Ovay ny fomba fankanesanao aty am-piangonana. Rehefa mankaty am-piangonana ianao manomboka izao : andrandrao Jesoa Kristy. Fa na inona na inona motivation nankaty am-piangonana, isaory ny Tompo izany. Tahaka ny amin’ity lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ity, ary efa 40 taona mahery ity lehilahy ity an, tahaka ny amin’ity lehilahy ity : te hanome anao mihoatra noho izay tadiavinao sy irinao. Vola kely, vola kely no nantenain’ity lehilahy ity ; tsy vola kely no azony fa fahasitranana, fahatanjahana nahazoany miasa angamba ahazoany mamelon-tena ry havana ô, mba hahazoany manana fiainana ohatran’ny rehetra. Izany no tian’i Jesoa omena anao anio ry havana ô : hamoaka anao avy amin’izany tragédie-ny fiainanao izany. Ary raha andrandrainao Jesoa ry havana ô, raha andrandrainao Jesoa, dia raha fifaliana hihaona amin’ny namana, raha fahafinaretana vokatry ny fanompoana na zavatra hafa tahaka izany no nankanesanao aty am-piangonana : zavatra mihoatra lavitra noho izany no omeny anao, omeny antsika rehetra, dia fahasitranana ara-panahy ary fiainana mandrakizay. ANDRANDRAO JESOA REHEFA MANKATY AM-PIANGONANA IANAO. 

Izay ny fahamarinana voalohany.

Ny Fahamarinana 2 dia milaza andraikitra apetraky ny Tompo amintsika Fiangonana izay efa manana an’i Jesoa, tahaka an-dry Petera afaka miteny hoe : tsy manana volamena aho, tsy manana volafotsy aho, fa Jesoa no atolotro anao. Ilay Fahamarinana 2 dia izao, hoe : RAISO NY TANAN’NY NAMANAO DIA ENTO AO AMIN’I JESOA IZY.

Mitadiava tanana ho raisina, mitadiava tanana ho entina any amin’i Jesoa. Izay ilay fahamarinana 2.

Jerentsika ny and.7 ry havana, amin’ny Asan’ny Apostoly 3 teo ; amin’ny anaran’i Jesoa : « Ary noraisiny tamin’ ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin’ izay ny tongony sy ny kitrokeliny ».  Inona ny andraikitra, inona no zavatra ataon’ny Apostoly Paoly eto ? Noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy. Dia inona no zavatra nitranga ? Izay no azony natao. Izay no azoko atao. Izay no azontsika rehetra atao : mitadiava olona azo raisina amin’ny tanana ankavanana. Izay ilay izy ry havana. Fa inona no ataon’i Jesoa ? Jesoa nampahatanjaka azy, nampahatanjaka ny tongony, nampahatanjaka ny kitrokeliny. Mitadiava olona ho raisina amin’ny tanana ankavanana ka entina ao amin’i Jesoa ry havana ô, raha manana an’i Jesoa marina ianao, raha feno ny Fanahy Masina marina ianao.

Mahavariana ilay fanamarihana hoe ity tantara ity dia hoe eo amina vavahady antsoina hoe, eo amin’ny and.2 no ahitana an’izany, hoe : Itsaraendrika. Izay ilay endrika. Dia ny mpandinika milaza hoe vavahady tena ngeza be izany vavahady izany ary impressionnant ilay vavahady. En plus ilay haingon’ilay vavahady, ilay décoration misy bronze tsara tarehy, fa mbola hoe miravaka volamena : impressionnant. Ary tena marina mihitsy ilay hoe : Itsaraendrika. Ary reehfa tarafin’ny masoandro hono ilay volamena, dia tena hoe mamirapiratra io hoe vavahady atao hoe Itsaraendrika io. Fa izao no mitranga ry havana : teo amin’io vavahady Itsaraendrika io no misy an’ity lehilahy kilemaina ity. Io vavahady Itsaraendrika io ry havana : mety ohatran’ ity Isotry Fitiavana ity ry havana : tsara endrika ity Isotry Fitiavana ity an noho  ny finiavanareo Fiangonana hanatsara azy. Fa izao : ny olona ato, araka ity perikopa ity : mety misy tsara endrika ivelany, fa ao anatiny ao, manana fiainana tragédie. Tsara endrika izy ivelany, satria hitanao hoe mpanankarena manefoefo angamba ; tsara endrika izy ivelany satria hitanao mihitsy fa olona tsy orin-java-tsoa : tsara endrika izy ivelany. Tsara endrika izy ivelany nefa ny tokantrano tragédie ; tsara endrika izy ivelany : fitaizana zanaka tragédie ; tsara endrika izy ivelany : any am-piasana tragédie. Izany, izany ny fiainantsika olombelona ; tsy hoe fiainantsika Isotry Fitiavana, fa fiainantsika olombelona ry havana ô : tragédie.

