ALAHADY 14 JON 2020

Ny lohahevitra tiako zaraina aminao ; fa nampianarin’ny Tompo ahy dia tiako zaraina aminao anio dia izao, hoe : ao anatin’izao fianarantsika ny amin’ny hoe : « Mihavàna ao amin’ny Tompo » izao amin’ity volana Jona ity eo amin’ny sehatry ny FJKM, dia andeha ny lohahevitra banjinintsika anio dia izao, hoe : MANDEHA AMIN’NY FITIAVANA MAHERY VAIKA. Misy voambolana anankiray izay, mety manahirana kely ny mihaino azy, fa izao ilay voambolana, asa raha efa hitanao, ampiasaiko amina zavatra anankiray : ohatra hoe misy olona miditra antoko politika anankiray ohatra izao, dia rehefa resy lahatra be amin’ilay antoko politika misy azy mihitsy ilay olona dia tenenina izy hoe : iny olona iny an, tena ohatr’izao iringiriny mihitsy. Izay teny « IRINGIRINY » izay ; efa henonao izay e ? Tena ilazana izany hoe iny indray tsy dia azo atao n’inon’inona mihitsy fa iny tonga dia ohatr’izao iringiriny. Rehefa mandinika ny fampianaran’ny Tompo, haka ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Marka 9 novakiantsika teo isika ; rehefa mandinika ny fampianaran’i Jesoa ny mpianany manokana isika dia mahita hoe misy fampianarana hafa mihitsy, misy sary hafa mihitsy omen’ny Tompo, misy zavatra tsy mitovy amin’ny any sarababen’ny olona fa TIAN’NY TOMPO ISIKA SY IANAO HO MPIANANY IRINGIRINY. Manao ahoana re raha ny olona mahita anao eny an-dalana, ny olona mahafantatra anao dia hiteny ; moa ve afaka hiteny anao ny olona ankehitriny hoe : « hay, iza hono ? iza ? Hay i anona ! Iny tsy azo atao na inona na inona iny fa tonga dia mpianatr’i Jesoa iringiriny mihitsy. Andao ataontsika sy ianao tanjona izany hoe : tena mpianatry ny Tompo iringiriny. Fa ny an’ny Tompo, loi du tout ou rien moa no miasa ao amin’Andriamanitra : na ny rehetra antsika no omentsika azy, na tsisy.

Andao averintsika vakiana ange ny Marka 9 :42-50 hijerentsika an’izay hoe ahoana re izany mandeha amin’ny fitiavana mahery vaika izany ? MANDEHA AMIN’NY FITIAVANA MAHERY VAIKA HO MPIANATRY NY TOMPO IRINGIRINY. Rehefa mamaky an’io teny io ianao dia angatahiko aminao mihitsy, imaginéo kely, alao sary an-tsaina ilay zavatra tenenin’ny Tompo. « Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy. Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny helo. Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ ny helo; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina. Fa samy ho voasira amin’ ny afo izy rehetra. Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo ». Rehefa mamaky ampahana tenin’Andriamanitra ohatr’izao ao anaty Baiboly, dia indraindray te hiteny amin’ny Tompo hoe : « tsss, aiza kosa ve Tompo ». Efa no imaginé-nao tsar ave ilay zavatra noresahintsika teo ? Efa noraisinao sary an-tsaina tsara ? Mahavariana ny an’ny Tompo ny zavatra teneniny. Misy indraindray ao anaty Baiboly ao, tiana tenenina hoe : « an an an rangaha an, aiza kosa ve dia hoe ho tapahina mihitsy ny tanana ? Aiza ve dia asiana an’izany zavatra 10 taonina be izany hono eo amin’ny vozona dia ariana any an-dranomasina,Tsss, mba sarin-teny angamba ka ampiasain’ny Tompo ». An an an, tena mila azontsika sary an-tsaina mihitsy fa i Jesoa ange no miteny an’io teny io e. Mila mampitovy ny fijerintsika amin’Andriamanitra isika. Ka raha te ho mpianatry ny Tompo iringiriny ianao ; rhaa hampanangan-tanana izao isika hoe : iza aminareo izao no mpianatry ny Tompo ? Dia hoe : « izany angaha dia mila anontaniana, izaho mpianatry ny Tompo, izaho ary tena ao amin’ny Ecole des Disciples ato mihitsy ». Fahasoavana be ny fisian’izany ao amin’ny