ALAHADY 12 JOL 2020

Ao amin’ny Galatiana 5 :6 ry havana : « Fa ao amin’ i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana ». Ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.

RESAKA FINOANA MIASA AMIN’NY FITIAVANA

Izany no mahasoa, izany no ilaina : FINOANA MIASA AMIN’NY FITIAVANA. Tsy misaraka ry havana ny finoana sy ny fitiavana. Tsy possible ny ilazana hoe i Ra-anona tena manam-pinoana fa tokony mivavaka izy mba hanana fitiavana. Tsy mi-existe izany. Ary raha tena fitiavana indray, fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana namana ; tsy mi-existe koa izany raha tsy vokatry ny finoana. Tsy misaraka ireo. Ary manaitra sady marina ny tenin’i Lotera mpanitsy fivavahana manao hoe : rehefa misaraka ny finoana sy ny fitiavana dia finoan maty izay, ary fitiavana maty izay. Tsy misaraka ireo ry havana.

Andeha ary jerentsika ny amin’izany hoe finoana miasa amin’ny fitiavana izany ry havana ô.

Ny fanontaniana voalohany, dia hoe : INONA MOA, AHOANA MOA NY HAMARITANA AN’IZANY FINOANA IZANY ? AHOANA NY HAMARITANA NY ATAO HOE FINOANA ?

Ny finoana ry havana, tsy araka izay hiheverana azy hoe : rehefa tonga aty am-piangonana ohatra dia manonona fanekem-pinoana ; dia hoe ny Alahady voalohany : fanekem-pinoana voalohany, Alahady faharoa : fanekem-pinoana faharoa, fahatelo, fahaefatra. Tsy izany. Satria izany fanononantsika fanekem-pinoana izany ry havana ô, sady tsy manova ny fiainantsika ety an-tany izany, tsy mampiditra antsika any an-danitra izany. Tsy izay no atao hoe finoana : fanambarana fanekem-pinoana.

Fa ny atao hoe finoana dia tena faran’izay tsotra nefa hainao ry havana ô : tena hoe fahatokiana an’i Jesoa, confiance tanteraka amin’i Jesoa. Izany no atao hoe finoana ry havana ô. Ny atao hoe FINOANA : FAHATOKIANA AN’ANDRIAMANITRA IZAY NAHARY ANTSIKA. Ary nahary antsika Izy, dia mbola hoe miahy antsika. Fa tsy hoe nahary antsika Izy dia navelany mandehandeha eny isika. Ny atao hoe FINOANA : FAHATOKIANA AN’I JESOA KRISTY ry havana NOHO NY FANAVOTANA NATAONY TETO AMIN’NY HAZO FIJALIANA. Raha ny ràny aza foiny ho ahy, moa tsy foiny ho ahy avokoa ve ny zavatra rehetra izay mahasoa ahy ? Fahatokiana e ! Ary ny FINOANA dia mbola FAHATOKIANA ihany koa NY FANAHY MASINA. Satria ilay Andriamanitra nahary ahy iny, nanangana ahy ho zanaka tao amin’i Jesoa Kristy ; ary izaho, na dia zanaka aza, mbola fantatro tsara ny fahalemeko, dia mahatoky ny Fanahy Masina aho hiasa anatin’izany. Izany ve ny finoanao ry havana ô ? FINOANA MIDIKA CONFIANCE, FAHATOKIANA TANTERAKA AN’I JESOA AO AMIN’NY FIAINANAO.

Dia hoy ny Soratra Masina hoe : finoana miasa amin’ny fitiavana. Izany finoana nofaritantsika teo izany e, dia miasa, miteraka fitiavana izany ry havana ô. Tena automatique izany, automatique izany. Ary averina indray : tsy ny fombam-pivavahana, tsy ny religion, fa ny finoana no miteraka fitiavana.

Ahoana no iterahan’ny finoana fitiavana ry havana ô ?

