ALAHADY 13 JON 2021

Raha fintinina ry havana ny hafatra androany, dia azo fintinina tahaka izao, hoe : NY FINOANA DIA ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY ANKOHONANA. NY FINOANA DIA ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY ANKOHONANA.

Misaotra ny Tompo isika fa hisy hafatra ho antsika lehilahy loham-pianakaviana, ary ho loham-pianakaviana, misy hafatra ho anareo vehivavy, ary misy hafatra ho anareo tanora hanorenana ny finoantsika, hanorenana ny maha-kristiana ny ankohonana.

Romana 12. Ny hafatra voalohany ry havana dia izao : NY RAIM-PIANAKAVIANA KRISTIANA DIA MANAPAKA ARAKA IZAY ONONY. Manapaka araka izay onony. Izay no ho antsika lehilahy. Manapaka isika, fa manapaka araka izay onony.

Vakiantsika ny Romana 12 : 3 : « Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo : aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina ; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy ». Ampiana ny Romana 12 : 8 : « raha mananatra, dia aoka ho amin’ny fananarana ; izay manome, dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po ; izay manapaka, dia aoka ho amin’ny fahazotoana ».

Eo izany isika raim-pianakaviana : manapaka araka izay onony. Eto amin’ny and.8 aloha dia hoe : izay manapaka ; ny raim-pianakaviana izany. Isika moa ato Isotry dia izay e : aleo ampiarina eo anivon’ny ankohonana ny teny amin’izay azontsika tsara ny sitrapon’ny Tompo.  « Izay manapaka, dia aoka ho amin’ny fahazotoana ». Amin’ny teny frantsay dia hoe : « soigneusement », amin’ny teny frantsay dia hoe : « empressement ». Aoka isika lehilahy e, aoka isika lehilahy hanapaka soigneusement ny ankohonantsika. Izany no mampiavaka antsika. Tsy misy lehilahy tsy manapaka ny ankohonany ry havana, fa izany no mampiavaka antsika : manapaka soigneusement, manapaka avec empressement. Ataontsika laharam-pahamehana ny vady aman-janatsika ry havana ô. Izany ny lehilahy manapaka araka izay onony. Izany ny lehilahy manapaka amin’ny finoana. Ary rehefa manapaka araka izay onony ka manapaka soigneusement, manapaka avec empressement dia : tsy mihevitra, hoy ny Apostoly Paoly, mihoatra noho izay tokony hoheverina ; tsy mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina. Manan-karena be izany teny izany. Tsy manampatra fahefana, Izay. Tsy manampatra fahefana amin’ny vady, tsy manampatra fahefana amin’ny zanaka. Tsy mihevitra noho izay tokony hoheverina. Ary isika lehilahy mbola afarana e, tsy hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina ; isika lehilahy rehefa tratran’io avonavom-po sy avonavom-panahy amin’ny vady io : miala tsiny aminao rahalahy, fa tsy izany ny lehilahy araka ny finoan’ny Tompo, tsy lehilahy hoe mihevitra araka izay tokony hoheveriny, na araka izay onony izany, io hoe miavonavona, manambany vady, manambany zanaka io. Fa nomena finoana ianao, nomena anjara finoana ianao hoy ny Apostoly Paoly ao amin’ny and.3. Tsarovy izany, dia hikarakara vady aman-janaka soigneusement ianao, avec empressement ianao, tsy hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina ianao. Nomena anjara finoana ianao.

