ALAHADY 11 OKT 2020

1 Samoela 17, tantaran’i Davida sy Goliata ry havana. Misy lesona vitsivitsy tian’ny Tompo omena antsika amin’ny alalan’izany tantara izany. Goliata moa, hoe « géant ». Fa Goliata eto, sarin’ny « géants » rehetra ifanenantsika ; fahavalo na situation tsy hay resena. Izany ilay hoe « géants » atrehina. Ary ny tantaran’i Davida, ny niatrehan’i Davida an’i Goliata dia azo hakana lesona tsara irosoana ho any amin’ny finoana masina.

Nisy mpanompon’Andriamanitra izay ry havana nitoriteny momba an’ity tantaran’i Davida sy Goliata ity, dia izao hoy izy no azo amaritana an’izany hoe finoana masina izany, raha miainga amin’ity tantara ity ; ilay hoe finoana moa amin’ny teny frantsay dia hoe « foi », dia izao no azo analavana ny hoe « FOI » : F : Foi, O : qui Ouvre, I : l’Impossible. « Foi qui ouvre l’impossible ». Ary tena izay ilay finoana nananan’i Davida, satria impossible ny handresena an’i Goliata e ; fa eo ianao manana « géant » sy ny situations impossibles rehetra, hoe zava-manahirana eo amin’ny fiaraha-monina, mpifanolo-bodirindrina aminao, chef manahirana any am-piasana, mpampianatra manenjika lava anao, sy ny karazany sy ny karazany ao an-tokantrano : géant izany hoe vady tsy miraika amin’ny fivavahana izany, ary maneso anao rehefa hankaty am-piangonana ianao. Ny Tompo te hanome anao an’izany hoe : « foi qui ouvre l’impossible » izany ry havana ô. Izany ny vaovao mahafaly amin’izao maraina izao.

Andeha ange jerentsika ny and.47 : « Ary ho fantatr’ izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’ i Jehovah; fa an’ i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tànanay Izy ». An’i Jehovah ny ady. Ary izay no mahatonga an’ilay finoana qui ouvre l’impossible, satria ilay Andriamanitsika io, araka ny toriteny rentsika teto ombieny ombieny, ce Dieu, c’est le spécialiste de l’impossible. Azy ny ady e ! Ataovy masaka ao an-tsainao izany manomboka fa ireo « géants », ireo Goliata manodidina anao ireo, na manomboka ao amin’ny ankohonanao aza, ny ady atrehinao amin’ireo an : an’i Jehovah. An’i Jehovah izany ady izany.

Misy fahamarinana vitsivitsy ry havana atoro antsika, ampatsiahivina antsika izay te hanana an’izany hoe « Foi qui ouvre l’impossible » izany, izany hoe finoana mampahatsiaro mandrakariva fa hoe : an’i Jehovah ny adinao e.