Mitadiava olona ho raisina tanana ianao : ho ento any amin’i Jesoa izy. Miresaka ilay olona efa ato am-piangonana aho, fa mijereva koa olona e any ivelan’ny Fiangonana: olona efa tsy miditra am-piangonana intsony, efa tsy manana fanantenana, tena kivy tanteraka ny amin’ny fiainana, tsy mba manana tanjona azony hoe ifaharana na iafarana. Misy olona ohatran’izany : raiso ny tanany : « commençons par le commencement : andao hiverina hiangona hiandrandra an’i Jesoa any am-piangonana ». Raiso ny tanany dia hiandrandra an’i Jesoa izy. Satria ilay Jesoa eto dia velona mandrakizay ary tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Ilay Jesoa ry havana, ao amin’ny Testamenta Vaovao e : io no nampitony ranomasina. Ilay manasitrana eto : nampitony ranomasina. Izany io Jesoa io. Raiso ny tanan’ny olona ho any amin’izany Jesoa izany.  Io Jesoa io, ilay tompon’ny aina : ianao kivy, mamoy fo, tsy manana estime de soi intsony, te hamono tena aza noho ny tari-dalana avy amin’ny devoly ; tompon’ny aina Jesoa ry havana ô : Raiso ny tanany, ento any amin’io Jesoa io. Mitadiava olona.

Ireny olona lazaina fa hoe tsy milamnina, manana maladie psychiatrique, psycohlogie sy ny karazany ireny : Jesoa io ry havana ô, Jesoa io : nandroaka demonia io. Ary mandrak’androany, ny anarany ampy handravana izay mety asan’ny devoly manelingelina antsika raha mbola eto amin’ity tany ity isika. Mitadiava tanan’olona ho raisina raha fantatrao Jesoa, raha fantatrao ny anaran’i Jesoa, raha feno Fanahy Masina ianao. Ny Fanahy Masina iangavio, italahoy, angataho hoe : « iza amin’ireto olona be dia be ato Isotry ireto, iza amin’ireo olona be dia be any am-pianarana, any am-piasana ireo, iza no tianao ho raisiko tanana, fa tsy ary ho raisiko tanana daholo akory izy ireo ; ary izaho tsy te hoe handraindray tanana foana ; fa tiako ny Fanahy Masina no miteny amiko hoe :  iry raisonao tanana ; fa tsy te ho tahaka ny tenin’i Paoly aho hoe : tahaka ny mamely rivotra fa manao kapo-batana. MITADIAVA TANAN’OLONA HO RAISINA RY HAVANA, DIA ENTO ANY AMIN’I JESOA IZY.

Izay ilay fahamarinana 2 : RAISO AMIN’NY TANANA ANKAVANANA OLONA, DIA ENTO ANY AMIN’I JESOA IZY.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : NY OLONA NIANDRANDRA AN’I JESOA KA NOVONJENY DIA VOAOVA NY FIAINANY

Dia inona no ahitana an’ilay fanovana ankoatra an’ilay hoe natsangana, nihanatanjaka ilay lehilahy malemy? FENO FIDERANA

Vakiantsika ry havana ny and.8-9 : « Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan’ ny tempoly, nitsangantsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an’ Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an’ Andriamanitra ». Ny Fahamarinana 3 farany dia izao, hoe : MANAO AHOANA NY FIDERANAO AN’ANDRIAMANITRA RY HAVANA O ?

Ity lehilahy ity araka ny notenenina teo : tragédie ny fiainany nandritra ny 40 taona mahery. Nositranin’i Jesoa tamin’ny fomba mahagaga izy ; nositranin’i Jesoa. Dia inona ny zavatra nitranga ? Ka 40 taona mahery ka : ohatran’ireny olona hoe voagadra ela ireny dia afaka : faly e, ary fifaliana tsy amboarina, fiderana tsy amboarina. Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay hoe : fifaliana mandroatra. Izany ry havana ny olona hoe niandrandra an’i Jesoa ka nahita ny famonjeny. Ary ity lehilahy ity, sûr izao fa any an-trano any mba manana havana izy, misy olona iarahany mipetraka. Tsy nihazakazaka tany an-tranony izy an, nitantara hoe izao no nataon’i Jesoa, nijoro vavolombelona an : non non non ; nidera an’Andriamanitra izy. Ary izy nidera an’Andriamanitra io, nijanona tao am-piangonana, tsy nahafoy ny tao am-piangonana, tsy nahafoy an’i Petera sy Jaona. Izany ry havana. Olona nankany am-piangonana nitady vola kely, fa tafahoana tamin’i Jesoa : tsy mahafoy an’i Jesoa, tsy mahafoy ny mpanompony, tsy mahafoy ny Fiangonana. Izany ny fiderana izany, izany no fiovam-piainana, ary izany no fiderana.