Fiangonana anankiray. Fa ny fandehananao ao amin’io tsy milaza hoe tena disciple ianao. Fa any amin’ny Jaona 13, tadidinao ve ilay tenin’Andriamanitra, and.34 sy 35 miteny Izy hoe, Jesoa miteny amintsika hoe : « Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ». Hainao tsianjery izany tenin’Andriamanitra izany. Dia ianao te hiteny hoe : « ah, izaho ange efa mifankatia e, moi j’aime tout le monde ». Mety hiteny an’izay ve ianao ? Fa tsy eo amin’ny resaka je t’aime je t’aime, hoe tiako ianao fotsiny ange e ; tsy hatreo amntsy ilay tenin’Andriamanitra, fa mitohy ilay izy miteny hoe : « tahaka ny nitiavako anareo no aoka hifankatiavanareo koa ». Ny fenitry ny Tompo izany dia ho an’ny mpianatry ny Tompo iringiriny : ny fitiavan’i Jesoa antsika no fenitra. Izany ve no itiavantsika ny manodidina antsika ? Tohizan’ny Tompo amin’ny and.35 amin’izay Jaona 13 izay hoe : ny ahafantaran’ny olona fa mpianatry ny Tompo isika e, haintsika izany, dia rehefa mifankatia isika. Tsy rehefa mankaty am-piangonana, tsy rehefa miaraka amin’ny titre be dia be isika ; fa rehefa mifankatia. Raha mijery ny fiaraha-monina malagasy, ny amin’ny kristiana malagasy ankehitriny, dia mahita hoe ohatrany tena vitsy ihany kay ny tena mpianatry ny Tompo. Fa raha dinihina ny fiaraha-monina dia tena samy mba maka ho azy ; ary angaha vitan’ny samy maka ho azy : misy mifanaratsy, misy fisaraham-bazana samihafa ao anivon’ny kristiana malagasy. Aza mieritreritra olona be dia be ianao fa isika sy ianao ihany aloa no jerentsika izao. Izao mijery ahy dia ianao mijery ny tenanao : aiza ho aiza ny fanatanterahantsika ny tenin’Andriamanitra ?

Anio isika sy ianao hianatra hoe : ANDAO ISIKA HANDEHA AMIN’NY FITIAVANA MAHERY VAIKA. Miverina any amin’ny Marka 9 isika. Fitiavana mahery vaika. Hoy ny tenin’ny Tompo milaza amintsika eo amin’ny and.42 hoe : « Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ ireo madinika mino Ahy ireo » dia mendrika ho helohina faran’izay ratsy. Izany ange ny dikan’ilay tenin’Andriamanitra e. Fa maninona ny tenin’ny Tompo no milaza antsika an’izany ? Fantatrao moa fa ny olona tsirairay, indrindra rehefa manana an’i Jesoa ny olona anankiray, rehefa mino ny Tompo, dia olona hafa mihitsy ny fijerin’Andriamanitra iny olona iny. Amin’ity anio ity dia te hitaona anao aho hoe ahoana no fomba ahafahantsika sy ianao hanana fitiavana mahery vaika ? Ny mampitovy fijery amin’Andriamanitra rahavako no ahafahantsika manana an’izany. Mampitovy ny fijerintsika amin’Andriamanitra, hoe : rehefa mijery an’itsy olona itsy Andriamanitra dia inona ny fijeriny azy? Inona ny sanda omen’Andriamanitra ny olona tsirairay ? Raha mijery ny Genesisy 12 :3 isika dia mahita ny teny notenin’Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe : Izaho hoy Andriamanitra hitahy izay manisy soa anareo, ary hanozona izay manozona anao. Matsiro ery izany tenin’Andriamanitra izany, « eny Tompo an, mety amiko mihitsy ». Fa fantatrao moa fa tsy hoe ho anao ihany, fa ilay olona hafa manodidina anao koa no itenenan’ny Tompo an’izany. Satria maninona ? Satria ange ireo vahoaka Isiraely ireo, izay, rehefa tafiditra ao amin’i Jesoa isika, rehefa ao amin’ny Tompo isika, dia ho antsika daholo koa ny teny fikasana ho an’ny Zanak’Isiraely. Satria ireo olona ireo dia tenenin’Andriamanitra any amin’ny Zakaria 2 :12 hoe anakandriamasony. Izao no tenenin’ny tenin’Andriamanitra ao amin’io Zakaria io hoe : « izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony ». Tsara ery ny mieritreritra an’izany e ! « Izay mikasika ahy izany