Dia lasa ilay saina hoe : fa inona moa ity anjara finoana ity e ? Soratr’i Paoly io an, dia ao amin’ny tenin’i Paoly ihany, no andeha jerentsika. Ilay anjara finoana nomena antsika dia azavain’ny Apostoly Paoly ao amin’ilay texte malaza ao amin’ny 1 Korintiana 13 :2 hoe : ilay finoana mahafindra tendrombohitra. Finoana mahafindra tendrombohitra. Izany ry rahalahy ny finoana omena antsika : tsy maintsy manana finoana mahafindra tendrombohitra isika raha te hanapaka an’io vady sy zanaka nomen’ny Tompo antsika io araka izay onony ary tsy hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina. Angatao amin’ny Tompo ary e, hoe : « Tompo a, Tompo a, omeo ahy izany finoana mahafindra tendrombohitra izany ». Ary ianareo ankizy, faly mahita anareo mbola maro be indray androany : ento am-bavaka dadanareo hoe : « Jesoa a, italahoako Aminao : omeo an’izany finoana mahafindra tendrombohitra izany io dadako io, ahazoany manapaka anay soigneusement et avec empressement, araka izay onony ».

Fa andao jerena ihany ange ilay 1 Korintiana 13 :2 : « Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho ». Izay no vavaka ataonareo zanaka ho anay ray aman-dreny : « Omeo finoana mahafindra tendrombohitra io dadako io, ary indrindra indrindra koa : omeo fitiavana izy. Omeo fitiavana izy ». Finoana miasa amin’izany fitiavana izany, raha tsy izany : tsinontsinona isika, hoy Paoly Apostoly.

Izay ny hafatra voalohany ho an’ny ray an : REHEFA MANAPAKA AMIN’NY FINOANA DIA MANAPAKA ARAKA IZAO ONONY, DIA MIASA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA AO AMIN’IO ANKOHONANA IO, hoy Paoly e. Ary rehefa izany no ataontsika lehilahy, dia manapaka ny ankohonantsika en bon père de famille isika, manapaka ny orinasantsika en bon père de famille isika, manapaka ny fokontany misy antsika en bon père de famille isika, manapaka an’ity firenena ity en bon père de famille isika, manapaka Fiangonana en bon père de famille isika. Raha tsy izany, dia tsinontsinona, tsinontsinona isika ry havana.        

Izay ny Fahamarinana 1 : RAIM-PIANAKAVIANA MANAPAKA ARAKA IZAY ONONY.

Ny hafatra faharoa dia ho anareo anabavy sy reny, hoe : METEZA HO VEHIVAVY HITAIZA NY ZANAKAREO HO AN’I JESOA

Eksodosy 2. Efa nampahatsiahivin’i Pasteur Nali teo ny tantaran’i Mosesy an, dia eo amin’ny and.9, eo amin’ilay hoe nentina teo amin’ny zanakavavin’i Farao izany Mosesy zazakely, dia nalain’i Miriama maman’i Mosesy ihany, hoe hitaiza azy ; dia eto amin’ny and.9 : « Ary hoy ny zanakavavin’i Farao taminy : ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy ». Ny zanakavavin’i Farao no miteny amin’ny maman’i Mosesy izay niteraka azy avy ao an-kibony hoe : tezao ho ahy ity zaza ity.

Ry havana ô, ranabavy malala ô, aza tezaina ho an’i Farao ny zanakareo, aza tezaina ho an’izao tontolo izao ny zanakareo. Tezao, tezao ho an’i Jesoa. Tezao ho an’i Jesoa.

Eto an, dia vao teraka i Mosesy, 3 volana eo, dia ilay hoe tezaina : hampinonoy izy, hampinonoy ho ahy izy. Ok. Dia avy eo, lazaina hoe : rehefa lehibe ilay zanaka, dia nafindra tany an-dapan’i Farao ; tsy fantatra marina hoe firy taona izy no notezain’ny mamany Mosesy ; tsy fantatra ; fa 40 taona latsaka kely, latsaka firy, tsy fantatra, no tao an-dapan’i Farao izy. Fa jereo ny vokatra, vokatry ny fitaizana an’i Mosesy, nitezan’ny mamany azy, eny e, nitazan’ny zanaka vavin’i Farao azy. Ny Soratra Masina dia milaza hoe, any amin’ny Asan’ny Apostoly, hoe : notezaina tahaka ny zanak’andriana izy. Tsy misy maharatsy an’izany aloha. Notezaina tahaka ny zanak’andriana izy, ary hoy ny Asan’ny Apostoly 7 hoe : ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana dia nomena an’i Mosesy. Ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana dia nitaizana an’i Mosesy. Nahery tamin’ny teniny Mosesy. Tsara izany an, tsara izany. Ary amin’izao Alahadin’ny Sekoly izao an, tsara hoe isika Sekoly an, ny Sekoly malagasy mba miezaka amin’izany e. Mbola lavitry ny afo ny kitay. Fa izao : raha izany ny Sekoly nitaizana an’i Mosesy tao an-dapan’i Farao, ahoana ny vokatr’ilay nitaizan’ny reniny azy, nanomboka tamin’ilay fotoana nampinonoana azy ka nahatonga azy ankizy lehibebe kokoa ? Tena niadana ry havana i Mosesy tao an-dapan’i Farao. Saingy izao : vokatr’ilay nitaizan’ny mamany azy : azon’i Mosesy natao ny nijanona tao an-dapa niaraka tamin’i Farao, nanana laza, nanana voninahitra ; ary fantatra fa maro ny reny mety niteny tamin’izany hoe : « ao an-dapan’i Farao efa mba malaza, efa mba manam-boninahitra fa mijanona tsara ao ». Tsy izany no nataon’i Mosesy ry havana ô, ny fitaizana nataon’ny reniny taminy tsy izany, tsy izany no nataony. Tsy maintsy nisafidy izy. Izany ny olona hoe tezaina ho an’i Jehovah, tezaina ho an’i Jesoa. Inona ny safidy tsy maintsy nataon’i Mosesy ? Hoe : nisafidy izy na hoe ho Egyptiana na ho olon’Andriamanitra. Ho Egyptiana miadana na olon’Andriamanitra azo antoka fa hiharam-pahoriana. Tsy maintsy nisafidy Mosesy, vokatr’ilay fitaizana azy izany, hoe : nisafidy izy hoe na hankafy an’izao tontolo izao, na ho zanaky ny fanjakan’Andriamanitra ; ho zanaky ny Farao na hoe hanatanteraka izay mety hoe fanantenana nampanantenan’Andriamanitra ny razambe-ny. Izany ny safidiny ry havana ô. Ary ny Epistily ho an’ny Hebreo dia mazava be, hoe : aleony, hoy izy, niaritra fahoriana, toy izay hoe nisafidy ny fifaliana, ny fifaliana miaro fahalotoana. Izany ry havana ilay safidy eo amin’ilay fitaizana.

Ary amin’izao andron’ny Sekoly izao : isika ray aman-dreny, dia ny zavatra mibahana ao an-tsaintsika dia hoe : hahatafita ny zanatsika, peu importe raha hoe loha sy fon’izao tontolo izao no mibaiko azy ; peu importe na hoe laza sy voninahitra satria lasa tsara toerana ny zanatsika any am-pitan-dranomasina any. Ry reny malala ô, eto ny modely : ny maman’i Mosesy. Aoka tsy ho izany no itaizanao ny zanakao. Fa marina loatra ny tenin’i Jesoa Kristy hoe : Inona ny soa ho azon’ny olona raha azony izao tontolo izao kanefa very ny fanahiny ? Maty antoka izy, maty antoka izy.

Izay ny amin’ny reny, RENY MITAIZA NY ZANANY, NA DIA FOTOANA VETIVETY FOTSINY AZA, MITAIZA NY ZANANY HO AN’I JESOA ry havana ô.

Fahatelo farany, dia hafatra ho anareo tanora. Hafatra ho anareo tanora eo ambany fahasoavan’Andriamanitra : TANORA MITONDRA NY IRAY TAMPO AMINY EO AMIN’I JESOA.

Jaona 1 :42 : « Dia nitondra azy ho any amin’i Jesoa izy (Andrea io no nitondra an’i Simona ho any amin’i Jesoa). Ary nony nijery azy Jesoa, dia hoy Izy : Ianao no Simona, zanak’i Jaona ; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera) ». TANORA MITONDRA NY IRAY TAMPO AMINY ANY AMIN’I JESOA ry havana ô.

I Andrea dia anisan’ilay mpianatra roalahy, mpianatr’i Jaona nitenenan’i Jaona, hoe : « Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ». Ny omalin’io izy an, nandre momba ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ; fa eto izy an : nahita ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Nandre dia nahita. Ary tsy nandre, nahita fotsiny, fa dia hoe : nanaraka Azy, nanaraka, nanaraka amin’izay alehany. Ahoana moa izany ny fanarahantsika an’i Jesoa ? Hoe te hanaraka Azy : io ny teniny no mi-guider anao, ny Fanahy Masina no mitarika anao rhaa te hanaraka an’i Jesoa ianao. Ary tarihiny any amin’izay lalana tian’i Jesoa aleha ianao, fa tsy any amin’izay lalana tianao izorana. Nandre – Nahita – Nanaraka – Ary araka ny tamin’ny louange teo, hoe : Mitoetra, mitoetra ao amin’i Jesoa. Ny hoe : mitoetra, dia tena hoe mitoetra maharitra ka tena hoe manana fiombonam-po, manana fiombonan’aina amin’i Jesoa ry havana ô. Izany ity Andrea ity. Izany ity Andrea ity : Nandre – Nahita – Nanaraka – Nitoetra. Ary izany lehilahy izany ry havana ô, izany lehilahy izany, izay no may satria mahita ny Mesia, tena may hizara an’izany vaovao mahafaly izany amin’ny olona akaiky azy indrindra, dia ny iray tampo aminy : Simona.

Hoy Andrea tamin’i Simona: « Efa nahita ny Mesia izahay ». Tsisy toriteny lava, tsisy toriteny manahirana, tsisy dictionnaire novakiana ; « Efa nahita ny Mesia » : izay ny teny tsotra, izay ny toriteny tsotra nataon’i Andrea tamin’i Simona, dia nitombo ny fahasoavan’ny Tompo niasa nandresy lahatra an’i Simona Petera ry havana ô. Ary efa dodona ny Tompo hampiasa ny fahasoavany aminao. Aza miandry ho tapi-pahalalana amin’ny fahaizana Baiboly. Fa raha hoe tahaka an’i Andrea ianao, efa nandre momba ny Zanak’ondry, nahita ny Zanak’ondry, nanaraka ny Zanak’ondry, miara-mitoetra mian’ny Zanak’ondry, manana fiombonan’aina, fiombonam-po, fiombonam-panahy amin’ny Zanak’ondry : na teny kely tsy toa inona aza iasan’ny fahasoavan’Andriamanitra, tahaka ilay fahasoavan’Andriamanitra miasa ao amin’ny loham-pianakaviana hanapahany ny fianakaviana araka izay onony, miasa ao amin’ilay renim-pianakaviana hitaizany ny zanany ; ary izy no mitaiza an ; ny dadan’i Mosesy tsy fantatra ; zanaka Levita fotsiny izy ; fa ilay reny eo no tena hoe rôle an. Ianareo vehivavy ange no tena mitaiza e. Dia eto ilay zanaka iasan’ilay fahasoavan’Andriamanitra. Ilay teny tsotra ataon’i Andrea amin’i Simona Petera.

Mbola manome antsika tombon’andro ry havana ny Tompo handinihana tena. Ary aoka tsy misy hamita-tena ny amin’ny finoany, sao dia hoe saritsary-na finoana ; mamita-tena ianao : tsy anorina ny maha-kristiana anao izany ary tsy handovanao ny lanitra izany.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amen.