Ny Fahamarinana 1 dia hoe : ATREHO AMIN’NY ANARAN’I JEHOVAH NY ADY

And.45 : « Fa hoy kosa Davida tamin’ ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ ny Isiraely, Izay efa nohaikainao », izay efa no-défié-nao. ATREHO AMIN’NY ANARAN’I JEHOVAH NY ADINAO ry havana ô ; ATREHO AMIN’NY ANARAN’I JEHOVAH. Ary manomboka izao ianao, raha manatrika ady amin’ny anaran’i Jehovah, eo anatrehan’ireo Goliata ireo, mahatsiarova hoe solontenan’i Jehovah aho io manatrika io e. Mety misozy anao Goliata tahaka ny nisoziany an’i Davida : « inona koa izay tovolahy kely io ? ». Goliata moa any amin’ny 3metatra any hoe mpandinika ; Davida tamin’izany tovolahy kely eo amin’ny 20taona eo. Mety misozy anao Goliata e, fa mahatsiarova tena ianao hoe : solontenan’Andriamanitra aho, solontenan’i Jehovah Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’i Isiraely ; izany ianao. Solotenan’i Jehovah Tompon’ny maro. Ny firenena rehetra ety an-tany manana armée anankiray, asa moa raha anankitelo no ilazana azy : armée de terre, armée de l’air, armée de mer (armée amin’ny maritime) : anankitelo ; ireo izany atao hoe anankiray ihany. Filistina manana anankiray any, Isiraely manana anankiray any. Fa io Jehovah izay nandray an-tanana ny adinao io, hoe Azy ny ady : « Eternel des armées », manana tafika tsy hita isa Izy ry havana ô. Izany io Eternel des armées io. Ary tsy hoe anarana any anaty Baiboly na anaty boky io, fa tenenin’i Davida hoe : Andriamanitra velona io. Nahita an’i Goliata izy dia hoe : « inona koa io jentilisa tsy voafora izay miaiky an’Andriamanitra velona io ? ». Indroa Davida no miteny hoe velona Andriamanitra. Ny problemantsika mianakavy : tsy manompo Andriamanitra velona isika fa manompo Andriamanitra maty, izany no maha-matimaty ny finoantsika ry havana. Ampahatsiahivin’Andriamanitra antsika e : velona Andriamanitra, Tompon’ny maro Izy, Tompo-na tafika maro Izy, Eternel des armées Izy. Ary ianao hiatrika Goliata, irany ianao, solontenany ianao hiteny aminy hoe : « raha ny amiko, n’inon’inona fijerinao aho, izaho dia tonga eto amin’ny anaran’i Jehovah ». Ary izay ny laklen’ny fandresena ry havana, izay ny tsiambaratelon’ny fandresena ara-panahy : miatrika amin’ny anaran’i Jehovah.

Andeha haka ohatra malaza be amin’izao fotoana izao, tena hoe tantaran’i Davida sy Goliata. Davida gasy sy Macron Goliata, ity resaka nosy manodidina, ity resaka îles éparses. Tonga any Macron, volana vitsivitsy lasa izay angamba, dia miteny izy eo amin’ilay île glorieuse : « ici, c’est la France ». Izay ilay Goliata izay. Inona no avalinao an’izany ? Tsy manan-kavaly an’izany ange isika e. Davida sy Goliata ange io e. Davida sy Goliata io. Nohamafisin’ny sénat frantsay : an an an hors de question hoe hamerina an’ireo nosy manodidina ireo amin’i Madagascar ; dia mangina le gasy e, mangina ilay gasy e. Mety azo atao angamba ny hiteny hoe : ary maninona isika raha mba hoe andao hifanaraka amin’ny sinoa, hifanaraka amin’ny russes, hifanaraka amin’ny australiana hanohitra ny frantsay ; eny e, azo atao izany ; fa hoy Davida amin’i Goliata hoe : « Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah ». Capable ve ianao miteny an’i Macron, raha filoham-pirenena, raha PM, na parti politique mitolona ho amin’ny famerenana an’ireo îles éparses ireo, hoe : « henonay izany ry Goliata Macron an, fa izahay tamy amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitra izay Tompon’ny maro, ilay Andriamanitry ny miaramila malagasy ary Andriamanitry ny malagasy ». Sa hiteny : « Pasitera, tsy any am-piangonana ange isika e, fa ety amin’ny nosy manodidina e, ary misy resaka rapport de forces militaires io, resaka géo-politique io, resaka relation internationale sy ny karazany » etc… Tsy any ny problema. Ny problema dia hoe : sahy hiteny ve ianao « izaho tamy amin’ny anaran’i Jehovah ary milaza aminao ahy fa ho averin’i Jehovah aminay malagasy io ». Mino an’izany ve ianao ? Ary tohizanao araka ilay tenin’i Davida teto, hoe : « averinay amin’ny malagasy io ahafantaranao sy ahafantaran’ny rehetra fa manana Andriamanitra tokoa, manana Andriamanitra tokoa, ary velona Izy, izahay malagasy ». Izay ilay finoana masina tian’ny Tompo ananantsika ry havana ô.

Atreho amin’ny anaran’i Jehovah, ary Jesoa ilay Tompon’ny Tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka, tsy efa nampanantena ve Izy ry havana hoe : n’inon’inona angatahinareo amin’ny anarako dia ataoko izany, ataoko. An’i Jehovah ny adinao, ny Goliatanao. Ary angataho amin’i Jesoa ny fandresena dia haneho an’izany Izy.

Izay ny Fahamarinana 1 : ATREHO AMIN’NY ANARAN’I JEHOVAH.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia jerentsika eo amin’ny and.40 sy ny and.47 : « Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin’ ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin’ ny kitapo fitondran’ ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany ; dia nanatona ilay Filistina izy. Ary ho fantatr’ izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’ i Jehovah… ». Ny Fahamarinana 2 dia izao : TSY SABATRA, TSY LEFONA NO AMONJEN’I JEHOVAH FA ANTSAMOTADY.

Io antsamotady io no nanisian’i Davida vato kilonjy, dia natsipiny tany amin’ny andrin’i Goliata, dia maty Goliata ry havana.

Ahoana moa ny amin’ity Davida ity ry havana ? Davida dia tena nanana an’ilay « foi qui ouvre l’impossible » ; Saoly tsy nanana an’izay. Rehefa jerenareo ery amin’ny and.38 ery, rehefa neken’i Saoly hoe i Davida no hisolo an’i Isiraely iray manontolo amin’ilay ady amin’ny Filistina, hiady amin’i Goliata, inona no nataon’i Saoly ? Nampiakanjo an’ i Davida ny akanjo fiadiany izy, nanisy fiarovan-doha izy, nanisy fiarovan-tratra izy. Avy eo dia namehy ny sabany tamin’ny akanjo fiadiany izy. Ohatran’i Saoly isika ry havana, mazava be anie izany teny hoe : « an’i Jehovah ny ady », « eny e, eny Pasitera an, fa aleo ihany aloa izaho hanao akanjo fiadiana, aleo ihany hanao fiarovan-doha, hanao fiarovan-tratra, omeo sabatra aho ». Non, non, non, hoy Davida. Nandramany ilay izy satria natolotr’i Saoly mpanjaka ka. Fa avy eo, tsy afaka mandeha Davida, tsy à l’aise Davida, « fa aleo ilay mahazatra ahy, amin’ny maha-mpiandry ondry ahy, aleo izay no iatrehako an’i Goliata e ; tehina, antsamotady, dia vato kilonjy dimy, dia ilay kitapo-na mpiandry ondry ». Fa io Davida io, io ange ilay mpiandry ondry nanoratra ny Salamo 23 e ; ilay nanao an’i Jehovah ho Mpiandry azy e ; nanana confiance tanteraka tamin’i Jehovah tamin’ny lafim-piainany rehetra. Dia aleo izaho, miaraka amin’izay confiance amin’i Jehovah izay no hiatrika an’i Goliata.

Ary ilay antsamotady eto ry havana, dia azo lazaina hoe antsamotadin’ny confiance. Ary isika rehetra dia tenenin’ny Tompo hoe : e, ianao ange ka tokona hanana antsamotadin’ny confiance. Ary faharoa manarakarak’izany an, inona ilay vato kilonjy ? Ery amin’ny and.40 izy dia hoe : « nifidy vato kilonjy ». Ilay vato kilonjy dia lazain’ny mpandinika hoe sarin’ny tenin’Andriamanitra.  Rehefa hiady amin’ny fahavalo ianao, tsara ianao mivatsy tenin’Andriamanitra ; sarin’ny tenin’Andriamanitra. Ilay hoe « nifidy vato kolonjy dimy » : nisafidy izy tenin’Andriamanitra ry havana malala. Raha tenenina ianao hoe fantatro ianao, fa hiatrika Goliata rehefa mirava eto, fa mifidiana vato kilonjy dimy, misafidiana tenin’Andriamanitra : firy amintsika no capable mi-citer tenin’Andriamanitra dimy, firy amintsika ? Izany no maha-matimaty ny finoana, izany no tsy hananantsika fiainam-pandresena. Ary ilay izy an, vato kilonjy, « pierres polies ». Maninona no hoe « pierres polies », vato malama ireny izany no nalain’i Davida ? « Polies » ilay izy satria ampiasaina foana, dia farany dia lasa malama. Ny tenin’Andriamanitra nifankazaranao ry havana ô, iny no alefan’ny antsamotadin’ny confiance any amin’ny andrin’ilay fahavalo. Izany ve ianao ry havana ô ? Izany ve ? Fa tsy sabatra, tsy lefona na lefom-pohy. Ilay antsamotadin’ny confiance andefasanao ny vato kilonjy nofidianao noho ny fahafantaranao azy tsara, dia atolotra anao ny fandresena ry havana ô. Atolotra anao. Ary vitsy ny kristiana tonga amin’izay niveau spirituel izay, hoe manana fiainam-pandresena, mitady an’izay fiainam-pandresena izay. Fa matetika ny kristiana ry havana ô, zara fa velona dia efa faly izy : tsy resy, tsy maharesy, zara fa velona. Rehefa tsy maharesy ianao, rehefa tsy resy ianao, naman’ny fiainana faharesena ihany izany e. Ary izany no tenenin’i Davida eto an, asehon’i Davida eto, nony potraka, lazaina efa maty ihany aloa Goliata, dia nanatona Davida, nihazakazaka Davida nanatona, notsoahiny ilay lefona, dia notapahiny tamin’iny ny lohan’i Goliata, satria hoe ilay fandresena, ary ilay farany io moa fandresena amin’ny fahotana sy ny fakam-panahy : tsy maintsy resena hatramin’ny farany izany fahotana izany ry havana ô.

Izay ilay fahamarinana 2. Enga anie ianao ka hanana an’izany hoe antsamotadin’ny confiance izany. Davida ity manko nijoro vavolombelona hoe tamin’ny notenenin’i Saoly hoe « inona izay ianao boay kely io ? » « Azafady, miala tsiny fa ny mpanomponao hoy izy, tamin’ny niandry ondry, dia nisy liona sy bera tany amin’ny fiandrasana ondry tany, nangalatra an’ilay ondry ; nalaiko avy teny am-bavany nge ilay ondry e. Ary avy eo, saika hamono ahy indray ilay liona sy bera : izaho indray no namono azy, hoy izy. Izany ity Davida ity, hoe nahatoky ny Tompo tamin’ny fiainany satria hoe Mpiandry tsara Jehovah. Izay izany no itenenana amintsika hoe : fantaro fa tokony hanana ianao an’izany hoe antsamotadin’ny confiance amin’Andriamanitra izany. Ary izany no anipazanao vato kilonjy izay efa nosafidianao ry havana ô. Raha ny marina izany, ity fahamarinana 2 ity dia azo lazaina ohatran’izao, amin’ny fomba tsotra hoe : ANATY ADY, ATEVENO NY FIFANDRAISANAO AMIN’ANDRIAMANITRA.

Ilay fahamarinana 1 hoe : ATREHO AMIN’NY ANARAN’ANDRIAMANITRA NY ADINAO. Ary ilay fahamarinana 2 hoe : ANATY ADY, ATEVENO NY FIFANDRAISANAO AMIN’ANDRIAMANITRA.

Goliata anie ry Pasitera no atrehina e ! Ateveno, hoy aho ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, fa io Goliata io : Andriamanitra no anolotra azy aminao.

Lioka 17, mamarana isika ry havana. Misy Goliata be ato izay tena nahakivy ny mpianatra ary mino aho fa mahakivy antsika koa, dia ilay hoe : tsy maintsy mamela olona izay nanafintohina antsika. Ary ho jerentsika eto ilay « foi qui ouvre l’impossible ». Jerentsika ilay tenin’ny mpianatra amin’i Jesoa, Lioka 17 : 5 : « Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo : Ampitomboy ny finoanay ». Inona ilay Goliata eto ? Goliata ry havana izany hoe hamela olona nanafintohina anao izany an. Goliata be izany. Ary na mifona aza izy, mbola Goliata be izany hoe hamela olona nanafintohina anao fanindroany. Tsy tratry ny herintsika izany. Ary nefa ny tenin’i Jesoa eto : « raha manota aminao impito izy an, ka mibebaka impito an » : ianao mamela azy. Izaho, ianao : « manao indroa izy, mamerina fanintelony izy, fa ianao ve, ataonao ho iza aho, ataonao kilalao ohatran’izao ve io fibebahana io e !? ». Non non non, hoy Jesoa, Izaho milaza aminareo : « raha mibebaka impito izy, anatin’ny iray andro izany an, tsy ao antin’ny fito andro na anatin’ny taona ; anatin’ny iray andro ; mamelà azy, mamelà azy ianareo », hoy Izy. Dia ilay mpianatra moa izany miteny hoe : « Ampitomboy ny finoanay ». Bedesin’i Jesoa ny mpianatra : ianareo ange hoy Izy manana finoana e, fa tsy exercé-nareo ilay finoana ; tsy exercé-nareo ilay finoana. Ny tenin’i Paoly manazava kokoa an’io fibedesan’i Jesoa io, Romana 12 :3d : « fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy ». Ilay hoe « ohatry ny finoana » dia hoe « anjara finoana ». Samy nizaran’Andriamanitra anjara finoana isika ry havana ô ; izay no ampahatsiahivin’i Jesoa ; dia hoy Jesoa ao amin’ny Lioka 17 :6 ; avy niteny izany ny mpianatra hoe « Ampitomboy ny finoanay », hoe : « raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza iaanreo, dia azonareo lazaina amin’io vorihazo io hoe : miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy ». Ianareo ange manana finoana e, finoana mety hoatry ny voan-tsinapy aza ilay izy, fa tsy ampiasainareo ilay izy : hoatran’ilay lehilahy notenenin’i Jesoa hoe manana talenta iray dia tsy nampitomboiny ilay izy fa naleviny. Manana finoana ianareo hoy Izy, na dia hoe hoatry ny voan-tsinapy aza, fa tsy ampiasainareo ilay izy. Kisarisary moa ity ampiasain’i Jesoa ity hoe : « azonareo lazaina amin’io vorihazo io hoe : miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina ». Amin’ireo fahagagana tantarain’ny Soratra Masina, tsy nisy hoe : Jesoa niteny tamin’ny vorihazo hoe : miongota dia mankanesa ery anaty ranomasina ; fa sary izany ilazana amintsika hoe : e, e, manana finoana ianao, na finoana kely hoatra ny voan-tsinapy aza. Izay no ambaran’i Jesoa ry havana, fa exercé-o io, execré-o io. Ary exercé-o io amin’ny fotoana hamelana ilay olona nanafintohina anao.

Fa izao ry havana no ampianarin’ny mpianatra antsika eto amin’ity Lioka ity. Talohan’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, ny mpianatra no miteny amin’i Jesoa hoe « Ampitomboy ny finoanay ». Fa inona ny zavatra nitranga ? Taorian’ny Pentekosta rehefa tonga tany an-danitra Jesoa, dia nandray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny mpianatra ry havana ô, ary izay no niteraka transformation tao amin’ny mpianatra, nananany fahasahiana hitory an’i Jesoa ; Petera andro vitsivitsy nandà Azy tao an-tranon’ny mpisoronabe, tao an-tokotanin’ny mpisoronabe Kaiafa. Tena nanana fahasahiana izy. Ary ny lesona eto, ny lesona eto dia hoe : nony feno ny Fanahy Masina ny mpianatra, tsy problema taminy intsony izany hoe fatran’ny finoana, izany hoe anjara finoana izany. Fa tena hoe feno fahasahiana izy nijoro vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy Tompo maty, nalevina, nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana antsika ry havana ô.

Aza mety ho rebireben’ny devoly amin’izany hoe kely ange ny finoanao e ; ianao ange ka mila ampitomboina ny finoanao e ; fa ny Tompo ry havana ô, izay efa nanome anao ny Fanahy Masina, nanisy anao tombonkase tamin’ny Fanahy Masina, no hanome anao fahasahiana hijoro vavolombelona ny amin’izany Tomponao izany, hoe Andriamanitra velona Izy, ary Izy no hanampy anao handresy ny Goliatan’ny tsy fahaizana mamela heloka, na iza io na iza, ary atomboy ao amin’ny ankohonanao e.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.