Jesoa dia mikasika ny anakandriamasonao ». Fa androany, tsy ianao no sainina izao, fa hijery ny hafa isika. Hay kay moa ireo hafa manodidina antsika ireo, ny olona nataon’Andriamanitra manodidina antsika, hay moa rehefa mikasika an’ireo isika dia mikasika ny anakandriamason’Andriamanitra. Misy tenin’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 105 :14-15 manambara hoe Andriamanitra ary ange miteny mananatra ny mpanjaka azy Izy noho ny amintsika : fahasoavana ! Amin’ny and.15 izy miteny hoe : « Aza manendry ireo voahosotro, ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko ». Tena mahasarotiny an’Andriamanitra ny zanany anankiray ; mahasarotiny an’Andriamanitra ; mitovy mihitsy aminao amin’ny zanakao. Izaho izao manan-janaka 2 vavy. Raha ohatra izao manao zavatra ny zanako mety tsy mahafinaritra anao dia teninteneninao be eo dia mety kapohinao, mety ataonao tsy fantatro eo, dia hoy aho hoe : « e e fa maninona no ataonao an’izany ny zanako ? Zanako ange io e ». Raiso an-tsaina amin’ny maha-olona tsotra antsika sy ianao ny fahasarotam-piarontsika amin’ny zanatsika ; fa maika lavitra noho izany ny maha-sarotiny an’Andriamanitra amin’ny zanany anankiray. Mijery an’ilay Marka 9 teo isika, dia teneniny eo amin’ny and.37 : « Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ny anarako, dia mandray Ahy, hoy Jesoa ; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy ». Isika sy ianao izany, ny tanjontsika dia ahita hoe fa ahoana moa ny fijerin’Andriamanitra an’ireo olona manodidina ahy ireo ? Rehefa mandray ny zaza, ary amin’ilay and.42, madinika no itenenany azy indray, « madinika mino Ahy » ; rehefa mandray an’ireny kay isika hono, kay Jesoa ny raisintsika. Ary tsy hoe mandray an’i Jesoa kay hono fa mandray an’Andriamanitra. Any amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona 13 :20 dia izao ilay tenin’Andriamanitra ao, amin’ny anaran’i Jesoa, hoe : « Izay mandray izay nirahiko dia mandray Ahy ; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy ». Ny zavatra tiako tenenina anao dia ity : ny zavatra ataontsika amin’ny hafa, ny fomba fi-traité-tsika ny hafa, hay kay iny no ataontsika amin’i Jesoa. Ary iny kay no ataontsika amin’Andriamanitra. Raiso an-tsaina ange e, raha hitanao mivantana eto izao Andriamanitra, raha hitanao mivantana eo Andriamanitra, tsy possible mihitsy ianao hamingavinga Azy, tsy possible izany. Tsy possible ianao hiteny hoe : « an an an, tsisy ilàna azy ! », hany e ? Tsy possible, aiza kosa ve dia hiteny an’izany. Fa rehefa mandinika ao amin’i Matio, andao isika sy ianao hivadika kely any amin’ny bokin’i Matio 25 manomboka eo amin’ny and.34, tenin’Andriamanitra mahavariana ahy foana ity rehefa mandinika an’ity aho, vakiako kely dia raiso an-tsaina ihany ilay izy : « Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo ». Asa ianao rehefa mamaky an’io, fa variana be aho amin’ilay « Aho » amin’io, jereonao tsata ilay « Aho » ao fa A sora-baventy foana : « Aho ». Jesoa izany no ambaran’ilay « Aho ». Iana ove tsy mbola nandinika tamin’ny fiainana hoe : An, hay ve ny Jesoa-ko, ny Jesoa-nao, ary efa tany am-ponja kay ny Tompo re olona an. Azonao an-tsaina ve izany hoe, efa tany antanimora kay ny Tompo. Raha ianao, raha misy olona izao avy any  am-ponja any, avy any, efa nisazy ohatran’izany, tonga eto amintsika eto, dia matetika ny fiaraha-monina rehefa mahita an’ireny olona ireny dia : « atokany ery » ; mihoatra lavitra noho ny misy coronavirus : « atokany any ». Fa eto ange Andriamanitra mihitsy, Jesoa no miteny hoe tany am-ponja Aho. Fa ianao ve efa nahita an’i Jesoa tany ? Iana ove efa nahita an’i Jesoa hoe tsy nitafy izany ? Azonao an-tsaina moa izany ? Hay moa Jesoa ity efa nisy fotoana hoe 4’mi ; mbola tsy noeritreretiko indray izany. Ary io Jesoa io kay efa nisy fotoana hoe angamba réfugié, ilay olona mitsoaka amin’ny taniny ireny ; fa nivahiny hono Izy. Dia gaga tokoa isika. Dia tahaka ilay tohiny tenin’i Jesoa amin’io texte io mihitsy, hoe : dia manontany ilay olona hoe : « fa taiza moa izahay ry Tompo no nahita anao noana ? Taiza moa izahay no nahita anao tany am-ponja ? » Teneniny mazava eo amin’ny and.40 : « Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko ». Ary amin’ny and.45 teneniny ihany : « Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko ». Mandeha amin’ny fitiavana mahery vaika. Izay no andrasan’ny Tompo amintsika. Inona no dikan’izany ? Ny dikan’izany rahavako, tsy miteny fotsiny hoe : « eny Jesoa an, tena tiako ianao ». Raha asaina mananga-tanana izao hoe : « Iza no tia an’i Jesoa ato amin’ity Isotry Fitiavana ity? », dia tiana atsangana daholo ny tanana roa, atsangana hatramin’ny tongotra, azo atao ; tena hoe : « tena tiako Ianao Jesoa, tena tiako ». Fa ilay tia an’i Jesoa ange, tsy izay no dikan’ilay hoe tia an’i Jesoa. Fa rehefa miteny isika hoe tia ny Tompo : inona no ataontsika amin’ny olona? Fa ny ataontsika amin’ny olona no manamarika raha tia marina an’i Jesoa isika, na tsy tia an’i Jesoa. Ny fiainana kristiana ry havaka tsy resaka fombafombam-pivavahana, fa ilay fiainanao isan’andro mihitsy. Tenenin’ny Tompo amintsika hoe, raha miverina any amin’ilay Marka 9 teo isika : « Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ ireo madinika mino Ahy ireo ». Zava-dehibe amin’ny Tompo ny olona tsirairay. Raha miteny hoe : mitia ange ; ohatra izao hoe : « mitia anao » ; izaho izao tsy manana olana mihitsy mitia anao, ianao rahateo moa tsy fantatro. Rehefa tsy fantatra ny olona dia vao maika tsy dia olana loatra, ok, afaka miteny hoe : « tiako ianao ». Fa tsy izay ange ilay mandeha amin’ny fitiavana mahery vaika e. Hoy ny tenin’Andriamanitra milaza hoe : raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no mampiavaka anareo amin’izao tontolo izao ? Tsy izay no antsoina hoe mpianatry ny Tompo iringiriny. Izao tontolo izao ary mahay an’izany ko. Fa ny dikan’ny hoe : « tia » dia « tia tahaka ny nitiavan’i Jesoa ». Olona mahasosotra anie izaho sy ianao ity e. Raha dinihina, dia maharitra mihitsy Andriamanitra amintsika. Olona mandreraka ange isika e. Fa tian’ny Tompo isika. Ilay hoe tia amin’ny fitiavana mahery vaika : ilay olona mandreraka ao an-trano io ange izany e ! Misafidy mitia an’io. Ilay olona toa tsy misy dikany. Raha izao izao isika sy ianao no miteny hoe, tsy hoe isika sy ianao ; fa raha izao izao maka ohatra aho hoe Pasteur Solofo izany izao misy zavatra ilaina tampoka eto : « o ry reto an, tena mangetaheta be aho, mangetaheta be aho » ; eritrereto ange izany e ; raha miteny an’izany izao io Pasteur Solofo io dia mino mihitsy aho fa be dia be no haka tavoahangy : « ity Pasitera an, ity ny anao ». Tsy sarotra, tsy sarotra ny mitia an’i Pasteur. Fa manao ahoana raha olona tsotra, ataontsika anaty farango sosona, hoe « tsinontsinona ». Manao ahoana raha mivoaka etsy ivelany etsy isika, tsy ory an’izany olona « tsotra » izany eto amin’ity faritr’Isotry Fitiavana ity, dia any an-tanànanareo rehetra any ; iny olona iny mihitsy anie no andrasan’ny Tompo amintsika anehoana an’izay fitiavana mahery vaika izay ; ilay any amin’ilay tsisy mahita any.

Andao isika hiditra amina teboka kely. Misy teboka kely 4 zaraiko aminao izay, hoe ahoana ary, fa inona moa no dikan’ny hoe « mahatafintohina » ? Ahoana izany hoe « mahatanfintohina » ? Resaka tsy hoe mampahatezitra fotsiny izany an. Ny dikan’io tenin’Andriamanitra io, hoe : rehefa, na iza na iza isika mitarika ny olona hanota ; fa inona moa no ataontsika sy ianao dia mitarika ny hafa hanota isika? Misy teboka 4 mety mahatonga an’izay, zaraiko aminao eto. Mety mitarika ny hafa amin’ny fomba mivantana isika, tonga dia mampanota ny hafa tsotra izao. Tandremo e ny zavatra ataontsika.

  • Andao ange jerena ohatra tsotra be izao amin’izany e. Eritrereto hoe manana mpanampy izao nareo ao an-trano ; dia misy mandondona ary ; jerenao kely avy ery am-baravarankely ery : « I ranona, izaho kamo be handray an’io. Ao akia an, teneno izy hoe tsy ao hono aho hoe ». Azonao an-tsaina : bon, mpanampy izy dia asaina miteny izay tenenina. Fa fantatrao moa fa ianao kay rehefa manao an’izay dia mendrika asiana zavatra 10 taonina eo am-bozonao eo, dia heloka be, meloka be eo anatrehan’Andriamanitra, raha izay no itenenana azy. Indraindray zavatra ohatrany tsisy dikany, hay mitarika ny hafa mampanota azy. Mety ao anatin’izany izao isika, mety misy fotoana isika vehivavy ; isika vehivavy ange tia miresaka e, dia indraindray ilay sujet de conversation-tsika, ilay zavatra resahintsika inona ? Olona. Faly ery isika vao mahita : « avia ndry hitantarako : nananona ange retsy e ». Fantatrao moa, raha mitantara zavatra ratsy momban’olona ianao ; faly ery mitantara ; izany anie ilay mampanota ny hafa e. Ianao moa efa manota mifosa olona, fa mitarika azy koa ianao hisaina ratsy momba ny hafa.               
  • Zavatra faharoa mety mitarika antsika hampanota ny hafa, amin’ny fomba ankolaka indray kosa ity, tsy amin’ny fomba mivantana tahaka an’ilay teo, mety amin’ny fomba ankolaka : mety misy fotoana nahazo cadeau tsara be ianao, andeha lazaina hoe nahazo Iphone 11+ : tena tsara !Tsy andrinao izay nahatongavan’ny androany itenenana amin’ilay eo akaikinao hoe : « e, ity ny cadeau nomenan’ny vadiko ahy » ; nefa tsy any an-tsainao hoe izy ange tsy mahazaka mahita an’izany e. Velo-pialonana izy noho izany. Indraindray tsy sainintsika akory fa mety misy hafa mety maratra amin’ny tenintsika, na mety maha-tezitra ny tenintsika, fa isika te hiteny fotsiny hoe : « izaho te hiteny ka ». Angaha vitan’ny hoe : « izaho te hiteny ». Mandeha amin’ny fitiavana mahery vaika ry havako, misaina ny hafa hoy ilay any amin’ny Filipiana 2, mihoatra noho ny tenanao.
  • Ahoana koa no mety mitarika antsika hampanota ny hafa ? Mety amin’ny alalan’ny ohatra ratsy omentsika. Mety amin’ny fomba fisainantsika mety tsy ratsy ilay zavatra ataontsika ; fa ilay olona ange mety tsy mbola mahazaka e. Misy Fiangonana izao an, misy Fiangonana, ny ao anatiny, tena ny vehivavy tsy mahazo mi-pataloha mihitsy. Ianao efa no-dépassé-nao izay zavatra izay, fa efa azonao an-tsaina ilay izy, dia ianao ve rehefa mankao amin’ilay Fiangonana dia hiteny hoe : « Eee, tsy raharahako, fa ny azy, adalany ny tsy te hi-pataloha any, ny olona mangatsiaka ». An an an, raha mijery ny 1 Korintiana 8 isika, mahita ilay tenin’i Paoly momba ilay hena aterina amin’ny sampy : tsy ilay sampy ange no misy e, ça n’existe même pas ilay andriamanitra tantarain’ilay olona ; fa ilay conscience, ilay fieritreretan’ilay anankiray, tena important amin’Andriamanitra ny fisainan’iny olona iny. Ka ianao ve, satria ianao efa mahazo fahasoavana hafa, mahazo kokoa, dia ieritreritra hoe : « tsy raharahako izay eritreretinao any fa izao ny ahy no sainiko dia vita ». An an an, ndrao dia mampanota ny hafa isika amin’izany.
  • Ny zavatra teboka farany ao anatin’iny dia ity : mety mampanota ny hafa isika raha ohatra ka tsy milaza amin’ny teny mazava ny marina, ny tena izy. Misy tenin’Andriamanitra any amin’ny Hebreo 10 :24 milaza hoe :« aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara ». Indraindray ianao mieritreritra hoe ao anatin’izany fitiavana izany, dia « tolérance », « tolérance », milefitra e ; « ka ny azy izay hono ny azy ny safidiny dia izay ». O rahavako, ny dikan’ny hoe tia, dia sahy miteny mihitsy koa, manoro mazava hoe ity no marina. Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, ohatra izao ao anatin’ny tena fivohizana an’izao tontolo izao amin’ny resaka fanajana ny zon’ny olombelona, dia indraindray fitahin’i satana isika ao antain’io hoe : « ka manaja ny zon’ny olombelona, raha te ho LGBT ianao, dia ny dikany, tsy maninona rangaha an, izay ny safidinao ». O rahavako, anjaranao ny miteny hoe inona no antsoina hoe mety araka ny tenin’Andriamanitra, manoro azy. Azy no misafidy avy eo ; fa tsy hoe milefitra amin’ny fahotana. Ary izay ny teboka farany zaraiko anao anatin’ity : raha te handeha amina fitiavana mahery vaika ianao, dia mila « tolérance 0 » amin’ny fahotantsika. Jereo anie ny itenenan’ny Tompo azy ao amin’io Marka 9 io e. Raha ny tananao no mitondra anao amin’ny fahotana : tapaho. Ankehitriny rahavako an, ny olana ankehitriny dia ity : ny fahotana izao dia tsy lazaina hoe fahotana fa amboarina kely, atao hoe « mba fahalemena e ». Tsia.

Fotoana mihitsy izao, indrindra ao anatin’izao tahaka ny fahatezeran’Andriamanitra amin’izao tontolo izao, mitataho eo ambony loha izao ; fotoana ijoroantsika, ianao, ho mpianatry ny Tompo iringiriny. Izany mpianatry ny Tompo iringiriny izany, ohatrany ireny hoe fanatique ireny, fa ohatrany hoe ratsy ilay terme hoe fanatique ; fa ohatra ohatra an’izany, tena hoe pro Jesoa ianao.  Ny dikan’izany rahavako dia tsy manao marimaritra iraisana amin’ny fahotana, na inona na inona. Tenenina, hitsiana : rehefa fahotana dia fahotana. Mety hiteny angamba ianao hoe : « i anona, izy moa dia tsy mahazaka mihitsy rehefa mandeha mission ohatran’ireny fa dia tsy maintsy mba maka 2è bureau kely e, maka… ». Azonao an-tsaina ilay tiako lazaina ? Dia lazaina hoe fahalemeny e. Tsy fahalemena izany fa fijangajangana, fahotana tsotra izao. Andao isika sy ianao, catégorique amin’ny fomba fahitantsika, amin’ny fomba fi-traité-tsika ny fahotana rehetra rehetra. Tapahina ny fahotana. Inona ny zavatra jeren’ny masonao, raisin’ny tananao, alehan’ny tongotrao, izay mitarika anao any amin’ny fahotana ? Tsy afaka ny handeha amin’ny fitiavana madio, mahery vaika mihitsy ianao, rhaa mbola manao marimaritra iraisana amin’ny fahotana.

Amin’ity anio ity, andao hijoro isika ho mpianatry ny Tompo iringiriny ianao izao. Azonao moa ny dikan’izany rehefa mandeha, vao mivoaka eo ivelany eo fotsiny ianao, izay toerana rehetra rehetra alehanao dia saino ange hoe : vao miala eo ianao, dia faly be ilay olona hoe : « oay, hay ve izaho misy e ». Lasa meheno ny valeur-ny ilay olona izay mifanerasera aminao, satria omenao ny lanjany izy, amin’ilay lanja omen’Andriamanitra azy. Andao isika hiara-hijery ny zanatsika, ny mpanampintsika, ny vadintsika, ny dadantsika, ny rafozantsika, ny rehetra rehetra e, jerena amin’ny mason’ny Tompo hoe : « oay, kay tian’i Jesoa, nahafatesan’i Jesoa koa kay io olona io » dia ho sarobidy amintsika ny hitondra tena ara-dalàna eo anatrehany, handeha amin’ny fitiavana mahery vaika isika.

Voninahitra ho an’i Jesoa Kristy, fiadanana ho antsika rehetra. Amena.