Rehefa tena hoe mahatoky tanteraka an’ilay Andriamanitra telo izay iray tahak’izany ianao ; resaka confiance hoy aho ity ry havana ; dia miasa ny Fanahy Masina. Miasa ny Fanahy Masina ry havana ô. Miasa maninona ny Fanahy Masina ? Miasa mampidina ato am-poko, hoy Romana 5 :5 ; mampidina ato am-poko ny fitiavan’Andriamanitra. Fa Izy tsy miasa amin’ny olona tsy mino e. Mampidina ato am-poko Izy an, ny fitiavan’Andriamanitra. Mahazo roa ilay fitiavan’Andriamanitra ry havana : hoe : fitiavan’Andriamanitra ahy : hoe fenoina an’izany ny foko, tena mahatsiaro tena tiana aho, mahatsiaro malala eo imason’Andriamanitra aho. Ary mahazo roa ilay izy : faharoa, hoe : miteraka fitiavako an’Andriamanitra. Asan’ny Fanahy Masina izany ry havana. Izay ilay hoe : finoana miasa amin’ny fitiavana. Miasa tahak’izay ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahiko ao, ao amin’ny foko ao. Ary ny Fanahy dia mampahatsiaro ahy isan’andro hoe : « ianao ange tsy olon’olom-poana e, fa zanaka nateraky ny Rainao any an-danitra ianao e ». Manova ny fifandraisako amin’Andriamanitra izany ry havana ô. Tsy hoe mpino fotsiny aho, tsy hoe mpanompo fotsiny aho, fa hoe tena zanaka tiana. Ary miasa aimn’ny fitiavana ilay finoana, satria ilay Fanahy Masina ry havana, izay irahin’Andriamanitra ao amin’ny fiainako : mampifanaraka ny sitrapoko amin’ny maha-zanaka amin’ny sitrapon’ny Raiko ; na hoe : manjary lasa sitrpoko ny sitrapon’ny Ray. Izay ilay finoana miasa amin’ny fitiavana. Izay tapany faharoa izay izany, dia hoe : asan’ny Fanahy Masina mampidina ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’ny foko ka mameno ny foko amin’izany, mampahatsiaro ahy mandrakariva : « ianao ka sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra », ary fahatelo, hoe : mamboly ao amin’ny foko ny faniriana hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy vitan’ny olona religieux izany ry havana ô, fa ny olona mino, ny olona croyant no manao an’izany. Ary mpino izy satria nanapa-kevitra ny hatoky tanteraka an’Andriamanitra. Ary izany ambara izany ry havana, rehefa tena dinihina, mety efa henontsika. Fa raha ny marina izany zavatra sarotra amintsika zanaky ny refôrmasiôna, ho antsika reformée, isika calviniste. Ny zavatra nitaizana antsika dia hoe : mpandray, diakona ny ray aman-drenintsika, dia atao batisa fony fahazaza isika. Izay ara-tsoratra Masina. Dia naman’ny hoe efa mino izany. Tsia ry havana ô ! Tsia. Misy fotoana ianao, na iza na iza ianao manapa-kevitra hoe « Jesoa an, Jesoa, (ary normalement tokony amin’ilay fotoana andraisana anao ho mpandray ny fanasan’ny Tompo ianao no manao ian’izany) ; Jedoa an : tena hoe apetrako tanteraka eo am-pelatananao ny fiainako, hanjakao tanteraka ary anaovy izay tianao aho ». Izay ilay finoana ry havana ô.

Rehefa mandinika ny zava-misy isika ry havana, dia, eo amin’ny olona izay mitonon-tena ho kristiana, dia tsita tokoa izay finoana miasa amin’ny fitiavana izay. Tsy hoe ny finoana no tsita, tsy hoe ny fitiavana no tsita ; fa araka ilay nanazavan’i Lotera azy teo : tsy hita fotsiny izao ilay izy e. Dia ilay fanontaniana manaraka izao ry havana, dia hoe : Fa nahoana ary ? Inona no mahatonga izany fahafatesan’ny finoana sy fahafatesan’ny fitiavana izany ?  