Manao ahoana ny fideranao ? Tena miteraka fifaliana ho anao ve ny fiarahan-dalana amin’i Jesoa ry havana ? Tena miteraka fifaliana aminao ve ny fiarahan-dalana amin’i Jesoa ?

Tena voatsindrona ny foko naheno toriteny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay, niteny izy tamin’ny Fiangonana tahak’izao : manana ny finoanao ianao ry Fiangonana malala hoy izy, manana ny finoanao ianao ; fa raha inoanao ho marina, ne serait-ce que ampahafolon’ny zavatra inoanao, tsy ohatran’izao ny finoanao e, tsy ohatran’izao ny fideranao e. Raha ny 1/10è ny zavatra inoanao fotsiny no raisinao hoe marina : tsy ohatran’izao ny finoanao, tsy ohatran’izao ny fideranao. Ary izaho izay. Possible ianareo koa izay.

Avy aiza ny famonjena ahy, hoy ny Salamo 121 ? Avy amin’i Jehovah Mpahary ny lanitra sy ny tany. Raha tena mino an’izany ianao e : tsy dépressif ohatran’io. Raha tena mino ianao, andeha ange jerentsika ilay Efesiana 1,  haintsika, efa nianarantsika tsianjery taloha fa taloha efa ela be moa izany, Efesiana 1 :19 : « ary ny fihoaran’ ny halehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ ny herin’ ny faherezany ». Incompréhensible ilay izy, fa averiko vakiana amin’ny DIEM ; mivavaka Paoly : « ary hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiàsany tsy hay tohaina sy mahery vaika ». Raha mino an’izany ianao hoe misy hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa omanin’i Jesoa anasoavana antsika : tsy ohatran’izao ny finoantsika ry havana ô, tsy ohatran’izao ny finoantsika e. Raha mino ny 1/10è an’izany fotsiny isika, hoy ilay mpanompon’Andriamanitra izay : hafa, hafa ny fiainantsika ry havana ô, hafa ny fiainantsika.

Andrandrao Jesoa rehefa mankaty am-piangonana dia haneho aminao izany hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izany Izy, efa omaniny anasoavany anao.

Faranana izao teny izao, faranana izao teny izao : fa maninona moa ity toriteny ity no atao hoe : ANDRANDRAO JESOA AMIN’NY ORA FAHASIVY ? Andeha isika ry havana hiray saina, hiray fo, hoe isan’andro amin’ny 3ora ahatsiaro an’i Jesoa. Tsy dia hoe loatra satria tamin’ny 3ora ity tantara ity no nitranga ; fa raha tsaroantsika, Jesoa anie ka tamin’ny 3ora tolak’andro no tapitra ny ainy e. Sambatra ianao, sambatra isika raha isan’andro isan’andro ahatsiaro an’i Jesoa amin’ny 3ora, tena 3ora tolak’andro mihitsy izany ity an ; ahatsiaro Azy hoe « hay moa izany Jesoa an, Ianao tamin’izao 3ora izao maty nisolo heloka ahy, nalevina, nitsangana tamin’ny maty, ho fanamarinana ahy, ary any an-danitra ankehitriny mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, manamboatra fitoerana ho ahy ary mifona ho ahy, mifona ho amin’ny adalako amin’izao fotoana izao ». Ahatsiaro an’izany ianao, hiova ny fiainanao ry havana malala ô, ho feno fiderana ianao, ka  n’inona n’inona problemanao, tsy ahoanao inona izany, fa fantatrao ilay anarana izay mamonjy amin’ny fahoriana rehetra ; ka na tsy atsangany ara-batana ianao : atsangany amin’izay fahalemenao ara-tsaina, ara-moraly, ara-panahy. Ny fanamarinana ataon’ny mpandinika anie ka hoe : tsy ny marary rehetra no sitranin’i Jesoa e ; ary maninona Jesoa mba nankao amin’ny tempoly ihany tsy nositraniny ity marary ity ? Mety ianao, mety tsy sitraniny ara-batana, fa sitraniny amin’ny areti-pahotana ianao. Izany no mahamaika Azy, ary te hampahery anao izy amin’izay mety mamesatra anao rehetra ao amin’ny fiainana ; ny promesse-ny dia hoe : « Mankanesa aty Amiko e, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana ». Ny olona rehetra afaka manamarina an’izany à 100%.    

Izay ny hafatra ho antsika ry havana malala ao amin’ny Tompo an : ANDRANDRAO ISAN’ANDRO JESOA AMIN’NY 3 ORA TOLAK’ANDRO ;

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena