ALAHADY 12 APR 2020

image_pdfPDF

« Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesoa, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy…Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesoa, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy ». Marka 16 :9 ;14

Ity filazantsaran’i Marka, izay perikopa ity ry havana no hakantsika hafatra. Henonareo angamba fa manomboka eo amin’ny and.9 ka hatramin’ny faha 20 farany amin’ity filazantsara an’i Marka ity, dia maro ny mpandinika no miteny hoe tany am-boalohany, teo amin’ny and.8 no nifarana ny filazantsaran’i Marka. Dia miady hevitra eo ry zareo manam-pahaizana, ry zareo mpandalina Soratra Masina : «  izao, izao, izao ». Ho antsika ry havana ô, izay mino ny asan’ny Fanahy Masina dia miteny isika hoe : « possible teo amin’ny and.8 no nifarana ity filazantsaran’i Marka ity, fa ny Fanahy Masina taty aoriana no niteny sy nampitenenana hoe ampio kely ireo and.9 hatramin’ny faha 20 ireo ».

Ny fahamarinana 1 ry havana, dia mikasika an’i Maria Magdalena. MARIA MAGDALENA eto, amin’izao andron’ny Paska izao ry havana, dia apetraka eo ambany masontsika ho MODELIN’NY FITIAVANA VOALOHANY. MARIA MAGDALENA : MODELIN’NY FITIAVANA VOALOHANY.

Marihina kely ry havana : eo Maria Magdalena, eo ilay vehivavy nanosotra menaka manitra ny tongotr’i Jesoa ; hafa iny. Indraindray mantsy ampitoviana ireo. Fa eto izany, Maria Magdalena apetraky ny Tompo amintsika Fiangonana, ho modely, ho modelin’ny fitiavana voalohany ry havana ô.

Ahoana no anambaran’i Marka azy ? Lazain’i Marka hoe « Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito ». In-3 Marka no miresaka an’i Maria Magdalena ; fa eto izy no milaza hoe : « Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito ». Izany izany no tiany ahafantarana an’ity Magdalena ity ry havana. Raha ny fiaviana, na ny firazanana, dia hoe, izany tanànà kely, niavian’i Maria, izany hoe Magdala izany, dia tanànà kely any atsimo andrefan’ny farihin’i Genesareta, ary an-tsisitsisiny ary, efa manakaiky ny tany jentilisa. Izany hoe : raha ara-pirazanana izany, olona ambany ity Maria Magdalena ity. Fa dia hoe, eto izy, dia ambara hoe : namoahan’i Jesoa demonia fito. Izany koa no hevitry ny Paska ry havana ô. Ny Apostoly Jaona dia nampianatra hoe izao reehtra izao, izao tontolo izao misy antsika izao, dia eo ambany fahefan’ny devoly avokoa. Ary tonga ny zanak’Andriamanitra, niseho ny zanak’Andriamanitra handrava izany asan’ny devoly izany. Tanteraka teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny herinandro masina, tamin’ny Zoma masina, sy tamin’ny Alahady marainan’ny Paska izany. Izay ny réalité ampatsiahivin’i Marka ry havana ô. Ary Marka, raha tsaroantsika ry havana, dia tena hoe manisy tsindrim-peo mihitsy amin’izany hoe fisian’ny demonia izany. Matio, raha manoratra ny filazantsara, ny fahagagana voalohany tantarain’i Matio, dia fanasitranana olona boka. Ilay boka dia sarin’ny aretim-pahotana. Fa Marka, ny tantara voaloahany ao amin’ny Marka 1, ao amin’ny synagoga no mitranga ilay fahagagana, dia hoe fandroahana fanahy ratsy amina lehilahy anankiray. Any amin’ny fiandohana, Marka 1, ato amin’ny famaranana, Marka 16, miresaka demonia ry havana i Marka, ilazana izany fa ny bokin’i Marka, ny filazantsaran’i Marka dia mampitandrina antsika hoe : « e, tandremo fa eo amin’ny tontolo misy anareo dia hoe eo ny demonia, fa matokia, mahereza, mifalia fa ny zanak’Andriamanitra dia efa niseho handresy ny devoly ». Ary eo amin’ny hazo fijaliana ry havana, dia tanteraka ilay faminaniana nataon’i Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 3 :15 hoe : torotoron’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana ny lohan’ilay menarana. Fa any amin’ny Apokalypsy 20 any moa, izay vao hoe atsipy any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara ny devoly ry havana ô. Izay izany aloa ny zava-dehibe tian’i Marka ho tsindriana amin’izao Alahadin’ny Paska izao, hoe : resy ny devoly. Ary dia izao ry havana, izao : lazaina izy hoe namoahan’i Jesoa demonia fito. Tena fanafahana miezinezina izany ry havana ô. Ho antsika izay mahafantatra izany hoe afitsoka sy fampahorian’ny demonia izany, na hoe demony iray fotsiny ary no mampahory olona, efa raharaha be ry havana, raharaha be izany. Fa eto, lazaina hoe demonia fito. Tena hoe fanaperana fampahoriana sy fampijaliana. Izany no nahazo an’ity Maria Magdalena ity. Ary izany ny fanafahana miezinezina notanterahin’i Jesoa ry havana ô : namoaka demonia fito avy ao amin’i Maria Magdalena Izy.

Ary dia izao, izao : Maria namoahan’i Jesoa demonia fito, dia nanokana tanteraka ny fiainany ho an’i Jesoa ry havana ô. Nanokana tanteraka. Ary inona no nanery an’i Maria hanokana tanteraka ny fiainany ho an’i Jesoa ? Izay fanafahana izay. Ny fahatsiarovana an’izany hoe ati-lavaka fandringanana izay nisintonan’i Jesoa azy ; ny fahatsiarovana an’izany no niteraka an’ilay fitiavana voalohany tao amin’i Maria Magdalena ry havana ô, nahatonga azy hoe hanolo tena ho an’i Jesoa. Ary dia nahafinaritra ny tenin’ilay mpitoriteny anankiray izay, hoe : nanjary « disciple permanente », tena hoe mpianatra matihanina ; fa tsy ohatr’ahy, ohatr’anao, mpianatra an-tselika an’i Jesoa izy. Tena hoe nigioka ny tenin’i Jesoa, niandrandra an’izany, tena nigioka an’izany teny izany e. Nanaraka ny dian’i Jesoa rehetra tety an-tany, nizara ny fahoriana niaretan’i Jesoa izy, nanohana Azy tamin’ny volany sy ny fananany, natolony hanohanana ny asan’i Jesoa izany. Ary izay, izay ilay fitiavana voalohany asehon’i Maria Magdalena. Ary modely ho antsika izany ry havana. Ary noho izany fitiavana izany, noho izany fitiavan’i Maria, Maria Magdalena an’i Jesoa izany ry havana, izany no nahatonga azy :

  • Raha hoe hohomboana teo amin’ny hazo fijaliana Izy, tsy lavitry ny hazo fijaliana izy.
  • Nony maty Jesoa, ka nampidinina ny tenan’i Jesoa, nampidinina ny vatan’i Jesoa, mbola teo izy.
  • Rehefa nalevina Jesoa, mbola nanaraka teny am-pasana izy nijery izay nametrahana Azy.
  • Ary ny amin’ny marainan’ny Paska, ohatran’ny androany, izy no voalohany tonga teny am-pasana ry havana ô. Izy no voalohany. Tsy niraharaha an’izay tahotra ; mbola atmosphère-ny fanenjehana ange tamin’izany ; fa izy no voalohany tonga teny am-pasana. Nisy vehivavy hafa koa, nisy mpianatra hafa koa. Fa tonga teny am-pasana, izy mbola nijanona teo rehefa nandeha nody ireo vehivavy sy ireo mpianatra hafa ireo.

Ary izy nijanojanona teo ry havana, noho izany fitiavana voalohany izany, teo izy no nisehoan’i Jesoa.

Tsy niseho tamin’i Maria virjiny i Jesoa ry havana ô, tsy niseho tamin’izy telo lahy faran’izay akaiky Azy Izy tamin’ny fahavelomany, tsy niseho tamin’i Jakoba sy Petera ary i Jaona izy aloa, tsy niseho Izy tamin’ireo vehivavy mpanaraka Azy sy mpanampy azy : Jeanne, Marie renin’i Jakoba sy Josesy sy Salomé, Suzanne, renin’ny zanak’i Zebedio. Olona akaiky Azy daholo izany ; tsy nisehoany voalohany izany ry havana ô. Fa Maria Magdalena irery, satria Maria Magdalena no fantany fa tia Azy amin’ny fitiavana voalohany ry havana ô. Ary dia noho izany fitiavana voalohany izany, tsy nobaikona, tsy nodidina, tsy nirahina, tsy nana-tahotra i Maria, nandeha nilaza tamin’ny mpianatra fa hoe nitsangana Jesoa, nilaza tamin’ny mpianatra ny vaovao lehibe indrindra tety ambonin’ny tany hatramin’izay naha-tany ny tany, dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ry havana ô.

Ry havana, ry havana, manao ahoana ny finoanao sy ny fitiavanao an’i Jesoa ? Nomen’i Jesoa voninahitra ny finoan’i Maria satria Maria nanome voninahitra Azy. Ary raha ianao no mandinin-tena eo anatrehan’i Jesoa : mba omen’ny Tompo voninahitra ve ianao e ? Izany no fampieritreretana amin’izao Paska izao : omen’ny Tompo voninahitra ve ianao, rehefa mandinika ny fiainanao ianao ? Finoana sy fitiavana an’i Jesoa vokatr’izay mba hoe ati-lavaka fandringanana nisintonan’i Jesoa anao ve izany finoanao sy izany fitiavanao izany ? Fa raha tsy izany manko ry havana ô, dia karazana finoana intellectuel, finoana ao an-tsaina, fa tsy finoana iainanao ao amin’ny fonao izany e. Eo isika, eo ianao ry havana ô, mihaino ny hafatry ny Mesia isika, dia manontany Izy hoe : sao dia hoe mbola eo ambany fahefan’ilay ratsy ianao ? Fa eo indrindra koa isika rehetra, isika rehetra dia samy voafatotry ny fahotana ry havana ô, isika rehetra dia samy voafatotry ny fahazaran-dratsy, ary te hanafaka anao amin’ny fatoranao ny Mesia. Izany no nanehoany hery teo amin’ny hazo fijaliana raha niomana handresy ny fasana sy ny fahafatesana Izy. Ilay fahagagana nataony teo amin’ny fiainan’i Maria Magdalena ry havana ô, dia hoe fahagagana tiany atao ao amin’ny fiainanao amin’izao marainan’ny Paska izao. Maria Magdalena ry havana, io vehivavy io, dia hoe « miracle de la grâce », fahagagam-pahasoavana. Ary tian’i Jesosy ho fahagagam-pahasoavana koa ianao manomboka anio ry havana ô, dia ilay fahagagana mamindra anao avy ao amin’ny fanjakan’i satana ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Mino an’izany ve ianao ry havana ô ? Mino an’izany ve ianao ?

Ny fahamarinana 2 ry havana, dia mikasika ny mpianatra. MAMPITANDRINA ANTSIKA NY TOMPO NY AMIN’NY TSY FINOAN’NY MPIANATRA.

Hoy ilay teny eo amin’ny and.14 hoe : Jesoa nanome tsiny azy noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy. Eny e, mety manana circonstance atténuante kely ilay mpianatra, satria Marka ihany no manoratra hoe : ireo mbola nisaona, ireo mbola nitomany. Normal izay zavatra izay. Fa maninona ry havana, nisaona izy, nitomany izy ? Satria lasa ilay zoky mpitarika e, dia hanao ahoana ny asa, hanao ahoana ny fiainana tsotra izao ? Fa izao ry havana : manome tsiny an’ireto mpianatra ireto Jesoa satria Maria Magdalena efa nilaza tamin’izy ireo fa hoe nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ; taorian’izay, nisy lehilahy anankiroa hoe handeha hankany an-tsaha nisehoan’i Jesoa, dia mbola niteny tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy sy ireo rehetra, vehivavy sy ny hafa niaraka taminy teo, hoe : nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Fa tsy nety nino ireto mpianatra ireto, tsy nety nino. Nefa ange e, raha ny ato amin’ny filazantsaran’i Marka dia mazava be ny tenin’i Jesoa, efa nampilaza Izy tamin’ny fotoan’androny, fa hoe ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly, ho lavin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ho vonoina, ary rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray. Mazava be izany teny izany. Fa dia mbola hoe tsy nino e, ireto mpianatra ireto. Ary rehefa mijery an’ilay circonstance nahafatesan’i Jesoa koa ry havana, nahita ilay phénomène naturel izy hoe : maizina ny lanitra, nanomboka tamin’ny roa ambin’ny folo, nahita ny vatolampy tresaka izy, nahita ilay fasana nisokatra izy, dia hoe hafahafa mampitahotra daholo izany zavatra izany, very hevitra izy ; ary raha ny teny am-pasana no jerena, ny mpanapaka romana dia nanendry miaramila anankiray hiambina ny fasana, hiambina ny fatin’i Jesoa, sao dia hoe hisy hangalatra io nony alina, dia hiteny hoe : io fa hitanareo, nitsangana tamin’ny maty, fa foana ny fasana. Fa izao ry havana ô, izao, izao : tena tenenin’i Jesoa mafy ireto mpianatra ireto. Satria raha ny ao amin’ny testamenta taloha no jerena, mila vavolombelona anankiroa hanamarinana teny, hanamarinana situation. Eto : vavolombelona anankitelo. Ary dia hoe tsy nino an’i Jesoa ireto mpianatra ireto ry havana ô. Izay ny amin’ireto mpianatra ireto, ny amin’ny hoe tsy finoana, ny amin’ny hoe hamafin’ny fony.

Ary rehefa mihaino an’izany toriteny izany isika ry havana, afaka mandinin-tena hoe : « ary izaho ity moa ahoana e ? Izaho ity moa ahoana ny hamafin’ny foko e ? Ny finoako e, ny tsy finoako e ? Sao ianao ry havana mieritreritra fa tsara fo, tsara fanahy noho ireto mpianatra ireto ? Izao manko ny lesona rehefa dinihina tsara ny zavatra voalaza teo ry havana. Ny lesona eto dia izao : ny fasana foana dia tsy ala-olana amin’ny tsy finoana sy ny fo mafy. Ny fasana foana dia tsy ala-olana amin’ny tsy finoana sy ny fo mafy. Inona izany ry havana no mahatonga ny finoana an’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty ? Inona no mahatonga an’ilay finoana izany e ? Hitantsika eto ilay izy : Jesoa niseho tamin’ireo mpianatra ireo. Tsy ilay vavolombelona akory, no nahatonga azy hino ; fa Jesoa niseho tamin’ireo mpianatra ireo. Ary fantany tsara ny momba an’ireto mpianatra ireto. Fa rehefa manome tsiny azy Izy ry havana ô, tsy midika hoe fandavana azy izany, fa au contraire, hoe : fampiorenana azy ireoho amin’ny tena finoana tsy hihozongozona. Izany no nisehoan’i Jesoa tamin’ireo mpianatra ireo ry havana ô. Ary izay marina amin’ireto mpianatra ireto, Marka 16 ireto ry havana, dia marina tanteraka koa tamin’ny tantaran’i Paoly Apostoly, tamin’i Saoly. Saoly ange niainga tany Jerosalema e, any an-dalana ho any Damaskosy, nitondra taratasy nanome azy alalana hi-arrêté, hisambotra, hamono kristiana e ; eny an-dalana izy no nisehoan’i Jesoa ry havana ô. Izy miainga any Jerosalema ho any Damaskosy, efa nandre an’izany hoe fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty izany, fa tsy niteny taminy izany, tsy niteraka finoana taminy izany. Fa inona ny zavatra nitranga ? Inona ny zavatra nitranga ? Nisehoan’i Jesoa i Paoly (Saoly) teny an-dalana ho any Damaskosy. Izay no nampiova fo an’i Saoly.

Aoka tsy ho diso hevitra isika, ka hanao hoe : « fantatro anie fa nitsangana tamin’ny maty Jesoa e, ary vao perikopa tamin’ny Alahady ny hoe : 1 Korintiana 15, manambara mazava fa Jesoa nitsangana tamin’ny maty dia niseho tamin’i Kefasy an, niseho tamin’izy roa ambin’ny folo lahy, niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato, niseho tamin’i Jakoba, niseho tamin’ny Apostoly rehetra, niseho tamin’i Paoly ihany koa ; haiko tsianjery izany ». Non, non, non. Raha tsy afaka manohy ianao hoe : « niseho tamiko koe Jesoa », dia mbola ao anatin’ny tsy finoana sy ny hamafisan’ny fo ianao ry havana ô, raha tsy afaka manohy ny liste-ny vavolombelona nisehoan’i Jesoa ry havana ô.

Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty, dia velona mandrakizay. Ary efa nanome toky antsika fa homba antsika mandrakizay, homba antsika mandrakariva. Ary izao : amin’izao maraina izao Izy, mamangy anao, tahaka ny namagiany sy nisehoany tamin’ny mpianany fahiny.

Ry havana ô, angataho Izy hiseho aminao, ary tsy hiseho fotsiny, fa angataho Izy hiditra ao amin’ny fiainanao, ary angataho Izy handray an-tanana ny fiainanao. Ary faly Izy, raha omenao permission amin’izany. Fa tsy handray an-tanana tsy misy permission Izy ry havana ô. Ary rehefa omenao permission tahak’izany Izy ry havana, inona no ataony ? Inona ny avy hatrany dia ataony ? Hitany io fo vatonao io. Hitany io fo vatonao io. Dia tonga dia esoriny io fo vatonao io, izao dia izao raha mety ianao, ary soloiny fo nofo ry havana ô, soloiny fo vaovao izany. Possible izany izao dia izao. Fa omeo persmission Izy. Ary angataho Izy hoe : « omeo fo nofo aho ho solon’ny fo vato ». Mino izany ve ianao ry havana ô ? Mino izany ve ianao ? Alaivo sary an-tsaina ange e, alaivo sary an-tsaina : tamin’ny fotoana nanombohana an’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana, vao tapitra ny ainy, dia nihorohoro ny tany ; vao tapitra ny ainy, dia nitresaka ny vatolampy. Dia hoy ny mpitoriteny anankiray izay : « ny vatolampy aza nalahelo dia toy ny nitresaka ny fon’ny vatolampy ». Fa ianao ry havana ô, mandre isan’Alahady hoe : « maty Jesoa » ; tsy miontsona. Tsy miontsona ianao e. Mangatsiaka ny fonao, indifférent ianao e. Izany, izany ny maro amintsika ry havana ô. Ry havana, te hanaisotra ny fo vatonao Jesoa amin’izao fotoana izao. Fa angataho Izy, ary tano amin’ny teniny Izy hoe Ianao ny efa niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany Ezekiela, hoe : « Esoriko aminareo ilay fo vato, ka omeko fo nofo ianareo ». Tano amin’ny teniny Izy ry havana ô.

Fa ho antsika mpino ry havana, dia izao koa no mbola hafatra ho antsika : mazava ny teny notoriana teo, henonao ny teny teo. Fa izao : henon’i satana koa ilay teny teo ry havana. Fa maninona no miresaka an’i satana ? Satria araka ny nolazaina tany am-boalohany, misy resaka demonia mazava ato amin’ny perikopantsika. Misy resaka demonia mazava ao. Tena réalité hoy Marka izany hoe asan-demony izany. Inona no tiana hiaviana ry havana ? Inona no tiana hiaviana ? Rehefa hoe mamaky isika hoe : « Jesoa nanome tsiny ny mpianatra noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony » : raha ny marina ry havana, io tsy finoana io, mahazo antsika, na ny hamafin’ny fo io, dia satria satana no mamboly ao am-pontsika izany tsy finoana izany. Satana no mamboly ao am-pontsika izany tsy finoana izany. Eo ianao mihaino toriteny mazava be, fa tsy mino ianao e. Satana koa ry havana dia tsy mino ; izy izay nampiditra tsy finoana tao am-pon’i Adama sy Eva no mbola te hampiditra tsy finoana ao am-ponao amin’izao maraina izao, isaky ny te hihaona amin’Andriamanitra ianao. Misy fitenin’ny mpitoriteny ry havana, manao hoe : « Ny tsy finoana no zanaka vavimatoa an’i satana ary ny tsy finoana no renin’ny fahotana rehetra » ; « L’incrédulité est la fille ainée de satan ; et l’incrédulité est la mère de tous les péchés ».

Ry havana ô, asan-devoly io tsy finoana mahazo anao io. Dia jereo tokoa ange e : novolen’ny devoly, satana, menarana ela ; iray ihany izany hoy ny Apokalypsy 12 :9 ; novolen’ny devoly tao am-pon’i Eva ny tsy finoana dia niteraka curiosité, niteraka convoitise, fitririritana, niteraka ota ry havana ô. Misy izao olona ry havana, tonga eto amin’izao fandaharana izao, satria maninona ? Satria Paska kosa ny andro e ! Tsy maintsy miangona e ! Fa tonga eto izy, tonga eto amin’izao fandaharana izao izy, dia mihaodihaody eo aminy i satana ry havana. Dia sakanan’i satana amin’ny alalan’ny fanahy maloto ireo olona ireo tsy hahafantatra ny fahamarinana sy ny herin’Andriamanitra. Izany ry havana i satana e. Ary izany ry havana no ataon’i satana isan’Alahady, isaky ny mivory isika zanak’Andrimaanitra. Tonga ao amin’ny Fiangonanao ianao, mahita ny hazo fijaliana : mangatsiaka ny fonao. Rehefa mihira ny hira Ffpm 107 ihany ianao hoe : kotsan-dranomasom-pitiavana ; fa eo imolotra izany. Fa tonga ao am-piangonana ianao, mijery an’io hazo fijaliana io : mangatsiaka ny fonao. Mihaino ny tenin’Andriamanitra ianao, tsy miontsina ianao, tsy mino ny promesse ambaran’ny Soratra Masina ianao, ary tsy mino ihany koa ianao izay teny fampitandremana ambaran’ny Soratra Masina. Izany izaho, izany ianao ry havana ô. Tsy mino ianao hoe : tandremo fa io Jesoa izay natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty io ange ry havana dia mandidy antsika hibebaka e. Fa ho avy ny andro izay efa nanendren’Andriamanitra an’io Jesoa io, hoe : hitsara antsika. Tsy mino an’izany ianao ry havana ô, noho ny asan’i satana sy ny asan’ny demony. Isan’Alahady, ao am-piangonana, ao aminao, ohatrany glace ny fonao ry havana ô. Satria ao anatin’ny fonao ao, ohatrany misy lafika, misy fond izay manana endrika tsy finoana. Ary tonga ao am-piangonana ao ianao, fa rehefa mivoaka ao ianao, dia noana ny fanahinao, noana tahaka an’izay nidiranao teo no ivoahanao avy ao amin’ny Fiangonanao isan’Alahady.

Ry havana, inoana fa nampietry ny mpianatra ilay tsiny azony tamin’i Jesoa ry havana. Fa hoe : tokony mba hampietry anao koa izany teny izany amin’izao maraina izao. Manetre tena koa ianao e ! Ary ekeo hoe : io tsy finoana ato amiko io ; tsy maninona raha izay fotsiny ary no tadidinao amin’izao toriteny izao ; io tsy finoana ato amiko io dia asan-demony, asan’ny fanahy maloto irak’i satana. Ekeo izany, dia angataho ny Fanahy  Masina handroaka an’izany. Fa Jesoa efa niteny hoe : Ny Fanahin’Andriamanitra no androahiny demonia (Matio 12 :28). Ny Fanahin’Andriamanitra no androahiny demonia. Ry havana, hanaisotra ny fo vatonao Jesoa raha mangataka Aminy an’izany ianao ; ary ny Fanahy Masina handroaka ny fanahin’ny tsy finoana izay novolen’i Satana ao aminao. Izany ny fahamarinana vao hitantsika teo. Ny fanontaniana dia hoe : mino an’izany ve ianao ? Mino an’izany ve ianao ?                

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana eto am-pamaranana dia izao : manontany tena ianao izao hoe : inona ary no mbola tokony ataoko ho fanampin’izany ? Inona ary no mbola tokony ataoko ho fanampin’izany ? Ny valiny : MITOMBOA AMIN’NY FIAINAM-BAVAKA.

Raha tianao hitombo ny finoanao, tsy maintsy finoana miankina sy miorina ary velomin’ny fiainam-bavaka izany. Inona ny dikan’izany hoe : « mitomboa amin’ny fiainam-bavaka »? ATAOVY FIAINAM-BAVAKA NY FIAINANAO. ATAOVY VIE DE PRIERE NY FIAINANAO. Ny fiainanao ange izao, dia izao e : fiainana mpivarotra angamba ny fiainanao, fiainana tanora ny fiainanao, fiainana dokotera ny fiainanao, fiainana injeniera ny fiainanao etc…ATAOVY FIAINAM-BAVAKA E, ATAOVY VIE DE PRIERE NY FIAINANAO RY HAVANA O.

Ahatratrarana an’izany :

  • Atomboy amin’ny vavak’ilay raim-pianakaviana izay nanan-janaka lahy azon’ny fanahy maloto, dia nihinjitsinjitra, valaka dia valaka, nandoa vory ; ny vavak’io raim-pianakaviana io dia hoe : « mino aho, vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako ». Izany anombohana an’izany vie de prière izany ry havana ô.                                                                
  • Manarak’izay, mivavaha ianao mba hampahitan’Andriamanitra ny heriny. Dia ho hitanao fa ampanaovin’Andriamanitra exercice pratique ianao, izaranao amin’izany finoana izany, izaranao amin’izany vavaka izany. Ho sedraina ianao, ary amin’izay fotoana izay ry havana, tsarovy ny fitenin’ny mpitoriteny manao hoe : « l’extrémité de l’homme est une opportunité pour Dieu ». Izany hoe : rehefa tapi-dalan-kaleha ny olona, rehefa any an’efitra ny olona, reehfa any anaty tafio-drivotra ny olona, rehefa any aanty rano misamboaravoara ny olona : opportunité, tolotra ho an’Andriamanitra izany ry havana anehoan’Andriamanitra manokana aminao ny heriny sy ny fitiavany anao. Mangataha amin’Andriamanitra, mivavaha mba hampahitan’Andriamanitra ny heriny ianao.
  • Farany, ataovy ho fivavaky ny mpianatra, ataovy ho fivavaky ny disciple ny fivavakao e. Ataovy ho fivavaky ny mpianatra. Teo an-tokotanin’ny fasana teo izany, efa nijoro teo Jesoa fa tsy fantatr’i Maria. Fa noheveriny fa ilay jardinier teo an-tokotanim-pasana Izy. Dia nahita an’i Maria Jesoa ry havana, dia niteny Jesoa hoe : « Ry Maria ». Nahare ny feony i Maria, dia tia Azy amin’ny fitiavana voalohany ; nahare ny feony i Maria, niantso azy tamin’ny anarany, dia avy hatrany dia fantany hoe izay ilay Tompony, nanolorany ny manontolony. Mamaly izy hoe : « Rabony », « Mpampianatra ô ». Inona no nataon’i Maria teo an-tokotanim-pasana ry havana ô ? Nangataka izy ny mbola ampianarina tahaka ny mpianatra, tahaka ny disciple. Nangataka izy ny mba hampianarina ny lalan’ny fiainana, nangataka izy ny mba hampianarina ny lalan’ny fahamarinana, nangataka izy ny mba hampianarina ny lalana mankany amin’ny Ray any an-danitra, ary mba ho hazoniny, tsy hivilivily ho amin’izany. Rehefa izany ny fiainantsika ry havana ô, rehefa ataontsika vie de prière, fivavaky ny mpianatra ; tena hivavaka isika ka tsy hitsahatra (1 Tesaloniana 5 :17). Rehefa ny lanitra, ary ny lanitra irery manko no atao ho tanjona eo amin’ny fiainanao, dia efa fiainan-danitra sahady ry havana ô no santarinao ety an-tany. Inona no mitranga ao an-danitra ao ? Ao an-danitra ao ange Jesoa e, inona no ataony andro aman’alina ? Mivavaka Izy, ary tsy mitsahatra ny mifona ho antsika Izy. Dia mba mivavaka toy izany koa ianao, rehefa mahatsiaro an’i Jesoa. Ary rehefa hoe ny fankalazana an’Andriamanitra no hany manery anao amin’ny zavatra rehetra ataonao, raha ny fankalazan an’Andrimanitra no hany manery anao amin’ny zavatra ataonao, raha Jesoa irery marina no asandratrao, fa tsy hira fotsiny izany, na fihetsiketsehina fotsiny izany hoe fanandratana an’i Jesoa izany ry havana, ho henoiny vavaka ianao ; satria ny vavaka asandratrao dia vavaka handona ny fon’i Jesoa, ary haka fotoana Izy hamaliana vavaka anao ry havana ô. Ary ianao, ianao hahita tsirony amin’ny vavaka, ho tena hoe vie de prière ny fiainanao, ho tena olon’ny vavaka ianao, ary natioranao, fiainanao, respiration anao izany vavaka izany.

Ry havana ô, mihoatra noho izay tamin’ny lasa izay, atongilano ny sofinao, ataovy izay ahenoana an’i Jesoa miantso ny anaranao isan’andro isan’andro. Miantso ny anaranao Izy e ! Tsy miova Izy, miantso anao amin’ny anaranao Izy. Fa izao : raha maheno Azy ianao, raha mandre Azy ny sofinao, dia ohatrany tahaka ny tamin’i Maria Magdalena teny am-pasana : ny ranomasonao hody fifaliana, ary ny fanatrehany anao no tana-masoandron’ny fonao, hanazava ny fonao sy ny fiainanao.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra, ary ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

 

 

image_pdfPDF