Amin’izao ry havana tsy dia misy intsony, fa haka ohatry ny « cafetière électrique » aho, « cafetière électrique », ilay machine à café fanaovana café izany. Dia misy modely-na cafetière électrique taloha, ao amin’ny vodiny ao, misy karazana fusible. Ilay fusible io, mi-saute io rehefa tratry ny surchauffe ilay machine électrique fanaovana café. Izay ilay ohatra ry havana. Maninona no maty ilay finoana ? Maninona no maty ilay fitiavana ? Raha oharina amin’ny cafetière électrique ny fiainantsika ry havana : misy fusible mi-saute ao, satria tratry ny surchauffe. Dia alaivo sary an-tsaina ilay zavatra mitranga. Tratry ny surchauffe ilay izy ; izany hoe efa nandeha tao ela be ihany izany. Ilay café ao anatiny izany, rehefa jerenao : mangotraka ; fa satria ni-saute ilay fusible, mety tsy hitan’ilay mpanao café ilay izy ; ni-saute ilay fusible, efa maty ilay cafetière, mbola mangotraka ilay café. Fa iny, rehefa ela ny ela, miha-mangatsiaka ho azy ao iny ry havana ô. Ohatran’izany ny fiainan’ny kristiana religieux maro. Efa ni-saute ilay fusible-ny fanahiny nefa izy mbola manao asa-na diakona ihany ; efa ni-saute ilay fusible-ny fanahiny nefa izy mbola manoratsoratra andinin-tsoratra Masina any amin’ny Facebook any ; efa ni-saute ny fusible-ny fanahiny nef aizy mbola mihirahira hiran’ny lanitra ihany. Possible tsara mihitsy izany. Efa ni-saute ny fusible-ny fanahiny fa mbola hainy tsara ny manao hoe : « Finaritra » manomboka sms, « Tahin’ny Tompo » mamarana sms. Etc… Rehefa farany iny ilay mangotraka iny : mangatsiaka. Izay ange no ahitantsika ilay kristiana mangatsiaka e. Raha cafetière électrique izy : tsy fantany fa efa ni-saute ilay fusible ry havana ô.

Dia inona no atao ary eo anatrehan’izany fusible mi-saute izany noho ilay surchauffe? Tsotra ny antony : ny mampi-saute an’iny fusible iny ry havana : ny fitiavan’Andriamanitra. Ilay fusible mantsy amin’ny électrique : mi-saute ilay izy mba tsy hirehitra ilay système électique rehetra. Dia hoe, ilay fusible mi-saute ao amintsika dia fanairan’Andriamanitra e. Misy ota tian’Andriamanitra isarihina ny saintsika, raha tsy izany dia mi-saute ilay fusible-n’ilay finoana, mi-saute ilay fusible-ny fitiavana, dia mangatsiaka tanteraka, glacé ianao ry havana ô. Eo anatrehan’izany ary, raha te hiverina amin’ilay fitiavana ianao, amin’ilay finoana mahavonjy ianao, mandiniha tena, ary dia mibebaha.

Isika rehetra samy manana ota amin’izao ora ihainoantsika izao hafatra izao, tian’Andriamanitra isarihina ny saintsika e. Ary isika rehetra malagasy dia concernés daholo amin’ity otan’ny kolikoly ity ry havana ô. Tsy ny lalàna no hahafaka an’io, tsy ny fandrahonana no hahafaka an’io, tsy ny réforme-ny système juridique no hahafaka an’io ; fa izaoh sy ianao mandinin-tena tsirairay, hoe : « Tompo ô, misaotra anao ny amin’ny fusible mi-saute, misaotra anao ny amin’ny fangatsiahako an, fa tena tonga saina aho hoe misy tsy mety tokoa ny amin’ny fifandraisako Aminao ». Dia tsy ohatran’ireny olona miteny ireny intsony ianao hoe, any amin’nyFiangonanao, na sendra nahare toriteny any am-piangonana : « oay, tiako be ilay toriteny teo, tena hiverina aho amin’ny Alahady ». Inona ny Alahady ahitana anao eo ? Misokatra ny Fiangonana depuis le confinement, an-jatony tato amin’ity Fiangonana ity no mbola tsitako tato amin’ny Fiangonana ry havana ô. An-jatony e, an-jatony vitsivitsy maromaro. « Pasitera an, tapa-kevitra amin’izay aho : hanaraka étude biblique aho, hanaraka cellule aho » : tazanina ianao, tanana amin’ny teninao ianao : tsita ianao e. Tsita ianao. Tsy manome tsiny anao ry havana, fa ambara aminao amin’ny anaran’ny Tompo : mbola mi-saute ilay fusible-ny fanahinao, ka tsy hita ao aminao ilay finoana miasa amin’ny fitiavana ny Tompo sy ny fitiava-namana. Tsy omena tsiny ianao ; fa na izaho na ianao amin’izao minitra izao, mila sahy mandinin-tena ry havana ô.

Hoy isika hoe : inona ary no atao ? Dia efa teo ilay voalohany, hoe : mibebaha. Izay no ohatrany hoe fanoloana ilay fusible. Fa fantatsika tsara ry havana, fa raha atao hoe soloina iny fusible iny, tsy avy hatrany dia mandeha ilay machine à café an. Ilay hoe soloina ilau fusible, dia tsy maintsy potsirina ilay bouton « marche/arrêt ». Dia eo izany ianao faharoa, rehefa nanolo fusible tamin’ny fibebahana, dia potsirina ilay bouton « marche ». Dia mandeha indray ilay cafetière électrique-ny fiainanao, ny fanahinao.

Ahoana moa izany fampiarana ny hoe ataovy en position « marche » ilay cafetière électique-ny fiainanao ? Zavatra 2 ry havana, zavatra 2 faran’izay tsotra, ary efa hainao :

  • Voalohany indrindra, manokànà fotoana ho an’ny Tompo. Raha ohatra moa ianao hoe tsy miasa dia ao an-trano : manokànà fotoana bebe kokoa e hamakiana Soratra Masina. Fa azo atao tsara koa ny hoe : manokana fotoana bebe kokoa ho an’ny Tompo ny hoe : tsy ataoko teny nandalo fotsiny ilay teny novakiako tamin’ny mofon’aina na tamin’ny mana isan’andro na tamin’ilay voa tsara nafafy maraina iny hoe, « oay nahafinaritra » ; fa hoe teny entiko mi-accompagné ahy ao anatin’ny androko manontolo iny teny nomen’ny Tompo ahy iny ho sainiko. Ary rehefa sainiko ohatran’izany iny teny iny : lasa fiainako, lasa fanasitranana ny nofoko. Rehefa sainiko ohatran’izany iny : manefy ahy handeha tahaka ny zanaka, manefy ahy handeha amin’ny fahatokiana ry havana ô. Saino, avelao hi-accompagné anao anatin’ny andro manontolo ilay teny nomen’ny Tompo anao rehefa maraina ry havana. Ovay koa ry havana, manarak’izay, ovay ny hira fihainoanao. Ovay ny hira fihainoanao. Tsy adalan’i Paoly akory e, ny miteny hoe : « mifampilazà ianareo amin’ny Salamo sy ny fihirana sy ny tonon-kiram-panahy ». Tsy adalana izany ry havana ô. Maka ny fitenintsika aho. Hitanao, io hiran’izao tontolo izao io, izay henoinao en boucle io, satrio hiran’izao tontolo izao, tsy avy amin’ny Fanahy Masina fa avy amin’izao tontolo izao, dia mitarika ny fanahinao sy ny fonao sy ny sainao hiondrika eto amin’izao tontolo izao e. Tsy fahateren-tsaina izany ry havana ô, fa toro-lalana omena ny olona izay hoe te hametraka ny bouton-ny cafetière électrique-ny fiainany ao amin’ny position-na « marche ». Atomboy ny fotoana atokanao ho an’ny Tompo, saino ny teny, raha hihira en boucle ianao izao : aoka ho Salamo, fihirana, tonon-kiram-panahy. Ary rehefa izany no ataonao dia ho tarihin’ny Tompo lalana ianao e, ny amin’izay tiany ataonao bebe kokoa amin’izany famerenana ny bouton-ny fiainanao en marche izany. Rehefa izany no ataonao, hahafaly Azy izany, sady hanoro anao Izy hoe izao sy izao indray. Rehefa izany no ataonao, dia hoy Izy hoe : « ianao zanako, tiako ianao raha mba hoe manandrana an’izany hoe manokana fotoana ho Ahy izany, hifady hanina, hivavaka bebe kokoa hananana fiombonana bebe kokoa amiko ». Izay ry havana : ampitomboy ny fotoana atokanao ho an’ny Tompo e.
  • Faharoa farany, ho an’ny olona izay manao ny bouton-ny fiainany eo amin’ny « marche », dia hoe : ataovy sérieux ny vavaka. Ataovy sérieux ny vavaka. Ny olona izay nandray au sérieux ny tenin’Andriamanitra, araka ilay nitenenantsika azy teo, dia ao moa misy fampitandremana, misy teny fampanantenana ; ny olona nandray an’izany au sérieux ry havana, automatique manao au sérieux, mandray au sérieux ny vavaka. Izay ilay fandehany. Ataovy sérieux ny vavaka raha te hiverina amin’izany hoe finoana miasa amin’ny fitiavana izany ianao ry havana ô. Ohatra volamena ry havana ao amin’ny Soratra Masina ao, ny ohatr’i Jakoba ao amin’ny Genesisy 32 :29 Nitolona tamin’i Jakoba Andriamanitra, dia nitolona tamin’Andriamanitra i Jakoba. Dia noy handeha Andriamanitra, lehilahy moa, ohatrany hoe nanana endrika lehilahy Andriamanitra tamin’izay, dia hoy Jakoba tamin’Andriamanitra hoe : « Tsy avelako handeha ianao rhaa tsy mitahy ahy ». Izany ny toe-tsaina, toe-po, toe-panahin’ny olona hoe mandray au sérieux ny vavaka. Misy teny fampanantenana ao, fampanantenana fitahiana ao : « tsy hamelako Ianao, tsy hamelako Ianao e, raha tsy mitahy ahy ». Ary isika rehetra ry havana ô, isika rehetra mila mitombo amin’izany fandraisana au sérieux ny vavaka izany. Tahaka ny nandraisan’ilay lehilahy teraka jamba, tamin’ny perikopa tamin’ny herinandro teo au sérieux ny teny fampanantenan’i Jesoa momba ny fampahiratana azy. Nirahana izy ho ary amin’ny farihin’i Siloama. Hoy ny fitenenana : voatery namakivaky ny tanànà iray manontolo izy vao tonga tany Siloama, satria noraisiny au sérieux ny teny fampanantenana. Ohatra anankiray ilay vehivavy nandeha rà 12 taona. Ahiliky ny fiaraha-monina ry havana ny olona marary mandeha rà izany satria ambaran’ny Soratra Masina ao amin’ny testamenta taloha hoe maloto ka tsy afaka miaroaro. Tsy ahoany inona izany : novakivakiany ilay foule, ilay vahoaka teo anilan’i Jesoa satria nitady famonjena izy.

Raiso au sérieux ry havana ny tenin’Andriamanitra an, raiso au sérieux ny vavaka e ! Dia ho hitanao fa tena en position « marche », « marche spirituelle » ny fiainanao e.

Misaotra ny Tompo isika ry havana ny amin’ny nampianarany antsika mazava e ny zavatra andrasany amintsika, isika izay an-dalana ho any an-danitra, dia ny mba hananantsika an’izany hoe finoana miasa amin’ny fitiavana izany.

Angataho ny Fanahy Masina hitarika anao ho amin’ny marina rehetra ary hiasa ao aminao na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka an’izany finoana e, miasa amin’ny fitiavana izany.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo, ary ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena.